2025
Endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana
Nôvambra 2025


10:53

Endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana

Vao maika azo tsapain-tanana ny tanjaky ny Olomasintsika ao Afrika rehefa miatrika ireo fanamby eo amin’ny fiainana sy ny fitakian’ny Fiangonana iray izay mitombo izy ireo.

Herintaona mahery kely izay no nisaorana tamin’ny asa nanendrena ahy tao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny Fitopololahy aho, izay fiovana nambara teto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Koa satria novakiana niaraka tamin’ny an’ireo Manampahefana Ambony izay nankasitrahana noho ny asa vitany ny anarako, dia maro ihany koa no nihevitra fa eo am-pamaranana ny fotoam-panompoako aho. Taorian’ny fihaonambe dia naharay hafatra fankasitrahana sy firarian-tsoa maro ho an’ny dingana manaraka eo amin’ny fiainako aho. Ny olona sasany aza nanao karazana tolotra ny hividy ny tranoko ao Salt Lake Avaratra. Nahafaly tokoa ny nahita fa tsy hadino ny tena, sy ny nahafantatra fa tsy hanahirana ny hivarotra ny tranonay rehefa vita izay ataoko. Saingy tsy mbola any aloha aho.

Nitondra anay sy Monica tany amin’ilay Afrika tsara tarehy izay toerana ahitana ny fiangonana ao amin’ny firoboroboany ny fanendrena vaovao azoko. Fitahiana tokoa ny manompo eo anivon’ireo Olomasina mahatoky ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Tompo azy ireo. Manainga fanahy ny mahita ireo fianakaviana misy taranaka mifandimby, sy ireo mpikamban’ny fiangonana maro mahomby sy manam-pahalalana, manokana ny fotoanany sy ny talentany mba hanompoana ny hafa.

Etsy andanin’izany, raha jerena ny mponina eo amin’ny faritra, dia olona maro izay kely fidiram-bola no miditra ato amin’ny Fiangonana ary manova ny fiainany amin’ny alalan’ny fahatokiana amin’ny fandoavana fahafolonkarena sy ireo lalana misokatra ara-panabeazana omen’ny Fiangonana. Ny tetikasa toy ny Succeed in School, EnglishConnect, BYU–Pathway Worldwide, ary ny Perpetual Education Fund dia mitahy fiainana maro, indrindra fa ny an’ireo taranaka vao misondrotra.

Nilaza tamim-pahasahiana ny Filoha James E. Faust hoe: “Voalaza fa ity Fiangonana ity dia tsy voatery hisarika olona efa matanjaka fa matetika kokoa manova ny olon-tsotra ho tonga matanjaka”.

Vao maika azo tsapain-tanana ny tanjaky ny Olomasintsika ao Afrika rehefa miatrika ireo fanamby eo amin’ny fiainana sy ny fitakian’ny Fiangonana iray izay mitombo izy ireo. Miatrika izany mandrakariva ao anatin’ny toe-tsaina miabo izy ireo. Maneho ohatra tsara amin’ilay fampianarana fanta-daza avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson izy ireo:

“Tsy misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.

“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”

Mahita fifaliana izy ireo na eo aza ireo olan’izy ireo. Nianatra izy ireo fa ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy dia mamela antsika hiatrika zava-tsarotra amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana.

Ireo Olomasina Afrikanina

Mamelà ahy ianareo hizara vitsivitsy amin’ny zavatra niainako niaraka tamin’ireo Olomasina mahatoky izay maneho mazava ity fitsipika ity, ka atomboko amin’i Môzambika izany.

Môzambika

Volana vitsy lasa izay, dia niahy fihaonamben’ny tsatòka iray izay vao niforona herintaona monja ary misy rantsana 10 aho. Vahoaka maherin’ny 2.000 no nameno ilay trano fiangonana kely miampy tanty telo navelatra teo ivelany. 31 taona ilay filohan’ny tsatòka, 26 taona kosa ilay vadiny, ary manan-janaka kely roa izy ireo. Mitarika io tsatòka ao anatin’ny fitomboany sy manahirana io izy amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana, ary tsy mba mitaraina.

