Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Teny Fanolorana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


3:34

Teny fanolorana

Izao isika dia mandroso hatrany amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona ity, manohy araka ny lamina natao ary miaraka amin’ireo mpandahateny sy hira nasain’ny Filoha Nelson natao taorian’ny fiomanana nandritra ny volana maro.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mivory isika eo am-pisaonana ny fahafatesan’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika. Amin’ny maha Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy no hitenenako aminareo, izay andraikitra nanohanana ahy tamin’ny fihaonambe tsirairay—tamin’ny fihaonamben’ny paroasy, ny tsatòka ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany—tao anatin’ny fito taona sy tapany izay.

Izao isika dia mandroso hatrany amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona ity, manohy araka ny lamina natao ary miaraka amin’ireo mpandahateny sy hira nasain’ny Filoha Nelson natao taorian’ny fiomanana nandritra ny volana maro. Ny hany zavatra maningana dia ity teny fanolorana fanazavana ataoko ity sy ny fandraisako fitenenana eo amin’ny toeran’ny Filoha Nelson amin’ny fivoriana farany ny alahady tolakandro.

Ity no fotoana voalohany tao anatin’ny 75 taona teo ho eo, izay nahafatesana Filohan’ny Fiangonana andro vitsy alohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Izany dia nitaky ny handaminanay ny fomba hanaovana ireo fivoriana manan-danja ho an’ny mpitarika ao anatin’ny fotoan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary koa ireo fivoriana ho an’ny daholobe maneran-tany amin’ny fihaonambe, sady mandamina ihany ny fotoana hanaovana ny fandevenana azy faran’izay haingana araka izay azo atao. Takatry ny Filoha Nelson ny hasarobidin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hanomezana fitarihana ho an’ireo Olomasina ao anatin’ireo volana ho avy. Manome voninahitra azy isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fandaharam-potoan’ny fihaonambe izay efa voalamina.

Ao anatin’izao fotoan’ny alahelo izao, dia efa nanao fivoriana izahay mba hanomezam-boninahitra ny Filoha Russell M. Nelson mialoha ireo fivoriantsika amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary avy eo dia nandamina ny fotoana hanaovana ny fandevenana azy faran’izay haingana araka izay azo atao aorian’ny fihaonambe. Izany rehetra izany dia natao rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny fianakavian’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy.

Koa satria isika rehetra izay nasaina hiteny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia manam-paniriana ny hanokana ny fotoana nomena antsika mba hanomezam-boninahitra ny Filoha Nelson, dia nangataka izahay ny mba hamintinan’ireo mpandahatenintsika rehetra amin’ny fihaonambe izany fanomezam-boninahitra izany ho fohy dia fohy, ka hanemotra ireo teny fanomezam-boninahitra voaomana tsara hatao amin’ny fandevenana, izay efa natombokay ny fandaminana azy.

Ny fanomezam-boninahitra fohy ataoko—izay mety amin’ity fihaonambe ity sy amin’ireo fanomezam-boninahitra efa nataonay—dia ny hoe tiako i Russell M. Nelson ary nianatra kokoa momba ny filazantsara sy ny fitarihana araka ny filazantsara aho avy tamin’ny finamanako hatry ny ela sy ny fiarahako miasa tamin’ny Filoha Nelson raha oharina amin’izay azoko avy amin’ny olona hafa rehetra izay fantatro manokana. Ohatra ho antsika izy amin’ny maha mpanompo sy mpanara-dia ny Tompo Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.