2025
Olona feno fanetrentena mandohalika eo amin’ny alitara
Nôvambra 2025


11:24

Olona feno fanetrentena mandohalika eo amin’ny alitara

Rehefa manao fanekempihavanana ary manaja izany isika dia mamatotra ny tenantsika amin’ny Mpamonjy, sy mandray misimisy kokoa amin’ny famindram-pony, ny fiarovany, ny fanamasinany, ny fanasitranany ary ny fitsaharany.

Misaotra anareo ry amboaram-peo tamin’ny tenivavolombelonareo avy amin’ny alalan’izany fihirana vaovao izany.

Mameno ny fanahiko ilay hira vaovao ho an’ny fanasan’ny Tompo hoe: “Pain de vie, toi, l’eau vive” [Mofon’ny fiainana, rano velona]. Ny andininy iray ao amin’ilay fihirana dia manao hoe: “Ankehitriny aho tonga eto anoloan’ny alitara manolotra ho Azy ny fo torotoro.”

Nihalalim-paka ny fahatakarako an’ireo teny ireo fotoana fohy taorian’ny nandaozan’ny fianakaviako an’i Newbury Park, Californie mba hanompo tany amin’ny misiônan’ny Ogden Utah tamin’ny taona 2015. Naharay fanasana hitsidika ny Hill Air Force Base tao akaikin’ny Layton, Utah aho. Tsy mbola nandeha tamina toby miaramila na koa efa nahita miaramila mpitondra fivavahana na lehilahy amam-behivavy miasa hiaro sy hiantoka ny fandriampahaleman’ny fireneny aho.

Nanentana ahy sy nitondra aingam-panahy ho ahy ny Aumônier Harp izay lehilahy mpitondra fivavahana any amin’ny tafika, tahaka ireo mpilatsaka an-tsitrapo hafa sy ireo mpitondra fivavahana matihanina any amin’ny tafika an’arivony maro manompo any amin’ireo fonjanay, ary ny hôpitaly sy toby miaramila manerana an’izao tontolo izao. Ny trano fivavahana no toerana farany notsidihanay tao amin’ny toby. Nanontaniako ilay mpitondra fivavahana ao amin’ny tafika raha toa ka izy no nitantana ireo fotoam-pivoriana ho an’ireo rehetra izay naniry ny hisaintsaina, hivavaka, handinin-tena ary hitsaoka. Nandeha teo anoloan’ny efitrano fivavahana izy ary namoaka hazofijaliana iray avy tao ambadik’ireo lambam-baravarana. Nilaza izy fa nampiasainy nandritra ireo fotoam-bavaka Katolika sy Protestanta izany. Nanontany aho hoe inona no nampiasainy ho an’ireo rahalahy sy anabavy Jiosy, dia nandeha tao amin’ny efitra ambadika teny anoloana izy ary namoaka ny Kintan’i Davida.

Nanontany indray aho avy eo hoe: “Inona no ataonao ho an’ireo fotoam-pivorian’ny Olomasin’ny Andro Farany?” Napetrany ireo fitaovana mifono tandindona ireo ary nanondro tany amin’ny alitara hazo lehibe teo afovoan’ny efitrano fivavahana izy. Nolazainy fa manomana sy manamasina ny mofo sy ny rano eo ambony alitara ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nanontany aho raha toa ka nesorina ilay alitara lehibe izay toa efa miraikitra mialoha ny fotoam-bavaka ataon’ireo rahalahy sy anabavy Jiosy, Silamo, Katolika na Protestanta. Nilaza izy fa mijanona eo amin’ny toerany ihany ilay alitara satria ireo finoana sasany ihany koa dia mampiasa ilay alitara amin’ny fomba hafa.

Nanangana alitara i Abrahama, nofatorany i Isaka, ary efa vonona ny hanao sorona ny zanany lahy tokana izy saingy notazomina ny tanany, ary hoy izy, tahaka ny nambaran’ny Tompo hoe: “Inty aho”! Impiry ilay IZY AHO lehibe na ny iray tamin’ireo mpaminaniny no nanolo-tena hoe “Inty aho”?

