Miravaka ny hasin’ny fahononam-po
Manolotra fanasana avy amin’ny foko manontolo ho antsika rehetra aho mba handravaka ny saintsika sy ny fontsika amin’ny hasin’ny fahononam-po, izay toetra tahaka ny an’i Kristy.
Raha nitsidika ny toerana nanaovana ny asa fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny volana mey 2021, dia talanjona tamin’ny ezaka nataon’ireo mpamaky lay izay nahavita nanangana tamin’ny loharanom-pitaovana voafetra sy finoana tsy azo hozongozonina nananan’izy ireo, io trano masina io, izay sangan’asa miezinezina eo amin’ny endrika sady manan-danja ara-panahy ary tsy tontan’ny ela. Tsikariny ihany koa nefa ny vokatry ny fikaohan-tany izay nitarika ny fisian’ny lavaka taty aoriana teo amin’ireo vato iorenan’ny tempoly tany am-piandohana sy fikorontanana teo amin’ny rafi-bato izay famantarana mazava fa nilaina ny fanamafisana ara-potodrafitrasa.
Nampianatra antsika ny mpaminany malalantsika avy eo fa toa ny nilana fandraisana fepetra goavana tamin’ny fanamafisana ny fototry ny tempoly mba hanoherana ireo loza voajanahary, dia mila mandray fepetra miavaka ihany koa isika, izay mety ho fepetra tsy mbola noraisintsika mihitsy hatrizay, mba hanamafisana ny fototra ara-panahy iorenantsika manokana ao amin’i Jesoa Kristy. Tao anatin’ilay hafany tsy hay hadinoina dia nametrahany fanontaniana lalina anankiroa isika mba hosaintsainin’ny tena manokana: “Mafy orina toa ny ahoana ny fototrareo? Ary inona avy no fanamafisana orina ilaina ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy ny fahatakaranareo ny filazantsara?”
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manolotra antsika fomba masina sy mahomby hanakanana ny fikaohan-tany ara-panahy eo amin’ny fanahintsika, hanamafisana amin-kery ny fototra iorenantsika ary hanampiana antsika hisoroka ny fisian’ny lavaka eo amin’ny finoantsika ary fikorontanana na eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika na eo amin’ny fahatakarantsika ireo fahamarinana masina ao amin’ny filazantsara. Misy fitsipika misongadina manokana iray entina manatratra ity tanjona ity izay hita ao amin’ny fizarana 12 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith ho an’i Joseph Knight, lehilahy olo-marina izay nikatsaka mafy ny hahatakatra ny sitrapon’ny Tompo, tsy ho an’ny fiovana ivelany fotsiny ihany fa mba hijoroany tsy ho voahozongozona amin’ny maha mpianatra azy, “mafy orina tahaka ireo andrin’ny lanitra”. Nanambara ny Tompo hoe:
“Indro, miteny aminao Aho, ary koa amin’ireo rehetra izay manam-paniriana ny hanomboka sy hampiorina ity asa ity;
“Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy manetry tena izy ary feno fitiavana, manana finoana, fanantenana ary fiantrana, mahonon-tena amin’ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany”.
Mampahatsiahy antsika ny fitarihan’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ity fanambarana masina ity fa ny fahononam-po dia fanamafisana tena ilaina mba hisian’ny fototra mafy orina ao amin’i Jesoa Kristy. Iray amin’ireo hasina ilaina izany, tsy ho an’ireo izay voantso hanompo fotsiny ihany fa ho an’ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaiky ny hanaraka Azy amim-pahatokiana ihany koa. Mampirindra sy mampatanjaka ireo toetra hafa tahaka ny an’i Kristy izay voalaza ao amin’ity fanambarana ity ny fahononam-po: fanetrentena, finoana, fanantenana, fiantrana ary fitiavana madio izay mikoriana avy Aminy. Ankoatra izany, ny fikolokoloana ny fahononam-po dia fomba miavaka iray hiarovana ny fanahintsika tsy ho tratran’ireo fikaohan-tany ara-panahy misoko mangina kanefa mikiky tsy tapaka vokatry ny fitaoman’izao tontolo izao izay mety hamparefo ny fototra iorenantsika ao amin’i Jesoa Kristy.
