Tsy misy olona mipetraka irery
Ao anatin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fandraisana ny rehetra ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.
I.
Efa 50 taona izay no nandalinako kolontsaina, isan’izany ny kolontsain’ny filazantsara. Natomboko tamin’ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra izany.
Tao amin’ny Tanànan’ny Sinoa ao San Francisco, ireo fiaraha-misakafo harivan’ny fianakaviana Gong dia nofaranana tamin’ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra sy fehezan-teny feno fahendrena toa ity manaraka ity: “Ny dia arivo kilaometatra dia manomboka amina dingana tokana iray”.
Fony aho tanora vao herotrerony dia nanamboatra bisky an-tsinoa mirakitra hafatra. Nanao fonon-tanana fotsy vita tamin’ny landihazo aho, dia nakomboko sy naforitro araka ny tokony ho endriny ireo bisky boribory mafana avy ao anaty lafaoro.
Talanjona aho raha nianatra fa tany am-boalohany dia tsy tao anatin’ny kolontsaina sinoa ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra. Mba hanavahana ny kolontsaina momba ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra vita sinoa, sy vita Amerikana ary vita Eorôpeana, dia nitady bisky an-tsinoa mirakitra hafatra tany amin’ny kaontinanta maro aho—toa ny ho nataon’ny olona iray izay mampiasa toerana maro samihafa hanoritana amin’ny telozoro ny fototry ny doro ala iray. Ny trano fisakafoanana sinoa any San Francisco sy Los Angeles ary New York dia mandroso bisky an-tsinoa mirakitra hafatra, fa ireo any Pékin, Londres, na Sydney dia tsy mandroso. Ny Amerikanina ihany no mankalaza ny andron’ny fetim-pirenena ho an’ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra. Ny dokam-barotra any Chine dia manolotra “Bisky an-tsinoa avy any Amerika mirakitra hafatra”.
Ohatra iray mahafinaritra sy tsotra ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra. Kanefa ilay fitsipiky ny fampitahana ny fomba amam-panao any amin’ny sehatra ara-kolontsaina io ihany, dia afaka hanampy antsika hanavaka ny kolontsain’ny filazantsara. Ary ankehitriny ny Tompo dia manolotra fahafahana vaovao hianarana ny kolontsain’ny filazantsara noho ny fahatanterahan’ny fanoharana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo faminaniana momba ireo fanoharana ao amin’ny Testamenta Vaovao.
II.
Na aiza na aiza dia ahitana olona mifindra toerana avokoa. Araka ny tatitra avy amin’ny Firenena Mikambana dia misy mpifindra monina iraisam-pirenena 281 tapitrisa. Olona 128 tapitrisa mahery noho ny tamin’ny 1990 izany, ary avo telo heny noho ny vinavina tamin’ny 1970. Na aiza na aiza dia mitombo hatrany ny isan’ireo olona niova fo nahita Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mpikambana sy namana avy amin’ny firenena niaviana sy faritany 195 no miangona ao amin’ny vondron’ny Fiangonana miisa 31.916. Miteny fiteny 125 isika.
Vao tsy ela aho no tany Albanie, Macédoine du Nord, Kosovo, Alemaina, ary Soisa, nahita mpikambana vaovao nanatanteraka ilay fanoharana momba ny hazo oliva ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ao amin’ny Jakôba 5 ny Tompon’ny tanimboly sy ny mpanompony dia samy nanamafy ny fakan’ny hazo oliva sy ny rantsany amin’ny alalan’ny fanangonana sy fanaovana grefy an’ireo izay avy amin’ny toerana samihafa. Ankehitriny dia miangona ho iray ao amin’i Jesoa Kristy ireo zanak’ Andriamanitra; ny Tompo dia manolotra fomba voajanahary miavaka mba hanitarana ny fiainantsika ny filazantsarany feno naverina tamin’ny laoniny.
