92
Ny lalanao no lalako
Amin-pahavononana
1. Na hoany antendrombohitra,
Na andranomasimbe.
Na hanoloan’ ady lehibe
No hiantsoan’ ny Tompo.
Bitsiky ny fanahy no re
Manoro zay haleha.
Tompo ô! tantanonao re aho,
Ny lalanao no lalako.
[Chorus]
Ny Lalanao no lalako,
Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao
Ny teninao no mamiko tokoa,
Ny sitrakao no sitrako.
2. Teny feno fitiavana
Tian’ i Jesoa lazaiko.
Misy ’reo mpanota havana
Izay ho tadiaviko.
Tompo ô! tarihonao aho
Na sarotra ny dia
Haveriko ilay hafatrao
Ho lozaiko ’zay tianao.
[Chorus]
Ny Lalanao no lalako,
Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao
Ny teninao no mamiko tokoa,
Ny sitrakao no sitrako.
3. Tsy maintsy hisy ’lay toerana
Dia saha fijinjana.
Hiasako ho an’ i Jesoa
’zay voahombo tokoa.
Ny fahatokiako ny fiahianao
Miampy ’lay fitia
No haneken’ ny fo tsotr’ izao,
atao anie ny sitrakao.
[Chorus]
Ny Lalanao no lalako,
Jesoa N’aiza n’aiza misy Anao
Ny teninao no mamiko tokoa,
Ny sitrakao no sitrako.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Mary Brown, 1856–1918
Feony: Carrie E. Rounsefell, 1861–1930