Nandritra ny Toriteny nataon’ny Mpamonjy teo An-tendrombohitra dia nanasa antsika Izy ny hihavana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika mialohan’ny hanatonantsika ny alitara. Nampianatra i Paoly fa “nohamasinina” teo ambony alitara tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.

Ny mpaminany Lehia dia “[nandao] ny tranony … sy ny zava-tsarobidiny. … [Ary avy eo] dia nanangana alitara izy …⁠ ary nanao fanatitra … , sy nanolotra fisaorana ho an’ny Tompo.”

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika hitsaoka ny Zanak’ Andriamanitra eo ambony alitara. Nahoana?

Ireo ray aman-drenintsika voalohany, i Adama sy Eva dia nanorina ary nitsaoka teo ambony alitara. Rehefa avy noroahina hiala ny Sahan’i Edena sy avy nitsaoka nandritra ny “andro maromaro” izy ireo dia nisy anjelin’ny Tompo iray niseho sy nametraka fanontaniana milentika ao am-po izay azo apetraka amintsika tsirairay avy hoe: “Nahoana ianao no manatitra fanatitra ho an’ny Tompo?”

Namaly i Adama hoe: “Tsy fantatro.”

Nahatalanjona ny valintenin’ilay anjely manoloana ny fahatsapana tamim-panetrentena nasehon’i Adama: “Ity dia tandindon’ny sorona nataon’ny Lahitokan’ny Ray. … Koa hataonao amin’ny anaran’ny Zanaka izay rehetra ataonao, dia hibebaka ianao ary hiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao.”

Ny latabatry ny fanasan’ny Tompo sy ny alitaran’ny tempoly dia tandindon’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra.

Rehefa manao fanekempihavanana sy manaja izany isika, mandray ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ao am-piangonana sy ny fanafiana masina ary ny famehezana any amin’ny tempoly dia mamatotra ny tenantsika amin’ny Mpamonjy, handray misimisy kokoa amin’ny famindram-pony, ny fiarovany, ny fanamasinany, ny fanasitranany ary ny fitsaharany.

Famindram-po sy fiarovana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana

Fony aho mbola zatovo lahy 15 taona dia nanontaniako ny raiko raha toa ka afaka ny tsy hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo aho—Alahady iray ao amin’ny volana Janoary fotsiny mba hijerena lalao foty amerikana miavaka iray. Nilaza izy hoe efa lehibe aho ka afaka ny misafidy izany samirery ary nangataka ahy handinika torohevitra anankiray izy. Hoy izy: “Raha misafidy ny tsy hanatrika ny fanasan’ny Tompo indray mandeha ianao dia tena ho mora kokoa ny hisafidy ny hamerina tsy hanatrika izany indray.”

Raha toa ka ny Mpamonjy no mpampihavana lehibe indrindra dia ny fahavalo kosa no mpampisara-bazana. Izy Satana dia mamporisika antsika mba hampanalavitra ny tenantsika amin’ireo toeram-pitsaohana voatokana sy amin’ny fiarovan’i Jesoa Kristy. Rehefa mitsaoka ny Mpamonjy isika dia mahazo “hery hanoherana ny fironan’izao tontolo izao.” Rehefa manokana fotoana amin’ny fiombonana Aminy isika dia mahazo fampanantenana ny “hohafahana amin’i Satana.” “Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny … mampatanjaka.” Tena ankamamiako tokoa ny zavatra iainana rehefa miombona ao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana atao any amin’ny alitara masina!

Ny fikolokoloana ny fahatakarana ny sorompanavotana mandrakizain’ny Mpamonjy andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika dia mitondra fiarovana ara-panahy amin’ny fakampanahin’i Satana. Ny Loholona Jaggi fony izy misionera tanora tany Mexique, Zuster (Rahavavy) Jaggi tany Belgique sy ireo misiônera manerana izao tontolo izao dia mahita matetika kokoa fa ireo naman’ny fiangonana ampianarin’izy ireo dia mangataka hiroso ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina raha toa izy ireo ka manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao anatin’ny herinandro voalohan’ny fifandraisana.

