Hira
Ô! ry Ray


84

Ô! ry Ray

Amin-paharisihana

1. ô! ry Ray andanitr’any,

Toerana avo be,

Rahovian’aho no hahita

ilay tavanao re?

Moa nitoetra tany

antranonao ny fanahiko?

Nokarakarainao ve aho

Fony aho mbola fanahy?

2. Noho ’lay tanjona lehibe

No nalehantsik’etỳ,

Tsy navela ho tsaroako

’zany fiainako tarỳ.

Misy bitsika milaza

fa vahiny ahoetỳ.

Toeramasina nisy ahy

Alohan’ ny dia tetỳ.

3. Nampianarin’ ny fanahy ahy

Ny hianso Anao hoe Ray,

Tamin’ny Filazantsara

’zay tafaverin’ indray.

Moa irery ve ny Ray?

Tsy marimpototr’izany.

Raha ny marina noambara

Dia manandreny aho any.

4. Raha handeha aho ka handao

’Ty fiainana ity,

Hihaon’aminareo ve aho

rehefa anyandanitra?

Raha tanterako ny asa

zay nanirahanao ahy.

Raha ekenareo izany

Avelao aho honina any.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: Eliza R. Snow, 1804–1887

Feony: James McGranahan, 1840–1907

Romana 8:16–17

Asan’ny Apôstôly 17:28–29 (22–31)