Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ataovy amin’ny fonao manontolo ny anjara adidinao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


15:22

Ataovy amin’ny fonao manontolo ny anjara adidinao

Matokisa ny Mpamonjy ary manolora tena amim-paharetana sy amim-pahazotoana amin’ny fanaovana ny anjara adidinao amin’ny fonao manontolo.

Tamin’ny herintaona nandritra ny dia iray nankany Eorôpa dia nitsidika ny toerana niasako taloha aho, ny orinasam-pitaterana an’habakabaka alemana Lufthansa ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Francfort.

Mba hanofanana ireo mpanamory ao aminy, dia mampiasa fitaovam-panazarana fanamoriana voromby avo lenta afaka mihetsika tanteraka maro izy ireo izay afaka mamerina mamorona ny ankabeazan’ireo toe-javatra iainana mandritra ny sidina toa ny mahazatra sy rehefa misy voina tampoka. Nandritra ireo taona maro naha-kapiteny ahy tao amin’ny zotram-piaramanidina, dia tsy maintsy nanao fanaraha-maso ny fahaizana manamory fiaramanidina tao amin’ilay fitaovam-panazarana fanamoriana voromby isaky ny enim-bolana aho mba hampanan-kery hatrany ny fahazoan-dàlana ahafahako manamory fiaramanidina. Tadidiko tsara ireo fotoana ireo izay nahatsapana ahiahy sy tebiteby mafy, kanefa koa nahatsapana fahombiazana rehefa afaka tamin’ilay fitsapam-pahaizana. Tanora aho tamin’izany ary tiako ilay fanamby.

Nandritra ny fitsidihako, dia nanontany ahy ny iray tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Lufthansa raha toa aho ka te hanandrana indray ka hanamory ilay fitaovam-panazarana fanamoriana 747 indray mandeha.

Raha tsy mbola tonga saina tsara ny momba ilay fanontaniana akory aho dia nahare feo—izay mahagaga fa mitovy be amin’ny feoko—niteny hoe: “Eny, tena ho tiako be izany”.

Vantany vao niteny ireo teny ireo aho dia nisy eritreritra be dia be nitobaka tao an-tsaiko. Tena efa ela aho no tsy nanamory 747. Kapiteny tanora sy natoky tena aho tamin’izany. Amin’izao aho dia fanta-daza ho mpanamory ikoizana efa tsy am-perinasa intsony. Moa ve aho hanala baraka tena eo anatrehan’ireo matihanina ireo?

Saingy efa tara loatra tamin’izay ka tsy afaka niova hevitra intsony, ka dia nipetraka teo amin’ny sezan’ny kapiteny aho, nametraka ny tanako teo amin’ireo fibaikoana efa mahazatra sy tena tiako, ary nahatsapa indray ilay fifaliana lehibe eny am-panidinana rehefa nirohondrohona nandeha teo amin’ny làlana iny ilay fiaramanidina lehibe ka niainga niditra tao amin’ilay lanitra mangamanga hivoaka ho any amin’ny habakabaka malalaka.

Faly aho milaza fa nahomby ilay sidina, tsy nisy fahasimbana tamin’ilay fiaramanidina, ary tsy afa-baraka ny tenako.

Na izany aza anefa dia nampanetry tena ahy ilay zavatra niainako. Fony aho mbola tanora sy natanjaka tsara dia zavatra nahazatra sy nandeha ho azy tamiko ny manamory fiaramanidina. Amin’izao fotoana izao kosa dia mitaky ny fifantohako rehetra ny manao ireo zavatra fototra.

Mila fifehezan-tena ny maha-mpianatra

Ny zavatra niainako tao amin’ilay fitaovam-panazarana fanamoriana voromby dia fampahatsiahivana manan-danja fa ny fiezahana hahay zavatra iray, na inona izany na inona—na fanamoriana fiaramanidina izany, na fivoizana lakana, na famafazam-boa, na ny fahafantaran-javatra—dia mitaky fifehezan-tena sy fanazaran-tena tsy tapaka.

Mety handany taona maro ianao mba hahazoana fahaiza-manao na hampivoarana talenta iray. Mety hiasa mafy tokoa ianao ka ho lasa toa ny zavatra efa mahazatra sy mandeha ho azy aminao izany. Saingy raha mihevitra ianao fa ny dikan’izany dia hoe afaka mijanona tsy manao fanazaran-tena sy tsy mianatra intsony ianao, dia hihavery tsikelikely ny fahalalana sy ny fahaizana azonao taloha izay novidianao lafo.

