2025
Manafaingana ny asany ny Tompo
Nôvambra 2025


14:55

Manafaingana ny asany ny Tompo

Eo am-panafainganan’ny Tompo ny asany, dia tokony hitia sy hikolokolo ary hanompo ireo izay manaiky ny filazantsarany isika.

Nalaza tokoa fa i Charles Dickens dia nanomboka ilay bokiny hoe Le Conte de deux cités (Ny tantaran’ireo tanàna roa) tamin’ny fanambarana fa “sady fotoana tsara indrindra ireny no fotoana ratsy indrindra”. Amin’ny lafiny iray dia marina izany amin’izao androntsika izao.

Miaina ao anatin’ny fotoana mihotakotaka isika ka “ao anaty korontana ny tany manontolo”. Ny fiangavian’ny Filoha Russell M. Nelson mba ho mpampihavana, amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy, dia nohamafisin’ny Loholona Gary E. Stevenson tsara anio maraina. Ampahany tena manan-danja amin’ny fananana firaisan-kina sy fiadanana ary fahasitranana amin’ny “fotoana ratsy indrindra” izany.

Miaina ao anatin’ny “fotoana tsara indrindra” ihany koa isika, ary izany no hohamafisiko. Nanambara ny Tompo tao amin’ny teny fanolorana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 1, fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia “ambara … hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao”. Tena manafaingana ny asany marina tokoa ny Tompo amin’izao androntsika izao. Tokony ho feno fankasitrahana lalina isika noho ilay fanafainganana, izay nitranga sy mitranga na eo aza ireo fotoan-tsarotra ireo. Miaina amin’ny andro izay hahazoan’ny mpanaradia ny Tompo fahafahana mandre ny teniny sy mamaly amin’ny fo sy fanahy misokatra isika. Mahita tanjona sy fiadanana lalina an’ny tena manokana ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay manolo-tena ho an’ny Mpamonjy sy ireo didiny.

Tamin’ireo fotoana samihafa teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nisy fitomboana goavana teo amin’ireo izay niditra teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Nitranga ny fotoana toa izany teo anelanelan’ny 1837 sy 1850. Nanompo tany Royaume Uni ny Apôstôly voalohany sasantsasany tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Niteraka fidiran’olona an’arivony ho mpikamban’ny Fiangonana ireo asa fitoriana ireo, ary tamin’ny 1850 dia nisy mpikamban’ny Fiangonana maro kokoa nipetraka tao Royaume-Uni noho ny tany Etazonia. Tamin’io fotoana io dia nodidian’ny Tompo ireo Olomasina ireo hivondrona any Utah. Nisy fifindra-monina goavana nitranga, ny sasany notohanan’ny fampindramam-bola natolotry ny Vatsim-bola ho an’ny Fifindra-monina Iombonana.

Tiako ny tantaran’ny fahatongavan’ny andiana mpikambana vaovao marobe avy tany Angletera sy Pays de Galles tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny 1852. Nihaona tamin’ny Fiadidiana Voalohany teo am-bavan’ny Emigration Canyon ilay vondrona niaraka tamin’ny Tariky ny Kapiteny Pitt. Nofariparitan’ny Deseret News izy ireo ho toa ny “vondron’ny mpanao fivahinianana masina [nahitana] rahavavy sy ankizy, nandeha an-tongotra, main’ny masoandro, ary torovan’ny toetr’andro, nefa tsy kivy; maivana sy falifaly ny fon’izy ireo, izay hita niharihary tamin’ny endrika falifaly sy mirana”.

Rehefa “namakivaky ny tokotanin’ny tempoly izy ireo, … ary lehilahy sy vehivavy ary ankizy an’arivony no nivory, avy amin’ny faritra samihafa tao an-tanàna, mba hiray hina amin’ilay fandraisana feno voninahitra sy fifaliana”. Hoy ny Filoha Brigham Young tamin’izy ireo: “Ny Tompo Andriamanitr’ Isiraely anie hitahy anareo. … Efa nivavaka ho anareo mandrakariva izahay; vavaka an’arivony no efa natolotra ho anareo isan’andro, ho an’ Ilay izay nandidy antsika hanangona an’i Isiraely, hamonjy ny zanak’olombelona amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara ary hanomana azy ireo amin’ny fiavian’ny Mesia”.

Ao anatin’ny fanahin’izany fotoana mahafaly izany dia avelao aho hanome toky indray ireo olona vao niova fo rehetra sy ireo miverina ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo hoe: Tia anareo izahay; mila anareo izahay; mila anareo ny Tompo. Mety tsy nandray anareo tamin-dobodobok’amponga sy matso lehibe izahay, kanefa angatahinay ny fitahian’ny lanitra mba hiaraka amin’ny ezaka ataonareo handrosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra any amin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy any amin’ny fanjakana selestialy.

