2025
Sambatra ny mpampihavana
Nôvambra 2025


13:16

Sambatra ny mpampihavana

Manomboka ao amin’ilay toerana tena fototra ny fampihavanana, dia ao am-pontsika izany. Avy eo ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana.

Tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mahavelom-pankasitrahana ery fa tafavory isika.

Tao anatin’ny fiandrasantsika ny fanatanterahana izao fihaonambe izao dia tena fantatsika tokoa ireo zava-nitranga nandritra ireo herinandro talohan’izany. Tsapatsika ho mavesatry ny fisaonana ny fontsika ary miahiahy noho ny hetraketraka na zava-doza maneran-tany kosa ny sasany. Na dia ireo mpino niangona tamin’ireo toerana masina aza, anisan’izany ny trano masina fiangonantsika tany Michigan, dia namoy ny ainy na ny an’ireo olona ankamamiany. Miteny avy amin’ny foko aho noho ny fahatsapana fa maro aminareo no vesaran’alahelo noho ny zavatra niainanareo sy niainan’ny fianakavianareo ary niainan’izao tontolontsika izao hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo.

Kapernaomy any Galilia

Alaovy sary an-tsaina miaraka amiko hoe, ianao dia zatovo iray tany Kapernaomy, tany akaikin’ny Ranomasina Galilia nandritra ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy. Miparitaka ny vaovao fa misy raby iray, mpampianatra iray, izay mahasarika olona maro ny hafany. Manao drafitra ny hanao dia ho eny an-tampona tendrombohitra izay mahatazana ny ranomasina ireo mpiara-monina mba hihaino Azy.

Miara-mandeha amin’ireo olona hafa eo amin’ilay lalana mamovok’i Galilia ianao. Rehefa tonga any dia nanaitra anao ny nahita vahoaka maro be izay mivondrona mba hihaino an’io Jesoa io. “Mesia”, hoy ny sasany mibitsibitsika.

Mihaino Azy ianao. Manohina ny fonao ny teny izay lazainy. Mandritra ny dia an-tongotra lavitra miverina mody, dia misafidy ny hangina ianao fa tsy hiresaka.

Misaintsaina ireo zavatra mahatalanjona ianao, zavatra mihoatra ambony dia ambony ny lalàn’i Mosesy mihitsy aza. Niresaka momba ny fanolorana ny takolaka anankiray Izy sy ny fitiavana ny fahavalo. Nampanantena Izy hoe: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra”.

Raha eo anatrehan’ny toe-javatra tena iainanao, dia toa lavitra ny filaminana, noho ny fahatsapanao ny havesatr’ireo andro sarotra, ny fiahiahiana sy ny tahotra.

Mihafaingana ny fandehanao ary sempotra ianao vao tonga any an-trano. Mitangorona ny fianakavianao ary manontany ny rainao hoe: “Lazao anay ny zavatra renao sy tsapanao”.

Mizara ianao fa nanasa anao Izy mba hamela ny fahazavanao hazava eo imason’ny hafa, sy mba hikatsaka ny fahamarinana na dia enjehina aza. Mangovingovitra ny feonao rehefa mamerina ianao hoe: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra”.

Manontany tena ianao hoe: “Afaka ny ho lasa mpampihavana marina ve aho eo anatrehan’ity izao tontolo izao izay mikorontandrontana ity, sy ity foko feno tahotra ity ary ity filaminana izay toy ny tena lavitra ity?”

Manopy maso any amin-dreninao ny rainao ka mamaly amim-pahatsorana hoe: “Eny. Atombotsika ao amin’ilay toerana tena fototra izany, dia ao am-pontsika. Avy eo ao an-tokantranontsika sy ao amin’ny fianakaviantsika. Rehefa mampihatra izany ao amin’ireo isika dia afaka ny hiely eny amin’ny arabentsika sy ny tanànantsika ny fampihavanana.”

2.000 taona aty aoriana

2.000 taona aty aoriana. Tsy ilaina ny maka sary an-tsaina satria izao no toe-javatra tena iainantsika. Na dia tsy mitovy amin’ny an’ireo tanora tany Galilia aza ireo faneriterena tsapan’ireo tanora vao misondrotra amin’izao fotoana izao, izay ahitana fisaraham-bazana ara-kevitra, ny fampanalavirana ny fivavahana, ny valifaty, ny fifampitezeran’ny samy mpamily fiara ao anatin’ny fifamoivoizana, ny fanalam-baraka, ny fitsikerana mahery vaika ataon’olona maro amin’olom-bitsy ao anatin’ny tambajotran-tserasera, dia samy miatrika kolontsaina feno fifandirana sy fifanolanana ireo taranaka roa ireo.

