Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampifanaraka ny fonao amin’i Jesoa Kristy: Ilay fanomezana masina voarakitra ao amin’ny hiran’ny Kilonga
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


10:36

Mampifanaraka ny fonao amin’i Jesoa Kristy: Ilay fanomezana masina voarakitra ao amin’ny hiran’ny Kilonga

Ireo hiran’ny Kilonga dia toriteny ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy, sy fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary vavaka izay natao ho hira.

Isan’ny fitahiana azoko amin’ny fanompoako ao amin’ny Kilonga ny nianaran’ny foko mitia amin’ny fiteny tsy fantatro. Nahitako fifaliana ny nifandray tamin’ireo Olomasina namana tamin’ny alalan’ny fiteny iombonan’ny hira masina. Ary tamin’ny alalan’ny hira tsotran’ny Kilonga indrindra ny Fanahy Masina dia nandresy ireo sakantsakan’ny fahasamihafam-piteny ka nameno ny foko tamin’ny bitsika nataony. Nambara tao anatin’ny fahamarinana mazava sy mahitsy tao amin’ny feon’ireo ankizy ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Na dia tsy tao amin’ny Kilonga aza aho fony kely, dia nampianatra ahy haingana ny Fanahy fa masina ny hiran’ny Kilonga ary lasa ampahany amin’ny fitsaohana ataoko izy ireny. Nitondra fitaomana masina teo amin’ny fiainako sy nankahery ny fanahiko ny hiran’ny Kilonga, nampianatra ahy fahamarinana mandrakizay ary nampanakaiky ahy an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fikaloana ireo hira ao amin’ny fihirana dia isan’ireo fomba tsara indrindra hianarana ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.” Manan-kery ho antsika rehetra ireo teniny ireo saingy tena manan-kery manokana ho an’ireo ankizy. Ny hiran’ny Kilonga dia iray amin’ireo fitaovana feno fitiavana indrindra entin’ Andriamanitra mamboly ny voan’ny fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo mpianatry ny Mpamonjy zandriny indrindra. Mikolokolo izany voa izany ireo ray aman-dreny sy mpitarika ary mpampianatra rehefa mijoro ho vavolombelona sy manasa ireo ankizy hijoro ho vavolombelona izy ireo ny amin’izay fahalalana rehetra azony momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary ny Fanahy Masina.

Tanatin’ireo taona maromaro farany nanompoako dia nanokana fotoana aho nihirana sy nianarana avy tamin’ny hiran’ny Kilonga sady nandinika fanontaniana vitsivitsy:

  • Ahoana no ahafahan’ny hiran’ny Kilonga izay nianarana nandritra ny fahazazana ho lasa fomba fiteny ara-panahy izay ampiasain’ny ankizy mba hijoroana ho vavolombelona mandritra ny androm-piainany sisa?

  • Manampy ny ankizy hahatsiaro ny Tompo araka ny fanekempihavanana ataon’izy ireo sy hanomana azy ireo ho amin’ny ôrdônansiny amin’ny fomba ahoana ny fihirana ireo fahamarinan’ny filazantsara?

  • Ary ahoana no ahafahan’ny hiran’ny Kilonga manoratra ny lalàn’ Andriamanitra ao am-pon’ireo mpianatry ny Tompo zandriny indrindra ireo?

Fony niantomboka tamin’ny 1878 ny Kilonga, dia hitan’ny Filohany maneran-tany voalohany, Aurelia Spencer Rogers, fa “tena ilaina ny mihira”. Hatramin’izay ny hira dia efa ivon’ny fampianarana filazantsara an’ireo ankizy. Ireo hiran’ny Kilonga dia afaka ny ho fiteny ara-panahy fampiasa voalohany ho an’ny ankizy noho ny feon-kirany tsotra sy mora tadidiana izay mamoaka ireo fahamarinan’ny filazantsara. Manana ny hery hitoetra miaraka amin’ireo ankizy mandritra ny androm-piainany ireo hira ireo, ho lasa tafiditra ao amin’ny maha mpianatra azy ireo ary fomba tsotra sy mandeha ho azy entin’izy ireo mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy.

Mampianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira

Afaka ny ho fitaovana mahery vaika hampianarana ny fotopampianarana ihany koa ireo hiran’ny Kilonga. Misy ireo hira izay mitantara ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany. Misy koa mampianatra ny toetra ananany toy ny finoany, ny fanantenany ary ny fiantrany. Ary ireo hira masina indrindra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Sorompanavotana tsy manam-petra sy ny fitiavana izay miboiboika avy amin’izany asa famonjena izany.

