Ny anarana izay iantsoana anareo
Midika inona ny hoe antsoina amin’ny anaran’i Kristy?
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa raha toa ka niresaka mivantana tamintsika ny Tompo dia ny zavatra voalohany hataony izay ho azontsika dia ny hahatakarantsika hoe iza marina moa isika: zanak’ Andriamanitra isika, zanaky ny fanekempihavanana ary mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Ny fiantsoana hafa ankoatr’izany dia handiso fanantenana antsika amin’ny farany.
Nianatra izany manokana aho rehefa nahazo ny findainy voalohany ny zanako lahimatoa. Tamim-pientanentanana lehibe no nanombohany nampiditra ny anaran’ny fianakaviany sy ny an’ireo namany tao amin’ny lisitry ny olona mpifandray aminy. Indray andro dia tsikaritro fa niantso ny reniny. Niseho teo amin’ny efijery ny anarana hoe “Neny”. Safidy hendry sy mendrika izany—ary, miaiky aho fa mariky ny fanajana ho an’ilay ray na reny tsara kokoa ao an-tokantranonay izany. Mazava ho azy fa lasa te hahafantatra aho hoe: Inona no anarana nomeny ahy?
Nojereko ny lisitry ny olona mpifandray aminy, sady nihevitra fa raha toa ka “Neny” i Wendi, dia tsy maintsy ho “Ray” aho. Tsy nisy tao. Notadiaviko ny hoe “Dada”. Mbola tsy nisy ihany. Nivadika ho fanahiana malefaka ny fahalianako. “-Corey- ve no iantsoany ahy?” Tsia. Tao anatin’ny ezaka farany nataoko, dia nieritreritra aho hoe: “Mpilalao baolina kitra izahay—i -Pelé- angamba no iantsoany ahy.” Faniriana an’eritreritra fotsiny ihany izany. Farany dia izaho mihitsy no niantso ny laharany, ary nisy teny roa nipoitra teo amin’ny efijery: “Tsy i Neny”!
Ry rahalahy sy ranabavy, inona no anarana fiantso anareo?
I Jesoa dia niantso ireo mpanara-dia Azy tamin’ny anarana maro: Mpianatra. Zanakalahy sy zanakavavy. Zanaky ny mpaminany. Ondry. Sakaiza. Ny fahazavan’izao tontolo izao. Olomasina. Ny tsirairay dia manana ny lanjany mandrakizay ary manamafy ny fifandraisan’ny tena manokana amin’ny Mpamonjy.
Saingy amin’ireo anarana ireo dia misy anankiray manan-danja mihoatra noho ny hafa rehetra, dia ny anaran’i Kristy izany. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra tamin-kery hoe:
“Tsy misy anarana hafa nomena izay hiavian’ny famonjena; noho izany, dia mba tiako ny hitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy. …
“Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no manao izany, dia ho hita eo an-tànan’ankavanan’ Andriamanitra izy, satria hahafantatra ny anarana izay iantsoana azy izy; fa hantsoina amin’ny anaran’i Kristy izy.”
Ireo izay mitondra eo amin’ny tenany ny anaran’i Kristy dia lasa mpianany sy vavolombelony. Mamaky isika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nodidiana ireo vavolombelona voafidy mba hijoro ho vavolombelona fa na iza na iza mino an’i Jesoa sy natao batisa ary nandray ny Fanahy Masina dia hahazo famelan-keloka. Ireo izay nandray an’ireo ôrdônansy masina ireo dia nivory niaraka tamin’ny Fiangonana sy lasa mpanaradia ary nantsoina hoe Kristiana. Ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia mamaritra ny mpino an’i Kristy ho Kristiana ary ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia “zanak’i Kristy, dia zanany lahy sy zanany vavy”.
Midika inona ny hoe antsoina amin’ny anaran’i Kristy? Midika izany fa manao sy mitandrina fanekempihavanana, mahatsiaro Azy mandrakariva, mitandrina ny didiny, ary “vonona … ny hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra”. Midika izany hoe miara-mijoro amin’ireo mpaminany sy apôstôly rehefa mitondra ny hafatr’i Kristy, miaraka amin’ny fotopampianarany sy ny fanekempihavanany ary ny ôrdônansiny, manerana izao tontolo izao. Izany koa dia midika hoe manompo ny hafa mba hanamaivanana ny fijaliana sy ho fahazavana ary hitondra fanantenana ao amin’i Kristy ho an’ny olon-drehetra. Mazava ho azy fa zava-kendrena mandritra ny androm-piainana izany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “izany dia toerana izay tsy todin’ny olona ao anatin’ny indray mipi-maso”.
