2025
Hijery an’Andriamanitra ka ho velona
Nôvambra 2025


14:14

Hijery an’Andriamanitra ka ho velona

Amin’ny alalan’ny fijerena an’ Andriamanitra irery ihany no ahafahan’ny tsirairay, ny fianakaviana, ary ny firenena mihitsy aza miroborobo.

Tamin’ny volana jona lasa teo dia nisy loza nahatsiravina nitranga tany amin’ny firenena Lesotho any atsimon’i Afrika. Fiaram-bahoaka kely iray izay nitondra zatovovavy 20 avy ao amin’ny Sampana Maputsoe an’ny Fiangonana sy fito tamin’ireo mpitarika azy ireo, no nandeha nihazo ny renivohitra Maseru mba hamonjy ny fivorian’ny zatovovavy avy amin’ny distrikan’izy ireo. Rehefa nandeha teo amin’ilay lalambe roazotra izy ireo ny maraina, dia nisy fiara iray avy teny amin’ilay lalana mifanohitra amin’ny lalan’izy ireo nikasa hisongona fiara iray hafa ka tafiditra tao amin’ilay lalana nizoran’ilay fiaram-bahoaka. Tsy nisy elanelana na fotoana nahafahana nisoroka ny fifandonana, ary segondra vitsy monja dia nifandona ireo fiara, ka nivadibadika nivoaka ny lalana, ary nirehitra.

Dimy ambin’ny folo no fitambaran’ny olona maty, anisan’izany ny zatovovavy enina sy mpitarika ny Zatovovavy roa ary ny Filohan’ny Sampana sy ny vadiny. Ireo sisa velona sy ireo olona tao amin’ny fianakaviana ary ireo namana dia samy naneho ny fihetseham-pony. Tao anatin’izany ny fahatezerana, ny fahakiviana, ary ny fahatsapan-tena ho meloka mihitsy aza. Na teo aza ireo fahatsapana sy ireo fanontaniana tsy nananam-baliny ireo, dia nifankahery izy ireo ary nitodika tany amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny hira masina sy soratra masina ary vavaka, izay nahitan’izy ireo fampiononana. Nijoro ho vavolombelona i Setso’ana Selebeli, fito ambin’ny folo taona izay anisan’ireo tafavoaka velona hoe: “Tia antsika sy miaraka amintsika i Jesoa Kristy, na dia maratra mafy aza ny fontsika”.

Ireo mpikambana any Lesotho

Nisy zatovovavy iray sy mpitarika iray izay naiditra hopitaly noho ny fanarahana fitsaboana may niara-nandalina ny Bokin’i Môrmôna. Hoy ny anankiray: “Namaky tao amin’ny bokin’i Môrônia izahay tato ho ato, ary milaza zavatra mitovy tsy misy valaka amin’ny zavatra tsapako i Môrônia. … Rehefa miteny izy dia toy ny milaza hoe: –Mila mianatra ireo teny ireo ianao satria nosoratana ho anao izy ireo mba hanampiana anao hamakivaky izao–”.

Fandevenana tao Lesotho

Nandritra ny fotoam-pandevenana niraisana ho an’ireo namoy aina dia nanoro hevitra ny Loholona Siyabonga Mkhize Fitopololahin’ny Vondromparitra hoe: “Tokony hitodika any amin’ny Tompo isika amin’izao fotoana izao ary hangataka Azy mba hankahery ny fontsika sy … hampitony ny fangirifiriana tsapantsika”. Namporisika i Mampho Makura filohan’ny Zatovovavy avy ao amin’ny Sampana Leribe eo akaiky hoe: “Mitodiha any amin’ny Tompo, ary mitadiava tanjaka hanekena ny sitrapony. I Jesoa Kristy no –Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy– [Hebreo 12:2]. Aza mijery any an-kafa fa mijere Azy”.

Mijere Azy. Ny teniny dia namerina ny tenin’i Almà tamin’i Helamàna zanany lahy hoe: “Ezaho izay hijerenao an’Andriamanitra ka ho velona”. Nataon’i Almà ho ohatra ny zavatra niainan’i Lehia sy ny vahoakany niaraka tamin’ny Liahona: “Fa indro, toy ny mahamora ny fanomezana lanja ny tenin’i Kristy, izay hanoro anao ny lalana mahitsy mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay, dia toy izany koa ho an’ny razantsika ny fanomezana lanja ity kompà ity izay nanoro azy ny lalana mahitsy mankany amin’ny tany nampanantenaina.” Hoy izy: “Koa raha mijery izy dia mety ho velona. … Ary raha mijery isika dia … ho velona mandrakizay”.