Soa ihany fa ny zatovolahintsika sy ny zatovovavintsika dia voatarika torak’izany koa mba hanatrika ireo fotoanan’ny Toriteny eo An-tendrombohitra ho azy ireo: seminera, ireo fihaonambe Ho Zatovo Mahery ary ny Avia, hanaraka Ahy. Eto izy ireo dia mandray ireto fanasana maharitra avy amin’ny Tompo ireto ihany: dia ny hamela ny fahazavan’izy ireo hazava eo imason’ny hafa, hikatsaka fahamarinana na dia enjehina aza, ary hitia ny fahavalon’izy ireo.

Mandray teny feno famporisihana avy amin’ireo mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny ihany koa izy ireo manao hoe: “Ilaina ny mpampihavana”. Manehoa tsy fiombonan-kevitra saingy aza manao zavatra mahasosotra. Soloy famelana sy fitiavana ny fifandirana sy ny avonavona. Manorena tetezan’ny fiaraha-miasa sy fanehoana fahatakarana an-tsaina fa tsy rindrin’ny fitsarana an-tendrony sy fanavakavahana. Ary ity fampanantenana ity ihany: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra”.

Ny fon’ny tanora vao misondrotra ankehitriny dia feno fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ho an’ny hoavy. Saingy manontany tena koa izy ireo hoe: “Afaka ny ho lasa mpampihavana marina ve aho eo anatrehan’ity izao tontolo izao izay mikorontandrontana ity, sy ity foko feno tahotra ity ary ity filaminana izay toy ny tena lavitra ity”?

Ny valiny mazava ho an’izany dia mbola eny ihany! Raisintsika tsara ny tenin’ny Mpamonjy manao hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. … Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”

Manomboka ao amin’ilay toerana tena fototra ny fampihavanana ankehitriny, dia ao am-pontsika izany. Avy eo ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana. Rehefa mampihatra izany ao amin’ireo toerana ireo isika dia hiely eo amin’ny manodidina antsika sy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ny fampihavanana.

Andeha hodinihintsika kokoa ireo toerana telo izay anaovan’ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny fampihavanana.

Fampihavanana ao am-pontsika

Ny voalohany dia ao am-pontsika. Ny singa iray hita maso tao anatin’ny asa fanompoana nataon’i Kristy dia maneho fa voasarika hanatona Azy ny ankizy. Misy tari-dalana iray fonosin’izany. Afaka ny hanentana ny fontsika ny fijerena ilay fo mpampihavana an’ny ankizy iray izay madio sy tsy manan-tsiny. Toy izao no namalian’ny ankizy maromaro izay ao amin’ny sokajin-taonan’ny Kilonga ny hoe “Manao ahoana izany mpampihavana izany”?

Hozaraiko araka izay filazan’izy ireo azy ny valintenin’izy ireo! Hoy i Luke hoe: “Manampy ny hafa foana”. I Grace dia nizara ny maha-zava-dehibe ny fifamelana na dia toy ny tsy rariny aza izany. Hoy i Anna hoe: “Nahita ankizivavy iray izay tsy nanana namana hilalaovana aho ka nandeha nilalao niaraka taminy”. Nilaza i Lindy fa ny atao hoe mpampihavana dia manampy ny hafa. “Avy eo dia ampitainao amin’ny hafa izany. Hitohy hatrany hatrany izany”. Hoy i Liam hoe: “Aza manao ratsy fanahy amin’ny olona na dia ratsy fanahy aminao aza izy ireo”. Nihiaka i London hoe: “Raha misy olona mananihany anao na manao ratsy fanahy aminao, dia teneno hoe: –Mba aza manao an’izany–”. I Trevor dia nilaza hoe: “Raha mofomamy iray sisa no tavela ka tianao ho anao irery izany, dia zarao amin’ny hafa.”

Ny valinten’ireo ankizy ireo dia porofo ho ahy fa isika rehetra dia nateraka niaraka tamin’ny fananana fironana haneho hatsaram-panahy sy fangorahana. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mikolokolo sy manambatra ireo toetra masina ireo, tafiditra ao anatin’izany ny fampihavanana, ho ao anatin’ny fontsika, izay hitahy antsika mandritra ity fiainana ity sy any amin’ilay fiainana ho avy.

