Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana
Mampatanjaka sy mampifamatotra antsika ny fotopampianarantsika sy ny finoantsika ny maha mandrakizay ny fianakaviana.
Ry rahalahy sy anabaviko tiako isany, misaotra anareo noho ny vavaka ataonareo ho ahy. Tsapako ireny.
I.
Mifototra amin’ny fianakaviana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Zava-dehibe eo amin’ny fotopampianarantsika momba ny fianakaviana ny Tempoly Manome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny maha fianakaviana mandrakizay antsika ireo ôrdônansy raisina any.
Nampahafantatra fanorenana tempoly vaovao miisa 200 ny Filoha Russell M. Nelson hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2025. Tiany ny nanambara tempoly vaovao tamin’ny fiafaran’ny fihaonamben’ny fiangonana tsirairay, ary niara-nifaly taminy isika. Kanefa noho ny hamaroan’ny tempoly ankehitriny izay ao anatin’ny dingana voalohany eo amin’ny fikasana hanorina sy hanangana dia tsara raha manena kely ny hafainganam-pandehantsika isika amin’ny fanambarana tempoly vaovao. Noho izany, refaha nankatoavin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia tsy hanambara tempoly vaovao izahay mandritra ity fihaonambe ity. Ankehitriny isika hiroso amin’ny fanolorana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao, tafiditra ao anatin’izany ny fotoana sy ny toerana hanambarana ny fanorenana ireo tempoly vaovao.
Ny ampahan’ny lahateniko izay vao avy nozaraiko taminareo teo dia nosoratana taorian’ny fahalasanan’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika. Izao manaraka izao dia nosoratana sy nankatoavina herinandro maromaro mialoha, kanefa mbola maneho ireo fampianarako izay avy amin’ny fitaomam-panahin’ny Tompo.
II.
Ny fanambarana momba ny fianakaviana nambara 30 taona lasa izay, dia manambara fa “ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra” ary “fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany”. Manambara koa izany “fa ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery”. Ary “ambaranay ihany koa fa Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana.” Araka ny nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson tamin’izany, tamin’ireo mpanatrika tao amin’ny Oniversite Brigham Young, ny fianakaviana dia “fototry ny drafitr’ Andriamanitra. … Raha ny marina dia isan’ny tanjon’ilay drafitra ny hanandratra ny fianakaviana.”
Indraindray Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fantatra amin’ny hoe fiangonana mifototra amin’ny fianakaviana. Izay mihitsy! Amin’ny alalan’ny fianakaviana no anazavana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny tanjon’ny fiainantsika ety an-tany. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no drafitry ny Raintsika any An-danitra ho tombontsoan’ny zanany ara-panahy. Afaka milaza mihitsy isika fa nandritra ilay filankevitry ny fianakaviana mandrakizay no nampianarana antsika voalohany ny drafitry ny filazantsara; amin’ny alalan’ny fianakaviantsika ety an-tany no ampiharana izany; ary ny hanandratana ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao anatin’ny fiainakaviana mandrakizay no tanjona natao hiafaran’izany.
III.
Na dia eo aza io sahan-kevitra ara-potopampianarana io, dia misy ny fanoherana. Isika aty Etazonia dia ampahorian’ny fitotonganana eo amin’ny fanambadiana sy ny fananana anaka. Saika ho an-jato taonany izay no nitotonganan’ny isan’ny tokantrano misy mpivady, ary torak’izany koa ny tahan’ny fahaterahana. Tsara lavitra noho izany ny tahan’ny fanambadiana sy ny tahan’ny fahaterahana eo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika, saingy nitotongana izaitsizy koa izany. Zava-dehibe tokoa ny tsy hamerezan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahatakarany momba ny tanjon’ny fanambadiana sy ny lanjan’ny zanaka. Izany no hoavy izay ilofosantsika. “Raharahan’ny mpianakavy ny fisandratana” hoy ny nampianarin’ny Filoha Neslon antsika. “Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana manandratra ny fianakaviana”.