Raha ny amin’ireo hasina izay mandravaka ny mpianatra marin’i Kristy, dia misongadina ny fahononam-po satria ny Mpamonjy mihitsy no asehon’izany, voa sarobidin’ny Fanahy izany, ary mitolotra amin’ireo rehetra izay vonona ny hotarihin’ny fitaoman’ Andriamanitra. Hasina mitondra fitoniana ao am-po izany, ary manefy ireo faniriana sy fihetseham-po amin’ny alalan’ny fahendrena sy fitoniana. Ao amin’ny soratra masina, dia aroso ho ampahany manan-danja amin’ny fivoarana eo amin’ny dia ara-panahintsika ny fahononam-po, ka manampy antsika hanana faharetana, sy toe-panahy araka an’ Andriamanitra ary fangorahana no sady manatsara ireo zavatra tsapantsika sy ny tenintsika ary ny zavatra ataontsika.
Ireo mpianatr’i Kristy izay miezaka mikolokolo ity toetra tahaka ny an’i Kristy ity dia lasa manetry tena sy feno fitiavana fatratra. Misy tanjaka feno fahatoniana mitsiry ao amin’izy ireo ary lasa mahavita mihazona hatezerana kokoa izy ireo no sady mikolokolo faharetana sy mitondra ny hafa amim-pandeferana, amim-panajana sy amim-pahamendrehana, na dia rehefa mifofofofo mafy aza ireo rivotra mahery vaikan’ny fahoriana. Miezaka ny tsy haneho fihetsika atosi-pihetseham-po izy ireo fa misafidy kosa ny haneho fihetsika ombam-pahendrena ara-panahy, tarihin’ny halemem-panahy sy ny fitaomana malefaky ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’izany izy ireo dia tsy mora handairan’ny fikaohan-tany ara-panahy satria, araka ny nampianarin’i Paoly Apôstôly, dia fantratr’izy ireo fa mahay ny zavatra rehetra izy ireo amin’ny alalan’i Kristy, ilay mampahery azy ireo na dia miatrika ireo fitsapana izay mety hanozongozona ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba Azy aza.
Nampita torohevitra masina momba ireo fepetra takina amin’ireo izay maniry ny hisolo tena ny Mpamonjy sy hanao ny sitrapony amim-pinoana sy amim-panolorantena i Paoly tao amin’ny Epistiliny ho an’i Titosy. Nilaza izy fa tokony ho tia mampiantrano vahiny, mahonon-tena, marina ary masina izy ireo, izay toetra ahitana taratra mazava ny fitaoman’ny fahononam-po.
Mampitandrina anefa i Paoly fa tokony “tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, … [ary] tsy mpikapoka” izy ireo. Ny toetra tahaka izany dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ka manakana ny fivoarana ara-panahy tena izy. Ny hoe “tsy mitompo teny fantatra” ao amin’ny sahan-kevitry ny soratra masina dia olona iray izay mandà ny haneho fihetsika feno avonavona sy hambom-po; ny hoe “tsy mora tezitra” dia olona iray misoroka ny faniriana voajanahary ho lasa tsy manam-paharetana sy mora tezitra; ary ny hoe “tsy mikapoka” dia entina ilazana olona iray mitsipaka fitondrantena tia fifandirana sy mahery setra ary masiaka am-bava, ara-batana ary ara-pihetseham-po. Rehefa miezaka manova ny fitondrantenantsika amim-pinoana sy amim-panetrentena isika dia afaka miorim-paka mafy eo amin’ny vatolampin’ny fahasoavany ary lasa fitaovana madio sy voalambolambo eo an-tanany masina.
