2025
Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa
Nôvambra 2025


10:28

Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa

Te hiresaka bebe kokoa momba ireo misiônera izay nantsoina amin’ny andraikitra hanompo ireo aho. Ohatra fakan-tahaka ho antsika izy ireo.

Rehefa namakivaky an’i Betsaida ny Mpamonjy dia nisy olona vitsivitsy nitondra lehilahy jamba teo Aminy. Mety nanantena ny hahita maso fahagagana angamba izy ireo. “Nitantana ilay jamba [ny Mpamonjy] ka nitondra azy teny ivelan’ny tanàna” mba hositraniny amin’ny mangingina. Toa tsy nety ilay fanasitranana tamin’ny voalohany. “Niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra”. Nangoraka i Jesoa ary “napetrany tamin’ny mason[’ilay lehilahy jamba] indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara”. Niaraka tamin’izay fametrahan’i Mpamonjy fanindroany ny tanany izay dia “hitan’[ilay lehilahy jamba] miharihary ny zavatra rehetra”;

Ohatra iray amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay voamariky ny asa fanompoana miverimberina sy feno fanetrentena fotsiny izany. Mampahatsiahy antsika Izy fa “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” ary avy eo dia manasa antsika hanaraka ny ohatra nasehony ka hanitsaka ilay maily faharoa, sy hanome izay mangataka amintsika, ary hitia ny namantsika. Rehefa nanontaniana hoe: “Iza ary no namako?” Nozarain’i Kristy ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy sady nilaza hoe “Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa”.

Ireo misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ohatra maoderina amin’ny samaritana tsara fanahy ary hiova ho tahaka izany no anasan’i Kristy antsika. Te hiresaka bebe kokoa momba ireo misiônera izay mahazo fanendrena hanao asa fanompoana ireo aho. Maneho ohatra amintsika izy ireo ny amin’ny fomba entin’ny fanompoana (1) manokatra fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy (2) mamela antsika hanompo na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainantsika, ary (3) misintona ny herin’i Kristy eo amin’ny fiainantsika.

Voalohany, ny fanompoana dia manokatra fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tokony ho 91 taona talohan’i Kristy dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna nanao hoe: “Maniry ny hitoetra eo anivon’ity vahoaka ity mandritra ny fotoana fohy aho; … [dia] ho mpanomponao … aho”. Noho ny fanompoana mahatalanjona nataony tamin’ny mpanjaka dia nomena fahafahana i Amôna “[h]iteny amim-pahasahiana, … ary [hilaza amin’ny Mpanjaka Lamônia hoe] hery toa inona no” nanaovany ny fanompoany. Ho valin’izany dia nampanantena ny mpanjaka fa “na inona na inona irin[’i Amôna] dia [homen’ny mpanjaka azy]”. Ny hany nangatahan’i Amôna dia ny mba hihainoan’ilay mpanjaka ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fanompoana nataon’i Amôna dia nahatonga “fanahy an’arivony ho amin’ny fibebahana”.

Amin’izao androntsika izao dia mbola mitondra ny hafa ho amin’ny filazantsara hatrany ny fanompoana. Misiônera nampianatra i Rahavavy Bevan raha nanomboka narary, izay nitaky ny fodiany mba hotsaboina. Tsy nisaorana izy fa afaka nanohy nanompo tany an-tranony ka lasa misiônera manao asa fanompoana.

Rehefa nitsidika valan-javaboary iray i Rahavavy Bevan sy ny namany anankiray dia notaomim-panahy hiresaka amin’ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny ankizy kely efatra saingy niahotrahotra izy ireo ka lasa ilay fianakaviana. Ny ampitson’io dia niverina tao amin’ilay valan-javaboary izy ireo sady nivavaka mba ho ao io fianakaviana io. Mahagaga fa nipetraka teo amin’ilay toerana nisy azy ny omalin’iny ihany ilay renim-pianakaviana. Tamin’io fotoana io dia nanatona an’ilay renim-pianakaviana Rahavavy Bevan sy ilay namany, ary nahita fa nila fanampiana ara-batana fatratra izy. Nampian’izy ireo izy ary nasain’izy ireo hianatra ny filazantsara.

Noho izany fanompoana sy fanasana izany dia natao batisa ilay renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany zokiny indrindra, ary nanaraka avy eo ny zanany faharoa herintaona taty aoriana. Mbola mpikambana mavitrika izy ireo ankehitriny. Fantatry ny Rahavavy Bevan fa fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra io zavatra nitranga io ary izany dia “nanaporofo [taminy] fa teo amin’ny toerana izay nilan’ Andriamanitra hisy azy mihitsy izy”.

