2025
Mifamporisika mba handresy
Nôvambra 2025


11:53

Mifamporisika mba handresy

Ny Tompo irery ihany no mahafantatra feno ny fahalementsika sy ny fahafahana ananantsika tsirairay avy hanao zavatra, ary noho izany dia Izy tokana no mahafeno ny fepetra mba hitsara ny zava-bitantsika.

Vao haingana aho no namaky momba ny traikefa iray tena nampihetsi-po ahy. Nandritra ny fiadiana ny tompon-daka nasionalin’i Etazonia ho an’ny hazakazaka sy fanatanjahantena ho an’ny olona mihoatra ny 35 taona, fifaninanana ho an’ny efa zokinjokiny, no nitrangan’ilay izy.

Iray tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny hazakazaka 1.500 metatra i Orville Rogers izay 100 taona. Hoy ny mpanoratra:

“Rehefa nipoaka ny basy fanairana ny fanombohana dia nanainga ireo mpihazakazaka, ka i Orville avy hatrany no farany, ary izy irery hatrany no farany nandritra ilay hazakazaka manontolo, nitari-tongotra nandroso niadana tokoa. [Rehefa] nahavita ny anjarany ilay mpihazakazaka farany ankoatra an’i Orville, dia mbola nisy fihodinana roa sy tapany ny an’i Orville. Mpanatrika nananika ny 3.000 no nipetraka mangina nijery azy namita ilay hazakazaka tsimoramora—izy irery sisa no namita ilay hihazakazaka, tanaty fahanginana, izay tsy nampahazo aina.

“[Saingy] rehefa nanomboka ilay fihodinana farany izy dia nitsangana ny mpijery, nandrisika sy nitehaka. Rehefa tonga teo amin’ny dingana farany izy dia nihorakoraka ny vahoaka. Noho ny famporisihana nankahery nataon’ireo mpijery an’arivony, dia nangonin’i Orville ny faraheriny rehetra. Nihoraky ny hafaliana ny olona rehefa nandingana ny tsipika famaranana izy ary nofihinin’ireo mpifaninana taminy izy. Nanofahofa tanana tamim-panetrentena sy tamim-pankasitrahana ny olona i Orville ary nandao ilay lalana fihazakazahana niaraka tamin’ireo namany vaovao.”

Io no fifaninana fanindiminy nataon’i Orville, ary izy koa no farany tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo fifaninana hafa. Mety ho nalaim-panahy hitsaratsara an’i Orville ny sasany, ka nihevitra fa tsy tokony ho nandray anjara tamin’ny fifaninana izy raha ny taonany; tsy natao ho azy intsony ny fifaninanana hazakazaka satria mampiandry ela be ny olon-kafa isak’izay mandeha izy.

Kanefa na dia izy foana aza no farany dia nandresy ireo zava-bita tsara indrindra miisa dimy maneran-tany izy tamin’io andro io. Tsy nisy tamin’ireo nijery azy nihazakazaka no nino ny hitrangan’izany, kanefa samy tsy mpitsara na ny mpijery na ny mpifanandrina taminy. Tsy nisy lalàna nodikain’i Orville, ary tsy nampidina fenitra ireo tompon’andraikitra. Nihazakazaka nitovy tamin’ny hafa izy ary nahafeno ireo fepetra nitovy tamin’ny an’ireo mpifaninana hafa. Fa ny fahasarotan’ny toe-javatra nisy azy, izay ny taonany sy ny herim-batany voafetra izany teto, no nokajiana ka nametraka azy tao amin’ny sokajin’ny olona mihoatra ny 100 taona. Ary tao amin’ io sokajy io dia izy no nandresy ireo zava-bita tsara indrindra miisa dimy maneran-tany.

Nitaky herim-po lehibe tamin’i Orville ny namarana an’io hazakazaka io isak’izay mandeha ary mitaky herim-po lehibe tahaka izany koa ho an’ny sasany amin’ireo rahavavintsika sy anadahintsika ny mandia adim-piainana isan’andro, omban’ny fahafantarana fa mety ho voatsaratsara tsy ara-drariny izy ireo na dia manao izay tsara indrindra efany aza manoloana ireo fanamby mavesatra mifanesy mba hanarahana ny Mpamonjy sy hanajana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy.

