2025
Voasedra sy nampatanjahana ao amin’i Kristy
Nôvambra 2025


13:11

Voasedra sy nampatanjahana ao amin’i Kristy

Ireo fotoanan’ny fisedrana dia tsy porofo hoe nandao anao ny Tompo. Fa izany dia porofo fa tena tiany ianao mba ho diovina sy hatanjahina.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, tsapako ny fitiavan’ny Tompo eto am-piarahantsika izao. Amim-panentrentena no hiresahako aminareo. Mivavaka aho mba ho entin’ny Fanahy ao am-ponareo ny zavatra tian’ny Tompo ho henonareo, mihoatra lavitra noho ireo teny izay ho ambarako.

Fahiny ela be dia nikatsaka ny hianatra fizika sy matematika aho tamin’ny izaho tany amin’ny oniversite. Nahatsapa ho tototra anefa aho. Nanomboka nahatsapa aho fa nanandrana nianatra zavatra mihoatra noho izay takatro. Arakaraka ny nahatsapako ho tototra no tsy nananako hery hanohy hiezaka. Ny fahakiviako dia nitarika ahy hahatsapa hoe tsy nisy vokany ireo ezaka nataoko. Nanomboka nieritreritra ny hiala an-daharana aho ary hanao zavatra mora kokoa.

Tsapako fa kely ny heriko. Rehefa nivavaka aho dia nahatsapa ny fanomezan-toky mangina avy amin’ny Tompo. Tsapako Izy niteny tao an-tsaiko hoe: “Hosedraiko ianao, saingy homba anao ihany koa Aho.”

Tsy fantatro hoe inona daholo ny hevitr’ireo teny ireo tamin’izany. Fa nahafantatra aho hoe inona no ho ataoko dia niasa aho.

Tamin’ny alalan’ny fandalinana sy fiasana nandritra ireo taona manaraka dia lasa nahatakatra ity hafatra mankahery ao amin’ny soratra masina ity aho: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”

Nianatra aho fa ny olako tamin’ny fizika raha ny marina dia fanomezana avy tamin’ny Tompo. Nampianatra ahy Izy fa noho ny fanampiany dia afaka manao ireo zavatra izay toa ohatra an’ny tsy azo tanterahina aho raha toa manam-pinoana fa ho eo Izy hanampy ahy. Tamin’ny alalan’io fanomezana io dia niasa ny Tompo mba hisedrana sy hampahatanjahana ahy.

Ny teny hoe misedra dia manana dikany maro. Ny fisedrana zavatra iray dia tsy fitsapana an’izany fotsiny. Fampitomboana ny tanjaka ananany izany. Ny fisedrana tapa-by iray dia ny fametrahana izany anatina tsindry. Ampiana hafanana sy vesatra ary tsindry izany mandra-pipoitra tsara ny tena toetoetrany. Tsy mampahalemy an’ilay vỳ ny fisedrana azy. ‏Raha ny marina, lasa tonga zavatra azo itokisana izany, lasa zavatra ampy tanjaka afaka hizaka vesatra lehibe kokoa.

Tahaka izany fomba izany no hisedran’ny Tompo antsika mba hampatanjaka antsika. Tsy tonga amin’ireo fotoana mahafinaritra na mampiadana izany fisedrana izany. Tonga amin’ny fotoana izay hahatsapantsika ho mizaka miohatra izay heverintsika ho azo zakaina izany. Mampianatra ny Tompo fa mila manohy mivoatra sy tsy tokony ho reraka mihintsy amin’ireo ezaka ataontsika isika ary tsy hilavo lefona fa manohy miezaka hatrany.

Rehefa manohy mino an’i Jesoa Kristy isika—eny fa na dia ohatra an’ny tsy azontsika tanterahina aza ireo zavatra amin’izao fotoana izao—dia ho lasa mihamatanjaka ara-panahy isika. Manamafy io fahamarinana io ny rakitsoratra masina.

Ny Mpaminany Môrônia ohatra dia nosedraina sy nampatanjahana tamin’izany fomba izany. Niaina irery izy tamin’ireo taona faramparany niainany. Nanoratra izy hoe tsy nanana namana, sy novonoina ny rainy ary ringana ny vahoakany. Nataon’ireo mpifofo ny ainy hazalambo izy.

Kanefa tsy very fanantenana i Môrônia. Ny mifanohitra amin’izany aza, nosokiriny teo amin’ireo takelaka ny tenivavolombelony momba an’i Jesoa Kristy ho an’ny vahoaka izay tsy ho hitany, anisan’izany ny taranak’ireo olona izay naniry ny hamono azy. Nanoratra ho antsika izy. Fantany fa hanaraby ny teniny ny olona sasany. Fantany fa handa izany ny sasany. Kanefa dia nanohy nanoratra izy.

Tao anatin’ny fisedrana azy dia nohatsaraina sy nampatanjahana ny finoan’i Môrônia. Nadio kokoa izany. Ny teniny dia nitondra ny herin’ny olona iray izay naharitra tamim-pahatokiana hatramin’ny farany. Afaka mahatsapa izany hery izany isika rehefa mamaky ny fijoroany ho vavolombelona hoe:

“Ankehitriny, izaho Môrônia dia somary manoratra misimisy araka izay heveriko ho tsara; ary manoratra ho an’ny Lamanita rahalahiko aho; ary mba tiako ny hahafantarany fa roapolo sy efa-jato taona mahery no efa lasana hatramin’ny nanomezana ny famantarana ny amin’ny fiavian’i Kristy.

