Dia ho azo aorina ny rehetra
Rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika, mampianatra ny fotopampianarany ary mianatra amim-pahavitrihana, dia manasa ny Fanahy Masina isika mba hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanampy antsika hitovy kokoa Aminy.
Misy tantara momba ny tanora iray mpianatra tany amin’ny oniversite izay sahirana tamin’ny taranja sarotra iray, ka noho izany dia nanakarama mpampianatra izy mba hanampy azy. Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny fotoam-pianarana dia nanambara tamin’ny mpianatra ilay prôfesora fa ny mpianatra dia afaka mitondra taratasy iray any amin’ny fanadinana farany ka azon’izy ireo asiana izay zavatra rehetra tian’izy ireo eo amin’izany. Ny mpianatra sasany dia niomana tamin’ny alalan’ny fanoratana soratra madinika kely izay ahitana fampahalalana avy amin’ireo lesona sy boky fianarana ka tsy voavaky raha tsy amin’ny alalan’ny loupe. Saingy ilay tovolahy dia tonga tany am-panaovana ny fanadinana farany niaraka tamin’ny taratasy iray tsy nisy na inona na inona sy vahiny iray. Rehefa nanontany azy ilay prôfesora dia namaly ilay tovolahy hoe, “Nilaza ianao fa afaka mitondra taratasy iray aho ary azo asiana na inona na inona eo amin’izany”. Napetrany teo amin’ny tany teo akaikin’ny latabany ilay taratasy avy eo ary hoy izy, “Tiako mba hijoro eo ambonin’ny taratasiko ny mpampianatra nokaramaiko”.
Ny Fanahy Masina
Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika izay manana ilay namana iray izay mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra, dia afaka mahazo fanampiana avy amin’ilay mpampianatra tonga lafatra isika. Ny Fanahy Masina dia mahalala ny zava-drehetra, mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana, ary “hampahatsiaro [antsika] ny zava-drehetra”. Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka matetika momba ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny feon’ny Tompo. Nampianatra antsika ny fomba hanasana ny fitarihan’ny Fanahy Masina izy ary namerimberina niangavy antsika mba hampitombo ny fahafahantsika ara-panahy mandray fanambarana.
Androany aho dia manasa anareo handinika ny anjara asan’ny Fanahy Masina, indrindra fa mahakasika ny fianarana ny filazantsara sy ny fampianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana. Ny Fanahy Masina dia homena amin’ny fivavaky ny finoana sy rehefa miezaka ny hiaina mba ho mendrika io fanomezana sarobidy io isika. Ilay boky torolalana an’ny Fiangonana Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izay azo avy amin’ny fanentanam-panahy dia manasongadina fitsipika fanampiny napetraky ny Tompo izay hanampy amin’ny fanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana
Ny iray amin’ireo fitsipika ireo dia ny hoe ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Taloha dia mety nieritreritra isika fa ny mampianatra dia fotoana iray ahafahan’ny ray na reny iray, na mpampianatra iray manasa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fanomanana ataony ary avy eo dia mizara ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny zanaka na ny mpianatra ao amin’ny kilasy iray, izay ny mihaino no anjara asan’izy ireo. Saingy ny mahomby kokoa dia rehefa tonga efa nahavita fiomanana koa isika mpianatra, sy rehefa mamorona traikefa amin’ny fianarana izay miteraka fanambarana ho an’ny tena manokana mivantana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny mpampianatra. Avy eo, noho isika nomena fahafahana hizara ny zavatra nianarantsika tamin’ny alalan’ny fandalinantsika sy avy tamin’ny Fanahy Masina, dia mifanampy isika mba hanam-pahalalana sy fahazavan-tsaina amam-panahy. Rehefa mampihatra ny fitsipiky ny filazantsara isika dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany indray ny Fanahy.
Tahaka ny amin’ny zavatra rehetra dia i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra. Nanasa antsika Izy mba ho mpianatra mavitirika sy hiandraikitra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana. Nanasa ireo mpianany Izy mba hiomana hampianatra, sy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo, ary hanao asa amim-pinoana. Nivavaka ho azy ireo Izy, nahita ny hery masina anaty ananan’izy ireo, sy nihaino azy ireo ary nanampy azy ireo hahafantatra fa tiana sy ilaina izy ireo.
Amin’ny maha mpampianatra antsika dia afaka mifantoka kokoa amin’ny fivoaran’ny mpianatra isika, sy amin’ny fanomezana izay zavatra ilain’izy ireo ary amin’ny fanampiana azy ireo mba hanana fahazarana ara-panahy amin’ny maha mpianatra azy ireo mandritra ny androm-piainan’izy ireo. Amin’ny maha mpianatra antsika, rehefa mampihatra ny fahafahantsika misafidy isika ao anatin’ny dingana arahina amin’ny fianarana, dia mampahafantatra ny Fanahy Masina ny fahavononantsika mba hampianariny isika.
