Ny hery entin’ny fanompoana ny tsirairay
Rehefa manompo ny tsirairay isika, dia manasa ny tsirairay hanatona an’i Kristy sy hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo.
Ranabavy sy rahalahy, misaotra anareo noho ny fanoloran-tena feno fahatokiana anananareo amin’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mahatalanjona ianareo, mahafinaritra, ary zanak’ Andriamanitra ianareo tsirairay avy. Ny vavaka ataoko dia ny mba hahafantarantsika ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa tonga sy manampy ny hafa mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena marina, ary mahatsapa ny fifaliana avy Aminy rehefa mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo isika.
Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Izao no fotoana ho anao sy ho ahy mba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroan’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. Izao no fotoana tokony hanaovantsika ho laharam-pahamehana ambony indrindra ny maha-mpianatry ny Tompo antsika. Ahoana no ahafahantsika manao izany ato anatina tontolo feno zava-mahavariana mahafanina?”
Nanome ny valiny izy fa: “Hanampy antsika ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly. Mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ao amin’ny tranon’ny Tompo. … Lasa mahafantatra Azy isika. … Hahita Azy ao amin’ny tempoly izay rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy”.
Koa ahoana no hatao mba hahatonga antsika, sy hifanampiantsika ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena? Manompo ny tsirairay. Mitaky fangorahana, hatsaram-panahy, faharetana ary fitiavana tsy mitsara ny fanompoana araka ny fomban’ny Mpamonjy. Rehefa manompo ny tsirairay isika, dia manasa ny tsirairay hanatona an’i Kristy sy hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo mba hahazoana ilay Heriny manavotra. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia mifanampy isika ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena rehefa manompo ny tsirairay, araka ny fomba izay mitarika azy mba hiditra ny tranon’ny Tompo.
Ianarantsika avy amin’i Jesoa Kristy ny hery entina manompo ny tsirairay am-pitiavana sy tsy misy fitsaratsarana. Tadidio ilay vehivavy Samaritana teo am-pantsakana. Mety ho nahatsapa tena ho tsinontsinona, irery, kivy ary tsy raharahiana ilay vehivavy. Mety nahatsapa tena ho tsy nanana anjara toerana izy. Nanam-bady lehilahy dimy izy nandritra ny androm-piainany, ary tsy vadiny akory ilay lehilahy niarahany nipetraka tamin’izany. Mety ho nitsaratsara azy tamin’ny fomba tsy rariny ny hafa, nefa tsy nahafantratra marina akory ny tena zava-nitranga teo amin’ny fiainany. Izany no mety ho antony nandehanany irery teo am-pantsakana tamin’iny ora mafana indrindra tao anatin’ny andro iny. Nefa dia isan’ireo olona voalohany nanambaran’i Jesoa Kristy ny maha Mesia Azy izy. Taminy dia zanakavavin’ Andriamanitra io vehivavy io.
Nampianatra io vehivavy io i Jesoa Kristy fa amin’ny alalany dia afaka hahazo ny fiainana mandrakizay ny olona iray rehefa misotro amin’ilay rano velona. Hoy Izy: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko … dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay”.
Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ilay vehivavy Samaritana, ary nahazo fijoroana vavolombelona avy tamin’ny Fanahy fa Izy no ilay Mesia. Niverina tany an-tanàna izy taorian’ny nandraisany izany vavolombelona izany ka nanasa ny hafa mba ho tonga ka hizaha, ary betsaka no nino fa i Jesoa “tokoa no ilay Kristy, ilay Mpamonjy izao tontolo izao”. Nanompo ny tsirairay tamim-pitiavana i Kristy; vokatr’izany dia olon-kafa maro no tonga mpianany feno fanoloran-tena.
