2025
Mahatsiaro ny ondry
Nôvambra 2025


12:14

Mahatsiaro ny ondry

Mahomby ny fitsipiky ny fanaraha-maso sy ny famantarana. Izany no fomban’ny Tompo.

I Kristy no Mpiandry Tsara. Sarobidy Aminy ny tsirairay amin’ny andian’ondry. Naneho ny lamina hanaovana fanompoana Izy ary nampianatra antsika tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa ireo toetra tsara ananan’ny mpiandry tsara, isan’izany ny fahafantarana ny ondrinao amin’ny anarany, ny fitiavana azy ireo, ny fitadiavana ireo izay very, ny famahanana, ary ny fitarihana azy ireo hody any an-trano amin’ny farany. Miandry antsika hanao izany Izy satria mpiandry ondry eo ambany fitarihany isika.

Afaka mianatra zavatra betsaka momba ny fanompoana araka ny fomban’ny Tompo avy amin’ilay mpaminany fahiny, sy mpiandry ondry tena miavaka, dia i Môrônia, isika. Niaina nandritra ny fotoana tena sarotra izy, tsy nanana tombontsoa hampiasa finday, solosaina, ary ny internet. Kanefa nahavita nanara-maso ireo ondry izy. Ahoana no nanaovany izany? Tsikaritsika ao amin’ny Môrônia 6 ny fomba nentiny niasa. Vakintsika ao fa ireo mpikambana dia “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara. … Ny fiangonana dia nihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hivavaka, ary hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny” (Môrônia 6:4–5; nampiana fanamafisana).

Ho an’i Môrônia dia ny olona no manan-danja indrindra—anaran’olona! Nampihatra ny fitsipiky ny “fanaraha-maso sy ny fahafantarana” izy mba hahatsiarovana ny rehetra. Tsikaritra daholo izay rehetra nanana olana na nania, ary izany dia namela ireo Olomasina hifanakalo hevitra ny amin’izay mahasoa azy ireo tao anatin’ireo filankevitra. Tahaka ilay mpiandry ondry namela ireo sivy amby sivifolo (izay voaro tamin’ny loza, azoko antoka izany) dia nandeha nitady ilay iray izay very (jereo ny Lioka 15:4–7), no angatahana antsika koa mba hamantatra ireo andian’ondrintsika—mba hahatsikaritra sy hahatsiaro ary handeha sy hanao toa izany koa.

Fony aho mpitarika misiôna tany Inde, dia tadidiko aho nanontany filohan’ny sampana tanora iray ny tanjon’izy ireo sasany ho an’ny taona ho avy hoe: “Lehilahy firy no homaninao handray ny Fisoronana Melkizedeka?” Dia namaly avy hatrany izy hoe “Fito!”

Nanontany tena aho hoe avy aiza no namoronany izany isa voafaritra tsara izany! Tsy mbola nahavita namaly akory aho dia nanoratra teo amin’ny sisin’ny taratasy iray ny isa iray ka hatramin’ny fito izy. Nisy anarana teo amin’ireo andalana dimy voalohany—olona tena nisy izay handeha hasain’izy sy ny kôlejin’ny loholona misy azy sy ho amporisihin’izy ireo hahazo ny fitahian’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mazava ho azy fa tsy maintsy nanontany momba ireo andalana fahenina sy fahafito tsy nisy na inona na inona aho. “Filoha a!” hoy izy sady nanetsiketsika ny lohany tamim-pitiavana, “azoko antoka fa hanao batisa lehilahy roa isika farafahakeliny amin’ny fiandohan’ny taona izay ho afaka ny hahazo ny fisoronana alohan’ny faran’ny taona”. Nahatakatra ny fitsipiky ny fanaraha-maso sy ny fahafantarana io mpitarika tena tsara io.

