2025
Izy ireo ihany no tompon’ny tenany
Nôvambra 2025


14:26

Izy ireo ihany no tompon’ny tenany

(Almà 41:7)

Raha toa isika ka nampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy, nanao sy nitandrina fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ary nibebaka tamin’ny fahotantsika, dia ho mahafinaritra ilay toeram-pitsarana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mifarana amin’ny fanasana manentana fanahy avy amin’i Môrônia mba “[hanatona] an’i Kristy”, “[hatao] tanteraka ao Aminy”, “[handavantsika] ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra”, ary “[hitia] an’ Andriamanitra amin’ny herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika] rehetra”. Ny mahaliana dia milaza mialoha momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany ny fehezanteny farany amin’ny toromarika nomeny.

Hoy izy: “Handeha tsy ho ela aho hiala sasatra ao am-paradisan’ Andriamanitra, ambara-pikamban’ny fanahiko sy ny vatako indray, ka hitondrana ahy mpandresy eny amin’ny habakabaka, hihaona aminareo eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritr’ Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty”.

Manitikitika ny saiko ny fampiasan’i Môrônia an’ilay teny hoe “mahafinaritra” mba hamariparitana ny Fitsarana Farany. Ny mpaminany hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna koa dia mamariparitra ny fitsarana ho “andro be voninahitra” sy andro izay tokony “[handrandrain’ny olona iray] amin’ny masom-pinoana”. Matetika anefa isika rehefa mieritreritra momba ny andro fitsarana, dia famariparitana ara-paminaniana hafa toa ny “[henatra] sy fanamelohana mahatsiravina”, horohoro sy tahotra”, ary “fahoriana tsisy fiafarany” no tonga ao an-tsaina.

Mino aho fa io fahasamihafana ara-pitenenana io dia maneho fa ny fotopampianaran’i Kristy no nahafahan’i Môrônia sy ny mpaminany hafa ho tsindrindaona sy velom-panantenana hiandrandra izany andro lehibe izany fa tsy hatahotra tahaka ny nampitandreman’izy ireo an’ireo izay tsy niomana ara-panahy. Inona no zavatra takatr’i Môrônia izay mila ianarako sy ianaranao?

Mivavaka aho mba hampian’ny Fanahy Masina isika eo am-pisaintsainantsika momba ny drafitry ny fahasambarana sy famindram-po izay nataon’ny Ray sy ny anjara toeran’ny sorana fanavotana nataon’ny Mpamonjy ao anatin’ny drafitry ny Ray ary ny fomba “[h]ampamoahina [antsika] ny amin’ny fahotan[tsika] avy amin’ny andro fitsarana”.

Ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana

Ny tanjona lehibe indrindra amin’ny drafitry ny Ray dia ny hanome fahafahana ireo zanany ara-panahy handray vatana, hahalala “ny tsara amin’ny ratsy” amin’ny alalan’ny fiainana an-tany, hitombo ara-panahy ary hivoatra mandrakizay.

Ilay lazain’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe “safidim-pitondrantena” dia manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra mba hahatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ireo zanakalahy sy zanakavaviny. Io fitsipika manan-danja io koa dia faritan’ny soratra masina ho fahafahana misafidy sy fahalalahana misafidy sy manao araka ny sitrapo.

Mampianatra zavatra maro ilay teny hoe “safidim-pitondrantena”. Ny teny mitovy dika amin’ny teny hoe “fitondrantena” dia ahitana ny hoe “tsara”, “marin-toetra”, ary “hatsaran-toetra”. Ny teny mitovy dika amin’ny teny hoe “fahafahana misafidy” dia ahitana ny hoe “mandray fepetra”, “asa” ary “miasa”. Noho izany, ny “safidy ara-pitondrantena” dia azo raisina ho toa ny fahafahana sy tombontsoa manokana hisafidy sy hanao zavatra ho an’ny tenantsika amin’ny fomba tsara, amim-pahamarinan-toetra, amin-katsaran-toetra ary amim-pahamarinana.

Ny zavaboaharin’ Andriamanitra dia samy ahitana “zava-mihetsika sy zavatra hetsehina”. Ary ny safidy ara-pitondrantena dia ilay “herin’ny asa mahaleo tena” novolavolain’ Andriamanitra izay manome hery antsika zanak’ Andriamanitra mba ho lasa olona mihetsika fa tsy zavatra hetsehina fotsiny ihany.

Ny tany dia nohariana mba ho toerana azo hisedrana ireo zanak’ Andriamanitra mba hahitana raha toa izy ireo ka “hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo”. Ny tanjona voalohan’ny Fahariana sy ny fisiantsika eto an-tany dia ny hanome antsika fahafahana hanao asa ka ho lasa izay hanasan’ny Tompo antsika mba hahatongavantsika.

Nampianatra an’i Enoka toa izao ny Tompo:

“Jereo ireto rahalahinao ireto; asan’ny tanako ireo ary nomeko azy ireo ny fahalalany tamin’ny andro nahariako azy ireo; ary tao amin’ny Saha Edena no nanomezako ny olona ny safidiny;

“Ary tamin’ny rahalahinao no efa nolazaiko, ary koa nomeko ny didy fa tokony hifankatia izy ireo ary hifidy Ahy rainy”.

