Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Jehovah mijery ny fo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


10:41

Jehovah mijery ny fo

Ny hany ilain’ Andriamanitra hanatanterahana ireo tanjony sy hanampiana antsika ho tonga izay tiany hahatongavantsika dia isika tsirairay mampitodika ny fontsika manontolo Aminy.

Rehefa nodidiana hifidy ny mpanjaka vaovaon’ Isiraely teo anivon’ireo zanakalahin’i Jese ny Mpaminany Samoela, ka nahita an’i Eliaba lahimatoan’i Jese dia niteny tamin-kafanam-po izy hoe: “Ny voahosotr’i Jehovah tokoa ity eto anatrehany”. Kanefa tsy Eliaba ilay mpanompo nofinidin’ny Tompo. Nampitandrina an’i Samoela ny Mpamonjy hoe: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’ny Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo”.

Na dia mety tsy ilay matanjaka indrindra ara-batana na ilay tsy manan-talenta indrindra amin’ireo rahalahiny aza i Davida dia natanjaka teo imason’ Andriamanitra ny fony. Tia an’ Andriamanitra tamin’ny fony manontolo izy ary nanana faniriana lalina ny hankatò Azy. Nanana finoana tsy voahozongozona ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny ary ireo fitahiana nampanantenaina izy, arak’izay nasehony taty aoriana rehefa niady tsy nisy tahotra izy ka nandresy an’i Goliata niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo.

Mampianatra antsika ity tantara ity fa ny hany ilain’ Andriamanitra hanatanterahana ireo tanjony sy hanampiana antsika ho tonga izay tiany hahatongavantsika dia isika tsirairay mampitodika ny fontsika manontolo Aminy. Nandidy mpahay lalàna iray Izy hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra.” Hoy Izy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith: “Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo.” Ary notoloran’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izao fanasana izao ireo Nefita: “Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.”

Nahoana no toy izany ilay izy? Nampianatra ny Mpamonjy fa raha mitodika Aminy tanteraka ny fontsika, noho ny sorona fanavotany dia afaka hahazo hery sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika izay ilaintsika handresena ireo fanamby eto an-tany sy hanoherana fakam-panahy, ary handray fitarihana sy fahatakarana sy hahatsapa fifaliana sy fiadanam-po eo amin’ny fiainantsika. “Avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.” Nilaza Izy fa “ny zavatra malemy dia hataony tonga matanjaka” ary omeny antsika ny zavatra rehetra ilaintsika mba hahafahana mahomby eto amin’ny fiainana an-tany sy hahazoana ny fiainana mandrakizay. “Sambatra ny madio am-po,” hoy Izy, “fa izy no hahita an’ Andriamanitra.”

Mino aho fa izany farafaharatsiny no anisan’ny nahatonga an’i Jesoa Kristy nanitsy matetika an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nandritra ny fanompoany teto an-tany. Na dia nazoto nitandrina ny lalàny aza izy ireo dia nanao izany tamin’ny antony diso. Nanitsy azy ireo Izy nanao hoe: “Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy.”

Izany dia fampahatsiahivana matotra ho an’ireo Mpianany rehetra, fa tsy hoe mahakasika ny zavatra ataontsika fotsiny izany—ny tenintsika sy ny asantsika—fa mahakasika koa ny antony hanaovantsika izay asain’i Jesoa Kristy ataontsika—dia ny faniriantsika sy ny antony hanaovantsika izany. Hoy Izy: “Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony.” Maniry mihoatra lavitra an’ireo asa mandeha ho azy avy amin’ny fankatoavana sy asa fanompoana avy amin’ireo Zanany ny Raintsika any An-danitra. Tiany isika hanao ireo zavatra ireo amin’ny finiavana marina satria tia Azy amin’ny fontsika manontolo isika. Tiany isika haniry ho tonga tahaka Azy.

Ankehitriny raha ny fahasalamana ara-panahin’ny fontsika no tena zava-dehibe amin’ny Mpamonjy—izay zavatra andrasany amin’ny maha mpianatra marina—ahoana no hahafahantsika mandinika ny fontsika ka mahafantatra raha marina eo imason’ Andriamanitra izany?

Vao tsy ela izay rehefa niverina avy tamin’ny asa fitorianay tany Pôrtogaly izaho sy ny vadiko dia nila nanao fitiliana ara-pahasalamana maromaro mba hanombatombanana ny toe-batanay. Niompana tamin’ny fahasalaman’ny fonay ny sasany tamin’ireo fitiliana ireo, toy ny fitiliana ra sy fitarafana ny anaty fo ary fitiliana mahakasika ny raritsaina. Mino aho fa ny Mpamonjy dia nanome antsika ihany koa karazana fitiliana ara-panahy izay azontsika ampiasaina hanombanana ny toe-panahin’ny fontsika. Mamelà ahy hizara vitsivitsy amin’izany aminareo.