Voakasik’izany ireo fahaiza-manao toa ny fianarana fiteny, fitendrena zava-maneno, ary ny fanamoriana fiaramanidina. Voakasik’izany koa ny fahatongavana ho mpianatr’i Kristy.

Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia mitaky fifehezan-tena ny maha-mpianatra.

Tsy ezaka tsotra izany ary tsy tongatonga ho azy eny fotsiny.

Fanomezam-pahasoavana ny finoana an’i Jesoa Kristy, kanefa ny fahazoana izany dia safidy atao amim-pahatsiarovan-tena izay mitaky fanolorana ny “herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika]” rehetra. Fampiharana atao isan’andro izany. Isan’ora. Mitaky fianarana sy fanolorantena tsy tapaka sy amim-pahavononana izany. Lasa mihamatanjaka ny finoantsika sy ny fahatokiantsika ny Mpamonjy rehefa sedraina amin’ny fanoherana atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Maharitra izany satria manohy mikolokolo izany isika, manohy mampihatra izany amim-pahavitrihana isika, ary tsy milavo lefona mihitsy isika.

Etsy an-kilan’izany, raha tsy mampiasa finoana sy ny heriny mandresy lahatra isika, amin’ny alalan’ny fampiharana azy, dia lasa misalasala isika ny amin’ireo zavatra izay noraisintsika ho masina teo aloha—tsy dia matoky ireo zavatra izay fantatsika teo aloha fa marina.

Ireo fakam-panahy izay tsy ho nahasarika antsika mihitsy dia manomboka lasa tsy dia mampatahotra firy ary lasa mahasarika kokoa.

Ao anatin’ny fotoana voafetra ihany no ahafahan’ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona nananantsika taloha mampiredareda ny finoantsika. Mila fikolokoloana tsy tapaka izany mba hampiredareda azy hatrany.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao ny Mpamonjy dia nampianatra fanoharana momba ny mpampiasa iray izay nanome andraikitra masina hosahanin’ny mpanompony tsirairay avy—vola voafaritra antsoina hoe talenta. Ireo mpanompo izay nampiasa tamim-pahazotoana ny talentany dia nampitombo izany. Ilay mpanompo nanafina ny talentany dia namoy izany tamin’ny farany.

Inona no lesona tsoahina avy amin’izany? Manome antsika fanomezam-pahasoavana Andriamanitra—dia ny fahalalana, fahaizana, fahafahana hanao zavatra—ary tiany isika hampiasa sy hampitombo azy ireny mba hahafahan’izany mitahy antsika sy mitahy ireo zanany hafa. Tsy mitranga izany raha apetratsika eny ambony talantalana toa ny amboara izay deraintsika tsindraindray eny fotsiny izy ireny. Tsy mihalehibe sy mitombo isa ireo fanomezam-pahasoavana azontsika raha tsy rehefa ampiasaintsika.

Manan-talenta ianao

Mety hiteny ianao hoe: “Ka izao anie ry Loholona Uchtdorf e! Tsy manana fanomezam-pahasoavana na talenta aho—ary raha manana aza, dia tsy misy ilana azy firy izany”. Angamba ianao mijery ireo olona hafa manana fanomezam-pahasoavana hita mibaribary sy mahatalanjona dia mahatsapa ho olona tsy miavaka raha ampitahaina amin’izy ireo. Mety hihevitra ianao fa fony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, tamin’ny andro nandrosoana ny hanim-pitolohan’ny fanomezam-pahasoavana sy talenta tena tsara, dia toa zara raha nisy teo an-dovianao—indrindra fa raha ampitahaina amin’ny lovian’ny hafa izay sesehena sy nitobaka.

Raha mba afaka mamihina anao mantsy aho ary manampy anao hahatakatra ity fahamarinana lehibe ity: olona voatahy manana fahazavana ianao, zanaka ara-panahin’ Andriamanitra tsy manam-petra! Ary ianao dia mitondra ao anatinao fahafaha-manao zavatra izay tsy takatry ny sainao ny halehibeny.

Ny mpanoratra tononkalo dia nilaza fa tonga eto an-tany “mitaritarika sombin-drahon’ny voninahitra” ianao!

Avy amin’ Andriamanitra ny tantara niandohanao, ary toa izany koa ny hiafaranao. Nandao ny lanitra ianao mba ho tonga ety, kanefa tsy mbola nandao anao ho irery ny lanitra!

Olona miavaka ianao.

Manan-talenta ianao!

Manambara Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa:

“Misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray.

“Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra”.

Voatanisa ao amin’ny soratra masina ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana omena antsika. Fa ny ankamaroany dia tsy voatanisa ao.

