Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny Bokin’i Môrmôna—Harena tsy hay faritana eo amin’ny diantsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


9:47

Ny Bokin’i Môrmôna—Harena tsy hay faritana eo amin’ny diantsika

Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia hanampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay ny Fanahy.

Tsaroanao ve hoe nisy fotoana ianao nomen’olona fanomezana iray izay nanova ny fiainanao? Manamarika ny faha-efapolo taona nandraisako ny iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra tamin’ny fiainako ity oktôbra ity. Fony aho tany amin’ny lisea dia nahatsikaritra fa nanana fahazavana tsy mitovy amin’ny an’ny ankamaroan’ny tanora hafa ny mpiara-mianatra aminay iray. Nahafinaritra ahy ny niaraka taminy. Nilaza tamiko izy indray andro fa izy dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Dia nanome tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray ahy izy ho fanomezana. Nanasa ahy hamaky pejy vitsivitsy izy ary hihaona amin’ny namana roa izay afaka hamaly ireo fanontaniako. Misiônera ireo namana roa ireo.

Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera aho dia nampianatra ahy ny fotopampianaran’i Kristy izy ireo ary nanasa ahy hanaraka ilay fanasan’ny mpaminany Môrônia hoe: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4).

Namaky pejy maromaro tamin’ny Bokin’i Môrmôna aho ary nivavaka. Na dia tsy mbola nanana fahatakarana lalina momba ireo zavatra rehetra nampianarin’ireo misiônera ahy aza aho dia nahatsapa tao am-poko fa tsara ny zavatra novakiako ary avy amin’ Andriamanitra izany. Nahazo fanamarinana momba ilay fampanantenan’i Môrônia aho: “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”(Môrônia 10:5).

Rehefa natao batisa tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho dia niezaka nandresy lahatra ahy ny namana sasany hoe nandray fanapahan-kevitra diso aho. Isaky ny nandalo fisalasalana sy fanoherana tahaka izany anefa aho dia nahazo fanamafisana vaovao tamin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka mba hijanona ho marina amin’ireo fanekempihavanana izay nataoko tamin’ Andriamanitra. Nanomboka tamin’izay dia lasa namako sy harena tsy hay faritana eo amin’ny fiainako ety an-tany ny Bokin’i Môrmôna.

Mihoatra noho ny boky fotsiny ny Bokin’i Môrmôna. Izy io dia Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izay nosoratan’ireo mpaminany maro fahiny tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana.

Ny zava-nitranga lehibe indrindra voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy Tompo teo anivon’ny Nefita fotoana fohy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Ny Bokin’i Mormôna dia “manazava ny fotopampianaran’ny filazantsara, manoritsoritra ny drafitry ny famonjena ary milaza amin’ny olona ny tsy maintsy hataony hahazoana fiadanana eo amin’ity fiainana ity sy famonjena mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy” (Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

Ny fanontana voalohany ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia navoaka tao amin’ny tanàna kely iray tao New York tamin’ny martsa 1830. Vao 23 taona monja i Joseph Smith tamin’ny fotoana nahavitany ny fandikana ilay boky tamin’ny 1829. Efa ho ny boky manontolo no voadikany tao anatin’ny latsaky ny 75 andro, ary naharitra teo ho eo amin’ny 7 volana teo ny dingan’ny fanontana printy.

Ankehitriny dia misiônera amin’ny fotoana feno manodidina ny 80.000 any amin’ny firenena mihoatra ny 150 no manompo milatsaka an-tsitrapo, manokana ny fiainan’izy ireo mba hijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary mijoro vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany.

Tamin’ilay seminera ho an’ny filohan’ny misiôna vaovao vao haingana kely tamin’ny jona tamin’ity taona ity dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka nananany momba ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Russel M. Nelson: “Ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra. Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy izany ary manazava bebe kokoa momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy mihoatra noho ny boky hafa.”

Te hanome sosokevitra telo aho izay mety hanampy hanamafy ny fiovam-pontsika ao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna :

1. Mazotoa ary tohizo tsy tapaka ny fandalinanao isan’andro

Tahaka an’i Almà sy ireo zanakalahin’ny Mozià dia mila “[mandinika] amim-pahazotoana tokoa ny soratra masina [isika] hahazoan[tsika] mahalala ny tenin’ Andriamanitra” sy hohatanjahina ao amin’ny fahamarinana (Almà 17:2).

Fony izahay mpitarika tao amin’ny misiônan’ny Georgie Atlanta dia namporisika ny misiônera rehetra izahay mivady mba handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny 30 minitra isan’andro farafahakeliny. Nampitombo ny finoanay sy nanampy anay hiandrandra ary hanantena fahagagana izany fanoloran-tena izany.