Ianarantsika avy amin’ny Apostolin’i Kristy Petera sy Jaona ny hery entin’ny fanompoana ny tsirairay amim-pangorahana. Tadidinao va ilay lehilahy, nalemy tongotra avy any an-kibon-dreniny, nipetraka isan’andro teo amin’ny vavahadin’ny tempoly mba hangata-bola? Mety ho nahatsapa tena ho tsinontsinona io lehilahy io, irery, kivy ary tsy noraharahiana. Mety ho nahatsapa ho tsy nanana anjara toerana.
“Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna”.
Ary noraisin’i Petera tamin’ny tanany ankavanana ralehilahy ka natsangany, dia natanjaka niaraka tamin’izay. Taorian’ny nisehoan’ilay fahagagana indrindra, dia niara-niditra tamin’i Petera sy Jaona ho eo an-kianjan’ny tempoly izy, “nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’ Andriamanitra”. I Petera sy Jaona dia nanompo ilay iray tamin’ny fomba izay nitarika mba hiditra ny tranon’ny Tompo, ary tonga mpianatr’i Kristy feno fanoloran-tena ilay lehilahy.
Ry namako, nisy fotoana ihany koa teo amin’ny fiainako izay nahatsapako tena ho tsinontsinona, irery, kivy ary tsy noraharahiana. Nahatsapa tena ho tsy nanana anjara toerana aho. 19 taona aho no vita batisa sy noraisina ho mpikambana tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Herintaona taorian’izay, dia nanaiky ny fiantsoana ho misiônera hanompo amin’ny fotoana feno aho, nefa mbola maro be ireo zavatra tsy fantatro mikasika ny tantaran’ny Fiangonana.
Vao nanomboka tsy ela ny asa fanompoako, dia nianatra aho fa nisy fotoana ny taranaky ny afrikanina mainty no tsy navela hianoka ireo fitahiana rehetra entin’ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo. Nitondra fahatsapana fahatezerana, fikorontanan-tsaina, ahiahy ary tahotra ny fahafantarako izany tamin’ny voalohany. Tena nahery vaika tokoa ireo fahatsapana ireo ka nisy fotoana aza no very ny fahafahako mahatsapa ny Fanahy Masina.
Soa ihany fa nanana misiônera mpiara manompo tena nahafinaritra aho, Kevin Vick no anarany, izay nanompo ahy tam-pitiavana, tamim-paharetana ary tamim-pahalemem-panahy. Isan’alina, rehefa manatrika ny fahatsapako ahiahy sy ny tsy fahatakarako ny ampitsoko izy, dia nilaza tsotra fotsiny tamin’i Elder Johnson mbola tanora izy hoe: “Tiako ianao”. Afaka roa herinandro teo ho eo dia nanao izay hahatsapako ny fitiavan’i Kevin aho. Nahazo herin-tsaina mba hivavaka amin’ny Ray any an-danitra amin’ny anaran i Jesoa Kristy aho. Teo am-panaovako tonom-bavaka, dia toa voasarika aho hamaky ny fizarana 6 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, andininy 21–23, izay miteny hoe:
“Indro, izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. … Izaho no Fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina. …
“… Avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ireto zavatra ireto.
“Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao mihoatra izay azonao avy amin’ Andriamanitra?”
Rehefa namaky aho dia tsaroako. Tsaroako ilay andro izay nifadiako hanina sy nivavahako ny mba ahafantarako tokoa fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna ary koa, fa mpaminanin’ny famerenana amin’ny laoniny i Joseph Smith. Tsaroako ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tranon’ny Tompo izay nampifandray ahy tamin’i Jesoa Kristy, tamin’ny fomba tena manokana sy akaikin’ny fo tokoa. Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy aho, ny famindra-pony, ary ny fanomezany toky fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny fanjakany ety an-tany, ka ilaina ny hiomanantsika amin’ny fiaviany fanindroany. Koa satria nahatsiaro aho, dia mora ho ahy indray ny nahatsapa ny Fanahy Masina sy nahatakatra bebe kokoa fa i Jesoa no Kristy, ary mpianany aho.