Araka ny voalazan’ny mpaminany Môrônia hoe: “[Aza mandà] ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra, satria maro ireo; ary avy amin’ Andriamanitra iray ihany ireo”. Mety hiseho amin’ny “fomba samihafa [izy ireny] … ; nefa Andriamanitra iray ihany no miasa ao amin’izy rehetra”.

Mety ho marina fa tsy hita mibaribary ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananantsika, saingy tsy midika izany fa latsa-danja izy ireny. Moa ve azoko atao ny mizara aminareo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay tsikaritro amin’ny mpikambana maro manerana izao tontolo izao? Saintsaino raha toa ka manana ny iray amin’ireto fanomezam-pahasoavana ireto na mihoatra izany ianao:

  • Fanehoana fangorahana.

  • Fahitana ireo olona tsy misy miraharaha.

  • Fahitana antony hifalifaliana.

  • Fijoroana ho mpampihavana.

  • Fahitana ireo fahagagana bitika.

  • Fandokafana olona tena an-kitsim-po.

  • Famelana heloka.

  • Fibebahana.

  • Faharetana.

  • Fanazavana zavatra amin’ny fomba tsotra.

  • Fifandraisana amin’ny zanaka na ny ankizy.

  • Fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Fanampiana ny hafa mba hahatsapany fa manana ny toerany izy ireo.

Mety tsy hahita ireo fanomezam-pahasoavana ireo haseho any amin’ny fampisehoana talenta eo anivon’ny paroasy ianao. Antenaiko kosa anefa fa hitanao ny hasarobidin’izy ireny amin’ny asan’ny Tompo sy ny fomba mety nikasihanao, na nitahianao, na namonjenao mihitsy aza ny iray amin’ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana anananao. Tadidio fa: “Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe”.

Koa andao isika tsirairay avy hanao ny anjara asa kelintsika.

Ataovy ny anjara adidy kelinao

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ry namana malala, mivavaka aho mba hanampian’ny Fanahy anareo hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nomen’ Andriamanitra anareo. Ary andeha isika, tahaka ireo mpanompo mahatoky tao amin’ilay fanoharan’ny Tompo, hampitombo sy hanatsara azy ireny.

Ho avy ilay andro izay hijoroantsika eo anoloan’ny Raintsika any An-danitra be fangorahana hanaovantsika tatitra ny fitantanan-draharaha nataontsika. Ho tiany ny hahafantatra izay nanaovantsika ireo fanomezam-pahasoavana nomeny antsika—indrindra fa ny fomba nampiasantsika izany mba hitahiana ireo zanany. Fantatr’ Andriamanitra hoe iza marina isika, novolavolaina ho tonga olona manao ahoana isika, ka noho izany dia miandry zavatra be dia be amintsika Izy.

Saingy tsy miandry antsika hanao vikina lehibe, na toa ny fanaon’ny olona be herim-po, na mihoatra izay vitan’ny olombelona Izy mba hahavitantsika izany. Ao amin’ny tontolo nohariany, dia mitranga tsikelikely sy amim-paharetana ny fivoarana—kanefa mitohy tsy tapaka sy amim-pahatapahan-kevitra.

Tsarovy fa i Jesoa Kristy no efa nanao ilay anjara tsy vitan’olombelona rehefa nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana Izy.

Manara-dia an’i Kristy no anjarantsika. Anjarantsika ny miala amin’ny fahotana, mitodika amin’ny Mpamonjy, ary mandeha amin’ny lalany, manao dingana iray isaky ny mandeha. Rehefa manao izany amim-pahazotoana sy amim-pahatokiana isika, dia manaisotra ny gadran’ny tsy fahatanterahana sy ny fahadisoana any aoriana any ary ho lasa madio tsikelikely mandra-pahatonga izany andro lavorary izany izay hahatanterahana antsika ao amin’i Kristy.

Afaka ny ho azo ireo fitahiana. Efa mipetraka ireo fampanantenana. Mivoha midanadana ny varavarana. Safidintsika ny miditra sy manomboka.

Mety hanomboka amin’ny zavatra kely ianao. Fa tsy maninona izany.

Raha marefo ny finoana dia atombohy amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy Jesoa sy ny heriny mba hanadio sy hanarina.

Mangataka antsika ny Raintsika mba tsy hiatrehantsika io fizahan-toetra ny finoana sy ny maha-mpianatra io toa ny mpizaha tany tsotra, fa ny mba hiatrehantsika izany toa ny mpino manolo-tena marina, izay mandao an’i Babylôna ary mampitodika ny fony sy ny sainy ary ny diany mankany Ziona.