Naorin’i Kristy tamin’ny fomba izay tsy hanadinoana mora foana na dia fanahy iray aza ny Fiangonany, satria sarobidy Aminy ny fanahy tsirairay avy. Ny olona tsirairay ao amin’ny paroasy iray, na firy taona na lahy na vavy, dia manana mpitantana, mpiandry maro, izay nomena andraikitra hikarakara azy ireo sy hahatsiaro azy ireo. Ny zatovolahy iray ohatra, mba hitsinjovana izay mahasoa azy, dia nomena episkôpà, rahalahy mpanompo, olon-dehibe mpanoro hevitra ny zatovo, mpampianatra seminera, fiadidian’ny kôlejy ary olona maro hafa hiandraikitra azy, izay miasa toa ny harato fiarovana, izay mihenjana tsara ao ambanin’io zatovo io hitanty azy raha mianjera izy. Na dia harato iray monja aza no voapetraka tsara araka ny tokony ho izy, dia ho voaro sy ho tsikaritra ary hotsaroana izany zatovolahy izany. Matetika anefa dia tsy mahita harato mipetraka tsara araka ny tokony ho izy isika na dia iray aza. Mirenireny foana ka very any anaty zavona ny olona, ary tsy misy mahatsikaritra. Ahoana no ahafahantsika ho lasa mpiandry ondry tsaratsara kokoa? Afaka mianatra manara-maso sy mamantatra isika.

Mamatsy antsika amin’ny tatitra sy fitaovana ny Fiangonana mba hanaovana izany mihitsy, dia ny mahatsiaro. Ohatra tena tsara amin’izany ny tatitra isaky ny telo volana. Mamela antsika izany hanara-maso sy hamantatra imbetsaka ny mpikambana tsirairay sy hahatsikaritra ireo izay tsy tonga na mila ny fanampiantsika sy ny fitiavantsika. Ny lisitry ny asa mila atao sy ny tafa sy dinika dia ahafantarana ireo izay mila ny fifantohantsika izao ankehitriny izao, ary toa izany koa ny tatitra momba ny maha-manan-kery na tsia ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ireo zavatra hafa. Ireo fitaovana fanaraha-maso sy famantarana ireo dia mampifantoka antsika amin’ny olona. Iza no mila antso, fandrosoana ao amin’ny fisoronana, na fanampiana hitondra anaram-pianakaviana any amin’ny tempoly? Iza no azontsika ampiana hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno? Iza no tsy tonga tamin’ity volana ity? Manampy antsika hahatsiaro olona ireo fitaovana ireo.

Mahafantatra fianakaviana iray avy any Etazonia aho izay voatendry hanao asa any Afrika. Nandeha tao amin’ny rantsan’ny Fiangonana tokana tao amin’ilay firenena izy ireo ny alahadin’izy ireo voalohany indrindra, ary noraisina tamim-pifaliana tokoa izy ireo tao. Rehefa akaiky hifarana ny maraina dia nantsoina ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ny vadin’ilay lehilahy ary izy kosa dia nantsoina ho mpitarika ny Zatovolahy! Nanontany ny filohan’ny sampana izay hita ho torovana izy hoe nisy firy ny zatovolahy tao. Nanondro tany amin’ny farany aorian’ny efitranon’ny fanasan’ny Tompo io mpitarika mahatoky izay mpikambana voalohany tao amin’ny fianakaviany io dia niteny hoe: “Iretsy roa iretsy”. Tena tsy nino izany ilay lehilahy, ka dia nitondra lisitry ny mpikambana tao amin’ny sampana tany an-trano, ary vetivety izy dia nahatsikaritra fa 20 raha ny marina no zatovolahy tao amin’ilay lisitra. Niverina tany amin’ilay filohan’ny sampana izy dia nangataka tanora mavitrika miisa roa mahay fiteny roa mba ho mpanolotsainy ary avy eo dia niara-nipetraka izy sy ireo ankizilahy roa hijery ireo anarana.

Nandeha niasa avy eo ireo tanora mazoto ireo. Tao anatin’ireo volana vitsy manaraka dia hitan’izy ireo ny ankizilahy tsirairay tao amin’ilay lisitra. Noraisin’ireo namany tsara indray tsirairay, isaky ny anarana, ireo ondry very ireo ary nofahanana ara-panahy sy ara-batana! Tao anatin’ny taona iray, isaky ny alahady, dia nisy zatovolahy 21 teo ho eo nanatrika fivoriana. Soa ihany fa nisy ireo zatovolahy nanara-maso sy namantatra.