Ny tanora tokan-tena iray any Tonga na Samoa dia matetika fehezina any amin’ny tranon’ny Tompo raha toa izy ireo ka niomana ary nandray ny fanafiana masina fotoana fohy aorian’ny fahazoana mari-pahaizana any an-tsekoly. Ao amin’ny fanafiana masina dia asaina ireo mpikambana mba hiaina sy hankato ary hitandrina lalàna miisa dimy izay mitondra hery sy fiarovana ny fiainan’izy ireo. Rehefa manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika dia miforona ny fitia mifamaly. Maneho fahatokisana sy fitiavana Aminy isika. Hitombo ny tanjaka sy ny herintsika isaky ny misy fampanantenana atao sy tandrovana.

Fandinihana sy Fanamasinana

Rehefa mandohalika amim-panetrentena eo amin’ny alitaran’ny Tompo isika dia fahafahana iray izany mba handinihana sy “[hahitana] fa voasakana raha ny amin’ny avonavom-po[ntsika], … [manetry ny tenantsika] eo anoloan’ Andriamanitra.” Mialoha ny nandehanako niaraka tamin’ireo namako fony aho mbola zatovo dia nanafatra matetika ny reniko hoe: “Tsarovy hoe iza moa ianao, ary tantarao ahy ny zavatra nataonao rehefa tonga ato an-trano ianao.” Ny alina sasantsasany dia adinoko ny nitantara ny diako satria tara loatra aho vao tonga tao an-trano. Nanenina aho tsy nahavita ireo fotoana manan-danja fanaovana tatitra tamin’ny reniko ireo.

Ankehitriny dia tsindrindaona aho ny hifandray tsy tapaka amin’ny Ray any An-danitra. Eo amin’ny fomba fitsaohako isan’andro dia mandohalika mivavaka eo anilan’ny fandrianako aho na miaraka amin’ny fianakaviana ary maka sary an-tsaina ny tenako mandohalika eo amin’ny alitara, misaintsaina sy mamakafaka ny fiainako. Mieritreritra momba ny fanasan’ny Tompo aho, dia ireo tapatapa-mofo, nopotipotehina sy nosilasilahina ho antsika, ny tsirairay dia tandindon’ny vatan’ny Mpamonjy notorotoronina. Tsaroako ny fampianaran’ny Filoha Dallin H. Oaks izay nilaza hoe “ny sila-mofo tsirairay dia miavaka, tahaka ny maha-miavaka ny isam-batan’olona izay mandray amin’izany.” Rehefa mandohalika mivavaka aho dia mieritreritra ny fomba hanomezako an’ Andriamanitra ny sitrapoko.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “ny ôrdônansin’ny Fanasan’ny Tompo dia fanasana masina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Tsy ilay hoe fandraisana fotsiny ny Fanasan’ny Tompo no manadio amin’ny fahotana. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika. Ary amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika.”

Rehefa mandinika akaiky ny zavatra niainanay izaho sy Amy dia finaritra ny amin’ny fanomezan’ny fitiavana tonga lafatra sy ny sorona natolotr’i Jesoa Kristy. Hitanay ihany koa ny fomba namahana ny fahatezeran’ny helo. Ahoana no fomba handresentsika ny fitsarana ivelany, ny tebiteby, ny fahaketrahana, ny homamiadana, ny diabeta, ny fandrabirabiana ao amin’ny tamba-jotran-tserasera, ny fampiasan’ny hafa ny mombamomba ny tena manokana tsy ara-dalàna, ny vohoka naato, ny fahalasanan’ny zanaka, rahalahy na ray? Satria i Jesoa dia efa nisotro ny kapoaka mangidin’ny horohoro, ny kapoaky ny fahatezerana—ho ahy, ho an’ny fianakaviako, ho antsika rehetra!

Ny Mpamonjy tao Getsemane

Gethsemane, nataon’i Adam Abram, nahazoana lalana avy amin’ny altusfineart.com © 2025

Ilay “kapoaka mangidy” nosotroiny tao amin’ny sahan’i Getsemane sy ny fangirifiriany “nihamafy” teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary dia mamela antsika hametraka ny mafy, ny fanaovana tsinontsinona, ny herisetra, ny hatezerana, ary ny horohoro ho eo amin’ny alitaran’ny Tompo ary “hamasinina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina,” mandrakariva.