Fantatsika fa tsy hahatonga antsika ho selestialy velively raha ny ezaka ataontsika fotsiny ihany. Saingy afaka mahatonga antsika ho mahatoky sy manolo-tena ho an’i Jesoa Kristy izy ireny, ary Izy dia afaka mahatonga antsika ho selestialy.

Noho ny Mpamonjy malalantsika dia tsy misy izany toe-javatra tsy ahatafavoahana ho mpandresy izany. Raha mametraka ny fanantenantsika sy ny finoantsika ao Aminy isika, dia azo antoka ny fandresentsika. Mampanantena antsika hahazo ny tanjany sy ny heriny ary ny fahasoavany sesehena Izy. Hanakaiky kokoa hatrany tsikelikely izany andro lehibe sy amin’ny mitataovovonan’ny andro izany isika izay hiarahantsika mitoetra Aminy sy ireo olon-tiantsika ao amin’ny voninahitra mandrakizay.

Mba hahatongavana any dia tsy maintsy manao ny anjarantsika isika androany sy isan’andro. Feno fankasitrahana ny amin’ireo dingana nataontsika teo aloha isika, kanefa tsy mijanona hatreo. Fantatsika fa mbola lavitra ny lalana, izay halehantsika, kanefa tsy avelantsika hanakivy antsika izany.

Izany no toetra manan-danja maha-isika antsika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika.

Mamporisika mafy sy mitsodrano ny mpikambana tsirairay ato amin’ny Fiangonana aho, ary ireo rehetra izay maniry ny ho mpikambana, mba hatoky ny Mpamonjy ary hanolo-tena amim-paharetana sy amim-pahazotoana amin’ny fanaovana ny anjara adidinao amin’ny fonao manontolo—mba ho feno ny fifalianao ary, indray andro any, handray izay rehetra ananan’ny Ray ianao. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Takina ny hanaovan’ireo kapiteny amin’ny zotram-piaramanidina fanaraha-maso ny fahaizana manamory fiaramanidina ao amin’ny fitaovam-panazarana isaky ny enim-bolana mba hihazonana ny fahaiza-manaon’izy ireo sy hanavaozana ny fahazoan-dalany. Io fiofanana henjana io dia zavatra takin’ny fitsipika napetrak’ireo manampahefana eo amin’ny sehatry ny zotram-piaramanidina toa ny FAA.

  2. Jereo ny 1 Korintiana 12:9.

  3. Môrônia 10:32.

  4. “Tahaka ny tsy ahafahan’ny hozatra amin’ny vatantsika mitombo na voatazona raha tsy manohitra ny lalàn’ny ivom-besatra, dia toa izany koa no itakian’ny fivoarana eto amin’ny fiainana an-tany antsika mba hanohitra ireo fakam-panahin’i Satana sy ireo fanoherana hafa misy eto amin’ny fiainana an-tany” (Dallin H. Oaks, “Fanampian’ Andriamanitra hiatrehana ny fiainana an-tany”, Liahona, mey 2025, 104).

  5. Jereo ny Almà 32:37–43.

  6. Jereo ny Matio 25:14–30. Tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nilaza an’io fanoharana io ny Tompo rehefa niteny mafy tamin’ireo izay nanafina ny talenta nomeny azy ireo. Nampitandrina azy ireo mihitsy aza Izy fa raha manohy manafina ny talentany izy ireo “dia halaina aminy na dia izay ananany aza” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2–3).

  7. Indraindray isika dia manantitrantitra diso tafahoatra ny maha-zava-dehibe ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ka manao tsinontsinona ny ezaka tsy an-kijanona. Nanoratra izao ny iray amin’ireo mpanoratra malaza indrindra amin’izao androntsika izao: “Mazava ho azy fa tsy maintsy hoe misy talenta ao, kanefa ny talenta dia zavatra tena mora vidy, mora noho ny sira fampiasa ao an-dakozia. Ny tsy mampitovy ny olona manan-talenta amin’ny olona mahomby dia ny asa sy ny fianarana mafy; dingana tsy tapaka atao mba hanatsaran-javatra” (Stephen King, Danse Macabre [2011], 88).

  8. “Ode: Intimations of Immortality from Recollections of Early Childhood,” The Poetical Works of William Wordsworth (1835), 249.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12.

  10. Môrônia 10:8.

  11. Taona maro lasa izay, ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome hafatra miavaka momba ireo fanomezam-pahasoavana sasany hita mibaribary; jereo ny “There Are Many Gifts,” Ensign, Nov. 1987, 20–23).

  12. Almà 37:6.

  13. Jereo ny Kolosiana 3:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34.

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 50:24.

  15. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahafahana misafidy”.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.