Na aiza na aiza misy antsika eto amin’izao tontolo izao, na firy na firy ny taonantsika, dia filàna fototra ho antsika rehetra ny mahatsapa ho manan-toerana, mahatsapa fa irina sy ilaina, ary manan-tanjona sy misy dikany ny fiainantsika na inona na inona toe-javatra misy antsika na sakana atrehantsika.

Tamin’ny fihodinana farany tamin’ilay hazakazaka, ny olona dia nandrisika tsisy ohatra izany an’i Orville, izay nanome tanjaka azy mba hanohy. Tsy nampaninona ny naha-farany azy. Ho an’ireo mpandray anjara sy ny olona, dia mihoatra lavitra noho ny fifaninanana ilay izy. Io no ohatra kanto sy velona maneho ny fiasan’ny fitiavan’ny Mpamonjy tamin’ny fomba maro. Rehefa nahavita ny hazakazaka i Orville, dia niara-paly izy rehetra.

Tahaka ilay fiadiana tompon-daka ho an’ny olona mihoatra ny 35 taona, ny fiangonantsika sy ny fianakaviantsika dia afaka ny ho toeram-pivoriana hahafahantsika mifamporisika mba handresy—fiarahamonin’ny mpanao fanekempihavanana entanin’ny fitiavana an’i Kristy sy ny tsirairay avy—mifanampy handresy izay mety ho olana atrehantsika, mifanome hery sy mifankahery tsy arahina fifampitsaratsarana. Mila ny tsirairay avy amintsika isika. Ny firaisan-kina no loharanon’ny hery avy amin’ Andriamanitra, ary izany no antony anirian’i Satana hampisara-bazana antsika.

Indrisy anefa fa noho ny antony maro samihafa dia mety ho sarotra amin’ny sasany amintsika indraindray ny mankany am-piangonana. Mety ho olona mitolona amin’ireo fanontaniana ara-pinoana na olona miatrika tahotra ny fiarahamonina na rarin-tsaina izy. Mety ho olona avy amin’ny firenena, firazanana hafa izy, na olona nandia lalam-piainana hafa na manana fomba fijery hafa izay mety mahatsapa ho samy hafa be amin’ny rehetra izy. Mety ho ray aman-dreny mitaiza kely tsy ampy torimaso sy manana olona ara-pihetseham-po noho ny fikarakarana ny zanany izany na olona tokan-tena ao anivon’ny mpiangona feno olona manambady sy fianakaviana. Mety ho olona manangona ny herim-po rehetra mba hiverenana rehefa avy nisintaka an-taonany maro koa izy na olona mahatsapa lalandava ho tsy mahavita azy na tsy manan-toerana.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha misy mpivady misaram-panambadiana ao amin’ny paroasinareo, na misy misiônera tanora nody alohan’ny fotoana, na misy zatovo miahiahy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany, dia tsy mila ny fitsaratsaranareo izy ireo. “Mila miaina ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy izay hita taratra ao amin’ny tenin[tsika] sy ny zavatra ataon[tsika] izy ireo.”

Ny zavatra iainantsika any am-piangonana dia natao hampisy fifandraisana manan-danja amin’ny Tompo sy amin’ny tsirairay izay tena ilaina amin’ny fahasalamantsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po. Tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra, miantomboka amin’ny batisa, ny andraikitsika mba hifankatia sy hifampikarakara amin’ny maha olona ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra sy anisan’ny vatan’i Kristy antsika, fa tsy hanisy marika ireo lisitry ny asa mila atao fotsiny.

Avo sy masina kokoa ny fitiavana sy ny fikarakarana tahaka ny an’i Kristy. Ny fiantrana no fitiavana madion’i Kristy. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fiantrana no manosika antsika -hifampitondra ny enta-mavesatra- [Môzià 18:8] toy izay hampavesatra ny entana lanjain’ ny tsirairay”.

Hoy ny Mpamonjy: “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia”. Ary nampian’ny Filoha Nelson hoe: “Ny fiantrana no toetra fototra ananan’ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy”. “Mazava ny hafatry ny Mpamonjy: Ny mpianany marina dia olona manatsara toetra, mampitraka, mankahery, mandresy lahatra, ary manentana ny fanahy. … Tena manan-danja ny fomba firesantsika amin’ny hafa.”