Ny tanjona fototra amin’ny fampiasana ny fahafahana misafidy dia ny hifankatia sy hifidy an’ Andriamanitra. Ary ireo tanjona roa ireo dia mifanojo tsara amin’ny didy lehibe voalohany sy faharoa mba hitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika, sy ny fanahintsika ary ny saintsika manontolo, sy hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika.

Jereo fa nodidiana isika, tsy nanarina, na notoroana hevitra fotsiny, fa nodidiana mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hifankatia ary hifidy an’ Andriamanitra. Ataoko fa ilay teny hoe “fitondrantena” ao amin’ny soratra masina dia tsy mpamari-toetra fotsiny fa mety ho torolalana avy amin’ Andriamanitra ihany koa ny amin’ny fomba tokony hampiasantsika ny fahafahantsika misafidy.

Ny hira mahazatra iray dia nampitondraina ny lohateny hoe “Bien choisir” noho izany antony izany. Tsy nomena ny safidy ara-pitondrantena isika mba hanaovana izay rehetra tiantsika amin’ny fotoana rehetra tiantsika. Fa araka ny drafitry ny Ray kosa dia nahazo ny safidy ara-pitondrantena isika mba hikatsahana sy hanaovana asa mifanaraka amin’ny fahamarinana mandrakizay. Amin’ny maha “[olona afaka] manao safidy ho an’ny [tenantsika antsika]”, dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara isika, ary “hanao zavatra maro amin’ny nahim-pon[tsika] ka hahatonga fahamarinana fatratra”.

Ny lanjan’ny safidy ara-pitondrantena eo amin’ny mandrakizay dia misongadina ao amin’ny fitantarana ao amin’ny soratra masina momba ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nanohitra ny drafitry ny Ray ho an’ny zanany i Losifera ary nikatsaka ny handrava ilay hery hahafahana manao asa amin-pahaleovantena. Raha fintinina dia nifantoka mivantana tamin’ny fitsipiky ny safidim-pitondrantena ny fihantsian’ny devoly.

Nanazava Andriamanitra hoe: “Koa satria nikomy Tamiko i Satana ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona dia nasaiko nazera ety ambany izy”.

Ny tetika feno fitiavan-tenan’ilay fahavalo dia ny hanaisotra amin’ireo zanak’ Andriamanitra ny fahafahany ho lasa “[olona afaka] manao safidy ho an’ny tenany” izay afaka manao asa amim-pahamarinana. Ny fikasany dia ny hanery ny zanaky ny Ray any An-danitra ho lasa zavatra hetsehina.

Fanaovana asa sy fiafarana

Nanantitrantitra ny Filoha Dallin H. Oaks fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manasa antsika hahafantatra zavatra sy ho lasa zavatra amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana ny safidim-pitondrantena. Hoy izy:

“Baiboly sy soratra masina maro no milaza momba ana fitsarana farany ho fotoana hanomezana valisoa ny olona araka ny asa na ny fanirian’ny fony. Fa ny soratra masina hafa dia mamelabelatra azy io amin’ny filazana fa isika dia hotsaraina araka ny toetra niafarantsika.

“Ny mpaminany Nefia dia mamariparitra ny Fitsarana Farany ho mifanaraka amin’izay nahatongavantsika: “Ary raha fahalotoana ny asany dia tsy maintsy ilaina ho maloto izy ireo; ary raha maloto izy ireo dia tsy maintsy ilaina ny tsy hahafahany mitoetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” [1 Nefia 15:33; nampiana fanamafisana]. Ambaran’i Môrônia fa -Izay maloto dia mbola haloto; ary izay marina dia mbola ho marina- [Môrmôna 9:14; nampiana fanamafisana]”.

Notohizan’ny Filoha Oaks hoe: “Tsoahantsika avy amin’ny fampianarana toa izany fa ny Fitsarana Farany dia tsy hoe fanombantombanana fotsiny ny fitambaran’ny zavatra tsara sy ratsy natao—izany hoe izay zavatra vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika”.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Tsy manavotra antsika sy tsy afaka manavotra antsika ny asantsika sy ny faniriantsika fotsiny. “Rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” dia mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fahasoavana izay misy amin’ny alalan’ny sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizay nataon’ny Mpamonjy irery ihany.

Nanambara i Almà hoe: “Manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy izay hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ka ny olona rehetra dia hijoro eo anoloany mba hotsaraina araka ny asany amin’ny andro farany sady fitsarana”.

“Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara”. Tokony ho feno fankasitrahana lehibe isika fa ireo fahotantsika sy ireo asa ratsy nataontsika dia tsy hijoro ho vavolombelona hanohitra antsika raha toa isika “ateraka indray” tokoa, mampihatra finoana an’ny Mpanavotra, mibebaka “amin-kitsim-po” sy “omban’ny fikasana marina”, ary “maharitra hatramin’ny farany”.

