2025
Ireo mpaminanin’ Andriamanitra
Nôvambra 2025


11:8

Mpaminanin’ Andriamanitra

Ny fihainoana sy ny fankatoavana ny feon’ny mpaminany dia zava-dehibe amin’ny fihazonana ny zavatra tsara rehetra mandra-pahatongan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Ry zatovo malala isany, tena fivorian’ny fihaonambe mahafinaritra tokoa ity! Efa nandre Apôstôlin’i Jesoa Kristy velona anankitelo sahady isika. Tena fitahiana lehibe izany! Ary mbola handre iray hafa fanampiny isika, ny Loholona Henry B. Eyring. Mitohy hatrany ny fivokisantsika ara-panahy!

Tamin’ny fotoana nandraisako fitenenana tamin’ny herintaona dia nianatra ny fomba hiatrehana izao tontolo izao isika tamin’ny alalan’ny zavatra niainan’i Davida niaraka tamin’i Goliata. Tsaroanareo ve ireo vato dimy? Anio aho dia hizara tantara iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay novakiako fony aho nitovy taona taminareo ka nitarika ahy haniry ny ho lasa toa ilay mpandray anjara fototra ao amin’izany tantara izany. Tsy milaza amintsika ny anarany ny Baiboly ka noho izany dia ilay vehivavy avy ao Sonema no hiantsoantsika azy satria izany no anaran’ny tanàna niaviany.

Vehivavy manamboatra mofo ho an’ny mpaminany

Indray andro raha nandalo tao Sonema i Elisa mpaminany dia mamaky isika fa “nisy vehivavy mpanankarena teo izay [nanasa] azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao … hihinan-kanina.” Azoko an-tsaina ny hafalian’ny mpaminany Elisa tamin’ilay fanasana azy hisakafo tao an-tranony! Efa imbetsaka izy no nankany ka hoy ilay vehivavy tamin’ny vadiny indray andro: “Indro, fantatro fa masina sady lehilahin’ Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.”

Milaza ilay vehivavy hoe: “Indro, fantatro.” Toa nasainy nankao an-tranony i Elisa kanefa tsy fantany hoe mpaminany izy. Tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nandraisany ny fijoroany ho vavolombelona raha nihaino tsara ny zavatra nolazain’i Elisa sy nampianariny izy. (Tsarovy fa tsy nisy ny sary tamin’izany fotoana izany! Ka noho izany dia sarotra ny namantatra ny mpaminany tamin’ny alalan’ny fijerena fotsiny ny endriny.)

Vehivavy manomana efitra ho an’ny mpaminany

Saingy tsy tapitra teo ny tantara. Hoy ilay vehivavy tamin’ny vadiny indray andro: “Andeha isika hanao efi-trano kely … ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.”

Vonona hanorina efitrano tao an-tranony ity vehivavy matoky ity mba hitoeran’ny mpaminany raha nandalo tao amin’ilay tanàna izy!

Anio dia afaka mianatra lesona mahery vaika avy amin’ity zavatra niainana ity isika.

Nijoro ho vavolombelona tamin’ilay vehivavy avy ao Sonema ny Tompo fa mpaminan’ Andriamanitra i Elisa ka nandray andraikitra tamin’ny fanokafana ny varavarany handraisana azy izy.

Isika koa dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona manokana momba ireo mpaminan’ Andriamanitra ankehitriny ary manokatra ny fontsika sy ny saintsika—ny tranontsika—amin’ny hafatra izay omanin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika amin’izao andro farany izao.

Ry zatovo malala isany, manasa anareo aho hametraka ity fanontaniana ity amin’ny tenanareo: “Moa ve aho manana fijoroana ho vavolombelona manokana momba ireo mpaminany velon’ Andriamanitra?”

Ndeha hatombotsika any am-piandohana.

Inona no atao hoe mpaminany? Ny mpaminany dia olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra mba hiteny ho Azy. Misy mpaminany eto an-tany ankehitriny, toa ny tamin’ny andro fahiny.