Rehefa nieritreritra momba ny antony tokony hikolokoloana ny hasin’ny fahononam-po aho dia mahatsiaro ny tenin’i Hana, renin’i Samoela mpaminany—vehivavy iray nanam-pinoana mahavariana izay, na avy niatrika fitsapana goavana aza dia nanolotra hira fankasitrahana ho an’ny Tompo. Hoy izy: “Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa”. Mihoatra lavitra noho ny vavaka ny hira nataony, fanasana nomeny ny tenany izany haneho fanetrentena, fifehezan-tena ary fahononan-tena. Mampahatsiahy antsika i Hana fa ny tanjaka ara-panahy marina dia tsy miseho anaty fihetsika atosi-pihetseham-po na teny feno avonavona fa amin’ny alalan’ny toe-tsaina onona sy voasaina mifanaraka amin’ny fahendren’ny Tompo.
Matetika izao tontolo izao no midera ny fihetsika ateraky ny hasiahana, ny fanambonian-tena, ny tsy faharetana ary ny zavatra diso tafahoatra, ka manamarina matetika ireo toe-tsaina ireo noho ireo faneriteren’ny fiainana andavanandro sy ny fironana ho amin’ny fahazoana fankasitrahana sy laza. Rehefa misafidy ny tsy hampiasa ny hasin’ny fahononam-po isika ary tsy miraharaha ny fitaomana malefaka sy mampitony avy amin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fomba fihetsika sy firesaka dia lavo mora foana ao anatin’ny fandrik’ilay fahavalo isika ary tsy azo ihodivirana ny hitarihan’izany antsika hilaza teny sy lasa hanana toe-tsaina izay hanenenantsika mafy tokoa na eo amin’ny fifandraisantsika ara-tsôsialy, na amin’ny fianakaviana na ara-pivavahana mihitsy aza. Manasa antsika hampihatra ity hasina ity ny filazantsaran’i Jesoa Kristy indrindra mandritra ireo fotoanan’ny fisedrana, satria mandritra ireny fotoana ireny indrindra no miseho ny tena toetran’ny olona. Hoy i Martin Luther King Jr. indray maka: “Ny tena tanjaka ara-pitondrantena sy ny fahamarinan-toetran’ny olona iray dia tsy miseho ao anatin’ny fotoana mampahazo aina sy mampilamina azy fa miseho kosa amin’ny fotoana hiatrehany fisedrana sy fifandirana”.
Satria vahoakan’ny fanekempihavanana isika, dia antsoina isika hanao fanoloran-tena lalina ara-pihetseham-po sy ara-panahy amin’ireo fampanantenana masina nataontsika tamin’ny Tompo, ka hanaraka amim-pitandremana ny lamina napetrany tamin’ny alalan’ny ohatra tonga lafatra izay nasehony. Nampanantena kosa Izy ho tambin’izany hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no fotopampianarako ary na zovy na zovy no manorina eo ambonin’izany dia manorina eo ambonin’ny vatolampiko, ary ny vavahadin’ny helo tsy haharesy azy”.
Let Not Your Heart Be Troubled (Aoka tsy hitebiteby ny fonareo), nataon’i Howard Lyon, nahazoana lalana avy amin’ny Havenlight
Ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany dia niavaka tamin’ny hasin’ny fahononam-po tamin’ireo lafin-javatra rehetra teo amin’ny toetrany. Tamin’ny alalan’ny ohatra tonga lafatra nasehony dia nampianatra antsika Izy hoe “mahareta amin’ny fahoriana, aza manevateva ireo izay manevateva”. Araka ny nampianariny hoe tsy tokony hilefitra amin’ny fahatezerana isika noho ny fifamaliana sy ny fifandirana. Nanambara Izy hoe: “Tsy maintsy mibebaka ianareo sy tonga tahaka ny ankizy madinika”. Nampianatra ihany koa izy fa ireo rehetra izay maniry ny hanatona Azy amin’ny fo feno finiavana dia tsy maintsy mihavana amin’ireo izay ananan’izy ireo hatezerana na manana hatezerana amin’izy ireo. Nanome toky antsika Izy, tamin’ny fihetsika naneho fahononam-po sy fo feno fangorahana, fa rehefa misy mitondra antsika amim-pahasiahana, amim-paharatsiam-panahy, amin’ny tsy fanajana na tsy firaharahiana, dia tsy handao antsika ny hatsaram-panahiny ary ny fanekempihavanan’ny fiadanany dia tsy hesorina hiala amin’ny fiainantsika.