Tsotra be ny fampianaran’ny Mpamonjy momba izany. Voafintina ao amin’ny Lalàna Volamena izany: Ataovy amin’ny hafa izay tianao hataony aminao. Mipetraha eo amin’ny toeran’ilay olona dia ataovy amin’izy ireo ny zavatra tianao hatao aminao raha ianao no teo amin’ny toeran’izy ireo.

Tokony hoentintsika amin’ny fomban’i Kristy ny olon-kafa ankoatra ny fianakaviantsika sy ny mpiara-mivavaka amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny rahavavintsika sy anadahantsika any amin’ny antokom-pinoana hafa na tsy mino akory aza. Tafiditra ao anatin’izany koa ny anadahintsika sy rahavavintsika avy amin’ny firenen-kafa sy kolontsaina hafa sy ireo hafa firehena ara-politika. Anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra isika rehetra ary tiany avokoa ny zanany rehetra. Tiany ny hitiavan’ny zanany Azy sy ny hifankatiavan’izy ireo ihany koa.

Ny fiainan’ny Mpamonjy no ohatra amin’ny fitiavana, fanangonana ary fankaherezana na dia ireo izay nailikiliky ny fiarahamonina sy notsarain’ny fiarahamonina ho maloto aza. Izy no ohatra andidiana antsika mba harahintsika. Tonga eto isika mba hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy ho lasa tahaka ny Mpamonjy antsika amin’ny farany. Tsy ny hamita lisitr’asa fotsiny no tian’i Jesoa Kristy ataontsika fa ny hiovantsika koa, ho lasa tahaka Azy sy hitia tahaka Azy. Tiany ho lasa vahoakan’i Ziona isika.

Talohan’ny naha-30 taona ahy dia niaina rarin-tsaina mafy aho ary nandritra io fotoana io dia toy ireny hoe foana tampoka teo ireny ny fisian’ Andriamanitra. Tsy haiko loatra ny manazava ilay fahatsapana ankoatra ny hoe nahatsapa ho very tanteraka aho. Hatramin’ny fahakeliko aho dia nahafantatra foana fa teo ny Raiko any An-danitra ary afaka niresaka Taminy aho. Fa tamin’io fotoana io dia tsy fantatro intsony hoe nisy Andriamanitra. Tsy mbola niaina zavatra toy izany aho teo amin’ny fiainako ary toa rava avokoa ny fototry ny finoako.

Vokatr’io dia sarotra ho ahy ny fankanesana tany am-piangonana. Nandeha aho, saingy tamin’ny ampahany dia noho ny tahotra ny ho antsoina hoe “malaindaina” na “tsy mahatoky firy”, no nandehanako ary natahotra ny ho lasa asa nampiandraiketana ny olona. Ny tena nilaiko tamin’io fotoana io dia ny nahatsapa fitiavana sy fahatakarana ary fanohanana tena marina avy tamin’ireo olona manodidina ahy, fa tsy fitsaratsarana.

Ny sasany tamin’ireo petrakevitra natahorako ho nataon’ny hafa tamiko dia nataoko tamin’ny hafa rehefa nanapatapaka tsy niangona izy ireo. Io zavatra niainana naharary nanjo ahy io dia nampianatra ahy lesona manan-danja momba ny antony nandidiana antsika tsy hifampitsara tsy ara-drariny.

Misy ve eo anivontsika ireo izay mijaly mangina, matahotra ny hahafantaran’ny hafa ny tolona miafina atrehan’izy ireo satria tsy fantatr’izy ireo ny mety ho fihetsika hasetry izany?

Ny Tompo irery ihany no mahafantatra feno ny fahasarotan’ny toe-javatra iainan’ny tsirairay avy amintsika eo amin’ny hazakaza-piainantsika—ireo vesatra, fanamby ary sakana atrehantsika izay matetika no tsy afaka ny ho hitan’ny hafa. Izy irery ihany no mahatakatra feno ireo ratra mampitondra takaitra sy tahotra mety ho niainan’ny sasany tamintsika taloha izay mbola miantraika amintsika ankehitriny.

Matetika isika no mitsara mafy na dia ny tenantsika aza; mieritreritra fa tokony ho lasa lavitra be kokoa teo amin’ny hazakazatsika. Ny Tompo irery ihany no mahafantatra feno ny fahalementsika sy ny fahafahantsika tsirairay avy manao zavatra, ary noho izany dia Izy tokana no mahafeno ny fepetra mba hitsara ny zava-bitantsika.

