Hira
Fototra mafy orina


12

Fototra mafy orina

Amim-pahamendrehana

1. Fototra mafyorina ny fino anao,

Raha tenin’ ny Tompo no hijoroanao.

Lazainy hatrany izay ho anao.

Amin’ ny Mpamonjy, amin’ ny Mpamonjy,

Amin’ ny Mpamonjy, fialofana.

2. Na finaritra na marary ianao,

Na mitombo harena na ory koa.

Na mandeha lavitra na ao antrano.

Ny Tompo manampy ny Tompo manampy,

Ny Tompo manampy anao hatrany.

3. Aza kivy na matahotra ianao,

’Zaho Andri amanitra manampyanao.

’Zaho hampahatanjaka sy hampitraka.

Hijoro ianao, hijoro ianao,

Hijoro ianao, eo anatrehako.

4. Raha to-jo ny a-dy sa-ro-tra ia-nao,

‘Zaho tsy ham-pi-ton-dra ‘zay tsy za-ka-nao.

I-zaho hiam-bi-na, hia-ra-dia a-mi-nao.

Ha-no-me fi-ta-hi-a-na, ha-no-me fi-ta-hi-a-na,

Ha-no-me fi-ta-hi-a-na ho a-nao.

5. Raha to-jo fa-ho-ria-na ny fiai-na-nao,

Dia ampy ho a-nao ny fa-ha-soa-va-ko.

Han-dre-sy ny sa-kan-tsa-ka-na ia-nao.

Fa-di-o ny o-ta, fa-di-o ny o-ta,

Fa-di-o ny o-ta, ka mi-tsa-ha-ra.

6. Na tra-tr’an-ti-tr’ a-za ny va-hoa-ka-ko,

Dia ha-na-po-ro-fo ny fi-tia-va-ny.

Na ma-ty a-za mbo-la hi-tsan-ga-na.

Mba tsy ha-nan-tsi-ny, mba tsy ha-nan-tsi-ny,

Mba tsy ha-nan-tsi-ny, ha-te-ra-k’ in-dray.

7. To-lo-ry an’ i Je-soa ny fiai-na-nao,

Fa tsy han-dao a-nao man-dra-ki-zay I-zy.

Na ma-nan-go-ly a-za i Sa-ta-na,

Na o-via-na na o-via-na, na o-via-na na o-via-na,

Na o-via-na na o-via-na, tsy ho foiny ia-nao.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Nomena ho an’ i Robert Keen tokony ho tamin’ ny 1787. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.

Feony: Nomena ho an’ i J. Ellis tokony ho tamin’ ny 1889

Isaia 41:10

Isaia 43:2–5

Helamàna 5:12