2025
Fijoroana ho vavolombelona, ilay fanomezana maharitra mandrakizay
Nôvambra 2025


12:17

Fijoroana ho vavolombelona, ilay fanomezana maharitra mandrakizay

Afaka mahazo fahalalana lalina kokoa sy mafy orina kokoa ary azo antoka kokoa avy amin’ny tenany manokana ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tsirairay.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tato ho ato aho dia nisaintsaina fahamarinana telo mahery vaika avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Tena nitahy lalina ny fiainako tokoa ireo fahamarinana ireo. Anio aho dia te hizara aminareo fomba iray nitarihan’ireo fahamarinana ireo ahy teo amin’ny fahazoako fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

1. Andriamanitra no Raintsika any An-danitra be fitiavana

Manana ny fahalalana sy ny hery rehetra Izy. Amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy sy ny fanompoan’ny Fanahy Masina dia tsapa na aiza na aiza ny fitaomany. Efa toetrany ny mitahy antsika.

Hitany ny lasantsika, sy ny zava-mitranga amintsika ankehitriny, ary ny hoavintsika mandrakizay. Tsy misy zavatra miafina Aminy.

Ny fanasan’ny Filoha Nelson hoe “saino amin’ny fomba selestialy” dia mamporisika antsika hanahaka ny vina sy ny toetran’ny Ray any An-danitra.

Noho ireo toetra maha Andriamanitra ananany, ny Raintsika any An-danitra dia manome antsika ny fanomezana tsara rehetra, miaraka amin’ny fomba fijeriny sy ny vinany mibanjina ny mandrakizay.

2. Ny fahafahana misafidy dia fanomezana iray mba hanaovantsika safidy sy hanaovantsika zavatra ho an’ny tenantsika

Izany koa dia andraikitra mba hisafidy tsara.

Nefain’i Jesoa Kristy tamin’ny ràny sarobidy ny sarany faratampony ho an’izany tombontsoa izany.

Mety hino isika indraindray fa ny fahafahana misafidy dia midika hoe afaka manao izay tiantsika isika. Saingy ny hoe efa voaefa ny sarany dia midika fa ny fahafahana misafidy dia fanomezana masina.

Mpanao asa isika ary ny mpanao asa dia tompon’andraikitra amina zavatra. Noho izany dia tompon’andraikitra amin’ny safidy ataontsika isika, mifototra amin’ny fahalalana ananantsika sy ireo fanomezam-pahasoavana omena antsika. Tsy afaka manao safidy iray isika kanefa tsy ho tompon’andraikitra amin’ny vokany.

Nahoana isika no manana fahafahana misafidy?

Mba hifidy ny tsara.

Mba hifidy an’i Kristy.

Mba hifidy ny fiainana mandrakizay, hatrany hatrany.

3. Ny fijroana ho vavolombelona ananantsika dia tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina

Mbola lehibe lavitra noho ny mahita maso ny manana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina. Izy no vavolombelona misongadina indrindra momba ny Ray sy ny Zanaka. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”

Rahalahy sy anabavy, izany no antony ilantsika tsirairay ny herin’ny Fanahy Masina ankehitriny.

Ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia mety ho tonga amin’ny fomba maro. Toy ny jiro ao anaty efitrano maizina iray dia mety ho tonga amin’ny fomba mahatalanjona sy tampoka izany. Mety ho tonga tsikelikely sy miadana toy ny fiposahan’ny masoandro izany. Mety ho tonga toy ny tara-pahazavana izany, mitselatra ao anatin’ny tena faharanitan-tsaina. Na manao ahoana na manao ahoana ilay fomba dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany.

Fitadiavana Fijoroana ho vavolombelona tany Jamaika

Lehibe tany Jamaika tsara tarehy aho, nahafinaritra sy nahatalanjona izany. Rehefa nanomboka ny lisea anefa aho dia nisy tamin’ireo mpiara-mianatra sy namana izay tsy nahatakatra ny fanapahan-kevitro ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. “Inona no idiranao ao amin’io fiangonana io?” hoy izy ireo. “Inona no inoanao an’izany tantara izany?”—mantsy ny Fahitana voalohany. “Inona no amakiana an’io boky io?”—mantsy ny Bokin’i Môrmôna. Tena mino an’izany rehetra izany ve ianao?” Ary “nahoana no simbainao ny fiainanao?”

