Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fa mahiratra aho izao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


17:24

Fa mahiratra aho izao

Ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainako dia fahagagana tsy latsa-danja toy ilay fanosorana rora sy tany teo amin’ny mason’ilay lehilahy jamba.

Am-pitiavana ary tena avy amin’ny fo no iombonantsika amin’ny Filoha Oaks amin’ireo fanomezam-oninahitra ny Filoha Russell M. Nelson noho ny amin’ny fahalasanany. Ary amin’izany fitiavana amin-kitsim-po izany sy amim-pisaonana lalina ihany koa no ahatsapanay ireo loza nitranga tany Michigan vao tsy ela sy izay mitranga efa ho isan’andro manerana izao tontolo izao. Manaiky ireo zavatra ireo am-pitiavana izahay ary mahatoky ny Tompo Jesoa Kristy.

Ny toko fahasivy ao amin’ny Jaona dia mirakitra ny zavatra niainan’i Jesoa sy ireo mpianany nandalo teo akaikin’ny mpangataka iray izay jamba hatrany am-pahaterahana. Izany dia nitarika ireo mpianatra hametraka amin’i Jesoa fanontaniana ara-pinoana saro-baliana maro mikasika ny fiaviana sy fifindran’ilay fahasembanana nahazo an’io lehilahy io. Namaly tamin’ny alalan’ny fanaovana zavatra tsotra be sy nahagaga tokoa ny Mpampianatra. Nandrora tamin’ny tany Izy dia nanao feta kely tamin’ny tanimanga. Dia nahosony tamin’ny mason’ilay lehilahy izany, ary nanome toromarika azy Izy ny hisasany ao amin’ny farihy Siloama. Nataon’ilay lehilahy jamba tamim-pankatoavana ireo rehetra ireo dia “niverina nahiratra” izy hoy ny soratra masina. Tena zava-dehibe tokoa ny porofo, tsy toy ny faniriana na tohan-kevitra na ny faharatsiana izay mifanohitra amin’ny fahamarinana.

Noho ny fahatahorana io fahagagana io hoe sao hampitombo indray ilay ambana avy amin’i Jesoa nitatao teo amin’ny fahefana noheverin’izy ireo nananana, dia nifanandrina tamin’ilay lehilahy vao nahiratra ireo fahavalon’ny Mpamonjy ary niteny tamim-pahatezerana hoe: “Izahay mahalala fa mpanota [i Jesoa]”. Nihaino vetivety ilay lehilahy dia niteny hoe: “Tsy fantatro na mpanota Izy … ; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao”.

I Jesoa no nanome voalohany ny hevin’io fifanakalozana io, ka nilaza tamin’ny mpianany fa nitranga izany rehetra izany mba “hanehoana ny asan’ Andriamanitra”. Tsarovy fa naverina in-droa ao amin’io tantara io ny fihetsika nataon’ny Mpamomnjy, dia ny hoe “nahosony” ny mason’ilay lehilahy, fihetsika izay ho vitaina tanteraka amin’ny alalan’ny fisasana. Io famaritana ny “[fanehoana] ny ny asan’ Andriamanitra” io dia mety hilaza an-kolaka ny fanatanterahana ôrdônansy.

Ny fahamarinana iray hafa izay mibaribary eto dia ireo fitaovana nampiasain’ny Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy mba hanaovana io fahagagana io: rora sy feta iray tanana! Ireo taharo tsy nampoizina ireo dia manambara fa afaka mitahy antsika amin’ny fomba rehetra izay fidiny Andriamanitra. Toa an’i Namana izay nandà ny ho ao amin’ny Renirano Jordana na ny zanak’Isiraely sasany nandà ny hijery ilay bibilava teo ambony hazo, dia tena mora amintsika ny mitsipaka ny loharanon’ny fanavotana antsika satria toa tsotra loatra ireo zavatra sy fitaovana ampiasaina.

Saingy tsaroantsika avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa misy zavatra sasany no sady tsotra no sarobidy ary talohan’ny nahaterahan’i Jesoa, dia efa naminaniana fa “tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy”. Matetika tokoa Andriamanitra no nandefa ny hafany mahatalanjona tamin’ny alalan’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana vao nantsoina sy tena mitebiteby na zazalahy tsy nahita fianarana tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana tao New York, na misiônera vaovao, na zazakely nandry teo amin’ny fihinanam-bilona.

Koa ahoana ary raha tonga amin’ny alalan’ny fomba tsotra na sarotsarotra ny valin’ny vavaka ataontsika? Vonona ny haharitra sy hiezaka hatrany hiaina ny filazantsaran’i Kristy ve isika na mitaky rora sy feta tanimanga toa ny ahoana aza izany? Mety tsy hazava amintsika foana ny zavatra atao sy ny antony, ary indraindray dia somary hanana fahatsapana tahaka ny an’ilay ranabavy zokiolona izay nilaza izao isika hoe: “Fa maninona raha mba omenao fitahiana tsy mifangaro fitsapana izahay ry Tompo ô?”