Manombatombana ny fonao amin’ireo fitsapana ara-panahy

Voalohany, ny zavatra hifantohantsika, sy ireo laharam-pahamehantsika, ary ireo antony manosika antsika hanao zavatra

“Fa izay hitoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao,” hoy ny nampianarin’i Jesoa. Zavatra sarobidy amintsika ny harena, zavatra izay hanokanantsika ezaka sy fifantohana. Ny toerana izay safidintsika handaniana ny fotoanantsika sy hampifantohana ny saintsika ary koa ny antony manosika antsika hanao izay ataontsika dia milaza zavatra betsaka momba ny fontsika. Nampitandrina ny Mpamonjy fa raha betsaka ny nantsoiny dia vitsy no voafidy “satria ny fony dia mipetraka fatratra amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy miandrandra ny voninahitry ny olona [izy ireo].” Moa ve aho manao ny Mpamonjy ho lohalaharana eo amin’ny fiainako? Moa ve ny masoko tsy mibanjina afa tsy ny voninahiny amin’izay rehetra ataoko?

Faharoa, ny fahavononantsika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra

Ao amin’ny soratra masina manontolo ny Tompo sy ireo Mpaminaniny dia nampifandray ny avonavona sy ny tsy fankatoavana amin’ny fananana fahamafisam-po. Namporisika ireo rahalahiny i Nefia nilaza hoe: “Nahoana ianareo no tsy mitandrina ny didin’ny Tompo? Nahoana no te ho faty ianareo noho ny hamafin’ny fonareo?” Nampitandrina ireo Olomasina tao Missouri ny Tompo, “Fa izay tsy manao na inona na inona raha tsy baikoana ary mandray baiko amin’ny fo feno fisalasalana ka manatanteraka izany ao amin’ny hakamoana dia voaheloka.” Raha toa ka tsy miandrandra fahatanterahana ny Mpamonjy eo amin’ny fitandremana ireo didiny, dia miangavy Izy ny mba haniriantsika hiezaka hitandrina azy ireny amin’ny fontsika manontolo.

Fahatelo, ny fahazotoantsika handalina ny soratra masina sy hikatsaka fanambarana

Nananatra an’i Oliver Cowdery ny Tompo hoe “raketo ao am-ponao ireto teny ireto.” Nasaina isika handalina ireo soratra masina amim-pahazotoana ary hikatsaka ny hahazo fahatakarana sy vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny filazantsara ao am-pontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Nanitsy ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà ratsy fanahy i Abinadia mba tsy hanao izany, niteny hoe: “Tsy nilofo tamin’ny fahalalana ny fonareo ianareo; noho izany ianareo dia tsy manam-pahendrena.” Manao ny ezaka an-kitsipo ilaina ve aho handalinana ireo soratra masina isan’andro sy hampilofo ny foko mba hahatakatra azy ireny amin’ny alalan’ny vavaka?

Fahefatra, ireo eritreritsika sy ireo tenintsika

Nampianatra ny Mpamonjy “fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy” ary “fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no hitenenan’ny vava.” Ny hatsaran’ireo eritreritsika sy ireo tenintsika no famantarana tsara ho an’ny fahadiovan’ny fontsika. Mamolavola eritreritra tsy dia tsara loatra mikasika ny fihetsiky ny hafa sy ny antony manosika azy ireo hanao zavatra ve aho, na indrindra momba ny tenako? Mailaka ve aho ny hitsara sy hanameloka ny hafa? Mikatsaka hitady fialantsiny na fanamarinan-tena amin’ireo fahadisoako ve aho? Ary manao ahoana ireo teny lazaiko? Moa ve izy ireny mampitraka na manentam-panahy ireo manodidina ahy? Na moa ve izy ireny mazàna miteraka fifandirana sy lolom-po?

