Hira
Rainay mandrakizay


35

Rainay mandrakizay

Amin-panajana

1. Rainay mandrakizay,

Mangataka Aminao.

Amin’ ny anaran’ i

Jesoa izahay,

Hitahy sy hanamasina,

Mofo sy rano.

Mba hahatsiarovanay

Ilay sorona.

2. ’Lay fanavotena Tsy

takatry ny olona,

Fa vidin’ ny ota, ny

Ra sy ny Nofony;

Ho vavolombelona

noho ny fijaliany;

Mba hananantsika ny

Fanahy sy fo iray.

3. Raha nidina tetỳ Jesoa

fa voafidy;

Nomeny ny ainy,

fanavotana, fitia.

Tsy harena sy laza

No Hanirian’ Azy,

F’Izy no ’lay Mpamonjy

nantenaina hanadio.

4. Endrey ny drafitra ’Zay

feno fahendrena;

Nitafy nofo ny Tompo

ho famondena.

Tonga tetỳ antany

toy ny olona,

Ary maty mba tsy ho

very ny olona.

Tonony tamin’ ny teny anglisy: William W. Phelps, 1792–1872. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.

Feony: Felix Mendelssohn, 1809–1847

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79

Isaia 53:2–5