Misy porofo mazava fa mitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nisy fitomboana niavaka teo amin’ireo olona niova fo sy ny fandraisana anjaran’izy ireo. Tao anatin’ny 36 volana lasa izay dia efa ho 900.000 ireo niova fo lasa mpikamban’ny Fiangonana. Manodidina ny 5 isan-jaton’ny fitambaran’ny mpikamban’ny Fiangonana manontolo ireo olona niova fo ireo. Miarahaba ireo mpikambana vaovao amin’ny sandry misokatra sy fankasitrahana lalina ny lalana nofidinareo izahay.

Ireo olona niova fo 900.000 tao anatin’ny 36 volana farany ireo dia mihoatra ny fitambaran’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny faha-110 taonany tamin’ny 1940, izay mihoatra kelin’ny 860.000 ny isan’ireo mpikambana. Io no taona nahaterahan’ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ary ny tenako.

Avy amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao ireo olona niova fo mahafinaritra ireo. Tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, dia nitombo mihoatra ny 20 isan-jato ny fiovam-po tany Eoropa, Afrika, Azia, Pasifika, ary Amerika Latina raha oharina amin’ny taon-dasa. Eto Amerika avaratra dia nahita fitomboana 17 isan-jato isika. Mitohy mandroso amin’ny fomba mahery vaika ny asan’ny Tompo. Ireo fitomboana an’isa ireo dia vavolombelona mazava fa mikasika fo sy manova fiainana na aiza na aiza ny filazantsara.

Amin’izao androntsika izao, dia tsy miangona eo amin’ny ivontoerana tokana intsony ireo olona niova fo sarobidy ireo. Noho ny finoana sy ny fanokanan-tena ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia misy loharanom-panampiana sy fitaovana hanohanana ireo fiangonana, miaraka amin’ny fanorenana trano fiangonana sy tempoly, manerana an’izao tontolo izao. Miaraka amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina sy ireo loharanom-panampiana sy fitaovana atolotra, dia azo tanterahina saika maneran-tany ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’izao fotoana izao.

Na aiza na aiza misy antsika dia mila mandray mpikambana vaovao an’hetsiny ireo mpikambana amin’izao fotoana izao tahaka ny nataontsika tamin’ireo Olomasina Anglisy sy Gallois izay nofariparitako teo amin’ny tantarantsika tany am-boalohany. Tiako ny lahatenin’ny Loholona Gerrit W. Gong tamin’ity fivoriana ity izay nampianarany antsika fa tsy misy olona tokony hipetraka irery na ara-pihetseham-po izany na ara-panahy.

Ny adidintsika masina dia ny manaiky sy mandray ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina. Eo am-panafainganan’ny Tompo ny asany, dia tokony hitia sy hikolokolo ary hanompo ireo izay manaiky ny filazantsarany isika. Afaka manampy amin’ny fananganana vahoakan’i Ziona isika, izay “iray fo sy iray saina, [m]iaina [a]mim-pahamarinana” isika ao. Mba ho iray amin’ny Tompo, isika dia tsy maintsy iray eo anatrehan’ny Tompo. Ny mpikambana rehetra, na inona na inona daty nanaovana batisa azy, dia samy manana andraikitra handray ny hafa.

Ny torohevitro ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana dia ny hamihinantsika ireo olom-boafidy sarobidy izay nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo.

Nampianatra antsika ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ny mpikambana vaovao dia mila “namana, andraikitra ary fivokisana amin’ny -teny soan’ Andriamanitra- (Môrônia 6:4).” Afaka ny ho isan’ireo namana ireo isika izay manome toky ireo mpikambana vaovao ireo fa manana ny toerany izy ireo ary tsy vahiny fotsiny. Afaka manampy azy ireo isika hahatakatra fa mpianatr’i Jesoa Kristy izy ireo izay afaka manompo ny hafa sy manaiky ireo antso hanompo. Tokony hieritreritra ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ireo zatovo vao niova fo. Tokony ho vonona hiezaka hanana fiainana araka an’i Kristy ny rehetra.

Maro no lasa mpikamban’ny Fiangonana niaraka tamin’ny fahafoizan-tena lehibe sy tena mila fitiavana sy fanohanan’ireo Olomasina namany.

