Hira
Toroy handeha amin’ ny mazava aho


129

Toroy handeha amin’ ny mazava aho

Amim-bavaka

1. Toroy handehaamin’ ny mazava aho.

Toroy aho hivavak’ amin’ ny Ray.

Toroy aho hahafantatra indray;

fitia, marin’ ny fahazavana.

2. Anaka manatona hianatra,

Ny didy hiveren’antsik’ indray,

Eo anatrehany mandrakizay,

handeha amin’ ny fahazavana.

3. Misaotra Anao ’zahay ô Ry Ray,

Noho ny fitarihanao hatrizay.

Velompiderana ’nao ny fonay,

fifaliana ho mandrakizay.

Tonony sy Feony: Clara W. McMaster, 1904–1997. © 1958 IRI Copyright renewed 1986.

Isaia 2:5

Efesiana 5:8