Ny Tempolin’i Salt Lake
Ilay Alakely Masina
Ny Bokin’i Môrmôna

Tena naharary izany, indrindra fa raha avy amin’olona manan-danja amiko ilay izy.

Saingy izao no tsy fantatr’izy ireo: Niaina zavatra niaraka tamin’ny Fanahy Masina aho. Rehefa nameno ny foko izany fijoroana ho vavolombelona izany, dia nanamaivana ny fanaintainana nandritra ny andro maro, ary “tao anatin’ny fotoana fohy dia niseho teo imasoko ny fahitana ny lanitra.”

Mety efa nametrahana ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo angamba ianao. Na amin’izao aza dia mety tototra fanontaniana tahaka ahy angamba ianao.

Ny fanomezana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina dia azon’ny rehetra ananana.

Ho ahy i Jamaika dia toa an’i Palmyra tamin’i Joseph Smith. Io no alakeliko masina. Tsy fantatro hoe taiza marina ny tena toerana nandohalihan’i Joseph hivavahana tao amin’ilay Alakely masina saingy fantatro tsara hoe taiza aho rehefa lasa tena izy ilay Alakeliko masina. Tany Four Grove Road, Mandeville, Jamaika, tao amin’ny efitrano fidiovako izany no nitranga, tamin’ny 6 ora maraina, andro Alarobia telo taona taorian’ny batisako. Nitranga izany zavatra niainana masina izany satria nisy rahavavy misiônera nentanim-panahy nanasa ahy hamaky ny Bokin’i Môrmôna roa herinandro talohan’izay. Manatrika izao fihaonambe izao Rahavavy Audrey Krauss anio miaraka amin’ny fianakaviany, ary tiako mandrakizay izy.

Loholona Brown mbola tanora miaraka amin’ny rahavavy misiônera

Nanova ahy izany zavatra niainana izany.

Rahalahy sy ranabavy, tsy nomena hoampiasaina amin’ny fotoana voafetra ny fijoroana ho vavolombelona. Natao haharitra mandrakizay io fanomezana avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana io satria maharitra mandrakizay ny mpanome azy. Tsy tokony hanana daty fahataperany ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy tokony hihamalemy na hihena izany satria nisy zavatra niova teo amin’ny fiainako na nisy zavatra niova teo amin’izao tontolo izao. Tokony hihamatanjaka izany satria, tahaka ny talentan’ilay mpanompo ao amin’ny fanoharana momba ny talenta, dia fanomezana tokony hampitomboina ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana, fa tsy halevina.

Nanampy ahy ho tonga eo amin’ilay toerana hoe fantatro avy amin’ny tenako amin’izay izao ny fitodihako tamin’ireo andro sarotry ny fitsapana sy ny fanenjehana izay niainako tamin’ny fahazazako. Tsy hoe mino fotsiny aho, na manantena, na matoky, na dia izany aza ny ampahany manan-danja amin’ny finoana eo amin’ny lalana ahazoana fijoroana ho vavolombelona azo antoka. Midera anareo aho amin’ny ezaka ataonareo hamaritana ny lalanareo manokana amin’ny fametrahana fanontaniana, fandalinana, fivavahana, fifadian-kanina, ary fisaintsainana. Miangavy aho, aza mitsahatra. Mendrika ny ezaka rehetra ny fanarahana io lalana mankany amin’ny fijoroana ho vavolombelona io. Iza na inona no avelanao hanaisotra izany? “Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao mihoatra izay azonao avy amin’ Andriamanitra?”

Afaka mahazo fahalalana lalina kokoa sy mafy orina kokoa ary azo antoka kokoa avy amin’ny tenany manokana ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra rehetra. Tahaka an’i Joseph Smith, izay nanamafy ny fijoroany ho vavolombelony tao anatin’ny fanoherana, dia afaka manambara amim-pahasahiana isika hoe: “Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho sady tsy sahy nanao izany.”