Tamina fotoana iray hafa i Almà dia nanome ohatra ny amin’ilay menarana varahina natsangan’i Mosesy rehefa nampahorian’ny menaran’afo ireo Isiraelita fahiny. Niteny tamin’i Mosesy ny Tompo mba hanamboatra menarana voasokitra ka hanantona izany amin’ny hazo lava miaraka amin’ny fampanantenana fa “izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany”. Nanazava i Almà fa ilay sary sokitra varahina dia maneho an’i Kristy na tandindon’i Kristy izay hasandratra eo amin’ny hazofijaliana. Maro no nijery ary velona, fa ny hafa kosa, araka ny tenin’i Almà, “mafy fo loatra” ka tsy nijery tsotra izao, ka maty izy ireny.

Nanontany Almà hoe:

“Raha toa ianareo ka azo sitranina amin’ny fanopazana fotsiny ny masonareo manodidina mba hahasitrana anareo, moa va tsy hijery faingana tokoa ianareo, sa aleonareo manamafy ny fonareo ao amin’ny tsy finoana ka hanjary malaina, ary tsy te hanopy ny masonareo manodidina ianareo mba hahafaty anareo?

“ … Dia atopazo manodidina ny masonareo amin’izany ary manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy izay hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ka ny olona rehetra dia hijoro eo anoloany mba hotsaraina araka ny asany amin’ny andro farany sady fitsarana”.

Mazava ho azy fa ilay torohevitra mba “hijery an’ Andriamanitra ka ho velona” dia manana dikany amintsika tsy any amin’ny mandrakizay ihany fa mitondra fiovana be dia be eo amin’ny toetran’ny fiainantsika eto an-tany sy ny kalitaony ihany koa. Tsarovy ny teny izay nambaran-dranabavy kely Selebeli avy any Lesotho izay efa nolazaina teo: “Tia antsika sy miaraka amintsika i Jesoa Kristy, na dia maratra aza ny fontsika”.

Ao amin’ny toetry ny tontolo lavo, izay ahitana ny fisafoahan’i Satana sy ny tsy fahalavorarian’ny olona rehetra, no hitrangan’ny fahadisoam-panantenana sy ny fanafintohinana, ny fijaliana sy ny alahelo, ny tsy fahombiazana sy ny famoizana, ny fanenjehana sy ny tsy rariny. Amin’ny alalan’ny fijerena an’ Andriamanitra irery ihany no ahafahan’ny tsirairay, ny fianakaviana, ary ny firenena mihitsy aza miroborobo. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Satria tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra ny Mpamonjy dia nanavotra antsika tsirairay tamin’ny fahalemena sy ny fahadisoana ary ny fahotana, ary noho Izy niaina ny fanaintainana sy ny fanahiana ary ny enta-mavesatra rehetra izay nanananao hatrizay [jereo ny Almà 7:11–13], dia afaka mandresy ity tontolo tsizarizary ankehitriny ity ianao rehefa mibebaka marina sy mitady ny fanampiany”.

Tsy misy fampanantenana miverimberina matetika kokoa noho ity ao amin’ny soratra masin’ny Bokin’i Môrmôna : “Raha mbola mitandrina ny didiko ianareo dia hiroborobo amin’ny tany; nefa raha tsy mitandrina ny didiko ianareo, dia hesorina hiala tsy ho eo anatrehako”. Ny zavatra niainan’ny vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny taonjato maro dia mampiseho ny fahamarinan’ireo teny ireo. Ny dikan’ny hoe “miroborobo” dia mankafy ny fitarihana sy ireo fitahiana avy amin’ny lanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny dikan’ny hoe “miroborobo” dia fahatratrarana ambaratonga ara-toekarena tsara izay nahafahan’izy ireo nanambady, nanorina fianakaviana ary nanompo tamin’ny alalan’ny famatsiana ny zavatra nilain’ny hafa. Ny “firoboroboana” dia ahitana ny fahafahana mandresy ny zava-tsarotra sy ny fitsapana. Tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy, “ny zavatra rehetra dia [n]iara-niasa hahasoa [azy ireo]”, nanatsara azy ireo, ary nanamafy ny fifandraisan’izy ireo Taminy.

