28
Vavaka voalohany nataon’ i Joseph Smith
Amim-pahamendrehana
1. Endrey kanto ny maraina!
Ny taramasoandro,
Velonkira ny tontolo,
Faly tao an’ ala tao.
Tao re no nahitany
an’ Andriamanitra,
Tao re no nahitany
an’ Andriamanitra.
2. E! nandoha lika izy
ka nivavaka tokoa.
Kanjo ny herin’ ny ratsy,
Toa nampihemotr’azy.
I zy anefa natoky Ilay
Ray any andanitra,
I zy anefa natoky
’lay Ray any andanitra.
3. Tampoka indro fa nisy
Haza vana lehibe,
Andry afo nanazava,
Nanodidin’ azy re.
Indro olon’ ny lanitra
ny Ray sy ny Zanaka,
Indro olon’ ny lanitra
ny Ray sy ny Zanaka.
4. “Indro, Zanako malala,
Henoy izaylazainy“.
Ilay vavaka voavaly,
Nihaino ny Tompoizy.
Feno hafaliampo fa
nahita maso ny Ray,
Reno hafaliampo fa
nahita maso ny Ray.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: George Manwaring, 1854–1889
Feony: Sylvanus Billings Pond, 1792–1871; namboarin’ i A.C. Smyth, 1840–1909
Joseph Smith—Tantara 1:14–20, 25
Jakoba 1:5