Fantaro hoe iza marina moa ianao
Na aiza na aiza no misy antsika eo amin’ny lalan’ny maha mpianatra, dia hiova tanteraka ny fiainantsika raha takatsika tsara hoe iza marina moa isika.
Taona maro lasa izay, dia nanana traikefa nandona fanahy tamin’ny asa fitoriana nataony ny zanakay vavy. Rehefa nahazo lalana avy taminy aho dia hizara ampahany amin’ny zavatra nosoratany ho anay tamin’izany herinandro izany:
“Niangavy anay mba hitsidika azy faran’izay haingana indrindra ny mpikambana niverina nazoto iray omaly. Rehefa tonga izahay, dia hitanay teo amin’ny tany izy, nigogogogo tsy hay nampanginina. An-dranomaso no nitantarany ka nahalalanay fa very asa izy ary ho voaroaka hiala ny tranony, ka tsy hanan-kialofana indray”.
Hoy ilay zanakay vavy nanohy hoe: “Nanomboka nikoropaka nikaroka tao amin’ny soratra masiko aho niezaka nitady zavatra—na inona na inona—hanampiana azy. Teo am-pikarohako ny andinin-tsoratra masina noheveriko ho mety indrindra, dia nieritreritra aho hoe: -Fa inona re ity ataoko e? Tsy izany no ho nataon’i Kristy. Tsy olana azoko vahana ity, fa zanakavavin’ Andriamanitra ara-bakiteny izay mila ny fanampiako-. Noho izany dia nakomboko ny soratra masiko, nandohalika teo anilany aho, ary nitazona azy sady niara-nitomany taminy, mandra-pahavonona azy hitsangana sy hiatrika ity fitsapana ity”.
Rehefa nahazo fampiononana io vehivavy io, dia nampiasa soratra masina ny zanakay vavy mba hanandrana sy hanampy azy hahatakatra ny tena fisian’ny hasarobidiny masina sy mba hampianatra azy ny iray amin’ireo fahamarinana fototra momba ny antom-pisiantsika, fa isika dia zanakalahy sy zanakavavy malalan’ Andriamanitra, ilay Andriamanitra izay mahatsapa fangorahana lavorary ho antsika rehefa mijaly isika ary vonona ny hanampy antsika rehefa miarina isika.
Hevitra feno hakingana ny hoe ny fotopampianarana voalohany ampianarin’ireo misiônerantsika dia ny hoe Andriamanitra no Raintsika be fitiavana any An-danitra. Ny fahamarinana manaraka rehetra dia miorina amin’ny fahatakarana fototra ny hoe iza marina isika.
Nampianatra i Susan H. Porter, Filohan’ny Kilonga maneran-tany hoe: “Rehefa fantatrao sy takatrao fa tena tiana tanteraka ianao amin’ny maha zanak’ Andriamanitra anao dia manova ny zavatra rehetra izany. Manova ny fahatsapanao momba ny tenanao izany rehefa manao fahadisoana ianao. Manova ny fahatsapanao izany rehefa sendra zavatra sarotra mitranga. Manova ny fahitanao ireo didin’ Andriamanitra izany. Manova ny fahitanao ny hafa sy ny fahaizanao mitondra fiovana izany.”
Misy ohatra maneho izany fiovana izany rehefa mamaky momba ny zavatra niainan’i Mosesy fony izy niresaka nifanatrika tamin’ Andriamanitra isika. Nandritra izany fifampiresahana izany, dia namerimberina nampianatra an’i Mosesy Andriamanitra ny amin’ny lovany masina, nilaza hoe: “Ry Mosesy, zanakalahiko ianao”. Nanazava Andriamanitra fa natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokany i Mosesy. Lasa takatr’i Mosesy mazava tsara hoe iza izy, misy asa tokony hataony, ary manana Ray any an-danitra be fitiavana izy.
Taorin’izany zavatra niainana izany, dia tonga ny fahavalo naka fanahy azy sy niresaka taminy avy hatrany nilaza hoe, ”Ry Mosesy, zanak’olona.” Izany dia fitaovana mahazatra sy mampidi-doza ao anatin’ireo fitaovana maro ampiasain’ny fahavalo mba hakana fanahy antsika. Raha toa ny Raintsika any An-danitra ka mampahatsiahy antsika tsy tapaka sy am-pitiavana fa zanany isika, ny fahavalo kosa dia hanandrana foana ny hamaritra ny maha isika antsika amin’ny fahalementsika. Kanefa i Mosesy dia efa nianatra fa mihoatra noho ny hoe “zanak’olona” izy. Nanambara tamin’i Satana izy hoe: “Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra”. Toy izany koa, rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany isika na rehefa mahatsapa isika fa toa misy olona manandrana mamaritra ny maha isika antsika amin’ny fahalementsika, dia mila mijoro ho matanjaka isika amin’ny fahalalana hoe iza marina moa isika. Amin’ Andriamanitra isika no tokony hikatsaka fanamarinana fa tsy amin’olon-kafa. Ary rehefa manao izany isika dia afaka manambara am-pahasahiana ihany koa hoe: “Zanaky ny Ray aho.”
Nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany iray ho an’ny tanora ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Iza moa ianao? Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao, zanaky ny fanekempihavanana ary mpianatr’i Jesoa Kristy. Rehefa mandray ireo fahamarinana ireo ianao dia hanampy anao hahatratra ny tanjonao faratampony mba hiaina mandrakizay eo amin’ny fanatrehany masina ny Raintsika any An-danitra”.
Tsy kisendrasendra raha toa ka mampahatsiahy antsika ny rohim-pihavanany amintsika Andriamanitra ao amin’ny iray amin’ireo soratra masina miverimberina indrindra. Amin’ireo anarana rehetra izay azo hiantsoana Azy ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, dia nangataka Izy ny hiantsoana Azy hoe “Andriamanitra, Ray Mandrakizay”.
Rehefa lasa fantatsika marina hoe iza isika, dia hino kokoa isika fa ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana dia nanome drafitra ho antsika mba hiverenantsika hiaina miaraka Aminy indray. Nampianatra ny Loholona Patrick Kearon hoe: “Ny drafitra mahafinaritra an’ilay Raintsika, dia ilay drafitra -mahavariana[ny]-, dia novolavolaina mba hitondrana anao hiverina any Aminy, fa tsy hanakana anao hiditra akory. … Tsy mitsahatra mitady anao Andriamanitra.” Diniho ao anatin’ny fotoana fohy anie izany e! Ilay Raintsika feno hery sy be fiatiavana dia “tsy mitsahatra mitady anao.”
Na aiza na aiza no misy antsika eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, dia hiova tanteraka ny fiainantsika raha takatsika tsara hoe iza marina moa isika. Mamelà ahy handroso fomba roa izay hahafahantsika mampitombo izany fahatakarana izany.
Voalohany, ny vavaka
Rehefa nanomboka ny asa fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy, dia notarihina tany an’efitra Izy mba “hiaraka amin’ Andriamanitra”. Angamba mila manova ny fomba fisainantsika amin’ny fanononana fotsiny ny vavaka ataontsika isika ka maka fotoana ampy mba hifampiresahana marina Aminy sy “hiaraka amin’ Andriamanitra” isan’andro.
Hitako fa mihatsara ny kalitaon’ny vavaka ataoko rehefa maka minitra vitsy hiomanana aho mba hiresahana amin’ny Raiko. Maneho amintsika ny soratra masina fa lamina mahomby izany. Na i Joseph Smith io; na i Nefia, na ny zanakalahin’i Helamàna na i Enôsa, izy rehetra ireo dia samy nanana ny fomba nisaintsainany sy nieritreretany talohan’ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra izay voarakitra. Nilaza i Enôsa fa mosarena ny fanahiny rehefa tafalatsaka lalina tao am-pony ny tenin’ny rainy. Ny tsirairay amin’ireo ohatra ireo dia mampianatra antsika ny filana miomana ara-panahy isan’andro amin’ny fotoana “[hiarahantsika] amin’ Andriamanitra”.
Nampianatra ireo Nefita ny Mpamonjy hoe: “Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao”.
Na efitrano izany na efitrano fandriana, ny fitsipika dia hoe mitady toerana ahafahanao mitokana mba hivavaka, hamela ny fanahinao ho tony, ary hahatsapa ny bitsik’ilay “feo tony sy malefaka”. Afaka miomana isika amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireo zavatra izay ananantsika fankasitrahana sy ireo fanontaniana na olana izay tiantsika hoentina eo amin’ny Raintsika. Tokony hiezaka isika ny tsy hanao vavaka mandeha ho azy, fa hiresaka amin’ny Raintsika kosa, ary raha azo atao dia miteny mafy.