Nanazava i Almà fa ny hoe mijery an’ Andriamanitra dia ny mitandrina ireo didiny, mitalaho Aminy mandrakariva mba hahazo ny fanohanany, mila hevitra Aminy amin’ny atao rehetra, ary mameno ny fontsika amin’ny fisaorana Azy andro aman’alina. Ny didin’ Andriamanitra sy ny toroheviny dia hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpanompony. Ireo fitsipika sy filamatra velabelarina ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” no ohatra voalohany indrindra. Iray hafa koa ny tari-dalana hita ao anatin’ilay boky kely Ho Zatovo Mahery!. Ny teny filamatry ny Zatovolahy sy Zatovovavy amin’ity taona ity dia ny hoe: “Banjino i Kristy”, izay nalaina avy tamin’ny torolalana feno fampaherezana nomen’ny Mpamonjy an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery hoe: “Banjino aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra”. Ny Ho Zatovo Mahery! dia miresaka ny maro amin’ireo didy sy fenitra izay tena laharam-pahamehana avy amin’ Andriamanitra, ary mampianatra ny fomba hitodihana any amin’ny Tompo eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara. Tsy torolalana ho an’ny zatovo fotsiny izany, fa ho an’ny tsirairay amintsika.

Ohatra iray tena manan-danja, ny Ho Zatovo Mahery! dia ahitana tari-dalana lehibe ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “Masina ny vatanao”. Mampianatra izany hoe: “Hajao ny vatanao sy ny an’ny hafa. Rehefa mandray fanapahan-kevitra mikasika ny fomba fitafinao sy ny endriky ny volonao ary ny endrikao ivelany ianao dia manontania tena hoe: –Manaja ny vatako ho toy ny fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ve aho?–”

Mbola manampy ny Ho Zatovo Mahery! hoe: “Hazony ho masina ny firaisana ara-nofo sy ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Tsy tokony hatao resaka sangisangy na fialam-boly izany. Ivelan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia tsy azo atao ny mikasika ny faritra saro-pady sy masina eo amin’ny vatan’olona hafa iray na dia misy fitafiana aza. Rehefa misafidy ny zavatra tokony hataonao ianao, na jerenao, na vakinao, na henoinao, na eritreretinao, na avoakanao, na alefanao amin’ny alalan’ny hafatra, dia sorohy izay zavatra mety ho iniana atao mba hampifoha fiontanam-po te hanao firaisana ara-nofo ao amin’ny hafa na ny tenanao”.

Mampahatsiahy ny fanasana nataon’ny Filoha Nelson vao tsy ela izany:

“Vitsy ihany ny zavatra hafa hanasarotra haingana kokoa ny fiainanao raha oharina amin’ny fandikana io lalàna masin’ny [fahadiovam-pitondrantena] io. Ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia ny fahalotoam-pitondrantena ao anatin’ny firaisana ara-nofo no isan’ireo fomba haingana indrindra mahavery ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

“… Ny hery hamoronana aina dia tombontsoa manokana iray amin’ny maha-andriamanitra izay avelan’ny Ray any An-danitra ampiasain’ireo zanany mety maty. Noho izany dia nametraka tari-dalana mazava Andriamanitra mahakasika ny fampiasana io hery masina sy velona io. Ny firaisana ara-nofo dia natao ho an’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ihany.

“Tsy mino izany ny ankamaroan’ny olona eto amin’izao tontolo izao, saingy tsy ny hevitry ny olona no manapaka ny atao hoe marina. Nanambara ny Tompo fa tsy misy olona maloto ara-pitondrantena ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy. … Ary raha efa naloto fitondrantena ianao, dia miangavy anao aho mba hibebaka. Manatòna an’i Kristy dia raiso ny fampanantenany famelan-keloka feno rehefa mibebaka tanteraka amin’ny fahotanao ianao [Jereo ny Isaia 1:16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43]”.