Ry rahavavy sy ranadahy isany, andeha isika ho toa an’ireo mpijery tao amin’ilay tantara ka hifamporisika eo amin’ny dian’ny maha mpianatra antsika na inona na inona toe-javatra iainantsika! Tsy mitaky ny handikantsika lalàna na hampidinantsika fenitra izany. Raha ny marina dia izany no didy lehibe faharoa—mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ary araka ny nolazain’ny Mpamonjy antsika hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto … kely indrindra ireto no nataonareo tamiko”, na tsara izany na ratsy. Nilaza tamintsika koa Izy hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”.

Hisy fotoana isika eo amin’ny fiainantsika tsirairay no ho ireo izay mila fanampiana sy fankaherezana. Andeha isika hanolo-tena izao mba hanao izany lalandava amin’ny tsirairay avy amintsika. Rehefa manao izany isika dia hanana firaisan-kina lehibe kokoa sy hampisy sehatra hanaovan’ny Mpamonjy ny asa fanasitranana masina ataony sy hanova ny tsirairay avy amintsika.

Ho an’ny tsirairay avy aminareo izay mety mahatsapa ho vodilaharana eo amin’ity hazakaza-piainana ity, ity dia eto an-tany ity, dia miangavy anareo aho hitozo hatrany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka mitsara feno ny toerana tokony hisy anao amin’izao fotoana izao, ary Izy dia mahari-po sy marina. Izy no ilay Mpitsara Lehibe amin’ilay hazakaza-piainana ary Izy irery ihany no mahatakatra feno ny fahasarotan’ny toe-javatra iainanao eo am-pihazakazahanao na eo am-pandehananao na eo am-pitarihanao ny tongotrao. Hokajiany ireo fahalamenao, ny fahaiza-manaonao, ireo zavatra niainanao teo amin’ny fiainana ary ireo enta-mavesatra tsisy mpahita entinao mbamin’ireo fanirian’ny fonao. Raha ny marina, dia mety handresy ireo zava-bita tsara indrindra ara-tandindona maneran-tany koa ianao. Miangavy anao tsy hanary fanantenana. Miangavy anao aho hitozo hatrany! Miangavy anao aho mba hijanona! Manan-toerana ianao. Mila anao ny Tompo ary mila anao izahay!

Na aiza na aiza misy anao eto amin’izao tontolo izao, na lavitra toy ny ahoana aza ny misy anao, dia miangavy anao aho hahatsiaro mandrakariva fa mahafantatra anao tanteraka ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary lavorary ny fitiavan’Izy Ireo anao. Tsy adino velively ianao amin’Izy Ireo. Izy Ireo dia maniry ny hitondra anao hiverina any amin’Izy Ireo.

Mampandria sofina amin’izay lazain’ny Mpamonjy aminao sy izay tiany ho fantatrao. Izy no anja-binao. Tandrovy ny fifandraisana Aminy. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary afaka mitoky Aminy ianao. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho fa mamporisika anao Izy.

Enga anie isika hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy hifamporisika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jeffrey C. Strong, taratasy manokana; nampiasaina rehefa nahazoana lalana.

  2. Iray amin’ireo laharam-pahamehan’ny fiadidianay ny hahatsapan’ireo rahavavy ho manan-toerana ato am-piangonana ary indrindra fa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanana fahafahana maro aho namaky taratasy sy nandre traikefa izay nampalahelo ahy.

  3. Jereo ny 1 Korintiana 12:26.

  4. Jereo ny Henry B. Eyring “Ny fontsika mitambatra ho iray”, Liahona, nôv. 2008, 68–71; jereo ihany koa ny Ulisses Soares “Iray ao amin’i Kristy”, Liahona, nôv. 2018, 37–39; “Iray ao amin’i Kristy” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

  5. Jereo ny 3 Nefia 11:29.

  6. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana”, Liahona, mey 2023, 100. Tao amin’io lahateny io ihany no nilazany fa “mandroaka ny Fanahy foana ny fifandirana” (pejy 100). Hampiako hoe ny eritreritra feno fitsaratsarana ny hafa dia mandroaka ny Fanahy ihany koa. Rehefa manambany ny hafa amin’ny alalan’ny eritreritra feno fitsikerana isika dia izany no porofon’ny fisian’ny avonavona, ary nilaza ny Filoha Henry B. Eyring hoe “ny avonavona dia fanetriben’ny firaisan-kina” (“Ny fontsika mitambatra ho iray”, 70).