Nanomana antsika ho amin’ny fanjakan’ny lanitra i Jesoa ka nilaza ny fanoharana momba ny fanasana lehibe sy ny fampakaram-bady. Ao amin’ireo fanoharana ireo, ny vahiny nasaina dia nanome fialan-tsiny ny amin’ny tsy hahatongavany. Ny tompo dia nanome toromarika ny mpanompony “[h]andeh[a] faingana ho eny amin’ny lalambe sy ny sakeli-dala[n’ny] tanàna” ary “amin’ny lalambe sy ny sisim-boly” mba “hampiditra” ny mahantra sy ny kilemaina sy ny mandringa ary ny jamba. Raha amin’ny lafiny ara-panahy dia isika tsirairay avy izany.
Milaza ny soratra masina fa:
“[Asaina] ny firenen-drehetra” ho amin’ny “nahandro ao an-tranon’ny Tompo”.
“Omaninareo ny lalan’ny Tompo … mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy”.
Ankehitriny ireo izay voasa ho amin’ny nahandro ao an-tranon’ny Tompo dia avy amin’ny toerana sy kolontsaina rehetra. Ny antitra sy ny tanora, ny manan-karena sy ny mahantra, ny eto an-toerana sy ny maneran-tany, isika no mahatonga ireo vondrona ao amin’ny Fiangonantsika ho ilay fiarahamonina misy antsika.
Toa ny nahitan’i Petera izay lehiben’ny Apôstôly fahitana momba ny lanitra nisokatra ka nisy “lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra, … izay nisy ny … biby rehetra”. Nampianatra i Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra. … “Amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra [ny Tompo], ka manao ny marina no ankasitrahany”.
Ao amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, dia manasa antsika i Jesoa hifanampy sy hanatona Azy ao amin’ny tranom-bahininy—dia ny Fiangonany izany. Manasa antsika Izy ho namana tsara. Mampanantena ny hiverina sy hamaly soa ny fiahiana an’ireo izay ao amin’ny tranom-bahininy ilay Samaritana tsara fanahy. Ao anatin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fandraisana ny rehetra ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.
Ny hevitra ambadik’ilay hoe “toerana ao an-tranom-bahiny” dia ahitana ny hoe “tsy misy olona mipetraka irery”. Rehefa tonga any am-piangonana ianao ka mahita olona irery, mba azonao atao ve ny miarahaba sy miara-mipetraka aminy? Mety tsy fanaonao loatra izany. Mety tsy mitovy aminao na miteny mitovy aminao ilay olona. Ary mazava ho azy, araka ny mety holazain’ny bisky an-tsinoa mirakitra hafatra feno fahendrena iray hoe: “Ny dian’ny finamanana sy ny fitiavana ao amin’ny filazantsara dia manomboka amin’ny fiarahabana voalohany sy ny tsy fipetrahana irery”.
Ny hoe “tsy misy olona mipetraka irery” dia midika ihany koa hoe tsy misy olona mipetraka irery ara-pihetseham-po na ara-panahy. Niaraka tamina raim-pianakaviana iray vaky fo aho mba hitsidika ny zanany lahy. Taona maro talohan’izay, dia nientanentana ery ny ho lasa diakona ilay zazalahy. Tamin’izay fotoana izay koa dia nividianan’ny fianakaviany ny kirarony vaovao voalohany izy.
Saingy nony tany am-piangonana izy dia nihomehezan’ireo diakona. Vaovao ny kirarony saingy tsy nanara-damaody. Menatra sy nalahelo ilay zazalahy diakona ka nilaza fa tsy handeha any am-piangonana intsony. Mbola vaky foana ny foko ho azy sy ny fianakaviany.
Eny amin’ireo lalana feno vovoka ho any Jeriko, isika tsirairay avy dia efa nihomehezana, nolatsaina sy noratraina, angamba nohesoina na nisedra herisetra mihitsy aza. Ary tamin’ny nahim-po amin’ny ambaratonga samihafa, isika tsirairay avy koa dia efa tsy niraharaha, tsy nijery na nihaino, ary angamba ninia nandratra olona iray mihitsy aza. Noho isika rehetra efa naratra sy efa nandratra ny hafa indrindra no itondran’i Jesoa Kristy antsika ho ao amin’ny tranom-bahininy. Ao amin’ny Fiangonany sy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanany no ifanatonantsika sy anatonantsika an’i Jesoa Kristy. Mitia sy tiana isika, manompo sy anaovana asa fanompoana, mamela heloka ary voavela heloka. Mba tsarovy fa, “tsy misy fahoriana tsy ho sitran’ilay Tsitoha” hihamaivana ny zioga ety an-tany—tena misy ny fifaliana ao amin’ny Mpamonjy.