Ny mpaminany dia mpahita sy mpanambara. Midika izany fa afaka mahita ny zavatra tsy hitan’ny hafa izy ireo ary afaka maminany ny zavatra ho avy. Afaka manomana antsika amin’ireo antambo koa izy ireo. Ny mpaminany dia mandray didy sy fanambarana avy amin’ny Tompo. Ny fanekem-pinoana fahasivy dia miresaka momba ny fitohizan’ny fanambarana amin’izao andro farany izao. Milaza izany hoe: “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra.”

Hoy ny Loholona Gary E. Stevenson: “Manohy manambara ny didiny sy ny sitrapony amin’ireo mpaminaniny ny Tompo ankehitriny satria maniry ny hitarika antsika ho any amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy ho any amin’ny voninahitra selestialy any amin’ny fiainana ho avy Izy”.

Mitory ny filazantsara ihany koa ny mpaminany ary mpampianatra sy mpitondra hafatra entanim-panahy avy amin’ Andriamanitra ho an’ny rehetra eto an-tany.

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Filankevitra manompo eo ambany fitarihan’ Andriamanitra izy ireo ary manana ny fahefana hanambara sy hanazava fotopampianarana ary hametraka fitsipika ho an’ny Fiangonany. Mivavaka sy mandinika amim-pitandremana izy ireo satria tsy maintsy iray feo ireo kôlejy ireo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Amin’izany no hakan’ny Tompo antoka fa tanteraka ny sitrapony.

Ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy—Ny fisiany sy ny asa fanompoana nataony ary ny maha-Andriamanitra Azy.

Ndeha isika hamaky fijoroana ho vavolombelona vitsivitsy nananan’ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nanambara i Abinadia hoe:

“Andriamanitra tenany mihitsy no hidina eo anivon’ny zanak’olombelona ary hanavotra ny olony.

“Ary satria mitoetra ao amin’ny nofo Izy, dia hantsoina hoe Zanak’ Andriamanitra Izy.”

Nijoro ho vavolombelona ihany koa i Samoela ilay Lamanita fa i Jesoa Kristy no “Ilay Zanak’ Andriamanitra, ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny Mpahary ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”

Ary ny mpaminany Môrônia nilaza hoe: “Nahita an’i Jesoa aho, ary … niresaka tamiko nifanatrika Izy.”

Rehefa nitsidika ireo Nefita i Kristy dia niantso Apôstôly roambinifolo no anisan’ny zavatra nataony voalohany. Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: “Hotahiana ianareo raha mampandry sofina amin’ny tenin’ireto roa ambin’ny folo izay efa nofinidiko.”

Ankehitriny dia mamela ahy ianareo hizara teny vitsivitsy ho an’ny ray aman-dreny sy ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana izay mitaiza zanaka. Ny Tompo tenany dia nampianatra an’i Adama sy i Eva ireo fahamarinan’ny drafitry ny famonjena. Ary avy eo hoy Izy tamin’izy ireo: “Koa omeko didy ianao mba hampianatra malalaka ny zanakao amin’izany zavatra izany ”.

Inona no dikan’ny hoe mampianatra malalaka? Midika izany hoe mianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara sy manana fijoroana ho vavolombelona manokana momba izany ary mizara izany fahalalana izany amin’ny zanatsika. Midika izany hoe mampitombo ireo fotoana fampianarana voaomana mialoha sy natao tampoka. Midika izany hoe miaina araka izany fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona izany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra ireo miaramilan-jatovo 2.060 ho “lehilahin’ny fahamarinana sy ny fahamatorana izy ireo, fa efa nampianarina azy ireo ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy handeha araka ny hitsiny eo anoloany”. Nankatoa am-pahatokiana an’i Helamàna, izay mpitari-tafika no sady mpaminan’izy ireo tamin’izany fotoana izany ireo zatovolahy ireo, ary niaiky izy ireo fa nameno ny fon’izy ireo tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny finoana ny renin’izy ireo.

Ry ray aman-dreny isany, eto amin’ity izao tontolo izao ity izay feno feo maro sy haizina betsaka mihitsy aza indraindray dia nandidy antsika Andriamanitra, hitaiza ireo zanatsika anaty fahazavana sy fahamarinana. Nankininy tamintsika ny andraikitra hampianatra ireo zanatsika ireo fahamarinana mitondra famonjena ao amin’ny filazantsara. Raha tsy manao izany isika, dia tsy hanao izany izao tontolo izao.