Rahalahy sy anabavy malalako isany, avelao hiasa ao anatinareo ilay voa kelin’ny fijoroana ho vavolombelona mandrapitsimoka izany ka ho lasa fahalalana azo antoka sy be voninahitra maharitra mandrakizay.

Raha toa ianao ka vita batisa sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany kanefa mbola sahirana amin’ny hoe “Tsy azoko antoka hoe fantatro”, dia tsarovy izao fampanantenana ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo izao: “Mba hananan’izy ireo ny Fanahiny miaraka amin’izy ireo mandrakariva”. Noho io fampanantenana io dia afaka miroso eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona sy fahalalana azo antoka isika tsirairay avy.

Raiso an-tanana ny Fijoroana ho Vavolombelona anananao

Ity misy fahamarinana lehibe: Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no anomezana ny fijoroana ho vavolombelona, na izany tsikelikely toy ny masoandro miposaka na tonga amin’ny fahitana be voninahitra, dia mila safidy hatrany ny fahazoana io fanomezana be voninahitra io.

Ny filazana hoe “Misafidy ny hino aho” dia manamora ny fahazoana tenivavolombelona avy amin’ Andriamanitra. Raha mihaosa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, dia tsarovy fa ny safidy ataontsika no mampihena ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona. Saingy tsy lasa aiza akory ilay fijoroana ho vavolombelona. Mila misafidy ny mamerina mampifandray azy fotsiny isika.

Ny fisafidianana ny hino dia fomba iray hendry sy mahery vaika hampiasana ny fahafahantsika misafidy.

Tsy mahita fomba tsara kokoa hampiasana ny fahafahako misafidy noho ny fiarovana ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany.”

Amiko ny teny hoe: raiso an-tanana, miasà, karakarao, mandraisa andraikitra, kolokoloy, sy ny hoe fahano dia toy ny hoe mpiasa nomena andraikitra amina zavatra sarobidy sy manan-danja.

Tany am-piandohan’ny Fiangonana dia tsy faly tamin’ny Mpaminany Joseph Smith i Parley P. Pratt ka nisafidy ny hitsikera azy sy ny Fiangonana. Rehefa tonga tao an-tanàna i John Taylor, izay nampianarin’i Parley ny filazantsara, dia nentin’i Parley nitokana izy ary nampitandreminy mba tsy hanaraka an’i Joseph. Hoy i John Taylor tamin’i Parley:

“Mialoha ny niainganao tany Canada dia nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ianao hoe mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith …, ary nilaza ianao fa tamin’ny alalan’ny fanambarana sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina no nahafantaranao izany.

… Manana fijoroana ho vavolombelona mitovy amin’izay nifalianao tamin’izany aho ankehitriny. Raha marina ny asa enim-bolana lasa izay dia marina izany ankehitriny. Raha mpaminany i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany dia mbola mpaminany izy amin’izao.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra ary ilay andraikitra maha mpaminany nosalorany dia mbola mitohy amin’izao fotoana izao. I Jesoa Kristy no mitarika ity asa ity.

Manasa anao aho handinika ny lalanao hahazoana fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Raiso an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ampiasao amim-pahendrena ny fahafahana misafidy anananao ary ekeo ilay mpanome sy ny toetrany be voninahitra rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ao anatinao ny hery. Tsy misy afaka misafidy ho anao. Tsy misy afaka manala io fanomezana io. Afaka misafidy ny hino ianao.

Mampanantena aho fa rehefa manao izany ianao, dia ho lasa “loharanon’ny rano velona miboiboika hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ho vatofantsika sy mpitaona izany ary hanohana anao ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Hanampy anao hanana fanomezam-pahasoavana ara-panahy izany. Hanampy anao amin’ny fanompoana ataonao manokana izany. Ho fiadiana entina manohitra an’i Satana sy ireo fahavalonao izany. Ho fifaliana ny fijoroana ho vavolombelona anananao rehefa hitanao mipaka any amin’ireo zanakao sy zafikelinao ary zafiafinao sy ao amin’ireo izay tianao sy tompoinao. Ho mahery vaika izany rehefa zarainao sy ampiasainao entina mijoro ho vavolombelona.

