Hira
Ny lalanao no lalako


92

Ny lalanao no lalako

Amin-pahavononana

1. Na hoany antendrombohitra,

Na andranomasimbe.

Na hanoloan’ ady lehibe

No hiantsoan’ ny Tompo.

Bitsiky ny fanahy no re

Manoro zay haleha.

Tompo ô! tantanonao re aho,

Ny lalanao no lalako.

[Chorus]

Ny Lalanao no lalako,

Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao

Ny teninao no mamiko tokoa,

Ny sitrakao no sitrako.

2. Teny feno fitiavana

Tian’ i Jesoa lazaiko.

Misy ’reo mpanota havana

Izay ho tadiaviko.

Tompo ô! tarihonao aho

Na sarotra ny dia

Haveriko ilay hafatrao

Ho lozaiko ’zay tianao.

[Chorus]

Ny Lalanao no lalako,

Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao

Ny teninao no mamiko tokoa,

Ny sitrakao no sitrako.

3. Tsy maintsy hisy ’lay toerana

Dia saha fijinjana.

Hiasako ho an’ i Jesoa

’zay voahombo tokoa.

Ny fahatokiako ny fiahianao

Miampy ’lay fitia

No haneken’ ny fo tsotr’ izao,

atao anie ny sitrakao.

[Chorus]

Ny Lalanao no lalako,

Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao

Ny teninao no mamiko tokoa,

Ny sitrakao no sitrako.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Mary Brown, 1856–1918

Feony: Carrie E. Rounsefell, 1861–1930

1 Nefia 3:7

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2