Feno fankasitrahana ny mpampianatra iray aho izay nanasa ahy mba ho lasa mpianatra tsara kokoa. Rehefa nanomboka nianatra tany amin’ny oniversite aho dia nanana fiheveran-diso fa ny fianarana any an-tsekoly dia toy ny zavatra iaretana mba hahazoana lalana hanao fanatanjahantena. Indray andro taorian’ny namakiako lahatsoratra iray izay nosoratako, dia niteny tamiko ilay prôfesora nampianatra ahy fa izaho dia mpamakafaka manan-talenta. Tsy fantatro akory na ny dikan’izany aza. Nilaza izy fa afaka ny ho mpianatra mahay aho raha manao ezaka mafy kokoa. Tsy tonga tao an-tsaiko velively izany eritreritra izany. Ny firaharahiany sy ny famporisihany ary ny fanasany dia nanova ny fianarako ary nitahy izaitsizy tokoa ny fiainako.
Ampianaro ny fotopampianarana
Ny fitsipika iray hafa izay manan-danja amin’ny fanasana ny Fanahy Masina dia ny fampianarana fotopampianarana marina. Izany dia midika fa ny fandalinantsika sy ny fampianarantsika ny filazantsara dia mifototra amin’ny tenin’ Andriamanitra, ka tsy manaitaitra saina na manamboamboatra resaka mikasika ny zavatra tsy nambaran’ny Tompo isika. Fa mifantoka kosa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara izay tena ilaina sy maharitra mandrakizay isika, izay manome fahafahana ny Fanahy mba hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Mbola manaraka ny ohatry ny Mpamonjy hatrany isika. Hoy Izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ Izay naniraka Ahy”.
Hita ao anatin’ny soratra masina sy ao anatin’ny fampianaran’ireo mpaminany moderina ny fotopampianarana marina. Ny famporisihan’ny Tompo mba handalina ny soratra masina manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana sy mba handeha hiangona isan-kerinandro mba handalina ny filazantsarany dia rafitra miavaka hianarana ny fotopampianarany sy handrenesana ny feony. Mandalina ny soratra masina isika mba hahatakarana ny tantara sy ny fitsipika ampianarin’izany ary ny fiantefan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika. Fitahiana lehibe ny fananana ny soratra masina eo am-pelatanantsika. Alao sary an-tsaina hoe mamangy antsika any an-tokantranontsika na any amin’ny toeram-pianarantsika mba hampianatra antsika i Adama sy i Eva, na i Abinadia, na i Jesoa Kristy izay Mpampianatra Lehibe. Afaka manao izany izy ireo rehefa mivoky amin’ny tenin’ Andriamanitra isika. Miaraka amin’ny ezaka atao tsy tapaka dia afaka mianatra manakatra sy mitia ny soratra masina isika ary matoky fa manana ny valin’ireo fanontaniana ananana any anaty izany.
Nisy fotoana talohan’ny nivadianay izay nananan’i Kristi vadiko olana teo amin’ny fananana fahatsapana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fahatakarana ny drafitra nataony ho azy. Rehefa nivavaka izy mba hahazo fitarihana dia nisy fahatsapana tonga fa tokony hanatrika institiota izy, hany ka nisoratra anarana mba hanatrika ny kilasin’ny Testamenta Vaovao izy. Ny fomba fampianaran’ilay mpampianatra azy ny soratra masina, na ny fomba fihazonany izany aza, dia nampiseho ny halehiben’ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra. Rehefa nanatrika izany izy dia nibitsika taminy ny Fanahy Masina fa misy zavatra izay ilainy ao amin’ny soratra masina. Ny fitiavan’ilay mpampianatra azy ny soratra masina sy ny bitsiky ny Fanahy Masina dia namboly faniriana tao anatiny mba hanomboka handalina amim-pahamatorana ny tenin’ Andriamanitra, izay lasa dia natao nandritra ny androm-piainana izay nahitana fiovam-po lalina sy asa fanompoana feno fanolorantena.
Mifantoha amin’i Jesoa Kristy
Farany, araka ny sosokevitra atolotry ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy lalandava ny fampianarantsika sy ny fianarantsika. Afaka miresaka matetika kokoa sy amim-panajana kokoa momba Azy isika ary mikatsaka fomba misimisy kokoa ahafahana maneho fijoroana ho vavolombelona momba Azy sy fankasitrahana ho Azy ary fitiavana Azy. Na aiza na aiza misy antsika, rehefa mahatsiaro Azy isika dia afaka manana ny “Fanahiny miaraka [amintsika]”.
Ny fomba iray hametrahana an’i Jesoa ho ivon’ny fampianarantsika dia ny fanantitranterana fa Izy no ohatra tonga lafatra, ary ohatra velon’ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra sy fanehoana izany. Na dia rehefa tsy voalaza mivantana ao amin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina aza Izy, dia mbola afaka manondro Azy ho toy ny ohatra momba ilay fitsipika izay ampianarina isika. Afaka manontany tsotra fotsiny isika hoe, “Moa ve ianao afaka mieritreritra fotoana iray izay nanehoan’i Jesoa an’ity fitsipika ity tamin’ny alalan’ny ohatra?”