Mora azo ny antony ara-tantara mahatonga ny fitotongan’ny fanambadiana sy ny fananana anaka, saingy ny soatoavina sy ny fomba amam-panaon’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony hanatsara fa tsy hanaraka ireny fironana ireny.
Fony aho zatovolahy, 80 taona lasa izay, dia nipetraka tany amin’ny toeram-piompian’ny ray aman-drenibeko aho. Tany ny zava-drehetra nitranga manontolo andro dia teo ambany fitarihan’ny fianakaviana. Tsy nisy fahitalavitra na fitaovana elektrônika hafa nanelingelina ny fiaraha-mientan’ny mpianakavy. Mifanohitra amin’izany kosa anefa, eo amin’ny fiarahamonina an-drenivohitra ankehitriny dia vitsy ireo mpikambana no miaina izany hoe fiaraha-mientana mifototra tsy tapaka amin’ny fianakaviana izany. Ny fiainana an-drenivohitra sy ny fitaterana maoderina, ny fialamboly voarindra sy ny fampitam-baovao haingam-pandeha dia nanamora ny fanaovan’ny tanora ny fonenany ho toa an’ny trano fampiantranoam-bahiny izay fatoriany sy fisakafoanany tsindraindray kanefa kely dia kely ny fitarihan’ny ray aman-dreny ny zavatra ataon’izy ireo.
Nihanalefaka ihany koa ny hery mitaona ananan’ny ray aman-dreny noho ny fomba fitadiavam-bola ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana maro amin’izao fotoana izao. Taloha dia anisan’ireo hery mitaona lehibe izay nampiray hina ny fianakaviana ny fiainana ny fiaraha-miafy mba hanatrarana tanjona iraisana, toa ny fanajariana tany ngazana ho lasa toeram-piompiana na hahazoana fidiram-bola. Taloha ny fianakaviana dia rantsa-mangaikan’ny famokarana ara-toekarena izay voarindra sy nanaraka lamina. Ankehitry kosa ny ankabeazan’ny fianakaviana dia rantsa-mangaikan’ny fandaniana ara-toekarena, izay tsy mitaky fifandaminana na fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny mpianakavy.
IV.
Eo anatrehan’ny fihenan’ny hery mitaona ananan’ny ray aman-dreny, ireo Olomasin’ny Andro Farany dia mbola manana andraikitra natolotr’ Andriamanitra mba hampianatra ny zanak’izy ireo hiomana ho amin’ny anjara mandrakizain’ny fianakaviantsika any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25). Maro amintsika no tsy maintsy manao an’izany na dia tsy ny fianakaviantsika rehetra aza no manaraka ilay rafitra nentim-paharazana. Zava-misy ny fisaraham-panambadiana sy ny fahafatesana ary ny fisarahan-toerana. Niaina izany aho tao amin’ny fianakaviana nanabeazana ahy.
Maty ny raiko fony aho fito taona ka reny mpitondratena no nitaiza ahy sy ilay zandriko lahy ary ilay zandriko vavy. Nandroso hatrany izy tao anatin’ireo toe-javatra faran’izay sarotra. Irery sy trotraka izy kanefa noho ny fanampian’ny Tompo dia nitarika anay ny fampianarany tamin’ny fomba mahery vaika ny fotopampianaran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Nivavaka mafy izy mba hahazo fanampiana avy an-danitra tamin’ny fanabeazana ireo zanany ary voatahy izy! Nobeazina tao amin’ny fianakaviana sambatra iray izay maty ray izahay. Nampianariny anay fa nanan-dray izahay ary nanana vady izy ary ho fianakaviana iray foana izahay noho ny fanambadian’izy ireo tany amin’ny tempoly. Tsy teo vetivety ny rainay satria nantsoin’ny Tompo hanao asa iray hafa izy.
