Hira
Tsara ny asa


25

Tsara ny asa

Amin-paharisihana

1. Tompo, tsara ny asanao,

HideranaAnao ankira.

Mankalaza ny maraina,

Hatramin’ ny alina koa.

2. Sabata re no andro soa,

Andro tsymisy ahiahy.

Amin’ ny fo no hihobiana,

Toy ’zay nataon’i Davida.

3. Ny Tompo no fandreseko,

Fa lehibe ny asany.

Famindrampo feno tokoa,

Anatra soa atolony.

4. Endrey ’zany fandresena,

Hiaraka amin’ ny Ray.

Fiainana mandrakizay,

Hafaliana se sehena.

5. Tsy hi-sy in-tso-ny ny o-ta, Ny faha-

va-lo ho-ra-va-na. Ho rin-ga-na ‘reo

mpa-no-ta, Hi-ha-ha-ka i Sa-ta-na.

6. Dia ho re-ko, ho fan-ta-tro, Ny fa-ni-

ria-ko ha-tri-zay. Ho a-zo-ko ny

fa-he-fa-na, Re-he-fa a-nyan-da-ni-tra.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Isaac Watts, 1674–1748

Feony: John J. McClellan, 1874–1925

Salamo 92:1–5

Enôsa 1:27