Ary feheziko ireto rakitsoratra ireto, rehefa avy milaza teny vitsivitsy aho ho famporisihana anareo.

Indro, ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo, raha toa ka fahendren’ Andriamanitra ny hamakianareo ireto, mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ ny zanak’ olombelona, hatry ny nahariana an’ i Adama ka hatramin’ ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto sy ny hisainanareo izany ao am-ponareo.

Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Nihatsara tao anatin’ny fanirery ny tenivavolombelon’i Môrônia, saingy mamiratra amin’ny hazavana izany mba hitarika an’ireo taranaka rehetra hikatsaka ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

I Jakoba, mpaminany iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nosedraina sy nampatanjahana tamin’ny naha-zaza niaina fijaliana sy alahelo betsaka azy. Saingy nampianatra azy i Lehia rainy fa hitahy azy ao anatin’ireo fitsapany Andriamanitra.

“Ary indro fa efa niaritra fahoriana sy alahelo betsaka ianao tamin’ny fahazazanao noho ny halozan’ny rahalahinao.

Kanefa ry Jakoba, ry lahimatoako tany an-tany foana, fantatrao ny fahalehibeazan’ Andriamanitra; ary Izy hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao.

Koa hotahiana ny fanahinao, ary hiara-honina tsy amin’ahiahy amin’i Nefia rahalahinao ianao; ary holaniana amin’ny fanompoana ny Andriamanitrao anie ny andronao. Noho izany dia fantatro fa efa voaavotra ianao noho ny fahamarinan’ny Mpanavotra anao; satria efa hitanao fa amin’ny fahafenoan’ny fotoana dia ho avy Izy mba hitondra famonjena ho an’ny olona.”

Niaina fisedrana sy fampatanjahana tahaka izany koa ny Mpaminany Joseph Smith fony izy tao amin’ny Fonjan’i Liberty. Tao anatin’ny fahoriany lalina dia nihiaka ny Mpaminany Joseph hoe:

“Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?

Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao?”

Hitan’ny Tompo tao amin’ny fijalian’i Joseph ny fanamasinana nateraky ny fiaretany izany tsara rehefa namaly Izy hoe:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra; ary ho resinao avokoa ny fahavalonao.”

Nitranga tamin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fisedrana sy fampatanjahana. Nalainy ho eo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao. Nitondra ny fanaintainana sy ny alahelontsika Izy. Nisotro ilay kapoaka mangidy Izy. Nanaporofo Izy fa mahatoky tamin’ny fotoana rehetra.

Noho ny Sorompanavotana be voninahitra dia afaka mampatanjaka antsika i Jesoa Kristy amin’ireo fotoam-pitsapana antsika. Hainy ny fomba hamonjena antsika satria efa tsapany ireo fanamby rehetra izay mety ho tsapantsika eto an-tany. “Ary haka eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy … mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”

Ny Mpamonjy tao Getsemane

Nianatra isika fa tao amin’ny Zaridainan’ny Getsemane dia nanontany an’ny Ray ny Mpamonjy raha azo esorina Aminy ilay fitsapana—saingy niteny ihany koa Izy fa raha izany no sitrapon’ny Ray, dia hataon’ny Mpamonjy izany. Izany hoe, neken’ny Mpamonjy mihitsy ny fisalasalana sy ny tsy fisiana antoka, saingy nanam-pinoana ny Ray any An-danitra Izy.

Rahalahy sy ranabavy, mety tsy mitovy amin’ny an’i Môrônia na Jakoba na ny Mpaminany Joseph ny fisedrana sy fampatanjahana anao. Kanefa ho avy izany. Mety ho tonga mangina izany, amin’ny alalan’ny fitsapana ny fiainam-pianakaviana. Mety ho tonga amin’ny alalan’ny aretina na fahadisoam-panantenana na alahelo na fanirery izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireny fotoana ireny dia tsy porofo hoe nandao anao ny Tompo. Fa izany dia porofo fa tena tiany ianao mba ho diovina sy hatanjahina. Ataony ampy ny tanjakao hahazakana ny vesatry ny fiainana mandrakizay.

Raha mijanona ho mahatoky amin’ny fanompoantsika isika dia hodiovin’ny Tompo. Hampatanjaka antsika Izy. Ary indray andro any, hanao jery todika isika ary hahita fa ireny fitsapana ireny mihitsy no porofon’ny fitiavany. Ho hitantsika fa namolavola antsika Izy ho afaka hijoro miaraka Aminy amim-boninahitra. Araka ny nolazain’ny Paoly Apostolin’ny Tompo tamin’ny fiafaran’ny fiainany hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra anao Andriamanitra. Fantany ireo fitsapana lalovanao. Miaraka aminao Izy. Tsy hahafoy anao Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra. Izy no herintsika sy Mpanavotra antsika ary fanantenantsika. Raha matoky Azy isika dia ataony mifandanja amin’ireo fitsapana tsirairay izay natao ho zakaintsika ny hery ara-panahintsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.