Fantatro fa fianakaviana maro hafa no tsy sambatra firy, kanefa ny reny tsirairay avy dia afaka mampianatra momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra iray sy ireo fitahiana azo amin’ny farany noho ny fanambadiana any amin’ny tempoly. Vitanao koa izany! Manome antoka ny fahatanterahan’izany amin’ny olon-drehetra ny drafitry ny Ray any An-danitra. Velom-pankasitrahana isika rehetra ny amin’ny fanambadiana any amin’ny tempoly sy ireo fitahiana ho azo avy amin’ny famehezana ho fianakaviana mandrakizay. Tahaka an’ilay reniko, dia tiantsika ny mindrana ilay fampanantenana nataon’i Lehia tamin’i Jakôba zanany lahy izay milaza fa Andriamanitra dia “hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao” (2 Nefia 2:2). Mihatra amin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany rehetra izany, na feno ilay fianakaviana ankehitriny na tsia. Fiangonana miompana amin’ny fianakaviana isika.
Mampatanjaka sy mampifamatotra antsika ny fotopampianarantsika sy ny finoantsika ny maha mandrakizay ny fianakaviana. Tsy ho adinoiko na oviana na oviana ny fampanantenan’i Dadabe Harris, raibe avy amin’ny reniko fony izahay ankizy nipetraka tao amin’ny toeram-piompiany teo akaikin’i Payson, Utah. Nanambara vaovao nampahaleho tamiko izy, fa hoe maty tany Denver, Colorado lavitra be tany ny raiko. Nihazakazaka nankao amin’ny efitrano fatoriako aho ary nandohalika teo akaikin’ny fandrianako, nigogogogo aok’izany. Nanaraka ahy ny raibeko dia nandohalika teo akaikiko izy sady niteny hoe: “Ho rainao aho”. Io fampanantenana mamy io no ohatra mahery vaika amin’ny zavatra azon’ny raibe sy renibe atao mba hamenoana ny banga rehefa maty na tsy eo ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.
Ny ray aman-dreny, na tokan-tena na manam-bady, na ny olon-kafa toa ny raiamandrenibe izay mitana izany anjara toerana izany ho an’ny ankizy, no mpampianatra lehibe. Ny ohatra asehon’izy ireo no fampianarana mahomby indrindra omen’izy ireo. Ny rafitry ny fianakaviana no toerana tsara indrindra hampisehoana sy hianarana soatoavina toa ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny zanaka, ny tanjon’ny fiainana, ary ny tena loharanon’ny fifaliana. Io ihany koa no toerana tsara indrindra hianarana lesona manan-danja hafa eo amin’ny fiainana, toa ny hatsaram-panahy, ny famelan-keloka, ny fifehezan-tena ary ny lanjan’ny fandrantoana fianarana sy ny asa atao amim-pahamarinan-toetra.
Mazava ho azy fa maro ireo mpikamban’ny Fiangonana manana hava-tiana izay tsy manaiky ireo soatoavina sy fitsipika mila arahina ao amin’ny filazantsara. Ny mpikambana toa izany dia mila ny fitiavantsika sy ny faharetantsika. Eo amin’ny fifandraisantsika samy isika, isika dia tokony hahatsiaro fa ny fahalavorariana katsahantsika dia tsy voafetran’ireo toe-javatra mahaketraka eto amin’ny fiainana an-tany. Ilay fampianarana lehibe ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57–59 dia manome toky antsika fa ny fibebahana sy ny fivoarana ara-panahy dia afaka mitohy any amin’ny tontolon’ny fanahy izay any aorian’ny fiainana an-tany. Manan-danja kokoa noho izany, rehefa miray hina ny fianakaviana mba hifankahery, dia tokony hotsarovantsika rehetra fa ireo fahotana sy ireo fahalemena tsy azo ihodivirana izay manjo antsika rehetra eto an-tany dia afaka ny ho voavela amin’ny alalan’ny fibebahana noho ilay Sorompanavotana be voninahitra sy manavotra nataon’i Jesoa Kristy.
