2025
Ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy
Nôvambra 2025


14:34

Ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy

Samy amin’ny fahafenoany ny fanasitranana sy ny famelan-keloka ao amin’ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy.

Maneho ny fitiavako ny Filoha Russell M. Nelson sy ny fankasitrahako noho ny fitaomana nahavariana nentiny teo amin’ny tsirairay amintsika aho. Ary misaotra an’ Andriamanitra aho noho ny fitsimbinany sy ny fanandriany ny fiainan’ny Filoha Dallin H. Oaks ho antsika rehetra.

Isan-taona aho dia mahatsapa fitiavana lehibe kokoa hatrany ho an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika sy ny Sorompanavotany feno indrafo. Ny sorona faratampony nataony, izay mahatonga antsika ho afaka handresy ny fahafatesana sy ny fahotana no zava-nitranga misy fiantraikany lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Ny fahatakarana ny fanomezany masina ho ahy dia fampianaran’ny lanitra tsy manam-petra izay hitohy hatrany an-koatry ny fasana.

Jesoa Kristy Tompo

Fanehoana mahagaga indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra ny fangorahana mahery vaikan’ny Mpamonjy amin’ny famelana fahotana sy ny fanasitranana ireo ratra nateraky ny fahotan’ny hafa.

Ny faniriako dia ny hanolotra fanantenana ho an’ireo izay mikatsaka famelan-keloka amin’ireo fahotana goavam-be sy hanolotra fampiononana ho an’ireo izay mikatsaka fanasitranana amin’ireo ratra mampahory nateraky ny fahotana goavana nataon’ny hafa.

Samy amin’ny fahafenoany ny fanasitranana sy ny famelan-keloka ao amin’ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy.

Finoana an’i Jesoa Kristy

Raha nanao fahotana goavana ianao ary eo an-dalam-pibebahana na manana faniriana ny hibebaka tanteraka sy hahatsapa ilay fifaliana tsy hay lazaina avy amin’ny famelan-keloka, dia fantaro fa miandry anao io fahagagana io. Manohy miantso hatrany ny Mpamonjy hoe “Mankanesa aty Amiko”.

Ny fanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika dia hamelona ny faniriana lalina ao am-ponao hahafantatra Azy, hino Azy, ary hanolotra tanteraka ny fonao ho Azy. Nanontany momba ny famelana azy i Enôsa hoe: “Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?” Namaly ny Tompo hoe: “Noho ny finoanao an’i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana”.

Ary nampian’i Môrônia hoe: “Raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany”.

Fanombohana tena tsara ny fialana amin’ny fahotana, ny fitodihana amin’ Andriamanitra, ary ny fanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’ny fiaikena am-panetrentena ny sitraponao amin’ Andriamanitra ny fiaikena fahotana goavana amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao, fa ny famelana anao tanteraka kosa dia avy amin’ny Mpamonjy. Fanomezana masina atolotra amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka.

Fahamarinan-toetra

Ny faniriana hiverina marina amin’ Andriamanitra dia miaraka amin’ny fahavononana ho marin-toetra tanteraka amin’ny Rainao any An-danitra, amin’ny tenanao, amin’ireo izay voaratra, ary amin’ny mpitarika anao ao amin’ny fisoronana. Ny Rainao any an-danitra dia mifaly amin’ny fahamehanao hanatona Azy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina Izy. Ny hoe manana fanahy manenina dia mametraka amim-panetrentena ny tenanao eo an-tanan’ Andriamanitra; ary ny fananana fo torotoro dia mitondra ilay faritan’ny Apôstôly Paoly hoe “alahelo araka an’ Andriamanitra,” izay faniriana lalina ao anaty hiverina any Aminy na inona na inona ny sarany.

Mamerina amin’ny laoniny izay torotoro

Ny fanirianao dia mitarika anao haniry hanamboatra izay zavatra nopotehinao. Kanefa, noho ny fahatsapanao fa misy zavatra sasantsasany tsy vitanao ny manarina azy, dia mivavaka mafy ianao, mba hanampian’ny Tompo, amin’ny alalan’ny fahasoavany, hanasitrana ireo izay voaratra vokatry ny zavatra nataonao.