Satria ny dian’ny maha-mpianatra dia mitaky fotoana sy ezaka miorina amin’ny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”, dia mora ny ho voafandrika ao anatin’ireo anarana fiantso eo amin’izao tontolo izao. Miserana ihany ny lanja entin’izy ireny ary tsy ho ampy na oviana na oviana. Ny fanavotana sy ny zavatry ny mandrakizay dia “tonga amin’ ny alàlan’ny Mesia Masina sy ao Aminy” ihany. Noho izany, ny fanarahana ny torohevitra avy amin’ny mpaminany mba hanao laharam-pahamehana ny maha-mpanaradia dia sady tonga ara-potoana no fahendrena, indrindra amin’izao vanim-potoana ahitana feo maro miantso sy fitaoman’olona maro be izao. Izany no ivon’ny torohevitr’i Benjamina Mpanjaka rehefa nilaza izy hoe “mba tiako ny hahatsiarovanareo ny hitana ilay anaran’ [i Kristy] ho voasoratra mandrakariva ao am-ponareo, … mba handrenesanareo sy ny hahalalanareo kosa ny feo izay hiantsoana anareo, ary koa ny anarana izay hiantsoany anareo”.
Efa nahita izany tao amin’ny fianakaviako aho. Niova mandrakizay ny raibeko Martin Gassner satria nisy filohan’ny sampana iray feno fanetren-tena namaly ny antson’ny Mpamonjy. Tany Alemaina tamin’ny 1909, dia sarotra ny fiainana, ary kely dia kely ny vola. Mpaningina tao amina orinasa iray mpamokatra fantsona i Martin. Niaiky manokana izy fa ny ankamaroan’ny andro fandraisany karama dia niafara tamin’ny fisotroana, ny fifohana sigara ary ny fividianana zava-pisotro ho an’ireo namany any amin’ny toeram-pivarontan-toaka. Nampitandrina azy ny vadiny tamin’ny farany fa raha tsy miova izy dia handeha izy.
Indray andro raha teny an-dalana ho any amin’ny toeram-pivarontan-toaka dia nifanena tamin’i Martin ny mpiara-miasa aminy, niaraka tamin’ny bokikely ara-pivavahana rovi-drovitra teny an-tanany. Hitany teny an-dalana izany ary nilaza tamin’i Martin izy fa nahatsapa zavatra niavaka rehefa avy namaky ilay bokikely mitondra ny lohateny hoe Was wissen Sie von den Mormonen?, na Inona no fantatrao momba ireo Môrmôna? Azoko antoka fa efa niova io lohateny io.
Nisy adiresy napetaka teo an-damosiny izay zara fa azo vakiana mba hamantarana ny toerana misy ny fiangonana. Lavitra be ilay toerana nefa nanohina ny fon’izy ireo ny zavatra novakiany, ka nanapa-kevitra ny handeha amin’ny lamasinina izy ireo ny alahady mba hanadihady. Nony tonga izy ireo dia hitany fa tsy ilay fiangonana noeritreretiny no teo amin’ilay adiresy fa trano fikarakarana olona maty. Nisalasala i Martin, satria raha ny marina, dia hafahafa ny mahita fiangonana ao anatin’ny trano fikarakarana olona maty.
Saingy tao amin’ny rihana ambony, tao amina efitrano nofaina iray, dia nahita andiana Olomasina vitsivitsy izy ireo. Nisy lehilahy iray nanasa azy ireo hanatrika fivoriana fijoroana ho vavolombelona. Nahatsapa ny Fanahy i Martin ary tena talanjona izy tamin’ireo fijoroana ho vavolombelona tsotra sy mahery vaika ka dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona izy. Ary tao amin’izany toerana izany, izay toerana tsy nampoizina mihitsy no nilazany fa efa fantany sahady fa tsy maintsy marina izany.
Taorian’izay dia nampahafantatra ny tenany ho ny filohan’ny sampana ilay lehilahy ary nanontany raha toa ka hiverina izy ireo. Nohazavain’i Martin fa nipetraka lavitra loatra izy ka tsy manam-bola hanaovana ilay dia isan-kerinandro. Nilaza tsotra fotsiny ny filohan’ny sampana hoe: “Araho aho.”
Nandeha an-tongotra tsy dia lavitra izy ireo nankany amina orinasa iray izay iasan’ny naman’ilay filohan’ny sampana. Taorian’ny resaka fohy, dia samy notolorana asa i Martin sy ny namany. Avy eo dia nentin’ilay filohan’ny sampana tany amina trano maro rihana iray izy ireo ka nomeny trano ho an’ny fianakavian’izy ireo.