Tamina tafa sy dinika tamin’ny Patriarika no nahalalako fa narary mafy ny vadiny, ary tena sahirana izy amin’ny fikarakarana azy. Taorian’ny firesahana momba ilay olana tamin’ny filohan’ny tsatòka dia nanome azy tsodranon’ny fisoronana izahay. Naka ambavany ilay patriarika aho ny amin’ny salanisan’ny tsodranon’ny patriarika omeny.

“Valo hatramin’ny folo eo”, hoy izy.

“Isam-bolana ve?” Hoy aho nanontany.

“Isan-kerinandro!” Hoy izy namaly. Niteny taminy aho fa tsy fahendrena velively ny fanaovana izany be dia be izany isaky ny faran’ny herinandro.

“Ny Loholona Godoy”, hoy izy, “tonga isan-kerinandro izy ireo, izay ahitana mpikambana vaovao sy tanora maro”. Dia mbola amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana ary tsy ahitana taraina ihany koa izany.

Taorian’ny fivoriana Sabotsy harivan’ny fihaonambe teny amin’ny lalako mankany amin’ny hotely dia nahatsikaritra olona mividy sakafo eny amin’ny sisin’ny lalana aho, tratra alina. Nanontany ny mpamiliko aho ny antony anaovan’izy ireo izany amin’ny andro alina toy izay mandritra ny andro. Namaly ahy ilay mpamiliko fa miasa izy ireo mandritra ny andro mba hahazoana ny vola hanaovana izany aorian’izay.

“Andray, miasa izy ireo anio mba hihinana rahampitso”, hoy aho.

Fa nahitsiny aho hoe: “Tsia, miasa izy ireo mandritra ny andro mba hihinana anio alina”. Nanantena aho fa mba miaina toe-javatra tsara kokoa noho izany ny mpikambana ato amintsika, saingy nanamafy izy fa maro ny miatrika fanamby mitovitovy amin’izany ao amin’ilay firenena. Ny ampitso marainan’io, nandritra ny fivorianay ny alahady tao anatin’ny fahafantarana ny toe-javatra niainan’izy ireo, dia vao mainka nahakitika ny foko ny endrik’izy ireo mitsiky sy ny fony feno fankasitrahana.

Zambie

Teny an-dalana hamonjy fivoriana alahady iray dia nahita mpivady nandeha an-tongotra nanaraka ny arabe miaraka amin’ny zaza mena vava sy ankizy kely roa izahay sy ny filohan’ny tsatòka. Nijanona izahay mba hitondra azy ireo. Gaga sady faly izy ireo. Rehefa nanontany ny halaviran’ny lalana andehanan’izy ireo an-tongotra mankany am-piangonana aho dia namaly ilay raim-pianakaviana fa 45 minitra hatramin’ny ora iray eo, miankina amin’ny hafainganam-pandehan’ny ankizy. Manao io dia io mandroso sy miverina izy ireo isan’alahady, tsy mba mitaraina—amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana.

Malawi

Indray alahady talohan’ny fihaonamben’ny tsatòka iray dia nitsidika sampana roa aho izay mampiasa sekolim-panjakana ho trano fivoriana. Taitra aho tamin’ny fahatsoran’ireo zavatra momba ilay trano izay tsy ampy na dia ny sasantsasany amin’ireo kojakoja fototra aza. Rehefa nihaona tamin’ireo mpikambana vitsivitsy tao aho dia efa vonona ny hiala tsiny noho ireo tsy fahatomombanana eo amin’ny trano fivorian-dry zareo, saingy faly izy ireo manana toerana akaiky hivoriana, isorohana ny fandehanana an-tongotra lavitra mahazatra. Dia mbola tsy misy taraina ihany koa izany—fa amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana.