Matetika ny vokatry ny fahotana goavana eo amin’ny hafa no tena sarotra resena. Manaraka ny ohatra nasehon’ireo zanakalahin’i Môzia ianao, izay “niezaka tamin’ny faharisihana tokoa hanarina ny fanimbana rehetra izay efa nataony”? Resaho amin’ireo olona hajainao ny zavatra mety tsy tsapanao.

Teo am-panomanako ity lahateny ity dia naharay mailaka tsy nampoizina avy tamin’ny olona iray manao dingan’ny fibebahana sy maniry ny hiverina ato amin’ny Fiangonana aho. Ny vadiny teo aloha dia mbola nijaly noho ny famoizana “ny fanambadia[n’izy ireo] mandrakizay, [ny fahasarotan’ny fikarakarana ireo zanaka], ny tsy fahampiana ara-bola intsony, … ny tsy fahafahana manefa ny fandaniana rehetra, [ary] ireo fahatsapana tsy hay zakaina fa voafitaka”.

Nozarainy tamiko ny fomba “nahatsapa[n’ny mpitarika azy ao amin’ny fisoronana] ho notaomim-panahy [hangataka azy] handinika ombam-bavaka ny [zavatra fanampiny azony natao ho an’ny vadiny teo aloha sy ny zanany]”. Zaraiko ny ampahany amin’io mailaka nalefany io rehefa nahazoako lalana:

“Nieritreritra aho [tamin’ny voalohany] fa mihoatra noho ny fahalalahan-tanana ny [vola] nasaina nomeko tao amin’ny didim-pisaraham-panambadiana, kanefa namporisika ahy ny filohan’ny sampana misy ahy mba hifady hanina sy hivavaka momba izany. …

“Tany am-boalohany dia nanahirana ahy ny nieritreritra izany hoe hanao fanonerana fanampiny izany. Satria moa tsy ara-bola ny fahotana nataoko, dia nanontany tena aho hoe inona no tena dikan’izany -fanonerana amin-kalalahan-tanana- izany… [saingy] tsy ela dia tsapako fa tsy momba ny vola fotsiny ihany izany.

“Nihaona tamin’ny [vadiko teo aloha] sy ny zanako ireo mpitarika ahy ao amin’ny fisoronana dia nahita fa mbola sahirana izy ireo ary tsy mbola sitrana. …

“Ny handroso amim-pinoana no tanjoko vaovao. … Naneho ny faniriako hanampy tsy misy tambiny fotsiny aho. … Nanapa-kevitra aho ny [handefa vola voafaritra manokana tany amin’ny vadiko teo aloha] isaky ny karama raisiko, izay ampahany betsaka tamin’ny karamako feno. Talohan’ny nandoavako ilay vola voalohany mihitsy, dia [nataon’ny Tompo nibahana tao an-tsaiko fa nila] nandoa [avo roa heny izany vola izany aho].

“Nianatra aho fa tsy resa-bola fotsiny ny fanonerana. Fa momba ny fanolorako amim-panetrentena ny fiainako ho an’ny Tompo izany. … Natao hanampy amin’ny fanoloana izay nalaiko tamin’ny fianakaviako vokatr’ireo safidy ratsy nataoko ilay vola. Fanaovana sy fanajana fampanantenana tsy iandrasana tambiny izany ary fanampiana azy tsy hanahy amin’ireo faktiora mba hahafahany mikatsaka ny Fanahy.”

Mety tsy misy hidiran’ny vola ny ezaka ataonao mba hamerina amin’ny laoniny ny zavatra nosimbainao, kanefa rehefa maka torohevitra amim-panetrentena amin’ny Tompo ianao, dia mety ho hitanao fa mbola betsaka ny zavatra azonao atao.

Fankatoavana avy amin’ Andriamanitra mandeha ambaratonga

Eo am-pikatsahanao ny famindram-pon’ny Tompo dia manàna faharetana eo am-piandrasanao ny fankatoavany tanteraka. Eritrereto ity soratra masina ity:

“Nanetry ny tenany hatrany amin’ny fanentrentena lalina izy; ary nahery nitalaho tokoa tamin’ Andriamanitra …; eny, nandritra ny manontolo andro izy no nitalaho. … [Saingy] ny Tompo dia nitaredretra tamin’ny fihainoana ny fitalahoany noho ny helony”.