Ry zatovo namako, manana fanasana ho anareo aho: asaiko ianareo, amin’ireo andro aorian’izao, mba handohalika, hanokatra ny fonareo, ary hivavaka amim-pinoana amin’ny Ray any An-danitra, hangataka Aminy hanamafy aminareo fa ny mpampinany sy ireo apôstôly nofidiany dia feony eto an-tany ankehitriny.

Nampianatra antsika ilay vehivavy avy ao Sonema fa afaka mahazo izany fijoroana ho vavolombelona izany isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mampanantena anareo aho fa rehefa fantatsika fa voahosotr’ Andriamanitra izy ireo dia ho mora kokoa ny fiainantsika na dia eo aza ireo fanamby amin’izao fotoana izao, satria hankatoa ny feon’izy ireo ombam-pahatokiana sy finoana ary fanantenana isika. Ny fihainoana sy ny fankatoavana ny feon’ny mpaminany dia zava-dehibe amin’ny fihazonana ny zavatra tsara rehetra mandra-pahatongan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Mitombo ny faharatsian’izao tontolo izao saingy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny fanjakany dia matanjaka kokoa noho ny hatrizay. Mitafy ny fitafiany tsara tarehy i Ziona, ary tsy hianjera ny seza fiandrianan’i Kristy. Manantena antsika hatanjaka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ho vontom-pinoana ary hibebaka isan’andro ny Tompo. Miantehitra amin’ny tsirairay amintsika i Jesoa Kristy Mpamonjintsika hanohy hanatanteraka ny asany.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith indray maka: “Ry rahalahy! Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?” Na izany aza anefa, satria natao indrindra ho anareo, zatovo, ity hafatro ity dia te hampiasa ny teny hoe zatovo aho raha tokony hoe rahalahy. Vonona?

“Ry [zatovo]! Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza, ry [zatovo]; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa.

Feno fankasitrahana aho noho ny fitarihana sy ny ezaka feno fanolorantena ataon’ireo mpaminany velona. Ijoroako ho vavolombelona aminareo fa tena fantatro fa nantsoin’ Andriamanitra izy ireo mba hanohy sy hanorina ary hitarika ny fanjakany eto an-tany ankehitriny. Ary ho toy izany foana. Ny Tompo foana no hisafidy ireo mpanompony. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny dikantenin’ity andian-teny ity amin’ny fiteny espaniôla dia mampita ny hevitra hoe “manasa tsy tapaka”.

  2. 2 Mpanjaka 4:8.

  3. 2 Mpanjaka 4:9; nampiana fanamafisana.

  4. 2 Mpanjaka 4:10.

  5. Jereo ny Amosa 3:7.

  6. “[Ny Filohan’ny Fiangonana dia] miahy ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Tompo, ary izy no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo alalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana. … Manana ny fahefana handraisana fanambarana sy hanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonana iray manontolo izy” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 5.1.1.1, Mediathèque de l’Évangile).

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  8. Gary E. Stevenson, “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Feo iray mitondra fifaliana”, Ho zatovo mahery!, jolay 2025, 5.

  9. Jereo ny Matio 28:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1, 4–5; 107:35.

  10. “Ny Apôstôly tsirairay dia mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakana sy mampiasa ireo fanalahidy ireo eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 5.1.1.1).

  11. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 5.1.1.1.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31.

  13. “Vavolombelona manokan-’ny anaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao ireo Apôstôly. … Mijoro ho vavolombelona amin’izao tontolo izao izy ireo momba ny maha-Andriamanitra Azy sy ny tena fisian’ny Fitsanganany tamin’ny maty” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 5.1.1.1).

  14. Môzià 15:1–2.

  15. Helamàna 14:12.

  16. Etera 12:39.

  17. Raha niresaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny Mpampinany Joseph Smith dia nampianatra izy hoe: “Ity boky ity ihany koa dia milaza amintsika fa naneho ny tenany teo amin’ity kaontinanta ity Izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty; ary nampiorina ny Filazantsara teto Izy, mbamin’ny fahafenoany, ny harena atolony, sy ny heriny, ary ny fitahiana entiny; mba hananan’izy ireo Apôstôly, Mpaminany, Mpitandrina, Mpampianatra, ary Evanjelista, lamina mitovy, fisoronana mitovy, ôrdônansy mitovy, fanomezam-pahasoavana, hery, ary fitahiana tahaka izay nananan’ny olona tany amin’ny kaontinanta atsinanana” (Histoire de l’Église, 1838–1856, boky C-1 [2 nôvambra 1838–31 jolay 1842], 1282, josephsmithpapers.org).