Fampihavanana ao an-tokantrano

Ny faharoa dia ny fanorenana fampihavanana any an-tokantranontsika amin’ny alalan’ny fampiasana ny lamin’ny Tompo mba hitarihana ny fifandraisantsika samy isika: ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po, ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy.

Ity misy tantara iray manentana ny fanahy izay mampiseho ny fomba nanaovan’ny fianakaviana iray ny fampihavanana ho zavatra imasoan’ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipika ireo.

Sarotra ho an’ny ankizy tao amin’io fianakaviana io ny nifandray tamin’ny olon-dehibe iray kizitimbelona, manambony tena ary mitratrevatreva matetika. Nanomboka nanontany tena ireto ankizy naratra am-po sy sorena raha toa ka ny fanehoana toetra feno haratsiam-panahy mitovy amin’izany no hany vahaolana.

Indray hariva ilay fianakaviana dia niara-niresaka malalaka momba ilay tsy fifankahazoana sy ny fiantraikany ratsy naterak’izany. Koa dia nisy hevitra nipoitra avy eo; izay tsy vahaolana fotsiny fa zavatra hatao fanandramana.

Ho solon’ny famaliana amin’ny fahanginana na valifaty, dia hanao zavatra izay tsy ampoizina ireo ankizy: hamaly amin’ny fomba feno hatsaram-panahy izy ireo. Tsy ho fifehezan-teny amim-pahalalam-pomba fotsiny fa famborahana teny feno hatsaram-panahy vokatry ny fo sy fanehoana fihetsika voahevitra, na inona na inona ho valin’izany eo amin’izy ireo. Nanaiky ny rehetra fa hanandrana izany mandritra ny fe-potoana iray ary hiverina hivondrona sy hifandinika aorian’izany.

Na dia nisalasala aza ny sasany tamin’ny voalohany dia nanolo-tena ny hanatanteraka ilay drafitra amin’ny fo madio izy ireo.

Tena niavaka tsotra izao ny zava-nitranga taorian’izay.

Nihanafana ilay fifandraisana nangatsiatsiaka. Nosoloin’ny tsikitsiky ny fimonjomonjoana. Nanomboka niova ilay olon-dehibe izay nangatsiatsiaka sy nasiaka teo aloha. Ireo zanaka izay nahazo hery tamin’ny alalan’ny safidin’izy ireo mba hitarika am-pitiavana dia nahita fifaliana tao anatin’ilay fiovana. Tena lalina ilay fiovana ka tsy nilaina intsony ilay fivoriana narafitra mba handinihana ny fivoarana. Nanao ilay asany mangingina ny hatsaram-panahy.

Rehefa nandefa ny fotoana dia nisy fehim-pihavanana marina niforona izay nampahery ny rehetra. Mba hahatongavana ho mpampihavana dia mamela ny hafa isika sy mampahery amim-piniavana ny hafa fa tsy manambany azy ireo.

Fampihavanana eo amin’ny fiarahamonintsika

Ny fahatelo dia ny fampihavanana eo amin’ny fiarahamonintsika. Nandritra ireo taona feno korontana tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nampianatra ny Loholona John A. Widtsoe hoe: “Ny hany fomba ahafahana manorina fiarahamonina milamina dia ny famolavolana lehilahy sy vehivavy tia fihavanana sy mampanjaka fihavanana. Amin’ny alalan’izany fotopampianaran’i Kristy izany, ny olona tsirairay, … dia mihazona eo am-pelatanany ny filaminan’izao tontolo izao”.

Maneho amin’ny fomba tena tsara izany fitsipika izany ity tantara manaraka ity.

Taona maro lasa izay dia nisy lehilahy anankiroa, ny iray mpitondra fivavahana Silamo ary ny iray pasitera Kristianina samy avy any Nigéria, izay nifanohitra noho ny fisaraham-bazana ara-pivavahana tena mafy. Samy nahatsapa fijaliana lalina izy ireo. Saingy tamin’ny alalan’ny hery manasitran’ny famelana dia nisafidy ny hiara-dalana izy ireo.