Zimbabwe

Taorian’ny sabotsy fanofanana ny mpitarika dia nentin’ny filohan’ny tsatòka tany amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady tao amina trano nofaina iray aho. Nisy olona 240 nanatrika tao. Avy eo nampahafantatra ireo mpikambana vao vita batisa miisa 10 tamin’iny herinandro iny ny eveka. Niparitaka eran’ny efitrano kely roa ny mpiangona, raha ny mpikambana sasany kosa nipetraka teo ivelan’ny trano nijery ny fivoriana avy eo amin’ny varavarankely sy varavarambe. Dia mbola tsy misy taraina ihany koa izany—fa amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana.

Lesotho

Nitsidika ity firenena kely tsara tarehy ity aho, izay antsoina koa hoe “the mountain kingdom,” mba hijery distrikan’ny Fiangonana iray izay eo am-piomanana ny ho lasa tsatòka. Taorian’ny fivoriana sabotsy dia nanatrika ny fanompoam-pivavahana Alahady tao amin’ny iray amin’ireo sampana, tao amina trano nofaina iray aho. Feno hipoka ny efitranon’ny fanasan’ny Tompo, ary nisy olona nanatrika am-pitsanganana teo ivelan’ny varavarana. Nilaza tamin’ilay filohan’ny sampana aho fa mila trano lehibe kokoa izy. Gaga aho raha nilaza tamiko izy fa vao ny antsasaky ny mpikambana ao aminy ireo. Ny antsasany iray hafa dia hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo faharoa aorian’ny ora faharoa. Dia mbola tsy misy taraina ihany koa izany—fa amin’ny endrika mitsiky sy fo feno fankasitrahana.

Niverina tany Lesotho aho taty aoriana kely noho ny lozam-pifamoivoizana namoizana aina izay nahavoa ny maro tamin’ny tanorantsika, izay efa voaresaky ny Loholona D. Todd Christofferson teo. Rehefa namangy ireo fianakaviana sy ireo mpitarika aho dia efa nihevitra ny hamantana tontolo maloka. Tsy izay anefa no nitranga fa nifanojo tamina Olomasina matanjaka sy mahari-pery aho, izay niatrika ilay toe-javatra tamin’ny fomba mankahery sy manentana ny fanahy.

Mpho Aniciah Nku

I Mpho Aniciah Nku, 14 taona, tafavoaka velona tamin’ilay loza, izay hitantsika amin’ity sary ity dia naneho mazava tamin’ny teniny manokana hoe: “Matokia an’i Jesoa ary banjino mandrakariva Izy, satria amin’ny alalany no hahitanao fiadanana, ary hanampy anao amin’ny dingan’ny fahasitranana Izy.”

Ohatra vitsy ihany ireo, izay ahitantsika ny toe-tsaina miabo ananan’izy ireo, noho izy ireo manao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainany. Fantatr’izy ireo ny hahitana fanampiana sy fanantenana.

Ny hery manasitran’ny Mpamonjy

Nahoana no mahavonjy azy ireo, sy isika, amin’ireo toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika ny Mpamonjy? Azo jerena ao amin’ny soratra masina ny valiny.

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany. …

“… Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po, … mba hahafantarany … ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny”.

Araka ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar dia tsy misy fanaintainan’ny nofo, horohoro, na fahalemena izay iainantsika ka tsy fantatry ny Mpamonjy. Izaho sy ianao rehefa ao anatin’ny fotoanan’ny fahalemena dia mety hitaraina fa hoe: -Tsy mba misy olona mahatakatra [ny zavatra lalovako]. …- Mety ho marina fa tsy misy olona mahafantatra izany. Saingy ilay Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra sy mahatakatra tanteraka izany”. Nahoana ary? Satria “Izy dia nahatsapa sy nilanja ny enta-mavesatsika talohan’ny nahatsapantsika sy nilanjantsika izany”.

Hamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ireo tenin’i Kristy hita ao amin’ny Matio 11 aho:

“Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”

Tahaka ireo Olomasina ao Afrika dia mahafantatra aho fa marina ity fampanantenana ity. Marina izany any, ary marina na aiza na aiza. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.