Misy fotoana tsy ho voavaly ny fanontaniantsika, ary hahatsapa tena ho toy ny tsinontsinona isika, kivy, irery, ary tsy raharahiana. Kanefa ry namako isany, tsy maintsy mibosesika mandroso am-pinoana ao amin’i Jesoa Kristy isika, sy mahatsiaro ilay Teniny hoe:
Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.
Vavolombelona ny amin’izany fahamarinana izany aho sy ny amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy.
Inona ary no azontsika atao mba hahazoana antoka fa mandaitra ny fanompoantsika ny tsirairay avy amin’ny fomban’ny Tompo? Hanampy antsika ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy. “Ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy”, araka ny nanazavan’i Filoha Nelson azy, dia “afaka mitondra famerimberenan-javatra tena mahery vaika mendrika indrindra, ka miteraka fahavitrihana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika.
“Rehefa miezaka miaina ireo lalàna ambony kokoa an’i Jesoa Kristy isika … ny Mpamonjy dia mankahery antsika ao anatin’ity tontolo lavo ity, amin’ny alalan’ny fanomezana antsika bebe kokoa fiantrana, fanetrentena, fahalalahan-tanana, hatsaram-panahy, fifehezan-tena, fiadanana, ary fitsaharana.”
“Ilay fahavitrihana [ara-panahy] ateraky ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy”, hoy ny loholona Dale G. Renlund nanazava, dia “tsy hoe manohana fotsiny ihany ny fanovana ny maha isika antsika mba ho amin’ny anjarantsika mandrakizay, fa manosika antsika ihany koa [hanampy ny] hafa amin’ireo fomba mahamety izany”. Mampahatsiahy antsika ny Loholona Renlund fa “ny asan’ny Mpamonjy dia manasitrana [manadio antsika tanteraka]. Ny asantsika kosa dia ny mitia—mitia sy manompo amin’ny fomba izay hahatonga ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy”.
Hihamatanjaka ny fahafahantsika miaina mifanaraka amin’ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna, sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Nanambara ny Filoha Nelson fa ny Bokin’i Môrmôna dia “mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy … [sy] mitondra ny fahatakarana feno sy [mazava indrindra] momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita na aiza na aiza”. Tiako io boky io. Ny fandraisantsika anjara ombam-bavaka amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, dia hampitombo ny fahatakarantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy hitondra fanavaozana ara-panahy, fiadanana, ary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Tsarovy fa “amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’[ny fisoronana], dia miharihary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”, ary io hery io, izay avy amin’i Jesoa Kristy dia mampatanjaka ny faniriantsika sy ny fahafahantsika hanompo ny tsirairay avy.
Mampihena ny fahatsapako hakiviana, manamafy ny fahavononako hanompo ny tsirairay avy amin’ny fomban’ny Mpamonjy, ary manampy ahy hanao lohalaharana ny maha mpianatry ny Tompo ahy ny fandalinako ny Bokin’i Môrmôna sy ny fandraisako ny fanasan’ny Tompo.
Ry namako isany, manome toky aho fa rehefa miaina ny fotopampianaran’i Kristy sy manompo ny tsirairay avy amin’ny fomba izay mitarika mba hiditra ny tranon’ny Tompo isika, dia ho afaka mibosesika handroso amim-pinoana ao amin’i Jesoa Kristy, na dia eo aza ireo fanontaniantsika tsy voavaly, ireo fahatsapan-tena ho tsinontsinona, irery, kivy, ary tsy raharahiana. Hanasa ny tsirairay isika hanatona an’i Jesoa Kristy sy hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo mba hisitrahana ilay Heriny manavotra sy ny Fitiavany. Hahatsapa ny famindram-pon’[ny Mpamonjy] isika ao amin’ny tranon’ny Tompo. Hahazo valiny amin’ireo fanontaniana tena manahirana [antsika] [isika]. Ary hahatakatra misimisy kokoa ny fifaliana azo avy amin’ny filazantsarany [isika]”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.