23
Mila Anao Aho
Amim-paharisihana
1. Mila Anao aho
Ry Tompo be fitia;
Ny feonao izay,
mampito ny etý.
[Chorus]
Tompo, milaAnao aho,
Eny, milaAnao;
Hanatona Anao aho
ka mba tahia.
2. Mila Anao aho
Eto anilako;
Ka ny fakampanahy,
dia horesiko.
[Chorus]
Tompo, milaAnao aho,
Eny, milaAnao;
Hanatona Anao aho
ka mba tahia.
3. Mila Anao aho
Na ory na faly;
Faingana mitoera,
sao hijaly aho.
[Chorus]
Tompo, milaAnao aho,
Eny, milaAnao;
Hanatona Anao aho
ka mba tahia.
4. Mila Anao aho
Ry Masina ô!
Raiso ho zanakao,
ka mba tahio.
[Chorus]
Tompo, milaAnao aho,
Eny, milaAnao;
Hanatona Anao aho
ka mba tahia.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Annie S. Hawks, 1835–1918
Feony: Robert Lowry, 1826–1899
Salamo 143:1