  7. Jereo ihany koa ny J. Anette Dennis, ao amin’ny “Come and Take Your Place as Covenant Women” (lahateny nataon’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy tao amin’ny Brigham Young University, mey 1, 2024), Médiathèque de l’Évangile; jereo koa ny Môzià 18:8–10.

  8. Jereo ny 1 Korintiana 12:14–26.

  9. Jereo ny Môrônia 7:47.

  10. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana”, 101; nampiana fanamafisana.

  11. Jaona 13:35; nampiana fanamafisana.

  12. Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana”, 100, 99.

  13. Jereo ny Matio 7:12.

  14. Rehefa manaraka ny Mpamonjy isika ary maniry ny ho lasa toa Azy, dia hilofo isika mba hahita ny olon-drehetra amin’ny fomba ahitany azy ireo, ary rehefa manohy mivavaka isika mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana, dia afaka ny hitombo ao am-pontsika amin’ny farany ny fahatsapana fitiavana amin-kitsim-po sy firaharahiana. Hanana faniriana [h]anatsara toetra, [h]ampitraka, [h]ankahery, [h]andresy lahatra, ary [h]anentana ny fanah[in’ny]” hafa; tsy noho ny fahatsapantsika ho manana adidy izany fa noho isika miha-lasa toa an’ny Mpamonjy antsika tsikelikely (Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” 100). Ny fanompoana ny hafa tahaka ny nataon’i Kristy dia ho lasa mandrafitra ny maha isika antsika fa tsy ny zavatra ataontsika.

  15. Jereo ny Môzià 23:15.

  16. Jereo ohatra ny Matio 9:10–13; Marka 1:40–42; Lioka 8:43–48; 14:13–14; Jaona 4:7–26; 5:2–9; 8:3–11.

  17. Jereo ny 3 Nefia 27:27; jereo koa ny lahatenin’i Robert C. Gay: “Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy”, Liahona, nôv. 2018, 97–100.

  18. “Ny hany vahaolana maharitra amin’ny fahasamihafana izay mampisara-bazana antsika dia ny fanarahantsika rehetra an’ireo fampianaran’ny Mpamonjy antsika sy ny fahatongavana tsikelikely tahaka Azy mihitsy” (Dallin H. Oaks, tao amin’ny lahatsoratra nosoratan’i Joel Randall mitondra ny lohateny hoe “Following Christ Is ‘a Continuous Commitment and Way of Life,’ President Oaks Teaches European Saints from Belgium”, Church News, 14 jolay 2025, thechurchnews.com).

  19. Jereo ny Dallin H. Oaks “The Challenge to Become”, Liahona, jan. 2001, 40–43.

  20. Jereo ny Jaona 13:34.

  21. “Ny antso fanairana ho an’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hiezaka ny ho vahoaka Ziona izay iray fo sy iray saina ary mitoetra amin’ny fahamarinana” (Quentin L. Cook, “Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina”, Liahona, nôv. 2020, 21).

  22. Jereo ny J. Anette Dennis “Come and Take Your Place as Covenant Women” (Fivoriamben’ny vehivavy tao amin’ny Brigham Young University, 2 mey 2024), Médiathèque de l’Évangile.

  23. Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1–2a; Almà 41:14.

  24. Jereo ny J. Anette Dennis “Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany,” Liahona, nôv. 2022, 80–81.

  25. Jereo ny Almà 7:11–12.

  26. Jereo ny Matio 22:36–40.

  27. Matio 25:40.

  28. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.

  29. Jereo ny Salamo 145:8–9; Efesiana 2:4–5.

  30. Jereo ny Tamara W. Runia “Tsy enta-mavesatra ho an’i Jesoa Kristy ny fibebahanao; mampitombo ny hafaliany izany”, Liahona, mey 2025, 91.

  31. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9.

  32. Jereo ny Romana 8:38–39.

  33. Jereo koa ny Patrick Kearon, “Ny hitondra anao hiverina any Aminy no fikasan’ Andriamanitra”, Liahona, mey 2024, 87–89.

  34. Jereo ny Jaona 1, sasintenin’ny toko sy ny andininy 1; 1 Nefia 11:24–25.

  35. Jereo ny Jeffrey R. Holland “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo”, Liahona, mey 2016, 127.