Nilaza i rahavavy Patricia Holland hoe: “Ny vavaka lalina ataoko ho anareo sy ho an’ny tenako androany dia ny hanomezantsika tanteraka sy hanolorantsika ny tenantsika eo amin’ny alitaran’ny fampanantenan’ Andriamanitra sy ny fiadanany na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona ny nataontsika.”

Toeran’ny fanasitranana sy toeram-pitsaharana

Rehefa tonga eo amin’ny alitara isika dia tsy mandray valisoa fa mianatra momba an’ilay Mpanome valisoa. Tonga ao anatin’izany fianarana sy fifamatorana ara-panekempihavanana izany ny fahasitranana. Nilaza i Nefia hoe: “Efa nofenoiny ny fitiavany aho na dia hatrany amin’ny fahalevonan’ny nofoko aza izany.” Ary nanasa antsika ny Mpamonjintsika be fitiavana hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”

Fony mbola kely ireo zanakay vavy roa voalohany, Mackenzie sy Emma dia anisan’ny tantara iray nankafizin’izy ireo ny Le monde Narnia: Le Lion, la Sorcière et l’Armoire magique. Izahay rehetra dia niraiki-po tamin’ilay liona Aslan. Ny iray amin’ireo alin’ny namakiana ilay boky tsy hay hadinoina indrindra dia rehefa nanolotra ny fiainany ho an’ny Edmund ilay liona lehibe. Tsy hay hadinoina satria latsa-dranomaso avokoa ny ray aman-dreny sy ireo zanaka vavy rehefa novonoin’ilay Mpamosavy teo ambony vato fisaka ilay liona lehibe. Tsy hay hadinoina satria na dia teo aza ny loza dia tsy foana ny fanantenana mandra-pisehoan’ny tranga nampitolagaga. Nanakoako tao anatin’izany efitrano kely fatoriana izany ny akom-pifaliana rehefa nitsangana tamin’ny maty i Aslan sady niteny hoe: “[Raha nahafantatra ny tena dikan’ny sorona ilay mpamosavy] , …dia ho [fantany] fa [raha] toa ka nisy olona tsy manan-tsiny tsy misy fitaka [maty] hisolo tena ny mpamadika iray, dia ho tresaka ilay [Vato] fisaka, ary ny Fahafatesana mihitsy no hanomboka tsy hanankery.”

Manasitrana ireo ratra rehetra i Jesoa Kristy. Manao izay ahafahantsika ho velona indray i Jesoa Kristy.

Tao anatin’ny lahateniny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022 dia namariparitra vondrona mpitsidika varavarana misokatra tao amin’ny tempoly iray ny Filoha Russell M. Nelson. Nisy zazalahy iray teo. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Rehefa niditra tao amin’ny efitranon’ny fanafiana masina ilay vondrona mpitsidika dia nanondro ny alitara izay handohalihan’ny olona manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ilay ankizilahy, ary niteny hoe: -Mahafinaritra kosa izy izany. Eto no toerana fitsaharan’ ny olona mandritra ny diany ato amin’ny tempoly.-

… Azo inoana fa tsy nahafantatra momba ny fifandraisana mivantana eo amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tempoly sy ilay fampanantenana mahatalanjona nataon’ny Mpamonjy izy izay manao hoe:

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

Ento ny ziogako, ka mianara amiko; … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.” [Matio 11:28–30; nampiana fanamafisana]

“Ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany,” kanefa dia nasainy teo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo mpianany, sy izaho sy ianao mba hitsahatra eo miaraka Aminy. Rehefa “ireo olona feno fanetrentena no mandohalika eo amin’ny alitara”, dia feno fiadanana ny tontolo. Maninjitra ny sandriny ny Mpamonjy antsika. Misokatra ho an’ny rehetra ny latabany. Andao hitsaoka ilay Zanakalahin’ Andriamanitra eny amin’ny alitarany masina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.