Ao amin’ny 1 Nefia 19, dia mamaky isika hoe: “Eny, na dia ny tena Andriamanitry ny Isiraely aza dia itsahan[y] amin’ny tongony; … ataony tsinontsinona. … Koa karavasiny Izy ary miaritra izany; ary [kapohany] Izy, fa miaritra izany. Eny, rorany Izy ary miaritra izany”.
Nilaza ny Profesora Terry Warner namako fa ny fitsarana, ny fikaravasiana, ny fikapohana, ary ny fandrorana dia tsy zava-nitranga tsindraindray izay niseho nandritra ny fiainan’i Kristy teto an-tany fotsiny ihany. Ny fomba fifampitondrantsika—indrindra ireo noana, ireo mangetaheta, ireo olona navela irery—no fomba itondrantsika Azy.
Ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny dia tsara kokoa rehefa tsy misy olona mipetraka irery. Aoka isika tsy hoe hampiditra na hamela ny hafa ho eo anivontsika fotsiny. Aoka isika handray tsara sy hanaiky sy hanompo ary hitia amin-kitsimpo. Enga anie ny namana sy ny ranabavy sy ny rahalahy tsirairay avy mba tsy ho vahiny na mpivahiny fa zanaka ao an-trano.
Ankehitriny dia maro no mahatsiaro ho manirery sy mitoka-monina. Ny tambajotran-tserasera sy ny ilon-tsaina artifisialy dia mety hahatonga antsika hangetaheta fifandraisana sy fifampiraharahana amin’olombelona tena izy. Te handre ny feon’ny tsirairay isika. Maniry ny hisian’ny fiombonana sy hatsaram-panahy tena avy amin’ny fo isika.
Maro no antony mahatonga antsika hahatsapa fa tsy manana anjara toerana ao am-piangonana isika—izany hoe azo lazaina ihany koa fa mipetraka irery isika. Mety manahy momba ny fomba fitenintsika, ny fitafiantsika, ny toe-javatra misy ny fianakaviantsika isika. Mety mahatsapa mihitsy isika hoe tsy mahay, misy fofon-tsigara, maniry mafy ny hanana fahadiovam-pitondrantena, nisaraka taman’olona ka mahatsapa ho maratra sy afa-baraka, sahiran-tsaina momba ny fenitry ny Fiangonana iray na maromaro. Mety ho tokantena isika na nisara-panambadiana na maty vady. Mety mitabataba be ny zanatsika; na koa tsy manan-janaka isika. Tsy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno isika na nody talohan’ny fotoana. Etsetra etsetra.
Manasa antsika ny Môzià 18:21 mba hanana fo mifamihina ao amin’ny fifankatiavana. Manasa antsika aho hiala amin’ny fiahiahiana, ny fitsaratsarana, tsy hitaky be loatra amin’ny hafa—ary, rehefa ilaina, tsy ho sarotiny loatra amin’ny tenantsika. Tsy ao anatin’ny iray andro isika no hanangana an’i Ziona. Kanefa ny “manahoana” tsirairay avy, ny fihetsika feno hafanana tsirairay avy, dia mampanakaiky kokoa an’ilay Ziona. Ndeha isika hatoky kokoa ny Tompo ary hisafidy amim-pifaliana ny hankatò ny didiny rehetra.
III.
Araka ny fotopampianarana, ao amin’ny ankohonan’ny finoana sy ny fiombonan’ny Olomasina dia tsy misy olona mipetraka irery noho ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana ao amin’i Jesoa Kristy.
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Avela amintsika ny hahita sy handray anjara ary hanampy amin’ny fampandrosoana ny voninahitry ny andro farany”, -ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana: … , rehefa hangonina ho iray avy amin’ny firenena sy ny taranaka ary ny mponina rehetra ny Olomasin’ Andriamanitra”.