  18. 3 Nefia 12:1: nampiana fanamafisana.

  19. Mosesy 6:58; nampiana fanamafisana.

  20. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28.

  21. “Tokony hararaotintsika ny fotoana azo araraotina rehetra mba hizarana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny ankizy. Sarobidy ireny fotoana fampianarana ireny ary vitsy lavitra raha mitaha amin’ireo ezaka tsy an-kijanona ataon’ireo herin’ny fahavalo. Isaky ny ora iray hampidirana fotopampianarana eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray dia misy ora tsy tambo isaina ahitana fanoherana izay feno hafatra sy sary mihantsy na tsy miraharaha ireo fahamarinana ho an’ny famonjena ireo.

    “Mety hanontany tena ny sasany aminareo raha toa ka mety ho tsara kokoa ny mampanakaiky anareo ireo zanakareo amin’ny alalan’ny fialamboly na mety hanontany ianao hoe sao manomboka mahatsapa ho tototry ny fampianaranao ilay zaza. Ny tokony hosaintsainintsika anefa dia ny hoe: “Noho ny tena fahakelezan’ny fotoana ananana sy ny fahavitsian’ireo fahafahana azo araraotina, dia inona no fotopampianarana azoko zaraina izay hampatanjaka azy ireo manoloana ireo zavatra tsy azo ihodivirana izay manohintohina ny finoan’izy ireo?” Mety ho ireo teny zarainao anio no ireo izay hotsaroany, ary madiva hifarana ilay anio” (Henry B. Eyring, “Tsotra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy”, Liahona, nôv. 2024, 97).

  22. Manan-danja avokoa ny tanora tsirairay! Almà 57:6, 20).

  23. Almà 53:21; nampiana fanamafisana.

  24. Jereo ny Almà 56:44–48; 57:21.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40.

  26. Manana ny ohatr’ireo ray aman-drenin’i Enôsa koa isika izay nitaiza azy “tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo” (Enôsa 1:1) ary nampianatra momba ny “fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina” (Enôsa 1:3). Nahafantatra ny toetran’ Andriamanitra i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:6, 15, 17).

  27. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1–2, 4–6. “Raha toa izao tontolo izao manizingizina fa mitondra fahasambarana ny fahefana, ny fananana, ny fananana laza ary ny fahafinaretan’ny nofo, dia tsy izany anefa no izy! Tsy afaka manao izany ireo. Ny zavatra entin’ireo dia tsy misy afa-tsy ny mifamadika amin’ilay -toetry ny fitahiana sy fahasambarana an’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra- [Môzià 2:41].

    “Ny marina dia hoe mandreraka kokoa ny mitady fahasambarana any amin’izay tsy hahitanao izany na oviana na oviana ! Kanefa, rehefa miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ianao sy manaraka Azy ary manao ny asa ara-panahy takina mba handresena an’izao tontolo izao, dia Izy ary Izy irery ihany no manana ny hery hankaherezana antsika eo amin’ity izao tontolo izao ity.

    “Ahoana no itahian’ny fandresena an’izao tontolo izao ny fiainantsika? Mazava ny valiny: ny fidirana amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana dia mamatotra antsika Aminy amin’ny fomba izay mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa. Aza raisina amin’ny fomba diso ny teniko: Tsy nilaza akory aho hoe ny fanaovana fanekempihavanana dia manamora ny fiainana. Raha ny marina dia hisy ny fanoherana, satria tsy tian’ny fahavalo hahita ny herin’i Jesoa Kristy ianareo. Fa ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heri ny izay mampatanjaka sy manavotra ianareo” (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana”, Liahona, nôv. 2022, 97).

  28. Jereo ny Etera 8:26; Môrônia 7:19–25.

  29. Jereo ny Isaia 52:1.

  30. Jereo ny Salamo 125:1; Isaia 28:16.

  31. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22; nampiana fanamafisana.

  32. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30.

  33. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:5.