Diniho ity porofona fahamarinana iray hafa ity, izay mahakasika ny fisoronana masina. Rehefa nanao firaketana momba ny fananganana ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jesoa, dia mivaky toa izao ny andalana voalohany ao amin’ny Lioka: “Ary [Izy] niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana”, fanomezam-pahasoavana izay tsy nomena noho ny fahaizana mahatalanjona na nofaritan’ny fomban-drazana na ny fizokiana. Tsy nomen’ny sekoly fianarana momba ny fivavahana na ny semineran’ny haifinoana izany. Omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ny olona iray izay nametrahan’ny olona manana fahefana hametra-tanana, nitohitohy hatrany amin’ny loharanon’ny fahefan’ Andriamanitra rehetra, dia ny Tompo Jesoa Kristy izany.

Ary ho an’ny fiangonana izay mahatakatra ny fisian’ny fanomezam-pahasoavan’ny famindram-po, moa ve tsy ho porofo mahatalanjona iray hafa ny amin’ny fahamarinan’izany fiangonana izany ny hahita ireo fitahiana sy fanekempihavanana ireo ho afaka ny ho azon’ireo havantsika efa maty, ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika izay efa lasana talohantsika? Tokony ho voasazy ve izy ireo satria tsy afaka nahazo ny filazantsara na satria teraka tamin’ny fotoana na toerana tsy nahafahan’izy ireo nandray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina? Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana tranon’ny Tompo masina sy voatokana izay anatanterahana asa ho an’ny famonjena sy feno famindram-po isoloana tena ho an’ireo nodimandry ireo, isan’andro sy isak’alina, ary koa anolorana fahafahana hitsaoka sy hanaovana ôrdônansy ho an’ny velona. Raha ny fahalalako azy dia tsy hita na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao io porofo manokan’ny fahamarinan’ Andriamanitra io sy ny fitiavany ny velona sy ny maty—afa-tsy ao amin’ny fiangonana tokana iray ihany, izay maneho fahamarinana momba izany zavatra manokana izany: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny fihaonako voalohany tamin’ny fahamarinana nabaribary, izay nanampy ahy hahiratra sy hahazo fiainana, dia tsy avy tamin’ny fanosorana feta tanimanga na tao amin’ny farihy Siloama. Tsia, ny fitaovana nanehoana ny fahamarinana izay nitondrana fanasitranana ho ahy avy amin’ny Tompo dia tamin’ny endriky ny pejina boky, eny, ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy! Notsipahan’olona tsy mino sy noharatsian’izy ireo ny zavatra lazain’io boky io, ary indraindray ny fahatezeran’izy ireo dia mitovy amin’ny fankahalana henjana nasehon’ireo izay niteny tamin’ilay lehilahy sitrana fa tsy azo heverina ny niainany ny zavatra izay fantany fa tena niainany.

Nasesika teto amiko fa tsy azo heverina, tsy mampino, mahamenatra ary tsy masina mihitsy aza, ny fomba niavian’io boky io. Fiteny tsy voahevitra izany, avy amin’izay olona milaza fa mahalala ny fomba niavian’ilay boky, rehefa zohina fa ny famariparitana tokana nomena momba ireo fomba niavany ireo dia hoe nadika “[tamin’ny alalan’ny] fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”. Izay fotsiny. Izay ihany. Ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainako dia fahagagana tsy latsa-danja amin’ilay fanosorana rora sy tany teo amin’ny mason’ilay lehilahy jamba. Ho ahy izany dia anja iray miaro ny fanahiko, fahazavan’ny fanambarana lehibe sy lalina, fanazavana ny lalana tsy maintsy hizorako rehefa tonga ny zavon’ny haizina. Ary azo antoka fa tena efa tonga izany ary mbola ho tonga.

Ary noho ny fahiratana nomen’izany ahy momba ny fitiavana sy ny famindram-po manavotry ny Mpamonjy ho an’izao rehetra izao, dia zaraiko aminareo ny tenivavolombeloko, voamarina teto araka ny nolazain’ny ray aman-drenin’ilay lehilahy vao notahiana hoe tokony henoina ny zanany satria “efa lehibe.” Izaho koa toa izany. Efa lehibe izy ka tokony ho raisina amim-pahamatorana, hoy izy ireo. Izaho koa toa izany. Afaka roa volana dia ho tonga ny tsingerin-taona faha-85 nahaterahako. Teo ambavahoanan’ny fahafatesana aho dia tafaverina. Efa niara-nandeha tamin’ny mpanjaka sy mpaminany aho, filoha sy apôstôly. Ny tena lehibe indrindra dia efa nisy fotoana heniky ny Fanahy Masin’ Andriamanitra aho. Matoky aho fa tokony hasiana fiheverana ny fijoroako ho vavolombelona eto.

Ankehitriny ry rahalahy sy ranabavy dia tonga amin’ny faharesen-dahatro hatrany anatiko lalina aho fa famerenana amin’ny laoniny marina an’ilay Fiangonana tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary mihoatra aza satria tsy afaka mandà ny porofon’izany famerenana amin’ny laoniny izany aho. Hatramin’ireo zavatra niainana voalohany ireo, dia heveriko angamba fa nahita porofo hafa arivo—sa iray alina aho? Fa marina ny zavatra noteneniko androany. Noho izany dia faly aho izao miombon-kevitra amin’ilay namako nitampify teny amin’ireo lalan’i Jerosalema izay hihirako amin’ny feoko efa mihalefy hoe:

Famindram-po mahatalanjona—tena mamy ny maheno izany—

No nanavotra olona ratsy fanahy toa ahy!

Efa very aho, nefa hita indray,

Jamba, fa mahiratra aho izao.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.