Ny mpaminanin’ Andriamanitra iray, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra hoe: “[Ny hira] dia afaka mitondra fitaomana tsy tapaka hanao ny tsara aty aoriana na efa dila aza ny fahazazan’ireo ankizy. … Manana hery hanome sakafo ara-panahy ny hira. Manana hery manasitrana izy io. Manana hery hanamora ny fitsaohana izy io, mamela antsika hisaintsaina ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, miaraka amin’ireo fitsipiny mamonjy sy ireo ôrdônansiny manandratra. Manome hery hahafahantsika maneho eritreritra feno vavaka sy mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana masina ny hira.”

Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataontsika ray aman-dreny sy mpitarika ary mpampianatra ny fanampiana ireo ankizy ho afaka handray ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fampianarana amin’ny tena finiavana ny fahamarinan’ny filazantsara izay hita ao amin’ny hira. Nampianatra ihany koa ny Filoha Nelson fa “ny ankizy dia afaka mianatra ny fotopampianarana rehefa mianatra mihira izy ireo, tsisy hafa amin’izy ireo afaka mianatra ny fotopampianarana ao an-dakilasy”. Ireo hira ireo dia afaka ny ho loharanom-pianarana feno finoana izay mampitodika ny ankizy ho any amin’ny Mpamonjy sy manampy azy ireo hampitombo ny fanolorantenan’izy ireo ho an’ny filazantsarany.

Mampianatra ny soratra masina fa fahafinaretana ho an’ny Mpamonjy ny hiran’ny marina izay avy amin’ny fo. Azoko an-tsaina ny fifaliana izay entin’ny feon’ireo mpianatry ny Mpamonjy zandriny indrindra. Fantatro fa mipàka hatrany an-danitra ny vavaka an-kira ataon’izy ireo hanehoany finoana izay manasa ny Fanahy Masina mba hanamarina ireo fahamarinana mandrakizay sy manasa tsimoramora sy am-pitiavana ny hafa mba hanaiky ny antson’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy sy hiverina hody. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Henry B. Eyring fa amin’ireny fotoana izay ahatsapantsika ny Fanahy ireny no hahazoantsika ny porofo fa miasa eo amin’ny fiainantsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Mampiraikitra fahamarinana ao am-po

Ny hiran’ny Kilonga dia afaka ny ho fahagagana hoentina mamakivaky ny lalan’ny maha mpianatry ny Tompo mandritra ny androm-piainana izay hodiavin’ireo zanatsika. Ny hira izay nianarantsika tamin’ny faha enin-taonantsika dia manana ny hery hitoetra miaraka amintsika, sy hitamberina taona maro atý aoriana rehefa handray fanapahan-kevitra na alaim-panahy na ory na faly. Angamba any aoriana any ny tonon’ilay hira hoe “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” dia azontsika atao vatofantsika ara-panahy izay mampita ny tenivavolombelon’i Paoly Apôstôly ny amin’ny maha azo antoka ny fampanantenan’ Andriamanitra ho antsika. Na koa afaka mampahatsiahy antsika izy ireny fa noho ny fanatanterahan’ Andriamanitra ny fampanantenany dia manome fampiononana matanjaka sy manome toeran-kialofana ary manasa antsika hametraka ny fanantenantsika sy ny fitokisantsika mafy tsara amin’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra ny fanekempihavanany.

Misy olon-dehibe mpikambana manerana izao tontolo izao izay mahatsiaro sy mitodika matetika amin’ireo hiran’ny Kilonga izay nianarany tamin’ny fahazazany rehefa anaty fotoan-tsarotra. Ho an’ny maro amin’izy ireo dia nihazona ny fototry ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy tany am-piandohana ireny hira ireny ary matetika dia ireny no niantombohan’ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’ny filazantsarany. Nikolokolo izany finoana izany nandritra ny taona maro ireo ray aman-dreny sy mpitarika ary mpampianatra tamin’ny alalan’ny fampianarana sy fihirana ary fijoroana ho vavolombelona feno fiahiana tamin’ireo ankizy.

Nisy rahavavy iray nizara tamiko fa tia ny hiran’ny Kilonga izy, ary 20 taona taty aoriana dia io no ekeny fa nanafaingana ny fiovam-pony tsy tapaka ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nisy mpikambana iray hafa nijoro ho vavolombelona fa ny Kilonga dia namboly voatsinapin’ny finoana fony izy mbola kely ary io no antony nahafahany niverina tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tamin’izy telopolo taona mahery. Nampanantena ny Mpamonjy fa “ilay Mpananatra … no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra”. Ny hiran’ny Kilonga dia fomba iray ahafahan’izany fampanantenana izany ho tanteraka.

Misy hiran’ny Kilonga iray hafa maneho ny herin’ny finoana tsotra sy ny fijoroana ho vavolombelona maharitra:

Raha manaraka Azy aho mandra-podiako any

dia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany.

Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy.

Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.