Tahaka an’i Amôna sy Rahavavy Bevan, rehefa manompo ny hafa isika dia “maneho … ny ohatra tsara” amin’izy ireo ary izy ireo dia haniry ny hahafantatra ny “anton’ny fanantenana ao anatin[tsika]”.

Manasa antsika i Jesoa manao hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa”.

Faharoa, ny fanompoana dia manome fahafahana antsika hanompo na inona na inona toe-javatra iainantsika.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia niantso: “ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana” ary ho an’ny zatovovavy tsirairay izay afaka mirotsaka mba “hivavaka hamantarana raha toa ka tian’ny Tompo hanao asa fitoriana izy”. Nampanantena izy hoe “ny fanapahan-kevitrareo ny hanao asa fitoriana, na misiônera mpanao asa fitoriana na mpanao asa fanompoana, dia hitahy anareo sy ny hafa”. Ireo misiôna manao asa fanompoana dia nanova ny famaritana ilay teny hoe afaka mirotsaka. Amin’izao ny zatovolahy sy zatovovavy mendrika rehetra izay maniry ny hanompo ny Tompo amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia afaka manao izany, ary tena vitsy ny tranga maningana.

Elder Holgado dia ohatra iray amin’ny afaka mirotsaka na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra manokana iainany. Nanana aretin’ny fototaraza tsy fahita firy izy hatry ny fahaterahany izay nanakana azy tsy hanao asa fitoriana mampianatra ny filazantsara. Voantso ho misiônera manao asa fanompoana i Elder Holgado ary nirotsaka an-tsitrapo ho ao amin’ny trano fitehirizan’ny eveka, izay nanampiany ny hafa handray ny fanampiana nilain’izy ireo. Nandamina ireo talantalana izy, nampiditra ireo legioma ho anaty fonosana, ary nanafisaka ireo baoritra.

Rehefa nanao lahateny tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo i Elder Holgado taorian’ny asa fitoriana nataony, dia nizara izy fa “Andriamanitra dia mila ireo misiônera manao asa fanompoana. Mila olona hitia sy hanompo ny hafa Izy. Ireo olona ireo dia mandamina taratasy fidiovana, mampiditra broccoli ho ao anaty fonosana, manamboatra fanaka, ary tsara fanahy aman’olona”.

Tsy voatery tendrena hanompo ianao na manao anarana famantarana vao hanao soa olona. Ny asa fanompoana rehetra dia ankasitrahan’ny Mpamonjy. Isika rehetra dia samy afaka manampy ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana am-pitiavana sy hatsaram-panahy. Isika rehetra dia afaka manompo ilay olona anankiray amin’ny anaran’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy miaina fiainana ahitana ny maha-ohatry ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fanompoana dia mamela antsika hahafoy ny tenantsika ho toa ny sorona velona izay eken’ Andriamanitra.

Manasa antsika i Jesoa manao hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa”.

Fahatelo, misintona ny herin’i Kristy ho eo amin’ny fiainantsika ny fanompoana

Nisy misiônera tanora iray izay nafindra avy tamin’ny fanendrena hampianatra ho amin’ny fanendrena hanao asa fanompoana, nisedra olana manokana izay nahatonga azy ho nila ny hery manasitran’i Kristy. Fanompoana feno fanolorantena no nitondra izany hery izany teo amin’ny fiainany. Hoy izy: “Nahatsapa aho fa na dia nitolona aza aho dia nahatsapa an’i Kristy nampitraka ahy. Tena misy zavatra miavaka amin’ilay hoe mahita Azy mitahy olona amin’ny alalan’ny fitahirizan-tsakafo iray, ao amin’ny tempoly, sy amin’ny alalan’ny Filazantsarany”.

Nanomboka nahatsapa fifaliana kokoa io elder io ary nitahy azy sy ny fianakaviany iray manontolo izany fahavitrihana vaovao nananany izany. Nirotsaka kokoa tao an-tokantranon’izy ireo ny Fanahy, nankany amin’ny tempoly matetika kokoa izy ireo, ary lasa zavatra ifantohana kokoa ao amin’ny fianakaviany i Kristy. Mino io misiônera io fa nanavotra ny fiainany sy nitahy ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny fanompoana i Kristy.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny fahavononana hanompo sy hampahery ny hafa dia tandindon’ny fahavononan’ny olona iray ho sitrana” amin’ny alalan’ny hery manavotry ny Mpamonjy.