Rehefa vita ireo fitiliana ara-batana nataoko dia nilaza tamiko ny mpitsaboko fa salama tsara ny foko amin’ny ankapobeny, saingy misy olana vitsivitsy izay ilàna fikarakarana amin’izao fotoana izao mba tsy hihombo izany. Noho izany dia nanoratra fanovana fomba fiainana sasantsasany izy. Tahaka izany koa, rehefa manatanteraka io fanombanana ara-panahy ho an’ny fonao io ianao ka mahatsikaritra fambara ratsy sasantsasany izay manomboka misoko miadana, dia aza mikoropaka! Nanome fanafody ara-panahy sy fitsaboana tena tsara ny Mpamonjy mba hanampiana anao. Nampanantena mihintsy aza Izy ny hanome anao fo vaovao! Ireto misy asa atao sasantsasany izay afaka manatsara ny hery ara-panahin’ny fonao:

Manatsara ny fahasalamana ara-panahin’ny fonao

Voalohany, hamafiso ny fifandraisanao amin’i Kristy

Miova ny fontsika rehefa manokana fotoana isan’andro isika hanatonana an’i Kristy. Ny fandalinana soratra masina isan’andro miaraka amin’ny vavaka amin-kitsim-po sy fifadian-kanina tsy tapaka dia hampitombo ny fitiavanao ny Mpamonjy ary hanamafy ny finoanao sy ny fanirianao hibebaka ary hampanoa amim-panetrentena ny fonao amin’ Andriamanitra. Eritrereto ity ohatra avy amin’i Nefia ity: “Noho izany aho dia nitalaho tamin’ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy sy nampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efa nolazain-draiko aho.”

Rehefa manohy mamahana ny voan’ny finoana isika amin’ny alalan’ny faniriana marina sy ny asantsika dia hiaina fanamasinan’ny fontsika tahaka ireo Nefita: “Nifady hanina sy nivavaka matetika izy, ary nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ny fietreny sy nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy, hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahiny, eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fony aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanolorany ny fony ho an’ Andriamanitra.”

Faharoa, ampifanarao amin’ny Azy ny sitraponao

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.” Manasa antsika Izy mba hampiseho ny fitiavantsika amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana Aminy. Rehefa miezaka mitandrina isan’andro ireo didiny isika, sy mibebaka amin’ny fahotantsika amin-kitsim-po ary maharitra amin’ny fitondrana ny Anarany eo amintsika sy mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny sitrapony dia afaka ho voatahy amin’ny fananana Fanahy Masina hiaraka amintsika lalandava.

Nijoro ho vavolombelona i Nefia hoe: “Fantatro fa raha manara-dia ny Zanaka ianareo, amin’ny finiavan’ny fonareo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra fa omban’ny fikasana marina, mibebaka amin’ny fahotanareo, mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny batisa … , dia indro fa ho raisinareo ny Fanahy Masina amin’izany.” Hitarika anao ny Fanahy Masina ary hanampy anao hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo sy hanao safidy tsara.

Farany, manompoa an’Andriamanitra sy ireo hafa amin’ny fonao manontolo

Manasa antsika rehetra ny Mpamonjy “hanompo azy amin’ny fonareo rehetra.” Rehefa manao ny zavatra tsirairay hangatahin’ny Tompo ataontiska isika, toy ny fitandremana ny didiny, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fitsaohana any amin’ny tempoly ary ny fanompoana ny hafa, amin-kitsim-po sy finiavana marina dia lasa traikefa ara-panahy mahery vaika ny asa fanompoana sy fitsaohana tsirairay ka manamafy orina ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelontsika, sy mameno ny fontsika amin’ny fifaliana sy ny fitiavana ho an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona.

Mbola manakoako hatramin’ny androany ny fanontanian’ny Mpaminany Almà hoe: “Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo? Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Ry rahalahy sy ranabavy, manasa anareo aho hanome ny fonareo manontolo ho an’ny Mpamonjy anio. Aoka ho amin-kitsim-po sy finiavana marina ny asa fitsaohana sy fanompoana tsirairay. Ajanony ireo fialambolin’izao tontolo izao ary miezaha manana fotoana manan-danja ho an’ny Tompo isan’andro eo amin’ny fiainanao. Mibebaha ary miverena Aminy amin’ny fonao manontolo, ary hamela ny helokao Izy sy hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavany. Aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa safidio ny hanana maso tsy mibanjina afa tsy ny voninahiny ary katsaho ireo zavatra tsara kokoa. Fantany ny eritreritrao sy ny fanirian’ny fonao, koa raha manatona Azy ianao dia hanome hery anao Izy sy fahatokian-tena, fiadanana sy fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy toerana iray any amin’ny fanjakana selestialy mandrakizay mandrakizay.

Fantatro fa velona i Jesoa Kristy. Izy no Mpanavotra antsika. Ary tiany amin’ny fony manontolo ianao sy izaho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.