Hira
Isao ireo fitahiana


16

Isao ireo fitahiana

Amin-pifaliana

1. Rehefa entin’ ny onjampiainana,

Ka mila ho kivy sy ho ketraka,

Dia isao ’reo fitahiana maro be,

’Zay arotsaky ny Tompo ho anao.

[Chorus]

Isao isao

’reo fitahiana

Isao ’zay nomen’

ny Tompo anao,

Isao ireo

Fitahiana

Izay nomen’ ny Tompo

mba ho anao.

2. Vesaran’ ny zioga va ny fiainanao?

Tsy zaka ve ny hazo fijalianao?

Dia isao ’reo fitahiana maro be,

Hadinonao ireo fanahiana re.

[Chorus]

Isao isao

’reo fitahiana

Isao ’zay nomen’

ny Tompo anao,

Isao ireo

Fitahiana

Izay nomen’ ny Tompo

mba ho anao.

3. Hanandanj’aminao ve ny harembe?

Sa ny fahasoavany no lehibe?

ia isao ’reo fitahiana maro be,

Hoazonao ny valisoan’ ny lanitr’e!

[Chorus]

Isao isao

’reo fitahiana

Isao ’zay nomen’

ny Tompo anao,

Isao ireo

Fitahiana

Izay nomen’ ny Tompo

mba ho anao.

4. Raha sendra ny hakiviana mafyianao,

Tsarovy f’anilanao ny Tomponao.

Dia isao ’reo fitahiana maro be,

Fiononampo ho azonao anie!

[Chorus]

Isao isao

’reo fitahiana

Isao ’zay nomen’

ny Tompo anao,

Isao ireo

Fitahiana

Izay nomen’ ny Tompo

mba ho anao.

Tonony tamin’ ny teny anglisy:Johnson Oatman Zanany, 1856–1922

Feony:Edwin O. Excell, 1851–1921

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–19

Almà 34:38