Manasa antsika i Jesoa manao hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toa izany koa”.

Ohatra amin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena ireo misiônera manao asa fanompoana.

Rehefa mahazo antso ho misiônera manao asa fanompoana ianao na ny olona ao amin’ny fianakavianao, dia fotoana mampiravoravo izany. Hanana solontenan’i Jesoa Kristy voatokana mipetraka ao an-tokantranonao izao ny fianakavianao. Hanova anareo rehetra ho amin’ny tsara izany. Tsy tokony hisy fahadisoam-panantenana ao amin’ny antso rehetra hanompo. Mihira isika hoe “Ny lalanao no lalako” ary “atao anie ny sitrakao”. Eto dia fotoana iray ahafahantsika maneho fa tena izay lazaintsika tokoa no ao an-tsaintsika!

Ho anareo rehetra izay manompo, ary indrindra indrindra ho an’ireo misiônera tanora 4.000 mahery manao asa fanompoana, tianay ianareo! Raha toa ka ireo misiônera mampianatra no vavan’ny Tompo, dia ireo misiônera manao asa fanompoana no tanan’ny Tompo, ary tsy misiônera mitana laharana faharoa ianareo. Samy manan-danja ianareo tsirairay avy amin’ny fanangonana an’ Isiraely. Nampianatra ny Filoha Nelson fa “isaky ny manao zavatra izay hanampy olona ianao … mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana sy fanajana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manangona an’i Isiraely izay ianao.”

Manangona an’ Isiraely amin’ny fomba maro dia maro ianareo misiônera manao asa fanompoana, ary ny fanompoana ataonareo dia manova fiainana. Matetika tsy fantatrareo hoe iza no mahazo tombontsoa amin’ny fanompoana ataonareo, fa Andriamanitra dia mahafantatra. Tsarovy foana fa “araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tam[iny]”. Renay ny feonareo rehefa mirotsaka an-tsitrapo amin’ireo ivon-toerana fanampiana amin’ny alalan’ny antso an’ny Fiangonana ianareo; hitanay ny tsikinareo rehefa manampy eny amin’ny vondrom-piarahamonina eny ianareo; ary tsapanay ny hazavanareo rehefa manompo any amin’ireo tempoly ianareo. Mamahana ny noana ianareo, mampitafy ny mitanjaka, ary mampisotro ny mangetaheta.

Mila mandeha ka mba manao toa izany koa isika rehetra.

Ny fanompoana no maha mpianatr’i Kristy.

Ny fanompoana dia manana hery hanokatra fo ho an’ny filazantsara sy mamela antsika rehetra hanolotra ny fanahintsika manontolo ho an’i Kristy. Manova ny fontsika ho lasa tahaka ny Azy kokoa izany, ary ao anatin’izany dia mampitraka ny hafa isika. Indray mandeha ny Filoha Nelson dia nanontany hoe: “Eto amin’ity tontolo iharan’ny fahalovana ara-panahy ity, moa ve ny olona tsirairay … afaka manova zavatra?” Namaly izy hoe: “Eny! … -Ny vahoakan’ny Tompo izay nanao fanekempihavanana, … manana… ny herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe ho fiadiany- … dia afaka mampisondrotra ny fiainan’ny olona rehetra”. Amin’ny alalan’ny fanompoana isika dia manova fo sy izao tontolo izao.

“Nandehandeha nanao soa” i Kristy. Nanasitrana ny marary Izy, nampahiratra ny jamba, ary namangy ny ory. Nahandro sakafo Izy, nanampy tao amin’ny fampakaram-bady, ary nanome sakafo olona noana an’arivony. Rehefa manompo olona amin’ny anaran’i Kristy isika, dia ho lasa masina kokoa hatrany ary ho mendrika ny fanomezana ny fiainana mandrakizay. Velona i Jesoa Kristy. Izy no Mpamonjy ahy sy anao. Izy no Mpanavotra antsika. Izy no ohatra lehibe ho antsika amin’ny fanompoana. Manasa antsika tsirairay aho mba handeha ka hanao tahaka izany koa. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Marka 8:22–26.

  2. Matio 20:28.

  3. Jereo ny Matio 5: 41.

  4. Jereo ny Matio 5:42.

  5. Jereo ny Matio 22:39.

  6. Jereo ny Lioka 10:29–37.

  7. Raha mila fampahalalana momba ny misiônera tanora manao asa fanompoana sy ny fomba hirotsahana mba hanompo dia tsidiho ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary.