Pasitera James Wuye sy Imam Muhammad Ashafa

Lasa mpinamana sy mpiara-miasa tsy nampoizina teo amin’ny fampanjakana ny filaminana ny Imam Muhammad Ashafa sy ny Pasitera James Wuye. Niaraka nanorina ivon-toerana misahana ny fanelanelanana disadisa ara-pivavahana izy ireo. Mampianatra ny hafa mba hanolo ny fankahalana amin’ny fanantenana izy ireo. Indroa natolotra hofidina ho anisan’ireo hahazo ny loka Prix Nobel de la Paix izy ireo ary vao haingana no lasa nahazo ny loka voalohan’ny Prix du Commonwealth pour la Paix.

Ireto mpifahavalo teo aloha ireto dia miara-dia amin’izao fotoana izao mba hanarina indray ny simba, ary vavolombelona velona fa ny fanasan’ny Mpamonjy mba ho mpampihavana dia tsy hoe azo tanterahina fotsiny fa mahery vaika koa.

Rehefa lasa mahafantatra ny voninahitr’ Andriamanitra isika dia “tsy ho ao an-tsain[tsika] ny hifandratra fa hiaina kosa amim-pilaminana”. Enga anie isika any amin’ny fiangonantsika sy any amin’ny fiarahamonina misy antsika hisafidy ny hijery ny tsirairay ho toy ny zanak’ Andriamanitra.

Drafitra atao mandritra ny herinandro mba ho mpampihavana

Ho famintinana dia hanolotra fanasana iray aho. Mitaky fandraisana andraikitra ny fampihavanana. Mety ho inona izany, ho antsika tsirairay, manomboka rahampitso? Afaka ny hieritreritra hanaraka drafitra misy dingana telo ho an’ny mpampihavana ve ianao mandritry ny herinandro iray?

  1. Toeram-ponenana tsy ahitana fifandirana: Raha vao manomboka ny fifandirana dia miatoa ary avereno atrehina miaraka amin’ny teny sy fihetsika maneho hatsaram-panahy ilay toe-javatra.

  2. Fanorenana fifandraisana tsara eo amin’ny sehatry ny tambajotran-tserasera: Alohan’ny hametahana zavatra na hamaliana na hanaovana fanamarihana an-jotra dia mametraha fanontaniana hoe: Moa ve hanatsara fihavanana ity? Raha tsia, dia ajanony izany. Aza alefa izany. Mizarà kosa hatsaram-panahy. Mitoria fiadanana eo amin’ny toeran’ny fankahalana.

  3. Areno ny tsy mety ary miverena miray hina: Ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia afaka mikatsaka ny hivoaka ao anatin’ny tsy fifankahazoana mba hahafahana maneho fialan-tsiny, manompo, manarina ny tsy mety ary miverina miray hina.

Teny famaranana

Efa tao anatin’ny volana vitsivitsy izay no nananako fahatsapana tsy azo nihodivirana izay nitondra tany amin’ity hafatra ity: “Sambatra ny mpampihavana.” Ho famaranana dia mamelà ahy hizara fahatsapana izay nameno ny foko nandritra izany fotoana izany.

Ny fampihavanana dia toetra iray tahaka ny an’i Kristy. Matetika ny mpampihavana dia lazaina ho olona tsotra loatra na malemy, eo amin’ny lafiny rehetra. Kanefa ny mpampihavana dia tsy midika hoe malemy fa matanjaka amin’ny fomba iray izay mety tsy ho takatr’izao tontolo izao. Ny fampihavanana dia mitaky herim-po sy fandeferana saingy tsy mitaky ny fanaovana sorona ny fitsipika izany. Ny fampihavanana dia midika hoe mitarika ao anatin’ny fo misokatra fa tsy saina tery. Izany dia midika hoe mifanatona ao anatin’ny fifanoloran-tanana fa tsy totohondry. Ny fampihavanana dia tsy zavatra vaovao, na vaovao vao mafana. I Jesoa Kristy mihitsy no nampianatra izany tamin’ireo olona tao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Ny fampihavanana hatramin’izay dia efa nampianarin’ireo mpaminanin’ny andro maoderina nanomboka tany amin’ireo andro voalohany indrindra niandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ka hatramin’izao fotoana izao aza.

Manatanteraka ilay anjara asa masina nomena antsika amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika isika rehefa miezaka ny ho lasa mpampihavana. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho, izay Andrian’ny Fiadanana, ilay Zanakalahin’ilay Andriamanitra velona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.