Rehefa mihira ireo ankizy dia maneho ny fanirian’ny mpianatry ny Tompo izy ireo ary mianatra ny fomba fiainana ny fanekempihavanana. Amin’ny alalan’ny mozika, ny Fanahy dia afaka mahatonga ireo fahamarinana mandrakizay ho voasokitra ao am-pon’ireo ankizy. Ary rehefa ela ny ela dia afaka ny hisafidy ny hampifanaraka sy hampitodika ny fo sy fiainan’izy ireo any amin’i Jesoa Kristy ireo ankizy amin’ny fanaovana sy fitandremana ôrdônansy masina miaraka Aminy .

Mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika sy miomana ho amin’ireo ôrdônansy

Ny hira masina dia afaka manoratra ny fotopampianaran’i Kristy ao amin’ny ati-fanahintsika sy manomana antsika hiomana handray ireo ôrdônansiny. Izy io dia mampifandray ny fotopampianaran’ny Mpamonjy amin’ny fitadidiantsika ary mampifandray izany fitadidiana izany amin’ny maha mpianany antsika.

Isika mpitarika ao amin’ny Kilonga dia manana fahafahana sy andraikitra masina hanao izay hampianarana ny hiran’ny Kilonga am-pifaliana, omban’ny fahatakarana ny fotopampianarana ary miaraka amin’ny Fanahy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanasana ny ankizy hahatsikaritra ny zavatra tsapany rehefa mihira sy ny fanampiana azy ireo hamantatra fa izany fahatsapana izany dia avy amin’ny Fanahy Masina. Izany ezaka izany dia hanomana ny zanatsika ho amin’ny ôrdônansy masina toy ny batisa sy fandraisana ho mpikambana, sady hanampy azy ireo hahatsiaro ny ôrdônansy nataony rehefa manavao matetika ny fampanantenana nataony tamin’ Andriamanitra izy ireo.

Tamin’ny fisakafoana hariva farany nataon’ny Mpamonjy, taorian’ny nanorenany ny fanasan’ny Tompo dia toy izao ny noraketin’i Matio: “Rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva”. Isan-kerinandro dia miomana handray ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana vita batisa sy noraisina ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny, anisan’izany ireo ankizy valo taona vita batisa. Rehefa miangona ireo zanak’ Andriamanitra ka manao hira masina dia manana fahafahana izy ireo hanomana ny fon’izy ireo ho amin’ilay ôrdônansy masina ny hitondra ny Anarany, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny.

Fijoroana ho vavolombelona ho famaranana

Ry namako, mijoro ho vavolombelona aho fa ny hiran’ny Kilonga dia mampianatra fahamarinana mandrakizay sy fotopampianarana izay mitarika antsika ho any amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Manasa anareo aho handinika hoe inona avy ireo fahamarinana fototra izay voasoratra ao am-ponareo tamin’ny alalan’ireo fampianarana tsotra entin’ireo hira ireo, ary hijoro ho vavolombelona ny amin’izany fahamarinana izany amin’ireo mpianatry ny Mpamonjy zandriny indrindra, rehefa mampianatra azy ireo ny vaovao mahafalin’ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira ianareo.

Fantatro fa Andriamanitra Raintsika, tamin’ny fitiavany tsy manam-petra, dia nandefa ny Zanany Malala ho etý an-tany mba hampianatra antsika sy hanoro antsika ny lalana ary hanavotra antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Fantatro fa ny fiainana sy fanompoan’ny Mpamonjy dia tena nisy ary miantefa amin’ny tena manokana. Feno tantara momba ny fanasitranana nataony sy ny hatsarampanahiny ary ny fahagagana nataony ny soratra masina.

Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia maheno sy mamaly ny vavaka ataon’ireo ankizy amin-kitsim-po, tsy mifidy taona, na toe-javatra iainana na fiteny. Mihaino ireo fitalahoana mangina ataon’ny fontsika Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tao Getsemane i Jesoa Kristy dia nitondra ny vesatry ny fahotantsika sy alahelontsika ary fanaintainantsika. Nijaly an-tsitra-po Izy noho ny fitiavany antsika ary nahatonga antsika ho afaka ny ho voavela sy hiverina hody indray.

Fantatro fa zanak’ Andriamanitra tokoa isika, nohariana araka ny endriny, nomena hery ahafaha-mivoatra ho tahaka an’ Andriamanitra, ary nasaina mba hiverina hiaina miaraka Aminy raha toa isika misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Fantatro fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika, ary rehefa manaraka Azy isika amin’ny fanompoana, famelana heloka, sy fitiavana ny hafa, dia miova ho tahaka Azy kokoa isan’andro.