Nisy namana tena tiako iray, izay mpianatra tanora nahavita fianarana, nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany nankany amin’ny tanàna amerikana lehibe iray mba hanohy ny fianarany. Nantsoina hiahy ny kôlejin’ny loholona avy hatrany izy. Na dia somary nitaintaina tamin’ny tafa sy dinika voalohany handeha hataony tamin’ny filohan’ny tsatòka aza izy, dia tapakevitra ny hiatrika izany tamim-pahavononana izy. Nilaza tamin’ny filohan’ny tsatòka izy fa nanana tanjona telo ho an’ny taona ho avy: (1) fanompoana 90 isan-jato, (2) lesona manan-danja momba ny filazantsara isan-kerinandro, ary (3) fiaraha-mientan’ny kôlejy vita rafitra tsara isam-bolana.

Nitsiky tamin’ilay namako io filohan’ny tsatòka hendry io dia nanontany hoe: “Afaka milaza anarana mpikambana malaindaina iray ao amin’ny kôlejy izay azonao ampiana handeha ho any amin’ny tempoly miaraka amin’ny fianakaviany amin’ity taona ity ve ianao?” Tsy nampoizin’ilay namako izany. Nieritreritra tsara izy dia nilaza anarana iray. “Soraty izany”, hoy ny filohan’ny tsatòka nanome toromarika. Avy eo dia nametraka io fanontaniana io in-telo indray io mpitarika be traikefa io … dia tapitra ilay tafa sy dinika. Nivoaka avy tao amin’io tafa sy dinika io nianatra ny iray tamin’ireo lesona tsara indrindra noraisiny momba ny fitarihana sy ny fanompoana io tovolahy io. Nitondra fandaharan’asa sy lesona ary fiaraha-mientana izy rehefa nanatrika io tafa sy dinika io. Nivoaka avy tao niaraka tamin’ny anarana izy! Taorian’izay dia lasa zavatra lehibe indrindra nifantohan’ny fanompoany sy ny fanompoan’ny kôlejiny ireo anarana ireo.

Fony aho mpitarika misiôna dia nitsidika ny iray tamin’ireo sampana niadidiako aho indray alahady maraina. Tsikaritro fa naka karatra avy tao am-paosiny foana ilay filohan’ny sampana dia nanoratra teo amin’ilay izy. Nanapa-kevitra ny hanontany azy momba izany aho rehefa vita ny vavaka famaranana. Vao tapitra ilay fivoriana, ary talohan’ny nametrahako fanontaniana momba ilay karatra, dia nihazakazaka nankeny amin’ny lampihazo ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny sampana, ary natolotra azy teny ilay taratasy. Narahako haingana tany amin’ny fivoriana fandrindrana ny asa fitoriana ao amin’ny sampana izay notarihiny io mpitarika mavitrika io. Navoakany tao am-paosiny ilay karatra talohan’ny nanombohan’izy ireo. Feno ny anaran’ireo mpikambana izay tsy tonga tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ilay izy. Tao anatin’ny minitra vitsy dia nisafidy anarana iray na roa ny mpikambana tsirairay tao amin’ilay filankevitra, ary nanolo-tena ny hitsidika azy ireo tamin’io andro io ihany mba hakana antoka fa tsy nanana olana izy ireo ary mba hampahafantarana azy ireo fa nalahelo azy ireo ny olona. Izany no atao hoe manara-maso sy mamantatra.