Mety tsy manana habem-potoana malalaka ho an’ny fandalinana soratra masina isan’andro tahaka izany izahay taorian’ny misiôna, nefa mampanantena aho fa raha manao lohalaharana amin-kitsipo ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ombam-bavaka isan’andro ianareo dia hahazo tanjaka ara-panahy lehibe sy fahatokisana ao amin’ny fampanantenan’Andriamanitra.

2. Alaivo antoka mba hanan-danja kokoa ny fandalinanao amin’ny alalan’ny fivokisana ny tenin’i Kristy

Nampianatra i Nefia hoe: “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro, hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Mihoatra ny mamaky fotsiny ny mivoky—midika hoe mankafy, misaintsaina ary mampihatra izany. Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao dia saintsaino ny fomba hahatonga ny fandalinanao soratra masina hanan-danja kokoa. Ohatra:

  • Mampiasa ireo fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.

  • Mikatsaka ireo fahamarinana mandrakizay izay manampy antsika hahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ary mitarika antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra.

  • Manasongadina ireo fehezanteny manan-danja sy mirakitra ireo fahatsapanao mba hitahirizana ny zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manana fahefana hamaly ireo fanontaniana apetrakin’ny fanahintsika. Araka ny nolazain’i Nefia hoe tokony “hampihatra amintsika ny tenin’ ny soratra masina rehetra isika mba ho tombontsoantsika sy ho fianarana ho antsika” (1 Nefia 19:23).

Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia hanokatra ny varavarana ho an’ny fanambarana izany sy hanoro antsika ny zavatra tokony ataontsika amin’ny toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainantsika mba hanatonana bebe kokoa Azy.

3. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna

Toy ny nanirian’i Lehia hizara ny voan’ny hazon’aina tamin’ny fianakaviany (jereo ny 1 Nefia 8:12), rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna isika dia manana faniriana hizara ny fifaliana avy amin’ny fahafantarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rahavavy Benson miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna

Nizara tamiko ny faniriany hanampy ny anadahiny i Rahavavy Benson, iray tamin’ireo misiôneranay, izay manatrika izao fotoana izao miaraka amintsika eto. Tamin’izany fotoana izany dia niomana ny hianatra any amin’ny oniversite ny anadahiny ary tsy mbola nahazo antoka hoe handeha hanompo any amin’ny misiôna. Nanana fahatsapana aho ny hanasa an’i Rahavavy Benson hamaky ny Bokin’i Mormôna manditra ny efa-bolana voalohany amin’ny misiônany, hanamarika ireo andinin-tsoratra masina tiany indrindra ary avy eo dia handefa dika mitovy amin’izany any amin’ny anadahiny.

Nandefa ilay dika mitovy tamin’ilay Bokin’i Môrmôma voamarika i Rahavavy Benson ary nanasa ny anadahiny hamaky izany isak’alina. Nizara tamiko izy taty aoriana hoe: “Talohan’ny misiônako dia tsy nahazo antoka ny anadahiko hoe te hanompo amin’ny fotoana feno ve izy. Tsikelikely, rehefa elaela, raha namaky ny Bokin’i Môrmôna izy dia nahita fifaliana nitombo tamin’ny fiainany ary nanomboka nieritreritra hanompo any amin’ny misiôna.”

Ny Loholona Benson

Roa herinandro talohan’ny nahavitan’i Rahavavy Benson ny misiônany dia nanokatra ny taratasy fiantsoana ny misiônany ny anadahiny. Manompo ao amin’ny misiônan’ny Mexico Tuxtla Gutierrez izy ankehitriny. Tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna dia lasa nahita fahazavana ara-panahy teo amin’ny fiainany i Elder Benson, izay nitarika azy hanompo ny Tompo sy hahatoky fa hilamina ny zava-drehetra. Izany fanapahan-kevitra izany dia fahagagana voatariky ny herin’ny tenin’i Kristy.

Ry rahalahy sy rahavavy malalako, mamporisika ny tsirairay aminareo aho mba hanamafy ny fandalinanareo ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia hanampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay ny Fanahy, sy mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amim-paharesen-dahatra amin’ireo izay nomanin’ny Tompo handre ny hafany. Nilaza ny Tompo hoe: “Fa ny olomboafidiko dia mihaino ny feoko ary tsy manamafy ny fony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7). Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo izay mangataka amin’ Andriamanitra amin’ny finoana dia hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinany sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Sacrament Meeting” (lahateny natao nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiôna vaovao, 23 Jona 2025), 1–2.