Andriamanitra dia “tsy manao na inona na inona afa-tsy ho tombontsoan’izao tontolo izao; … mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy. …
“… Ary manainga ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; … ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”.
Ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy dia mitaky antsika hanaisotra ny maha olona araka ny nofo sy ny kolontsain’izao tontolo izao. Araka ny nampianarin’ny Filoha Dallin H. Oaks, dia tokony hialantsika izay fomba amam-panao sy kolontsaina rehetra mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra mba ho tonga Olomasin’ny Andro Farany. Nanazava izy fa, “Misy kolontsaina miavaka ao amin’ny filazantsara, andiana soatoavina sy zavatra andrasana ary fomba fanao iraisan’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany”. Tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny filazantsara ny fahadiovam-pitondrantena, ny fandehanana any am-piangonana isan-kerinandro, ny fifadiana zava-pisotro misy alikaola, sigara sy paraky, dite miteraka fiankinan-doha sy kafe. Tafiditra ao anatin’izany ny fahamarinan-toetra sy ny fahitsian-toetra, ny fahatakarana fa raha ny momba ireo anjara toerana ato amin’ny Fiangonana dia tsy misy izany hoe antso ambony na ambany izany fa mivoatra hatrany kosa isika.
Mianatra avy amin’ny mpikambana sy namana mahatoky any amin’ny firenena sy kolontsaina rehetra aho. Ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fiteny sy fomba fijery ara-kolontsaina maro dia mampitombo ny fahatakarana ny filazantsara. Ireo fanehoana samihafa ny toetra tahaka ny an’i Kristy dia mampitombo ny fitiavako sy ny fahatakarako ilay Mpamonjy ahy. Voatahy ny rehetra rehefa ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, ny maha-zanaky ny fanekempihavanana antsika, ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, no hoentintsika hamaritana ny kolontsaintsika.
Ny fiadanana atolotr’i Jesoa Kristy dia natao ho antsika manokana. Vao haingana no nanontany ahy tamin-kitsimpo ny zatovolahy iray hoe: “Ry Loholona Gong a, mbola afaka ny handova ny fanjakan’ny lanitra ve aho?” Nanontany tena izy raha toa ka ho voavela heloka ihany indray andro any. Nanontaniako ny anarany, nohenoiko tsara izy, ary nanasa azy hiresaka amin’ny evekany aho, dia nofihinoko mafy izy avy eo. Nony nandeha izy dia nanana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy.
Niresaka momba ilay tovolahy aho tamin’ny toe-javatra hafa. Taty aoriana dia naharay taratasy tsy nosoniavina aho izay nanomboka tamin’ny hoe: “Loholona Gong, izaho sy ny vadiko dia manan-janaka sivy … ary indroa izahay no nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno”. Saingy “nanana fahatsapana foana aho fa tsy havela hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy … satria tena ratsy loatra ny fahotana vitako fony aho mbola tanora!”
Nitohy ilay taratasy nanao hoe: “Loholona Gong, rehefa niresaka momba ilay zatovolahy nahazo fanantenana ny famelan-keloka ianao dia heniky ny fifaliana aho, nanomboka nahatsapa fa angamba [afaka ny ho voavela ihany] aho”. Nifarana ilay taratasy hoe: “Ary lasa tiako mihitsy aza ny tenako izao!”
Miorim-paka ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana rehefa mifanatona isika sy manatona ny Tompo ao amin’ny tranom-bahininy. Mitahy antsika rehetra ny Tompo rehefa tsy misy olona mipetraka irery. Ary iza no mahalala? Mety ho lasa ny namantsika akaiky indrindra tsy ampoizina toa ny hafatra mifono fahendrena ao anatin’ny bisky an-tsinoa ilay olona hiarahantsika mipetraka io. Enga anie isika hahita toerana sy hanome toerana ho Azy sy ny tsirairay amintsika ao amin’ny fanasan’ilay Zanak’ondry, izany no vavaka ataoko am-panetrentena amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.