Ho anareo izay vaovao na miverina amin’ny finoana, misy olana mety hatrehinareo. Manàna faharetana amin’ny tenanareo. Ireo misiônera dia nampianatra anao ny fotopampianarana manan-danja ary nanazava ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fanjakana izay voalaza ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Tena ilaina ny fandraisana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary ny fiainana ireo didy. Mifantoha amin’ireo fanekempihavanana ilaina amin’ny fisandratana. Ny filazantsara dia mahatonga ny fisandratana ho tanteraka, izay mitaky ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Ankoatra ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka ho an’ny lehilahy, dia tanterahina any amin’ny tempoly ireo fanekempihavanana ataontsika. Any amin’ny tempoly ihany no anatanterahana ny tsirairay amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena ireo ho an’izay efa nodimandry. Noho izany, ny fanomanana ny tenanao ho any amin’ny tempoly dia tokony ho tanjona tsy misy hatakandro.

Hahatsiaro ho tsy ampy fahalalana ianao indraindray. Ny fahalalana ny filazantsara dia fitahiana lehibe azo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana, saingy tsy ôrdônansin’ny famonjena izany. Tsy fitsapam-pahaizana ny filazantsara. Nampanantena anefa ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. … Rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo”.

Fanampin’izany, isan-taona mifandimbindimby, ny fandaharam-pampianaran’ny Fiangonana amin’ny fivoriana alahady dia miompana amin’ny Testamenta Taloha, ny Testamenta Vaovao, ny Bokin’i Môrmôna ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa mandeha ny fotoana dia hahatsapa ho matoky tena kokoa ianao rehefa mitombo ny fahalalanao momba ny filazantsara. Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina dia hitahy sy hanatsara ny fiainanao amin’ny alalan’ny fampiorenam-paka ny fiovam-ponao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny fianarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy madio dia fikatsahana atao mandritra ny androm-piainana, sady amin’ny fahatakarana fotopampianarana no amin’ny fananana fiainana tahaka ny an’i Kristy. Ireo fanekempihavanana ilaina atao dia manolotra rafitra fanohanana izay antsointsika amin’ny hoe lalan’ny fanekempihavanana. Nampianarin’ny Filoha Nelson tamin-kery ireo fitsipika ireo. Ny mpikambana rehetra, indrindra fa ireo vaovao sy ireo izay miverina mazoto indray, dia hotahiana amin’ny alalan’ny fandalinana sy fampiharana ireo hafatry ny mpaminany momba ny fanekempihavanana sy ny lalan’ny fanekempihavanana.

Raha toa ianao ka mametraka tanjona handray amim-pahamendrehana ny fanekempihavanana tsirairay ilaina amin’ny fisandratana, dia ho eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fanjakana selestialy ianao. Ny tempoly sy ny ôrdônansin’ny tempoly no tokony hifantohantsika. Ny ankamaroan’ny fanekempihavanana dia azon’ny tsirairay raisina. Ny fanekempihavanana iray, dia ny fanambadiana mandrakizay izany, dia mitaky ny fampiraisana ny ezaka ataonao amina mpiray dia iray hafa. Ny tokony ho tanjontsika dia ny hahita izany mpiray dia mandrakizay izany.

Na izany aza, aza kivy raha toa ka tsy ho amin’izao fotoana izao ny fanambadiana mandrakizay. Nampianatra ny mpaminany fa tsy hisy fitahiana hosakanana amin’ireo mpikambana mahatoky izay mitandrina ireo didy. Ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny Mpanjaka Benjamina, dia nilaza izany tamin’ny fomba mahafinaritra hoe: “ireo izay mitandrina … ny didy dia tahina amin’ny zava-drehetra, … ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina … ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana miaraka amin’ Andriamanitra”.

Raha tsy mbola hitanao izany, dia ho hitanao fa tsy tonga lafatra ny mpikambana. Ny fotopampianarana nambara dia milaza mazava fa mandritra ny fivahinianantsika eto an-tany dia hanao fahadisoana isika. Miaina ao anatin’ny tontolo tsy lavorary sy lavo isika fa tsy tontolo selestialy. Fotoam-pitsapana ity fiainana ity, miaraka amin’ny fahafahana tsy tapaka hibebahana sy hitsapana ny tenantsika.

Mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana isika rehetra rehefa miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotany dia mamela antsika hibebaka isan’andro rehefa lavo isika. Araka ny nolazain’i Nefia, mpaminany iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo”.

Rehefa mandinika ireo fanamby amin’izao androntsika izao isika dia tsy maintsy mahatsiaro fa niaina tao anatin’ny fotoan-tsarotra sy feno herisetra koa ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Tsy ny olana ara-pôlitika tamin’izany andro izany no nifantohany; fa ny fanatanterahana ny Olomasina.