Tsarovy fa ao anatin’ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna, ny teny mifanohitra amin’ny firoboroboana dia tsy ny hoe fahantrana, fa hesorina hiala tsy ho eo anatrehan’ny Tompo. Ny hoe fanatrehany dia ilazana ny fitaoman’ny Fanahiny eo amin’ny fiainan’ny olona. Feno ny Hazavan’i Kristy avokoa izy ireo rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao. Ankoatra izany, ny sasany dia miroso amin’ny batisa sy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina miaraka amin’ny hazavana fanampiny. Izy dia mitondra fitaomam-panahy sy fitarihana, mampivoatra sy manatsara ireo fanomezam-pahasoavana sy fahafaha-manao voajanaharin’ny olona, ary manampy amin’ny fisorohana ireo fitaoman-dratsy sy fanapahan-kevitra ratsy, ary lalan-diso.

Toa anao dia mahalala olona izay nisitraka, teo aloha, ny fanomezana ny Fanahy Masina aho, saingy namoy izany fitahiana izany rehefa tsy nahomby tamin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra. Tsaroako manokana ny iray amin’ireo izay nesorina ny maha-mpikamban’ny fiangonana azy noho ny fandikan-dalàna. Ny fihetsiko voalohany dia fahatsapana fahatafintohinana, hoy izy. Nahatsapa izy fa notsaraina mpitarika tsy lavorary. Fantany ny tsy fetezan’ny fitondrantenany, saingy nanamarina izany tamin’ny fijerena ny fahadisoana sy ny lesoka nataon’ny hafa izy. Fotoana fohy taorian’izany dia nanomboka nahazo aina tamin’ny fomba fiainana ivelan’ny Fiangonana izay tsy misy adidy amin’ny antso sy fiandrasana mba hanatrika fanompoam-pivavahana ary asa fanompoana ny hafa izy.

Nitohy nandritra ny fotoana vitsivitsy izany, saingy nanomboka nahatsapa mafy kokoa ny tsy fisian’ny Fanahy Masina —ny fanatrehan’ Andriamanitra— teo amin’ny fiainany izy. Tamin’ny alalan’ny zavatra niainany dia fantany hoe manao ahoana izany manana, isan’andro, ny fampaherezana sy fitarihan-dalana ary fahatokisan-tena ateraky ny Fanahy izany, ka nalahelo izany izy. Farany dia nanao izay rehetra nilaina natao mba hibebahana izy, ary nanao izay hahafenoany fepetra indray mba hatao batisan’ny rano sy ny Fanahy.

Toa tsy manam-pahataperana ireo loharano izay itodihan’ny olona mba hahitana ny dikan’ny fiainana, fahasambarana ary fanampiana. Maro amin’izy ireo no “Mibanjina ny any ivelan’ny tanjona”. Saingy tsy tokony ho “zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana [na fomba] samy hafa rehetra”. Amin’ny alalan’ny fijerena an’ Andriamanitra dia afaka mahita fiadanana ao anatin’ny sarotra isika, ary afaka mitombo hatrany ny finoantsika na dia amin’ny fotoana hisian’ny fisalasalana sy olana ara-panahy aza. Afaka mahazo tanjaka isika na dia eo anatrehan’ny fanoherana sy fitokana-monina aza. Afaka mampifanaraka ny zavatra eritreretina ho tena filamatra amin’ny zavatra tena misy amin’izao fotoana izao isika. Tsy misy tokoa fomba hafa ankoatra ny zavatra izay efa nalahatr’ Andriamanitra mialoha, “Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa”.