Ary fantatro fa ny tempoly masin’ny Tompo dia tranony etý an-tany. Ao amin’izy ireny isika no manao fanekempihavanana masina sy mandray fitahiana mandrakizay ary mianatra misimisy momba Azy sy mahatsapa kokoa ny fanatrehany. Ny tempoly dia toerana ahazoana fianarana sy fiadanana ary fiomanana ho an’ny fiainantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo ezaka ataontsika mba hampianatra sy hihira ireo hiran’ny Kilonga ireo ho an’ireo ankizy dia tsy ampahany mahafinaritra fotsiny amin’ny fomba fanaontsika ara-pivavahana. Izy ireny dia toriteny ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy, sy fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary vavaka izay natao ho hira. Ny hira masina dia afaka mampita ny fahazavan’i Kristy any amin’ny mpihaino azy ary afaka mampirotsaka izany hankao amin’ny fon’ny mpihira. Ry namana, mbola tian’i Jesoa mba hazava isika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Worship through Music,” Ensign, Nov. 1994, 10.

  2. “Ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12).

  3. “Ny hira masina dia ampahany tena manan-danja amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa ao am-piangonana. … Mivory mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny mpikambana mba hahatsiaro an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Mivory izy ireo mba hampiorina finoana sy fijoroana ho vavolombelona ary hitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tokony hofidina mba hanatratrarana ireo tanjona ireo ny hira. … Tokony hiresaka momba ny fanasan’ny Tompo mihitsy ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo na hiresaka momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 19.3, 19.3.2, Médiathèque de l’Évangile).

  4. “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony” (Jeremia 31:33).

  5. Aurelia Spencer Rogers, ao amin’ny “A History of the Primary Organization”, history.ChurchofJesusChrist.org.

  6. Russell M. Nelson, “Power and Protection Provided by Worthy Music” (Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young, 4 mey, 2008), 4, 5, speeches.byu.edu.

  7. Russell M. Nelson, ao amin’ny “Keep Singing Songs That Teach Doctrine, Says President Nelson” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org.

  8. “Manantena izahay fa ireo mpitarika sy mpampianatra ary mpikambana izay nantsoina mba handray fitenenana dia hitodika matetika any amin’ny boky fihirana mba hahitan’izy ireo fampianarana izay atolotra amin-kery sy amin’ny fomba kanto ao amin’ireo andalana. …

    “Manana hery tsy manam-petra hampandrosoana ireo fianakaviana hankany amin’ny fahamasinana sy fanolorantena lehibe kokoa amin’ny filazantsara ny hira. Tokony hameno ny tokantranony amin’ny feon’ny hira feno fahamendrehana ireo Olomasin’ny Andro Farany. …

    “Ampianaro ireo zanakareo mba ho tia ireo hira ao amin’ny fihirana. Hirao izany rehefa alahady, mandritra ny takariva fiaraha-mivory, mandritra ny fandalinana soratra masina, amin’ny fotoanan’ny vavaka. Mihirà rehefa miara-miasa, rehefa miara-milalao, ary rehefa miaraka manao dia lavitra ianareo. Mihirà fihirana ho fandrotsirotsiana mba hampiorenana ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ao amin’ireo zanakareo mbola kely” (“Teny fanolorana nataon’ny Fiadidiana Voalohany Cantiques, ix, x).

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12.

  10. “Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao … , dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana” (Henry B. Eyring, “Gifts of the Spirit for Hard Times” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young, 10 sept. 2006], 5, speeches.byu.edu).

  11. Jereo ny Hebreo 10:10–14.

  12. Jereo ny Môrônia 7:41.

  13. Jaona 14:26.

  14. “Je marche avec Jésus”, Cantiques—Pour le foyer et l’Église, Médiathèque de L’Évangile.

  15. Matio 26:30.

  16. Na dia natao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana aza ny fanasan’ny Tompo dia tsy tokony hisy zavatra hatao hanakanana ny hafa tsy handray izany” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 18.9.3). Mety manokana ho an’ny ankizy kely ny mandray ny fanasan’ny Tompo mialoha ny hahatongavan’izy ireo ho amin’ny taonan’ny maha-tompon’ andraikitra mba hahafahan’izy ireo hanana fankasitrahana lehibe kokoa ho an’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy hiomanany ho amin’ireo fanekempihavanana masina atao amin’ Andriamanitra amin’ny hoavy.

  17. Jereo ny “Nalefany ny Zanany”, Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21.

  18. Jereo ny “Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa Kristy”, Bokin-kiran’ny ankizy, 36.

  19. Jereo ny “Vavaky ny ankizy”, Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7.

  20. Jereo ny “Gethsémané”, Cantiques—Pour le foyer et l’Église, Médiathèque de l’Évangile.

  21. Jereo ny “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3.

  22. Jereo ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa”, Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41.

  23. Jereo ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny Ankizy, 99.

  24. Jereo ny “Tian’i Jesoa mba hazava aho,” Bokin-Kiran’ny Ankizy, 38.