Tsaroako ny distrika iray, nila nandehanana fiaramanidina nandritra ny ora maromaro vao tonga tany amin’ny tempoly akaiky azy indrindra, izay laharam-pahamehana ambony tao amin’izany ny fihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery, na dia fantatra aza fa mety tsy ho ampiasaina mihitsy izany. Ny alahady voalohan’ny volana tsirairay dia nampiasa ny fitaovana fanarahany maso ireo mpitarika mba hamantarana ireo mpikambana nahazo fanafiana masina ao amin’izy ireo. Raha hitan’izy ireo fa efa akaiky ho lany daty ny fahazoan-dalana iray, dia nandamina fotoana hanaovana tafa sy dinika fanavaozana ny mpitantsoratra mpanatanteraka. Notoroana hevitra ireo olona nanana fahazoan-dalana efa lany daty, ary avy eo dia nokatsahina ny hanampiana azy ireo hiverina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Nanontany aho hoe firy tamin’ireo mpikambana efa nahazo fanafiana masina tao amin’izy ireo no nanana fahazoan-dalana manan-kery. Valiny nahatalanjona no azo: 98,6 isan-jato. Rehefa nanontaniana momba ireo enina nanana fahazoan-dalana lany daty ireo mpitarika dia afaka namantatra azy ireo tamin’ny anarany ary namariparitra tamiko ireo ezaka natao mba hamerenana azy ireo!

Taona vitsy lasa izay dia niverina tany Etazonia ny fianakaviako. Faly ery izahay nanatrika ny fiangonana taty taorian’ny 26 taona mahatalanjona nanatrehana ireo rantsana kely kokoa izay nitoka-monina kokoa. Nantsoina ho misiôneran’ny paroasy aho. Nanana mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy tena mahay izay nanao zavatra mahafaly maro sy nampianatra olona mahafinaritra izahay. Nangataka ny hanatrika fivoriana filankevitry ny paroasy aho mba handinika sy hangataka ny fanampian’izy ireo amin’ireo naman’ny Fiangonana izay niarahanay niasa. Gaga aho fa fiaraha-mientan’ny paroasy hatao ato ho ato fotsiny no noresahina tao. Nanatona ilay mpitarika ny asa fitoriana tao amin’ny paroasy aho taorian’izay dia naneho hevitra hoe tsy nanana fahafahana ny hiverina sy hanao tatitra momba ireo olona ao amintsika izy. Ny valin-teny nomeny? “Hitanao, tsy manao tatitra izany mihitsy aho”.

Nampitahaiko tamin’ilay filankevitry ny sampana iray tany Lahore Pakistan izay vao avy natrehako herinandro vitsivitsy talohan’izay izany. Niara-nipetraka nanodidina ny latabatra kely iray io vondrona kely io, ary olona ihany no noresahin’izy ireo. Anarana. Samy nanao tatitra momba ny adidiny sy momba ireo isam-batan’olona sy fianakaviana izay niahiany ny mpitarika tsirairay. Nanana fahafahana hizara ny eritreriny mikasika ny fomba tsara indrindra azon’izy ireo hitahiana ireo olona noresahina daholo ny rehetra. Novolavolaina ireo drafitra ary natao ny fanomezana andraikitra. Lesona tena tsara momba ny fanaraha-maso sy ny famantarana amin’ny anarana avy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika izay mpikambana voalohany tao amin’ny fianakavian’izy ireo tokoa izany.

Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika dia nampianarin’ireo mpaminany fahiny sy mpaminany ankehitriny, ary amin’ny alalan’ireo ohatra asehon’ny Mpamonjy, mikasika ny fomba hanompoana. Maka ireo anarana isika dia mitadidy izany ary mifampila hevitra momba ny fiadanan’ireo fanahy. Tsy ho lany zavatra horesahina ao amin’ny fandaharam-potoana mandritra ireo fivoriana filankevitra ataon’izy ireo mihitsy ireo mpitarika izay manao izany! Mahomby ny fitsipiky ny fanaraha-maso sy ny famantarana. Izany no fomban’ny Tompo. Afaka manao tsaratsara kokoa isika. Ho an’ Andriamanitra, izay nahary izao tontolo rehetra izao sy manapaka amin’ny zava-drehetra, ity asa ity, izay ny asany sy ny voninahiny, dia tena mahakasika isam-batan’olona manokana. Ary tokony ho toa izany koa ho antsika tsirairay avy, satria isika fitaovana eo an-tanany amin’ny asany mahatalanjona ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Fahagagana eo amin’ny fiainan’ny olona tena misy no ho vokatr’izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.