Tao anatin’ny adiny roa no nitrangan’izany rehetra izany. Nifindra monina ny fianakavian’i Martin ny herinandro nanaraka. Natao batisa izy ireo enim-bolana tatỳ aoriana. Ilay lehilahy izay fantatra tamin’ny hoe mamo lava dia lasa nafana fo tamin’ny finoany vaovao hany ka ny olona tao an-tanàna dia nanomboka niantso azy, tsy tam-pitiavana firy hoe “mpisorona”.
Raha ny amin’ilay filohan’ny sampana dia tsy afaka milaza aminareo ny anarany aho—tsy fantatra intsony ny momba azy satria efa ela dia ela no nitrangan’izany. Saingy mpianatra, iraka, Kristiana, Samaritana tsara fanahy, ary sakaiza no iantsoako Azy. Mbola tsapa hatrany ny fitaomany 116 taona aty aoriana, ary mbola misitraka ny ezaka nataony amin’ny maha mpianatra azy aho.
Misy oha-pitenenana iray milaza fa afaka manisa ireo voa ao anatin’ny paoma iray ianao saingy tsy afaka hanisa ireo paoma izay vokarin’ny voa anankiray. Namoa voa tsy tambo isaina ny voa nambolen’ilay filohan’ny sampana. Tsy ho fantany akory tamin’izany fa afaka 48 taona aty aoriana dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Bern Suisse ny taranaka maromaro avy amin’ny fianakavian’i Martin avy eo amin’ny lafy roan’ny voaly.
Angamba ny toriteny lehibe indrindra dia ireo izay tsy henontsika velively fa ireo izay hitantsika amin’ny fihetsika sy asa natao mangina sy tazana eo amin’ny fiainan’ny olon-tsotra izay miezaka ny hitovy amin’i Jesoa, izay mandendeha manao soa. Ny zavatra nataon’ity filohan’ny sampana feno hatsaram-panahy ity dia tsy tao anatina lisitrana zavatra mila hatao. Niaina fotsiny ny filazantsara araka ny voalaza ao amin’ny bokin’i Almà izy: “tsy mba [noroahany] … izay noana, na izay nangetaheta, na izay marary, … izy dia nalala-tanana tamin’ny rehetra, na antitra na tanora, … na lahy na vavy”. Ary, teboka iray tsy tokony hodian-tsy hita ny hoe tsy nandroaka na iza na iza izy ireo “na ivelan’ ny fiangonana, na ao anatin’ ny fiangonana”.
Ireo izay mitondra eo amin’izy ireo ny anaran’i Kristy dia mahafantatra, araka ny nolazain’i Joseph Smith hoe: “ny lehilahy iray heniky ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy mifaly fotsiny amin’ny fitondrana fitahiana ho an’ny fianakaviany irery ihany, fa mitety an’izao tontolo izao, maniry ny hitahy ny zanak’olombelona rehetra”.
Toy izany no fomba niainan’i Jesoa. Raha ny marina dia nanao zavatra tsy tambo isaina Izy ka tsy afaka nanoratra izany rehetra izany ny mpianany. Noraketin’ny Apôstôly Jaona hoe: “Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesoa, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra”.
Andeha isika hiezaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Kristy, hanao soa sy hanao ny maha-mpianatra ho laharam-pahamehana mandritra ny androm-piainana hany ka isaky ny mifandray amin’ny hafa isika dia hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny hery manamafy avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo. Aorian’izany isika dia afaka ny hiaraka amin’ny raibeko sy amin’ireo olon-kafa an-tapitrisany hafa izay nanambara, toa an’i Andrea mpianatra hoe: “Efa nahita ny Mesia izahay.”
Amin’ny farany, ny maha-izy antsika dia tsy araka ny famaritan’izao tontolo izao. Saingy ny maha-mpanara-dia antsika dia voafaritra amin’ ireo ôrdônansy raisintsika, ireo fanekempihavanana izay tandremantsika ary ny fitiavana asehontsika an’ Andriamanitra sy ny namana amin’ny alalan’ny fanaovana ny tsara fotsiny. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson, isika dia tena zanak’ Andriamanitra, zanaky ny fanekempihavanana, mpianatr’i Jesoa Kristy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy ary efa nanavotra antsika Izy. Izy no Ilay niteny hoe: “Efa niantso ny anaranao aho … ahy ianao”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.