Afaka mifantoka Aminy koa isika amin’ny alalan’ny fianarantsika momba ireo anarana fiantsoana Azy sy ireo anjara asany ary ireo toetrany, ary tsy vitan’ny hoe mikatsaka ny hianatra fotsiny ny zavatra nataony fa mba hahatakatra tsaratsara kokoa ihany koa hoe iza Izy. Ohatra, rehefa mandalina momba ny fitsipiky ny fibebahana, dia zava-dehibe ny fahatakarana ny fomba fibebahana. Saingy tena ilaina koa ny mahatsiaro ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahatanteraka ny fahafahana mibebaka sy ny manakatra ny zavatra ampianarin’ny fibebahana antsika momba Azy sy mikasika ny tena toetrany. Inona no ambaran’ilay fahafahana ananantsika mba hibebaka momba ny fitiavany, ny faharetany, ny famindram-pony, ny finoany ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra, sy ny fahavononany hanonitra ny fahotantsika ary ny fifaliana tsapany eo amin’ny famelana? Ary ny fahatakarana ireo anarana fiantsoana Azy toy ny hoe, Zanakondrin’ Andriamanitra, Mpanavotra ary Mpitsabo, dia manampy antsika hahita fa ny fibebahana dia fanasana atolony mba hanadiovana sy hanovana ary hanasitranana antsika. Ny fifantohana amin’ny zavatra nataony ho antsika sy ny zavatra lazaina momba ny hoe iza Izy dia afaka manampy antsika hanana “finoana ho amin’ny fibebahana”.
Indraindray dia mety tsy ho hitantsika avy hatrany ireo toetran’ny Mpamonjy voalaza ao anatin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina. Ohatra rehefa mamaky momba an’i Nefia izay nanamboatra sambo isika dia mety hifantoka fotsiny amin’i Nefia. Saingy ny fifantohana amin’ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika hahita fa izany rakitsoratra izany dia tsy notahirizina mba hampianarana antsika momba ny fahalehibezan’i Nefia fa mba hampisehoana ny fahalehibezan’ Andriamanitra, noho Izy manome tanjaka antsika mba hitandremana ny didiny sy manavotra antsika amin’ny fotoana ilana izany.
Isika koa dia afaka mifantoka amin’ny anjara asa fototr’i Jesoa Kristy ao amin’ilay drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra izay lavorary. Afaka manova ny lalana hizoran’ny fiainantsika ny mijery ny toe-javatra iainantsika amin’ny alalan’ny fomba fijery ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra toy izay hijery ilay drafitra amin’ny alalan’ny fomba fijery ireo toe-javatra iainantsika ara-nofo. Ny filazantsara dia tsy lisitra iray ahitana zavatra takina. Izany dia ilay vaovao mahafaly fa nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny fahazoana ilay fahasoavany mahatalanjona amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra no ahafahantsika miaina amim-pifaliana amin’izao fotoana izao sy miomana amin’ilay fiainana miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra any amin’ny mandrakizay. Rehefa mianatra mijery ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina isika, dia lasa hahafantatra Azy ireo kokoa isika sy hahita matetika kokoa sy amin-kery kokoa ny fitiavana sy ny hery mitarika ananan’izy ireo eo amin’ny fiainantsika manokana.
Hotsaroako lalandava ilay Fanahy tsapako fony aho zatovo rehefa nampianatra momba ireo andro farany niainan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainany ilay mpampianatra anay. Nampiany izahay hahita ny maha-zava-dehibe an’ireo zava-nitranga tao amin’ilay efitrano tany ambony rihana, tao Getsemane, sy tao Golgota ary tao amin’ilay fasana foana. Nizara ny fankasitrahany lalina ny Mpamonjy izy sy ny faniriany mivaivay hanaraka Azy. Ny fampianarany dia fanasana natolotra ho an’ny Fanahy Masina mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ary ilay Fanahy tsapako tao amin’izany kilasy izany dia nampahalalim-paka ny finoako sy nampitombo ny fitiavako sy ny fankasitrahako ny Mpamonjy. Ny hery mitarika nentin’io mpampianatra io dia nitoetra tao amiko nandritra ny fiainako. Araka ny nolazain’ny mpampianatra iray hafa hoe, “Afaka nanafana ny tananay tamin’ny afon’ny finoany izahay”.
Teny famaranana
Rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika any an-tokantranontsika sy any amin’ireo fivoriam-piangonantsika sy mampianatra ny fotopampianarany ary mianatra amim-pahavitrihana, dia manasa ny Fanahy Masina isika mba hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanampy antsika hitovy kokoa Aminy, izay tanjon’ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara rehetra.
Feno fankasitrahana an’ireo mpampianatra ahy rehetra teo amin’ny fiainako aho, nanomboka tany amin’ireo ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo, ireo mpitarika sy mpampianatra teo an-toerana hatrany amin’ireo lehilahy sy vehivavy izay voantso hampianatra sy hijoro ho vavolombelona teto amin’ity polipitra ity. Ary feno fankasitrahana ny Fanahy Masina aho izay mpampianatra tonga lafatra. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no ahafantarako fa tia antsika ny Ray any An-danitra ary manana drafitra tonga lafatra ho antsika Izy; fa i Jesoa no ilay Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao ary ny filazantsarany sy ny Fiangonany dia naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.