Fahatahorana araka an’ Andriamanitra

Maro amintsika no manantena fa ny fisehoantsika eo anoloan’ilay Mpitsara Mandrakizay dia hitovitovy amin’ny fankanesana eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’izao tontolo izao. Hisy mpitsara iray hiahy ny fotoana. Hisy porofo haroso. Hisy didim-pitsarana havoaka. Ary mety ho tsy hanana antoka sy hatahotra isika mandra-pahafantarantsika ny didim-pitsarana farany. Kanefa mino aho fa diso ny famariparitana toa izany.

Tsy mitovy kanefa mifandray amin’ny tahotra iainantsika eto an-tany ilay fariparitan’ny soratra masina ho “fahatahorana [araka an’] Andriamanitra” na “fahatahorana [araka] an’i Jehovah”. Ny fahatahorana araka an’ Andriamanitra dia mitondra fiadanana sy fananana toky ary fahatokian-tena eo amin’ny fiainantsika; tsy tahaka ny tahotra araka izao tontolo izao izay mahatonga fahatairana sy tebiteby.

Ny tahotra araka ny fahamarinana dia ahitana fanajana lalina sy fiderana an’i Jesoa Kristy Tompo, fankatoavana ny didiny, ary fiandrandrana ny Fitsarana Farany sy fitsarana ara-drariny hataony. Ny fahatahorana araka an’ Andriamanitra dia teraka noho ny fahatakarana marina ny maha-Andriamanitra an’ny Mpanavotra sy ny asa nanirahana Azy, ny fahavonona hampanoa ny sitrapontsika amin’ny Azy, ary ny fahalalana fa ny lehilahy sy vehivavy rehetra dia ho tompon’andraikitra amin’ny faniriany teto an-tany, ny eritreriny, ny teniny ary ny asany ihany amin’ny Andron’ny Fitsarana.

Ny fahatahorana araka an’ Andriamanitra dia tsy tebiteby tiana hialana noho ny tsy maintsy hanatrehana Azy mba hotsaraina. Fa fampahafantarana zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany momba ny tenantsika amin’ny farany kosa.

Ny olona rehetra izay efa niaina, sy izay miaina ankehitriny, na izay mbola hiaina eto ambonin’ny tany dia “hoentina [h]ijoro eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra mba hotsarainy araka ny asany avy na tsara izany na ratsy”.

Raha toa ka araka ny fahamarinana ny faniriantsika ary tsara ny asantsika, izany hoe nampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy isika, nanao sy nitandrina fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ary nibebaka tamin’ny fahotantsika, dia ho mahafinaritra ilay toeram-pitsarana. Araka ny nambaran’i Enosa, isika dia “[hijoro] eo anoloan’ [Ilay Mpanavotra]; ary amin’izany [isika] dia ho finaritra hahita ny tavany”. Ary amin’ny andro farany isika dia “[hovaliana] fahamarinana”.

Fa etsy ankilany, raha ny ratsy no nokatsahintsika ary ny ratsy no nataontsika, dia hahatonga antsika hatahotra ny toeram-pitsarana. Hanana “fahalalana tomombana”, sy “fitadidiana mazava” ary “fahatsapana mivaivay tokoa ny helo[tsika]” isika. “Tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika isika; ary ho faly aza isika raha afaka mibaiko ny vatolampy sy tendrombohitra hianjera amintsika mba hanafina amintsika ny tavany”. Ary amin’ny andro farany isika dia “[handray] loka ratsy”.

Amin’ny farany dia isika ihany no tompon’ny tenantsika. Tsy hisy hilaza amintsika izay tokony halehantsika. Hiaiky eo anatrehan’ny Tompo izay nosafidiantsika teto an-tany mba hiafarantsika isika ary hofantatsika ny toerana tokony hisy antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ny fahatakarana fa ny Fitsarana Farany dia afaka ny hahafinaritra dia tsy fitahiana natokana ho an’i Môrônia irery ihany.

Nofariparitan’i Almà ireo fitahiana ampanantenaina ho an’ireo mpianatry ny Mpamonjy mahafatra-po rehetra. Hoy izy:

“Ny hevitry ny teny hoe famerenana amin’ny laoniny kosa dia ny famerenana indray ny ratsy ho amin’ny ratsy, na ny nofo ho amin’ny nofo, na ny avy amin’ny devoly ho amin’ny avy amin’ny devoly—ny tsara ho amin’izay tsara; ny rariny ho amin’izay rariny; ny hitsiny ho amin’izay hitsiny; ny feno famindram-po ho amin’izay feno famindram-po.

“… Ataovy araka ny hitsiny, mitsarà araka ny rariny ary manaova ny tsara lalandava; ary raha ataonao ireo zavatra rehetra ireo, dia handray ny lokanao ianao amin’izany; eny, hanana ny famindram-po averina aminao indray ianao; hanana ny hitsiny averina aminao indray ianao; hanana ny fitsarana ara-drariny averina aminao indray ianao; ary hanana ny tsara avaly anao indray ianao”.

Amin-kafaliana no ijoroako ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra velona antsika. Ny fampanantenan’i Almà dia marina sy afaka mihatra aminao sy amiko, anio, rahampitso ary ho mandrakizay. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.