56
Fanahin’ ny Ray
Amin-pientanana
1. Fanahin’ ny Ray mitarehin’afo;
Tonga ny lazan’ ny andro farany.
Tafaverina ’reo fitahiana taloha
’Reo anjely tonga mamangy ny tany.
[Chorus]
Andao hihira, hidera, hihoby
Hôsana, hôsana, ho an’ Ilay Ray.
Voninahitra ho Azy Irer’ihany,
Ho mandrakizay, Amena e nya mena.
2. Tafaverina eto antanyin dray,
Ny filazantsara nomen’ny Tompo.
Mitombo ny fahalalana ny heriny,
Misinda ny voaly nanarona teo.
[Chorus]
Andao hihira, hidera, hihoby
Hôsana, hôsana, ho an’ Ilay Ray.
Voninahitra ho Azy Irer’ihany,
Ho mandrakizay, Amena e nyamena.
3. Fihaonana masina ataontsika,
Hanely ny fanjakan’ ny lanitra.
Vokatry ny finoana ho lovantsika
Ny fitahiana, ny voninahitra.
[Chorus]
Andao hihira, hidera, hihoby
Hôsana, hôsana, ho an’ Ilay Ray.
Voninahitra ho Azy Irer’ihany,
Ho mandrakizay, Amena e nyamena.
4. Endrey ny zanak’ ondry sy ny liona,
Hiaraka honina, hifankatia.
Ary Efreima hifalyany Ziona
Raha ho avy ny Tompo,Jesoa Kristy.
[Chorus]
Andao hihira, hidera, hihoby
Hôsana, hôsana, ho an’ Ilay Ray.
Voninahitra ho Azy Irer’ihany,
Ho mandrakizay, Amena e nyamena.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: William W. Phelps, 1792–1872. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF voalohany, 1835. Nohiraina tamin’ ny fanokanana ny Tempoly tany Kirtland tamin’ ny 1836.
Feony: Anon., ca. 1844