V.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no ohatra faratampony ho antsika. Hotahiana isika raha mampifanaraka ny fiainantsika amin’ireo fampianarany sy ny fahafoizan-tenany. Ny fanarahana an’i Kristy sy ny fanolorana ny tenantsika mba hifanompo no fanafan’ny fitiavan-tena sy ny fiolonolonana izay toa fanao matetika loatra ankehitriny.
Ny ray aman-dreny koa dia manana adidy hampita fahalalana hoentina miatrika ny fiainana ankoatra an’ireo fitsipika ao amin’ny filazantsara. Miray hina ny fianakaviana rehefa manao zavatra manan-danja miaraka izy ireo. Manorina ny fifandraisan’ny mpianakavy ny saha volen’ny mpianakavy. Manamafy fifamatoran’ny mpianakavy ny zavatra mahafaly iainan’ny fianakaviana. Ny lasy sy ny hetsika ara-panatanjahantena ary ny fialamboly hafa dia manan-danja manokana amin’ny fampifandraisana ny fianakaviana. Ny fianakaviana dia tokony hanao fivoriam-pianakaviana mba hahatsiarovana ireo razambe, izay mitarika mankany amin’ny tempoly.
Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra ny zanaka ireo fahaiza-miaina fototra; anisan’izany ny fanaovan-draharaha eny an-tokontany sy ny fanaovan-draharaha ao an-trano. Ny fianarana fiteny hafa dia fiomanana ilaina ho an’ny asa fitoriana sy ny fiainana amin’izao vaninandro maoderina izao. Afaka hoe ny ray aman-dreny na ray aman-drenibe na havana lavitra no mampianatra an’ireo taranja ireo. Miroborobo ny fianakaviana rehefa miara-mivondrona mianatra sy miara-mikaon-doha amin’ny zavatra rehetra manahirana ny fianakaviana sy ny olona ao aminy.
Mety hisy hilaza hoe: “Ka tsy manam-potoana ho an’izany rehetra izany izahay”. Mba hahitana fotoana hanaovana ny zavatra tena manan-danja dia ray aman-dreny maro no hahita fa afaka mandefa ny fianakaviany izy ireo raha toa izy ireo ka mamono ny fitaovana ara-teknôlôjian’izy ireo. Ary tsarovy ry ray aman-dreny fa ny zavatra tena ilain’ireo ankizy ireo mandritra ny sakafo hariva dia ny fotoana miaraka aminareo.
Fitahiana lehibe no tonga amin’ny fianakaviana rehefa miara-mivavaka sy mandohalika amin’ny alina sy amin’ny maraina izy ireo mba hanolotra fisaorana noho ireo fitahiana sy mivavaka mba handresy olana iraisana. Voatahy ihany koa ny fianakaviana rehefa miara-mitsaoka mandritra ny fivoriam-bavaka sy ireo sehatra hafa misy fampaherezam-panahy. Manamafy orina ny fifandraisan’ny mpianakavy ihany koa ny tantaram-pianakaviana, ny famoronana fomba amam-panao ho an’ny fianakaviana ary ny fizarana traikefa masina. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Spencer W. Kimball fa “ireo tantara manentana ny fanahy avy amin’ny fiainantsika manokana sy ny an’ireo razambentsika … dia fitaovam-pampianarana mahery vaika”. Matetika izy ireny no loharanom-pitaomam-panahy tsara indrindra ho antsika sy ny taranatsika.
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo izay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay. Manasa antsika Izy hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitarika ho amin’ny fihaonan’ny fianakaviana any an-danitra. Ny herin’ny famehezan’ny fisoronana, tantanan’ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland no mampiray ireo fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny ,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13-16). Mitombo tsy ankijanona ankehitriny ny fampiasana azy ireo ao amin’ireo tempolin’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Tena misy izany. Andeha isika handray anjara amin’izany. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.