  8. Almà 17:23, 25.

  9. Jereo ny Almà 17:31–39; 18:9–10, 20.

  10. Almà 18:21.

  11. Jereo ny Almà 18:22.

  12. Almà 26:22.

  13. Rahavavy Bevan dia nanompo tao amin’ny misiôna mampianatra ny filazantsara tao amin’ny Misiônan’i Tampa Floride ary misiôna manao asa fanompoana tao amin’ny Misiônan’i Orem Utah.

  14. Tafa sy dinika manokana niarahana tamin’i Janae Bevan natao tamin’ny 10 jona 2025. Nahazoana lalana ny fampiasana ny tantara sy ireo teny nambara.

  15. Almà 17:11.

  16. 1 Petera 3:15.

  17. Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6–7.

  18. Feno fankasitrahana an’ny rahavavy Amy A. Wright, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany aho izay nampianatra ity fitsipika ity mivelatra kokoa.

  19. Syndrome de Rubinstein-Taybi.

  20. Tafa sy dinika manokana niarahana tamin’i Scott sy Tricia Holgado tamin’ny 3 jona 2025. Nahazoana lalana ny fampiasana ny tantara sy ireo teny nambara.

  21. Tanjon’ny misiônera manao asa fanompoana: “Manampy ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana am-pitiavana sy hatsaram-panahy tahaka ny an’ny Mpamonjy. Manompo ilay olona amin’ny Anarany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy miaina fiainana ahitana ny maha-ohatry ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, sy ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra, ary ny faharetana hatramin’ny farany.” (Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missionaries, 1.0, Gospel Library).

  22. Jereo ny Romana 12:1.

  23. Tafa sy dinika manokana niarahana tamin’i Jordan Fry tamin’ny 12 jona 2025. Nahazoana lalana ny fampiasana ny tantara sy ireo teny nambara.

  24. Russell M. Nelson, “Jesus Christ—the Master Healer”, Liahona, Nov. 2005, 87.

  25. Tamin’ny jolay 2022 izaho sy Rahavavy Evanson dia mpitarika tao amin’ny Misiônan’i Orem Utah. Niaraka tamin’ny misiôna hafa sivy manerana izao tontolo izao dia nanana tombontsoa izahay nandray anjara tamina tetikasa andrana izay nampidirana misiônera tanora manao asa fanompoana tao amin’ny misiônanay. Taorian’ny fivoriana voalohany nataonay dia nanoratra toa izao aho tao amin’ny diariko: “Nanana fivoriana iray tena miavaka izahay anio alina. Nihaona tamina misiônera vaovao 140 mahery izahay tao amin’ny misiôna niaraka tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Feno hipoka ny trano fiangonana sy ny trano fanaovana fanatanjahan-tena, ary nanatanteraka fivoriana heniky ny Fanahy sy feno fahavitrihana izahay nandray ireo misiônera manao asa fanompoana tao amin’ny Misiônan’i Orem Utah. Heniky ny fitiavana nanananay ho azy ireo aho. Samy navitrika izy rehetra ny hanompo. Tena nahafinaritra izany”. Ny karazana toe-javatra nisy an’ireo misiônera ireo dia nahitana misiônera nampianatra teo aloha izay sitrana tamin’ny ratra nahazo azy sy misiônera tsy miteny mampiasa seza misy kodiarana. Taorian’io fivoriana io dia hoy Rahavavy Evanson tamiko: “Tena feno amin’izay ity misiônantsika ity”.

  26. Jereo ny David A. Bednar, “Voantso amin’ny asa”, Liahona, mey 2017, 67–70.

  27. “Ny làlanao no làlako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56.

  28. Jereo ny Matio 23:11.

  29. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka”, Liahona, nôv. 2020, 92–93.

  30. Matio 25:40.

  31. Jereo ny Matio 25:34–36.

  32. Jereo ny Ômnia 1:26.

  33. Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings”, Liahona, Jolay 2001, 39

  34. Asan’ny Apostoly 10:38.

  35. Jereo ny Marka 1:30–31.

  36. Jereo ny Marka 8:22–26.

  37. Jereo ny Lioka 19:1–10.

  38. Jereo ny Jaona 21:9.

  39. Jereo ny Jaona 2:1–10.

  40. Jereo ny Jaona 6:5–13.

  41. Jereo ny Matio 25:34; Romana 12:1.