Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Ry rahalahy sy anabavy, izao aho dia hanolotra ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hotohananareo.
Miangavy anareo mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.
Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin Harris Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Ireo izay manohana aoka haneho izany.
Izay manohitra dia aoka haneho izany.
Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Dallin H. Oaks, Jeffrey R. Holland, Henry B. Eyring, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares, ary Patrick Kearon.
Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra dia aoka haneho izany.
Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.
Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra, raha misy, dia aoka hanao toy izany koa.
Marihinay fa Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa roa no notohanana nandritra ny fivoriana ho an’ny mpitarika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary nambara tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana. Manasa anareo izahay hanohana ireo rahalahy ireo amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy ireo.
Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra dia aoka hanao toy izany koa.
Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.
Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.
Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany.
Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny fanohananareo ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana.
Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra
Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:
Bhanu K. Hiranandani sy Fernando Vivas.