“Na dia teo aza izany, dia nihaino ny fitalahoany ny Tompo, ary nanomboka … nohamaivaniny ny entany; … dia nanomboka niroborobo niandalana izy”.

Manàna faharetana eo am-panomezan’ny Tompo anao miandalana ny fitahiany sy ny fankatoavany.

Amin’ny fotoanan’ny Tompo dia ho tsapanao ny feony miteny aminao hoe: “[aza avela] intsony ireo zavatra ireo hanahirana ny sainao”. Indray andro any, rehefa manohy mitodika amin’ny Mpamonjy ianao, dia “[hanaisotra] ny heloka hiala ny fo[nao amin’ny] fahamendrehan’ny Zanany” ny Rainao any An-danitra.

Naratra sy nijaly

Ho anareo izay naratra tsy ara-drariny noho ny fahotana lehibe nataon’ny hafa, dia maniry mafy ny hizara ny fitiavana sy ny fangorahan’ny Mpamonjy, ny fampiononana ary ny fiadanany aho.

Ny alahelo tsapanareo, ny ratram-po, ny famoizan-javatra, ilay fahatsapana tsy hay zakaina fa voafitaka, ilay zavatra nanova tanteraka ny fiainanareo tsy ho araka izay niheveranareo azy—zaraiko aminareo ny fahazoako antoka tanteraka fa mahafantatra anareo sy tia anareo ny Mpamonjy. Mangataha fanampiana Aminy. Izy no fampiononana sy tanjakareo, handefa ireo anjeliny Izy mba hanohana anareo. Rahoviana no ho afaka ny fanaintainanareo, ho resy ny alahelonareo, tsy ho tsaroana intsony ireo fahatsiarovana tsy tiana? Tsy fantatro. Fa izao kosa no fantatro: manana ny hery mitondra hatsarana ho solon’ny lavenon’ny fahorianareo Izy.

Nandray ary handray mitosaka ny fitiavana sy ny fahasoavana tsy manan-tsahalan’ny Mpamonjy, ao anatin’ireo herinandro sy volana ho avy, ireo rahalahy sy anabavy malalantsika ao Grand Blanc, Michigan, miaraka amin’ny finoana tsy hay tohaina sy ny herimpo ary ny tsy fitiavan-tena nasehon’izy ireo.

Rehefa manohy mametraka ny fitokianareo Aminy ianareo, ny rahon’ny haizina sy ny alahelonareo lalina anatin’ny alina dia hiova ho ranomasom-pifaliana sy fiadanana mitosaka ao anatin’ny hazavan’ny maraina. “Hody fifaliana ny alahelonareo. … Ary tsy hisy [olona] haka ny fifalianareo aminareo.” Ho avy izany fotoana izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ho avy izany.

Filoha Dallin H. Oaks

Ny fitiavana manavotr’i Jesoa Kristy dia mety ho hita ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra, saingy isika rehetra dia mila mandrakariva ny fahasoavana manavotry ny Mpamonjy antsika. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Satria niaina sorompanavotana nandritra ny fiainana an-tany ny Mpamonjy dia afaka mampionona, manasitrana sy mankahery ny lehilahy sy vehivavy rehetra n’aiza n’aiza Izy, fa mino aho anefa fa tsy hanao izany Izy raha tsy ho an’ireo izay mitady Azy sy mangataka ny fanampiany. Nampianatra ny Apôstôly Jakoba hoe: -Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy- (Jakoba 4:10). Mahafeno ny fepetra takiana mba hahazoana io fitahiana io isika rehefa mino Azy sy mivavaka mba hanampiany antsika.”