Taona vitsivitsy lasa izay dia nanana tombontsoa masina izaho sy ny vadiko nihaona tamina mpikamban’ny Fiangonana mahatoky vitsivitsy tao amin’ny tanan-dehiben’i Mexique. Maro tamin’izy ireo, na izy ireo manokana izany na ny havan-tiany, no efa niaritra fitsapana tsy hay faritana, anisan’izany ny fakàna an-keriny, ny vono olona ary loza hafa mahavaky fo.
Rehefa nijery ny endrik’ireo Olomasina izahay dia tsy nahita fahatezerana na lolom-po na faniriana hamaly faty. Fanetrentena tony kosa no tsikaritray. Ny tarehin’izy ireo, izay na dia nisoritan’alahelo aza, dia namirapiratra faniriana fanasitranana sy fampiononana. Na dia vakin’ny fijaliana aza ny fon’izy ireo, dia nibosesika nandroso nomban’ny finoana an’i Jesoa Kristy ireo Olomasina, ary nisafidy ny tsy hamela ny fahoriana ho lasa lavaka eo amin’ny finoan’izy ireo na hiteraka fikorontanana eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny filazantsara.
Tamin’ny fiafaran’io fotoam-pivoriana masina io dia niarahaba ny tsirairay tamin’izy ireo izahay. Ny fandraisan-tanana sy ny fifamihinana tsirairay dia lasa vavolombelona mangina fa rehefa omban’ny fanampian’ny Tompo isika dia afaka misafidy ny hiatrika ny fahasorenana sy ny fanambin’ny fiainana amim-pahononam-po. Ny ohatra tony sy tsotra nasehon’izy ireo dia fanasana feno hatsaram-panahy mba handeha amin’ny lalan’ny Mpamonjy amim-pahononam-po amin’ny zavatra rehetra. Nahatsapa ho toa ny teo anatrehan’ny anjely izahay.
I Jesoa Kristy, ilay lehibe indrindra amin’ny rehetra, dia nijaly ho antsika mandra-pivoa-drà ny mason-kodiny rehetra, kanefa tsy mbola namela velively ny fahatezerana hampirehitra ny fony Izy, na nivoahan’ny teny feno hasiahana, manafintohina na manevateva ny vavany na dia teo afovoan’ny fahoriana toa izany aza Izy. Noho ny fananany fahononam-po tonga lafatra sy halemem-panahy tsy manam-paharoa, dia tsy nieritreritra ny Tenany Izy fa nihevitra kosa ny zanak’ Andriamanitra tsirairay, tany amin’ny lasa sy ankehitriny ary amin’ny hoavy. Nijoro ho vavolombelona momba ny toe-tsaina tena tsara indrindra nananan’i Kristy ny Apôstôly Petera rehefa nanambara izy hoe: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly Izy, tsy mba nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”. Na dia tao anatin’ny fangirifiriana lehibe indrindra niainany aza ny Mpamonjy dia naneho fahononam-po tonga lafatra sy masina. Nanambara izy hoe: “Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona”.
Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, manolotra fanasana amin-kitsim-po amintsika rehetra aho mba handravaka ny saintsika sy ny fontsika amin’ny hasin’ny fahononam-po tahaka ny an’i Kristy, ho valiny masina amin’ilay antso avo avy amin’ny mpaminany nataon’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika. Rehefa miezaka amim-pinoana sy amim-pahazotoana mampiditra ny fahononam-po amin’izay rehetra ataontsika sy tenenintsika isika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hampatanjaka sy hampifikitra ny fiainantsika amin’ny fomba azo antoka kokoa eo amin’ny fototra azo antoky ny Mpanavotra antsika isika.
Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa ny fikatsahana tsy tapaka ny fahononam-po dia manadio ny fanahintsika ary manamasina ny fontsika eo anoloan’ny Mpamonjy ka mitarika antsika tsimoramora hanatona Azy kokoa sy manomana antsika, amim-panantenana sy amim-piadanana, amin’ilay andro be voninahitra izay hihaonantsika Aminy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Zaraiko ireo teny masina ireo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, amena.