2025
Fahatsiarovana ny Filoha Nelson
Nôvambra 2025


“Tsarovy ny Filoha Nelson”, Liahona, nôv. 2025.

Vaovaom-piangonana

Fahatsiarovana ny Filoha Nelson

Nanome voninahitra ny Filohan’ny Fiangonana noho ny fitiavany, ny fanompoany ary ny fanolorany tena ho an’i Jesoa Kristy ireo fianakaviana, namana ary mpitarika.

Roa andro taorian’ny nifaranan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nidera ny Filoha Russell M. Nelson ho ray sy vady be fitiavana, namana lalaina, mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo feno fanolorantena, ary mpaminanin’ Andriamanitra nentanim-panahy ireo fianakaviany.

Ny fiainan’ny Filoha Nelson dia “nijoro ho vavolombelona momba ny fananany fijoroana ho vavolombelona feno fanolorantena amin’ny maha-mpaminany sy mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo azy”, hoy ny Filoha Dallin H. Oaks nandritra ny fivoriam-bavaka fanaovam-beloma farany ny Filoha Nelson tamin’ny 7 ôktôbra 2025, tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana. Ny Filoha Oaks dia niantso ny Filoha Nelson, izay nodimandry tamim-piadanana tao an-trano ny 27 septambra 2025 hoe “ny namako tiako indrindra sy mpampianatro mahay indrindra”.

Ny Filoha Oaks ihany koa dia niantso ny Filoha Nelson hoe “iray amin’ireo misiôneran’i Isiraely matanjaka indrindra am-perinasa”. Hoy izy: “Mampalefaka ny fo[n’ireo firenena sy mpitarika fivavahanana] ny tsikiny, ny hamamin’ny zavatra lazainy, ary ny hery tsapa rehefa eo izy”.

Nanome voninahitra ny Filoha Nelson ny Filoha Oaks sy ireo mpandahateny dimy hafa noho ny fitiavany sy ny fanompoany ary ny fanolorantenany ho an’i Jesoa Kristy Tompo sy ireo zanak’ Andriamanitra maneran-tany.

Nisaotra an-dRahavavy Wendy Watson Nelson sy ireo mpandahateny hafa izy noho ny fikarakarany sy ny fanohanany ny Filoha Nelson nandritra ny 19 taona nivadian’izy ireo. Naneho fankasitrahana an’i Dantzel White Nelson, vadin’ny Filoha Nelson efa nodimandry sy ireo zanany 10 ihany koa izy noho ny fahatokian’izy ireo tamin’ny “zavatra notoriana sy niainany”.

Ny Loholona Henry B. Eyring, izay niara-nanompo tamin’ny Filoha Oaks sy ny Filoha Nelson tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nijoro ho vavolombelona momba ny antso maha-mpaminany ny Filoha Nelson sy ny fahafahany ary ny faniriany hitahy ny hafa.

“Rehefa nanompo teo anilany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany aho, nanomboka tamin’ny janoary 2018, dia lasa vavolombelona manokana ny amin’ny hoe manome fitaomam-panahy ny mpaminaniny marina ny Tompo”, hoy ny Loholona Eyring. “Feno fankasitrahana aho nahafantatra ny Filoha Russell M. Nelson.”

Tao anatin’ny lahatenin’izy ireo, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nidera ny Filoha Nelson noho ny hatsaram-panahy tsy tapaka nasehony tamin’ireo olona na tao anatin’ny Fiangonana na tany ivelany.

“Niteraka fahatsiarovana tsara indrindra ny fananana fahafahana nahita azy nitia ny olona sy nahita ny olona nitia azy”, hoy ny Loholona Holland. “Ilay mpampionona sy mpanasitrana fo” no nahatsiarovany ny Filoha Nelson.

Nampian’ny Filoha Johnson hoe: “Ny Filoha Nelson dia nanova ara-bakiteny izao tontolo izao isaky ny olona tsirairay sy isaky ny fifandraisany tsirairay taman’olona, ary nanasa antsika izy hanao toy izany koa amin’ny alalan’ny fanovozana hery ao amin’ Andriamanitra amin’ny maha-vehivavy sy lehilahy mpanao fanekempihavanana antsika.”

Ny roa tamin’ireo zanaky ny Filoha Nelson, i Laurie N. Marsh sy i Russell M. Nelson Jr., dia nilaza fa niaina tamim-pifaliana ny rain’izy ireo satria nampifantoka ny fiainany tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy izy ary nanao ho laharam-pahamehana ny fanompoana ny hafa.

“Notezaina tao amin’ny tokantrano iray nifantoka tamin’ny Mpamonjy sy heniky ny fifaliana izahay”, hoy Rahavavy Marsh. Nilaza izy fa ny tanjon’ilay fianakaviana dia ny ho lasa fianakaviana mandrakizay.

Nampian-dRahalahy Nelson hoe tsy nitandro hasasarana tamin’ny fanompoana nataony ny rainy. “Nampiseho taminay tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny Filoha Nelson fa tsy misy -fakana aina- ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay nataony.” Nilaza izy fa rehefa voantso hitarika ny Fiangonana ny rainy dia nanolo-tena mba hanompo ny Ray sy ny Zanaka mandra-pahatongan’ny andro ahafatesany izy. “Izany mihitsy no nataony.”

Nanolotra vavaka tamin’ilay fivoriam-bavaka i Marjorie N. Lowder sy i Gloria N. Irion, zanakavavin’ny Filoha Nelson. Nanolotra hira ny Amboarampeon’ny Tabernakely ao Temple Square.

Natao fotoana fohy taorian’ny fanomezam-boninahitra azy tamin’ny 1 ôktôbra ny fandevenana ny Filoha Nelson ary nalefa mivantana avy tao amin’ny Tabernakely ao Temple Square. Nanome voninahitra azy ny Filoha Oaks, Ny Loholona isany Holland sy Eyring, ny Eveka Mpiahy Gérald Caussé, ny Loholona Carl B. Cook ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, ary ny Filohan’ny Kilonga maneran-tany susan H. Porter, ary nizara zavatra niainana mamy fony izy ireo nanompo niaraka tamin’ny Filoha Nelson sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba ilay fiainany mendri-piderana sy ny fanompoany tahaka ny nataon’i Kristy ary ireo fampianarany nentanim-panahy.

Tao anatin’ny teny fanomezam-boninahitra nataony dia niantso ny Filoha Nelson hoe “mpaminanin’ny fitiavana” izay “nitory ny filazantsaran’ny fitiavana” ny Filoha Oaks.

Raha te hahalala misimisy kokoa momba ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’ny Filoha Nelson dia jereo ao amin’ny Fahatsiarovana: Filoha Russell M. Nelson, 1924–2025, izay navoaka ho pejy fanampiny ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana nôvambra 2025.