Loholona Robert E. Wells miaraka amin’ny Loholona Neil L. Andersen

Loholona Robert E. Wells

Nahazo lalana avy amin’ny Loholona Robert E. Wells, izay namako tena tiako sy Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra aho, izay 97 taona amin’izao fotoana izao, mba hizara ny zavatra niainany izay efa ho 60 taona mahery lasa izay:

Fony izy nipetraka tany Paragoay tamin’ny 1960 ary mpiasan’ny banky teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, i Robert Wells, izay 32 taona tamin’izay, sy i Meryl vadiny, dia samy mpanamory fiaramanidina roa samy hafa, nanao sidina hody avy tany Orogoay ho any Paragoay. Rehefa tojo rahona matevina i Robert sy i Meryl dia tsy nifankahita intsony ary tapaka ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny radiô. Nampidinin’i Robert haingana ny fiaramanidina, ary tamin’izay izy no nahafantatra fa nianjera ny fiaramanidina nentin’ny vadiny. Samy tsy nisy tafavoaka velona na ny vadiny na ireo namana roa niara-nisidina taminy. Ireo zanany tany an-trano tany Asunción dia fito sy dimy ary roa taona.

Fianakaviana Wells

Niresaka momba ny alahelony ny Loholona Wells:

“Tsy hisy teny azo hamaritana na oviana na oviana ny fanaintainana nanenika ahy, nameno ny fihetseham-poko ary naha-donto ny fahatsapan’ny vatako. Tsy nitsahatra nirotsaka tsotra izao ny ranomason’alahelo lalina. Fa vao mainka nanaratsy kokoa ny toe-javatra, raha iny niezaka ny hiatrika ilay vaovao mampalahelo momba ny fahalasanan’ny vadiko iny ny saiko, dia nahatsapa fahamelohana goavana aho tamin’ny fahatsapana fa izaho no tompon’andraikitra tamin’ilay fianjeran’ny fiaramanidina”.

Nanamelo-tena i Robert noho ny tsy nanaraha-maso misimisy kokoa ilay fiaramanidina sy noho ny tsy nanomezany an’ny vadiny torolalana tsara kokoa ho azy momba ny fampiasana ireo fitaovana ahafahana misidina. Nahatsapa ho meloka noho ny tsy firaharahiana izy.

Hoy i Robert:

“Lasa donto be ny saiko. … —[Ho an’ireo zanako] ihany no antom-pisiako, tsy misy hafa.”

“Tsy nanam-paniriana ny hanohy hiaina intsony aho”.

Taty aoriana dia nahazo traikefa ara-panahy lalina i Robert. Hoy izy nitantara:

“Indray hariva izay, tokotokony ho herintaona taty aoriana, dia nisy fahagagana nitranga raha teo am-pandohalihana nivavaka aho. Raha iny nivavaka sy nitalaho tamin’ny Raiko any An-danitra iny aho, dia tsapako ho toa tonga teo anilako ny Mpamonjy ary nahare feo mafy aho nilaza ireto teny ireto tamin’ny fanahiko sy tamin’ny sofiko: -Ry Robert, nanonitra ny fahotanao sy ny fahadisoanao ny sorona fanavotana nataoko. Mamela anao ny vadinao. Mamela anao ireo namanao. Hesoriko ny enta-mavesatrao. …’

“Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nesorina tamin’ny fomba mahagaga teo amiko ny enta-mavesatry ny fahamelohana [sy ny hakiviana]. Novonjena aho! Takatro avy hatrany ilay hery mandrakotry ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary … nampiharina mivantana tamiko izany. … Nahatsapa fahazavana sy fifaliana izay tsy mbola fantatro hatrizay aho. … Nomena fanomezana tsy mendrika ny ho azoko aho—ny fanomezana ny fahasoavan’ny Tompo. … Tsy mendrika izany aho—tsy nisy zavatra nataoko mba ho mendrika izany, kanefa mbola nomeny ahy ihany izany”.

Ry rahalahy sy anabavy, enga anie isika tsirairay avy mba “hamasinina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra , noho ny fandatsahana ny ran’i Kristy, … [ho lasa] masina, tsy misy pentina.”

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavana, ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika aho. Velona Izy. Azy isika; zanaky ny fanekempihavanana isika. Rehefa mino Azy sy manaraka Azy ary matoky Azy isika dia hanandratra antsika avy ao amin’ny alahelontsika sy ny fahotantsika Izy. Avy eo, aorian’ity fiainana an-tany ity, ao an-tranon’ny Rainy, dia hiara-hiaina Aminy mandrakizay mandrakizay isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.