Tsy mora mihitsy ny fanarahana ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ary ireo fampianarany ao anatin’izao tontolo izao izay mikorontana tsy an-kijanona. Tsy mora ho an’ny Mpamonjy izany tao amin’ny tontolo mikorontana nandritra ny fivahinianany teto an-tany, tsy mora tamin’ireo mpitarika sy mpikambana tany am-boalohany izany, ary tsy mora ho antsika izany. Soa ihany fa manome ny fitarihana izay ilaintsika manokana amin’izao androntsika izao ireo mpaminany velona. Hanohy izany lova mahery vaika ara-panahy izany ny Filoha Dallin H. Oaks.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia mandrakizay sy marina. Mijoro ho vavolombelona azo antoka sy tena misy aho fa velona i Jesoa Kristy ary noho ny Sorompanavotany dia afaka ny ho iray Aminy isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Charles Dickens, Le Conte de deux cités (1859), 1.

  2. Anisan’ireo lohahevitr’i Dickens ny firehana momba ny fiovan’ny olona iray ao anatin’ny fotoanan’ny savorovoro ara-tsôsialy.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26.

  4. Jereo ny Gary E. Stevenson, “Sambatra ny mpampihavana,” Liahona, nôv. 2025, 6–9.

  5. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:23.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73.

  7. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23; jereo koa ny Jaona 14:27.

  8. Jereo ny Asan’ny Apostoly 2:41.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112. Ity fanambarana ity dia noraisina tamin’ny 23 jolay 1837, ny andro nitoriana voalohany ny filazantsara tany Angletera tamin’ity fotoampitantanana ity. Hahafantarana misimisy kokoa momba ireo asa fitoriana ireo, dia jereo ny James B. Allen, Ronald K. Esplin, and David J. Whittaker, Men With a Mission: The Quorum of the Twelve Apostles in the British Isles, 1837–1841 (1992).

  10. Avy tamin’ny saranga mpiasa ny ankamaroan’ireo mpikambana vaovao ireo. Nandinika ny sasany tamin’izy ireo i Charles Dickens rehefa nanomana ny diany ho any Etazonia izy ireo, tao amin’ny sambo Amazon. Zavatra tsara no tao anatin’ny teniny. Nofariparitany ho “amin’ny ambaratongany, ny tsara indrindra tao Angletera” izy ireo.(“The Uncommercial Traveller,” All the Year RoundJuly 4, 1863, 446). Jereo ihany koa ny 1 Korintiana 1:26–28.

  11. Jereo ny “Arrival from England, by the ‘Perpetual Emigrating Fund,’” Deseret News, Sept. 18, 1852, 2.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:62, 70; jereo koa ny 1 Korintiana 15:40–42.

  13. Fampahalalana nomen’ny Sampan-draharaha misahana ny Mpikambana sy ny Antontan’isa sy ny Departemanta misahana ny asa fitoriana.

  14. Fampahalalana nomen’ny Sampan-draharaha misahana ny Mpikambana sy ny Antontan’isa sy ny Departemanta misahana ny asa fitoriana.

  15. Fampahalalana nomen’ny Sampan-draharaha misahana ny Mpikambana sy ny Antontan’isa.

  16. Fampahalalana nomen’ny Sampan-draharaha misahana ny Mpikambana sy ny Antontan’isa sy ny Departemanta misahana ny asa fitoriana.

  17. Nanomboka tany amin’ny 1890 tany ho any dia amporisihana mba hijanona any amin’ny tany fiaviany ireo mpikambana fa tsy hivondrona ao Utah. Ny tsatòka voalohany ivelan’ny Intermountain West dia natsangana tany amin’ny taona 1920 tany, ary ny tsatòka voalohany ivelan’i Etazonia sy Kanadà dia natsangana tao Nouvelle-Zélande (jereo ny Brandon S. Plewe, ed., Mapping Mormonism: An Atlas of Latter-day Saint History [2014], 184–85).

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16.

  19. Jereo ny Gerrit W. Gong, “Tsy misy olona mipetraka irery,” Liahona, nôv. 2025, 40–43.

  20. Mosesy 7:18.

  21. Jereo ny Jaona 17:20–21; 1 Korintiana 12:11–31.

  22. Gordon B. Hinckley, “Converts and Young Men,” Ensign, May 1997, 47.

  23. Jereo ny Jakoba 2:5; jereo ihany koa ny Matio 19:29; Romana 2:11; Efesiana 2:19; Matio 18:8–9.

  24. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 17.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.

  26. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63; jereo ihany koa ny Spencer W. Kimball: “Rehefa toa tsy misy sofina avy amin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feo avy amin’ Andriamanitra miteny, … raha mandroboka [ny tenantsika] ao amin’ny soratra masina [isika] dia hihena ny elanelana ary hiverina ny ara-panahy” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 67.

  27. Jereo ny Jaona 5:39.

  28. Jereo ohatra ny Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95; “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97–100; “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 95–98.

  29. Môzià 2:41.

  30. Jereo ny Almà 34:32.

  31. 2 Nefia 31:20.

  32. Jereo ny Efesiana 4:11–15.

  33. Jereo ny Jaona 17:20–22.