Rehefa fantatrao dia fantatrao izay. Fantatro fa mahafantatra aho. Mila manana fijoroana ho vavolombelona azo antoka bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika. Tratraro izany! Katsaho izany! Tena maika izany! Ity no fotoampitantanana farany, ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

Nilaza izao fahamarinana izao i Jesoa Kristy: “Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona.”

Ry rahalahy sy anabavy, tsy natao ho fanomezana mihelina na oviana na oviana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra mihelina ny amin’izany—na ilay mpanome, na ilay fanomezana, na ilay mpanatitra ilay fanomezana, na ilay ifantohan’ilay fanomezana. Enga anie ho faritana toy izany ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Na “ho levona ny lanitra sy ny tany,” ny fijoroana ho vavolombelaona anananao sy ny tenivavolombelonao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tsy mba ho levona. Izao no fotoana hihazonana an’io fanomezana sarobidy io. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Andriamanitra no Raintsika any An-danitra ary zanany isika. Nahary antsika tahaka ny endriny Izy. Izy dia manana -vatana nofo sy taolana be voninahitra sy tonga lafatra, azo tsapain-tanana toy ny an’ny olona- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22).

    “Mahafantatra antsika manokana Andriamanitra ary tia antsika mihoatra noho izay azontsika takarina. Takany ny fitsapana atrehantsika sy ny alahelontsika ary ny fahalementsika, ary manolo-tanana mba hanohana antsika ao anatin’izany Izy. Faly amin’ny fivoarantsika Izy ary hanampy antsika hanao safidy tsara. Te hifandray amintsika Izy ary afaka mifandray Aminy isika amin’ny alalan’ny vavaka” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 33).

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46–47; 88:12–13.

  3. “Amin’ny maha Andriamanitra an’ Andriamanitra sy amin’ny maha Kristy an’i Kristy dia tsy afaka manao zavatra ankoatra ny mikarakara antsika sy mitahy antsika ary manampy antsika izy ireo rehefa tsy manao afa-tsy ny manatona azy ireo isika, manatona ny satroboninahitry ny fahasoavan’izy ireo amin’ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo. Tsy afaka ny tsy hitahy antsika Izy ireo. Tsy maintsy manao izany izy ireo. Efa toetran’Izy ireo izany” (Jeffrey R. Holland, “Come unto Me” [Fivoriam-bavaka tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 2 Martsa, 1997], 4, speeches.byu.edu).

  4. Jereo ny Lioka 12:2; Môrônia 7:22; Abrahama 2:8.

  5. “Manasa anareo aho hizatra an’ilay fomba -misaina amin’ny fomba selestialy-! Ny hoe misaina amin’ny fomba selestialy dia midika hoe mihevitra ny zava-panahy. Ianarantsika avy amin’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa -ny fiheverana ny zava-panahy kosa dia fiainana mandrakizay’” (Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nov. 2023, 117)

  6. Jereo ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Ny fahafahana misafidy sy ny maha-tompon’ andraikitra,” Mediathèque de l’Évangile; jereo koa ny 2 Nefia 2:11, 16.

  7. Jereo ny 1 Petera 1:18–20; Abrahama 3:22–28.

  8. Jereo ny 1 Korintiana 6:20.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78.

  10. “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay irin’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika. …

    … Io toetra tsisy pentina sy tonga lafatra io dia ho azo avy amin’ny fifandimbiasana tsy miovaova eo amin’ny fanekempihavanana, ôrdônansy, sy asa atao, fitambaran’ny safidy marina, sy avy amin’ny fibebahana mitohy” (Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Liahona, Jan. 2001, 40, 41; nampiana fanamafisana); jereo koa ny Mosesy 7:33.

  11. Jereo ny Môrônia 10:4–5.

  12. “Ny Fanahy dia tsy mila ferana amin’ny teny; afaka mampifandray fanahy amin’ny fiteny tsy azo disoina izy satria tsy misy teny. Fifandraisana fahalalana madio sy faharanitan-tsaina avy amin’ny Fanahy izany, ary nanjary fantatro fa izany mihitsy no fomba tsara indrindra hahazoana fahalalana. Matanjaka sy maharitra kokoa noho ny mitazona na ny mahita izany; afaka misalasala ny amin’ny fahatsapana ara-batana isika, saingy tsy afaka misalasala isika rehefa miresaka amintsika ny Fanahy Masina. Izany no tenivavolombelona azo antoka indrindra. Noho izany, ny fahotana tsy azo avela dia ny fandavana ny Fanahy Masina na ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina” (D. Todd Christofferson, “Strong Impressions of the Spirit,” Liahona, June 2013, 49).