Tsikaritro fa ao anatin’ny korontana eo amin’ny fiainantsika, rehefa manano sarotra ny fifehezana ireo ankizy na mirotoroto amin’ireo fivoriana isan-karazany isika, dia mety tsy hanana ilay efitrano mangina tsara sy ilay fiomanana voasaina tsara—saingy ireo vavaka mangina, haingana ary maika ireo dia mety hanan-danja kokoa rehefa nanao ezaka ny “hiaraka amin’ Andriamanitra” tamin’ny fiantombohan’ilay andro isika.
Mety ao ireo olona sasany izay tsy nivavaka nandritra ny fotoana naharitra na olona hafa izay tsy nahasapa fa nohainoina ny vavak’izy ireo. Mampanantena anao aho fa ny Rainao any An-danitra dia mahafantatra anao, tia anao, ary te hahareo vaovao avy aminao. Te hifanerasera aminao Izy. Tiany hotsaroanao hoe iza ianao.
Vao haingana ny Lohona Jeffrey R.Holland no nampianatra hoe: “Na impiry na impiry ianao no mivavaka, dia mivavaha foana. Na efa mivavaka mafy toy ny ahoana aza ianao, dia mivavaha mafimafy kokoa”.
Ankoatra ny fampitomboana ny fotoana sy ny hafanam-po amin’ny vavaka ataontsika, dia ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly no hanampy hanomana ny saintsika amin’ny fandraisana fanambarana. Rehefa miezaka mampivoatra ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra isika, dia hitahy antsika Izy hahatsapa lalindalina kokoa fa zanany isika.
Faharoa, fantaro fa i Jesoa no Kristy
Ny fomba lehibe indrindra nanehoan’ny Ray any An-danitra ny fitiavany antsika amin’ny maha-zanany antsika dia ny nandefasany marina ny Zanany, ilay Mpamonjy manokana antsika, mba hanampy antsika hiverina hody. Noho izany dia mila mahafantatra tsara Azy isika.
Taona maro lasa izay, nandritra ny naha filohan’ny tsatòka ahy, dia nanolotra ny anaran’ny rahalahy iray aho mba ho mpiasa mpanatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tempoly. Rehefa avy nanazava aho hoe ho mpiasa mpanatanteraka ôrdônansy mahafinaritra tokoa izy, dia nahatsindry tsy nahy ny “aza omena fankatoavana” aho, izay nandefa avy hatrany ilay fanolorana anarana. Rehefa tsy nahomby tamin’ny fanafoanana ny fandefasana ilay hafatra aho, dia niantso ny filohan’ny tempoly ary niteny hoe: “Nanao hadisoana mahatsiravina aho”. Dia hoy io filohan’ny tempoly mahafinaritra io hoe: “Ry Filoha Eyre, tsy misy zavatra nataonao ka tsy azo avela heloka ary ho voahitsy amin’ny farany”. Fahamarinana lehibe tokoa izany. Marina tokoa fa i Jesoa Kristy no “Ilay mahery ka mahavonjy”.
Ny taona 2019, dia nisy fiovana lehibe tao amin’ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Teo aloha, dia nisy ny fanontaniana iray nanontany raha toa ianao ka manana fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy. Ankehitriny izany dia manontany raha toa ianao ka manana fijoroana ho vavolombelona momba ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra anao Azy. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy miasa ho an’ny hafa fotsiny; miasa ho anao sy ho ahy izany. Mpamonjiko Izy. Mpamonjinao Izy. Ary an’ny isam-batan’olona. Amin’ny alalany irery ihany no ahafahanao sy ahafahako miverina hiaraka amin’ny Raintsika.
Noho izany, ry rahalahy sy ranabavy, ndeha isika hikatsaka Azy. Andao hohalalinintsika ny rohim-pihavanany masina amin’ny Ray sy amintsika tsirairay avy. Andao isika hiaina ny hiran’ny fitiavana manavotra izay tonga amintsika tsirairay amin’ny alalan’ny Mpanavotra antsika rehefa mibebaka isika. Rehefa lasa mahafantatra Azy ho “ilay Mahery ka mahavonjy” isika, dia ho lasa takatsika fa isika, dia zanak’ Andriamanitra, fifaliany—zavatra manan-danja indrindra hifantohany—ary tena mendrika ny ho voavonjy tokoa isika tsirairay avy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa manana Ray any An-danitra be fitiavana isika. Rehefa lasa fantatsika izany fahamarinana mandrakizay izany amin’ny alalan’ny vavaka amin-kafanam-po, ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ary ny fanatonana an’i Jesoa Kristy, dia afaka manambara amim-pahasahiana isika amin’izao fotoana izao sy rahatrizay hoe: “zanaky ny Ray aho”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.