Ny mijery an’Andriamanitra dia midika fa Izy dia tsy isan’ireo laharam-pahamehantsika fotsiny, fa midika izany fa Izy no hany laharam-pahamehantsika ambony indrindra. Mbola mampahatsiahy anareo ilay loza mahatsiravina tany Lesotho tamin’ny volana jona lasa teo indray aho. Teo ambony fandrianany tao amin’ny hôpitaly no nilazan’ny iray tamin’ireo mpitarika tao amin’ny zatovovavy izay tafavoaka velona, izay tsy nino an’ Andriamanitra talohan’ny nidirany tato amin’ny Fiangonana, fa ny tanjony ankehitriny dia ny hamantatra ny antony nanavotana ny ainy. “Ny fanompoana an’ Andriamanitra tsy tapaka no fomba handraisako valiny, raha toa ka mandray valiny aho”, hoy ny nambarany. “Ny fieritreretana fa tiako Andriamanitra dia zavatra nahazatra ahy, saingy ankehitriny dia tiako, tena tiako, tena tiako, tena tiako Izy. Izy izao no laharam-pahamehana [voalohany] eo amin’ny fiainako”.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina aho izay iray tanteraka amin’ny teny, ny eritreritra, ny tanjona, ary ny asa, dia Andriamanitra iray, izay azontsika itodihana ho an’ny zavatra izay tsara rehetra. Mijoro vavolombelona aho ny amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay niavian’ny hery hanatanterahana ity fampanantenana mahatalanjona ity hoe: “Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ny farany dia ho velona ianareo; fa izay maharitra hatramin’ny farany no homeko ny fiainana mandrakizay”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Ryan Jensen, “Survivors of Deadly Bus Crash in Lesotho Share Grief—and Faith—in Wake of Tragedy,” Church News, ny 18 jolay 2025, thechurchnews.com; Ryan Jensen, “‘God Is Still God’—Remembering the Lives Lost in Lesotho Bus Accident,” Church News, ny 19 jolay 2025, thechurchnews.com.

  2. Almà 37:47.

  3. Almà 37:44.

  4. Almà 37:46; nampiana fanamafisana.

  5. Jereo ny Nomery 21:5–6.

  6. Nomery 21:8.

  7. Jereo ny Almà 33:19.

  8. Almà 33:20.

  9. Almà 33:21–22. I Nefia zafikelin’i Almà, rehefa nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, dia nanampy hoe: “Ary tahaka ny hahavelona izay rehetra hiandrandra izany menarana izany, dia tahaka izany koa izay rehetra hiandrandra ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana ka manana fanahy manenina dia mety ho velona ho amin’izany fiainana izany izay mandrakizay” (Helamàna 8:15).

  10. Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana”, Liahona, nôv. 2022, 96.

  11. 2 Nefia 1:20.

  12. Romana 8:28.

  13. Hitantsika manodidina antsika ny vokatry ny fijerena an’Andriamanitra sy ny fananana ny Fanahiny miaraka amintsika. Ohatra, fikarohana maro no maneho fa “ny fitomboana ara-panahy dia mifandray amin’ny fiarovana amin’ny fahaketrahana sy ny fandraisana zava-mahadomelina tafahoatra, ary amin’ny fametrahana fifandraisana madio kokoa eo amin’ny tanora, asa misy tanjona kokoa, herin-tsaina enti-miarina ara-pihetsehampo lehibe kokoa” (Cornelia Powers, “The New Spiritual Leader on Campus,” Atlantic ny 18 Mey 2025, theatlantic.com).

    Ny fanirery maharitra, ny fitokana-monina ara-pihetsehampo, ary ny tebiteby eo amin’ny vahoaka ankapobeny dia mifanohitra amin’ny fomba fiainana ara-pahasalamana, ny fananana hery ara-batana sy ara-tsaina, ny fananana haavom-pahaizana ambony kokoa, ary ny fananana fomba fijery tsara mifototra amin’ny finoana eo anivon’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy hoe tsy miaina mihitsy ireo olana izay misy eto amin’izao tontolo izao akory isika, amin’ny maha-vahoaka iray antsika. Fa rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy kosa isika dia afaka mandresy.

  14. Jereo ny Almà 37:35–37.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  17. Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 24, 25.

  18. Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!”, Liahona, nôv. 2023, 118; nampiana fanamafisana ao amin’ny lahatsoratra niandohana.

  19. Jereo ny Jaona 1:9; Môrônia 7:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46; 93:2.

  20. Jakôba 4:14.

  21. Efesiana 4:14.

  22. Isaia 45:22.

  23. Mapule Joyce Takane, in Jensen, “Survivors of Deadly Bus Crash in Lesotho Share Grief—and Faith—in Wake of Tragedy,” thechurchnews.com.

  24. Jereo ny 1 Jaona 5:7; 3 Nefia 11:36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:28; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ny Andriamanitra,” Médiathèque de l’Évangile.

  25. 3 Nefia 15:9.