Hira
Velona ilay Mpanavotra ahy


76

Velona ilay Mpanavotra ahy

Amim-pahatoniana

1. Velona Ilay Mpanavotr’ ahy,

Endrey mankahery ny fanahy;

Velona, velona Kristy

Velona mandrakizay Izy.

Velon’ Izy mba hitahy ahy.

Velon’ Izy mba hanafak’ahy.

Velon’ Izy mba hanampy ahy.

Velon’ Izy mba hiaro ahy.

2. Velona Izyhifaharana,

Velona Izy hitarik’ahy;

Velona Izyhankahery

Velona Izy ho ahy re!

Velon’ Izy afatahotr’aho.

Velon’ Izy hampionon’ahy.

Velon’ Izy hampitony ahy.

Velon’ Izy mba hitondra ahy.

3. Velona Ilay Fiafarana,

Velona I lay Tompo tia ahy;

Velona Izy miderà

Velona ilay Mpanjaka.

Velon’ Izy mpanome aina.

Velon’ Izy fasana hivoIha.

Velon’ Izy nanao toerana.

Velon’ Izy mba hitondra ahy.

4. Velona amboninahitra,

Ilay Mpamonjy tsy miova;

Endrey mamy sy kanto re

Ny mandre fa velon’i Kristy.

Velona amboninahitra.

Tsy miova ’lay Mpamonjy ahy.

Endrey mamy sy kanto erỳ,

Ny mandre fa velona Kristy.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Samuel Medley, 1738–1799. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.

Feony: Lewis D. Edwards, 1858–1921

Joba 19:25

Salamo 104:33–34