  13. Jereo ny Jaona 5:32; 2 Nefia 31:18; 3 Nefia 11:36.

  14. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96. Hoy izy tao anatin’izany lahateny izany ihany hoe:

    “Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana. …

    “Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: -Ho an’ireo izay manana maso hahitana sy sofina hihainoana, dia mazava fa ny Ray sy ny Zanaka dia mampahafantatra ny tsiambaratelon’izao tontolo rehetra izao!- …

    “… Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana araka ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa” (95, 96).

  15. Jereo ny David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 87–90; Alexander Dushku, “Andrim-pahazavana sy tara-pahazavana,” Liahona, mey 2024, 14–16.

  16. “Le Saint Esprit a témoigné,” Cantiques, no. 74.

  17. Jereo ny Nomery 11:29; Jakoba 1:5.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:28; Mosesy 1:3.

  19. Jereo ny Matio 25:14–30 “Tsy maty tsy akory ilay tenivavolombelona ara-panahy izay azoko avy tamin’ny Fanahy Masina … . Nihamatanjaka aza izany raha ny tena marina. Fototra mafy orina nijoroako nandritra ny androm-piainako ireo zavatra nianarako nandritra ny fahatanorako momba ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Dieter F. Uchtdorf, “Kolokoloy ireo faka dia hitombo ireo rantsana,” Liahona, Nôv. 2024, 101).

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23.

  21. Joseph Smith—Tantara 1:25.

  22. Jereo ny Almà 32:27, 30, 37–38, 41.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33..

    Ary aorian’izay angamba ilay ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ilay izy, dia ny fandraisana ilay fanomezana. … Mba handraisana marina tokoa fanomezana iray, dia mametraka ny lanjan’izany ho antsika isika, mampiasa izany feno eo amin’ny fiainantsika, ary avy eo dia mahatsiaro amim-pankasitrahana ilay mpanome.

    “Tsy zavatra mandeha ho azy ny fandraisana fanomezana fa dingana atao avy amin’ny nahim-po sy manan-danja, izay mihoatra lavitra ny fanokafana fonosana iray fotsiny. Ny hoe mandray dia mankamamy sy mifandray amin’ilay fanomezana sy ny fon’ilay mpanome amin’ny fomba izay manamafy ny fifamatorana misy eo amin’ny mpanome sy ny mpandray” (Patrick Kearon, “Raiso ny fanomezana atolony,” Liahona, Mey 2025, 121–22).

  25. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile.

  26. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 70:3–4.

  27. Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 280–81.

  28. Jereo ny Môzià 4:9–12.

  29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:23; nampiana fanamafisana.

  30. Jereo ny Almà 5:46–48. Nampianatra i Joseph Smith fa “tsy afaka ny ho tonga ny famonjena raha tsy misy fanambarana. Zava-poana ho an’ny tsirairay ny manompo raha tsy misy izany. … Tsy misy olona mpanompon’i Jesoa Kristy raha tsy nantsoina ho mpaminany. Tsy misy olona afaka ny ho mpanompon’i Jesoa Kristy raha tsy manana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa, ary izany no fanahin’ny faminaniana” (The Joseph Smith Papers, History, 1838–1856, volume C-1 [2 November 1838–31 July 1842] [addenda], 12, josephsmithpapers.org; navaozina ny tsipelina sy ny renintsoratra ary ny mari-piatoana).

  31. “Mitsangana eo amin’ny tendron’ny vanim-potoana rehetra isika, ary talanjona noho ny tantara izay lehibe sy feno voninahitra. Ity no fotoampitantanana farany indrindra izay nifantohan’ny lasa rehetra” (Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Liahona, Jan. 2000, 90).

  32. Matio 24:35.

  33. Jereo ny Môrônia 10:30.