Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Jesoa Kristy: fototry ny fiandohanao vaovao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


14:20

Jesoa Kristy: fototry ny fiandohanao vaovao

Isika rehetra dia afaka manana fiandohana vaovao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy noho i Jesoa Kristy. Na ianao io aza.

Fanalefahana lanjan-kevitra misy ao anaty Soratra Masina: Nandehandeha nanao soa i Jesoa

“Nandehandeha nanao soa” i Jesoa. Vakintsika ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izany tatitra tsotra izany. Tena goavana izany fanalefahana lanjan-kevitra izany! Azo antoka fa nandehandeha nanao soa tokoa i Jesoa! Izy no tena fototra—sy loharanon’—ny hatsarana! Nolaniany nanaovana soa ny fiainany teto an-tany iray manontolo . Izy dia “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po”, tsy manam-petra amin’ny hatsarana ary maharitra mandrakizay amin’ny famindram-po.

Izay andrana rehetra amin’ny famaritana na famintinana ny hatsarany sy famindrampony dia ho fanalafehana lanjan-kevitra avokoa. Tena marina, araka ny nezahan’ny Apôstôly Jaona nambara, fa raha toa isika ka manandrana mirakitra ny fotoana tsirairay nanehoana ny hatsaran’ny Mpamonjy dia “[na] izao tontolo izao aza tsy omby ny boky voasoratra”.

Manolotra fiandohana vaovao ho antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy

Ireo ohatra vitsivitsy voafaritra tsara izay noraketintsika ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa nandehandeha “nanao soa” dia miteraka fahatalanjonana sy fahatsapana mampitolagaga lalina, indrindra rehefa tena mieritreritra isika hoe mety ho toy ny ahoana raha teo isika, nanatri-maso ireo fahagagana nataony sy nandray ireo fampianarany, ary niaina ny fanasitranany. Niresaka tamin’ireo izay voailiky ny fiarahamonina Izy, nikasika ny marary sy ny tsy madio, nitondra fampiononana ho an’ny trotraka, nampianatra fahamarinana manafaka, ary niantso ireo mpanota ho amin’ny fibebahana. Ho an’ny boka sy ny jamba ary ny vehivavy janga tsirairay avy; ho an’ny malemy sy ny marenina ary ny moana; ho an’ny reny vonton’alahelo rehetra sy ny raim-pianakaviana kivy ary ny mpitondratena izay ory; ho an’ny voaheloka sy ny menatra ary ny mijaly; ho an’ny maty ara-batana sy ny maty ara-panahy, ny zavatra nataony dia ny nanolotra fiandohana vaovao. Eny, fanalefahana lanjan-kevitra mahavariana iray hafa izany!

Ny zavatra rehetra nolazainy sy nataony dia nanolotra fiandohana vaovao ho an’ny tsirairay tamin’ireo izay nositraniny, notsofiny rano, nampianariny, ary nohamaivaniny fahotana. Tsy niala tamin’izy ireo Izy, ary azo antoka fa tsy hiala aminao koa Izy. Alaovy sary an-tsaina ankehitriny hoe maheno ny iray amin’ireto teny manome aina ireto avy Aminy ianao:

“Anaka, voavela ny helokao.”

“Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.”

“Madiova hianao.”

“Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”

“Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.”

Fohy ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo olona ireo, saingy tamin’ireo no nanomezany tombon’andro vaovao feno famelan-keloka, fahasitranana, famerenana amin’ny laoniny, fiadanana, ary fiainana mandrakizay. Ary ny vaovao mitondra lehibe dia omeny fiandohana vaovao mitovy amin’izany koa izaho sy ianao. Isika rehetra dia afaka manana fiandohana vaovao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy noho i Jesoa Kristy. Na ianao io aza. Ivon’ny drafitry ny Ray ho an’ireo zanany ny fiandohana vaovao. Ity no fiangonan’ny fiandohana vaovao! Ity no Fiangonan’ny fanomboana vaovao!

Ity no Fiangonan’ny fiandohana vaovao

Amin’ny alalan’ny batisa amin’ny rano sy ny Fanahy dia “ateraka indray” isika ary afaka “mandeha amin’ny fiainam-baovao”. Manao ahoana ny fanantenana entin’izany fiandohana vaovao izany ho an’ny olona mihisa-pivoarana noho ny vesatry ny fahotana na nijaly noho ny vokatry ny fiainana feno korontana sy ny fifandraisana tsy mandeha araka ny tokony ho izy? I Jesoa Kristy dia tsy nila famelana ny fahotana ho an’ny Tenany na fanombohanam-piainana vaovao, kanefa dia natao batisa, mba hampisehoana antsika mazava tsara ny lalana mankany amin’ilay fiandohana vaovao izay nosoratany ho antsika tsirairay avy.

Ary tsy indray mandeha fotsiny ihany no mitranga ny fiandohanao vaovao. Mihevitra isika fa ny batisantsika no hany bala tokana amin’ny fiandohana vaovao. Tsy izay anefa. Tsy iray fotsiny ihany ny fahafahana ananantsika. Afaka mitranga isan’andro ireo fiandohana vaovao ireo! Ary azo antoka fa isan-kerinandro mihitsy aza, rehefa mihinana tapa-mofo kely iray sy misotro rano anaty kaopy kely isika ho fahatsiarovana ny fanomezan’ilay Mpamonjy antsika tonga lafatra, izay maty noho ny tanjona mazava, dia ny mba hanomezana antsika fiandohana vaovao maro araka izay ilaintsika! Manome antsika fiandohana vaovao maro araka izay ilaintsika i Jesoa.

Amin’ny alalan’ny fanolorantena sy ny firavoravoana amin’ny fiainana vaovao ao amin’i Kristy, dia afaka ny ho tonga “olom-baovao” isika, fa efa lasa ny zavatra taloha ary tonga vaovao ny zava-drehetra. Fanamaivanana toa inona no entin’izany fahafahana mamerina indray izany ho an’ny fanahy iray izay tsy mitsahatra ny manandrana, fa manohy misafidy ny finoana ny herin’ny Mpanavotra antsika izay manasitrana sy mamerina amin’ny laoniny, na dia eo aza ny tsy fahombiazana amin’ny fiainana anaty tontolo lavo? Tsy nilavo lefona mihitsy tamin’ny fanolorantenany hanatanteraka ny sitrapon’ny Ray sy hamita ny sorona fanavotana nanirahana Azy ny Mpamonjy, na dia nandalo fanaintainana izay nahatonga Azy hangovitra, hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, hijaly vatana sy fanahy, ary nivavaka mba hanesorana Taminy an’ilay kapoaka mangidy aza Izy. Mbola nasehony antsika indray aza ny fisehon’izany faharetana feno fahatokiana an’ Andriamanitra izany.

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana rehetra ataontsika sy ny ezaka rehetra ataontsika mba hitandremana izany dia afaka mahazo “fo vaovao” sy “fanahy vaovao” iray feno kokoa isika. Tsikelikely, arakaraka ny hanaovantsika zavatra mamela antsika hahatsapa ny hatsarany sy handroahantsika ireo feo ratsy ao anaty izay tsy mampisy na manohintohina ny fahatokian-tenantsika na ny fivoarantsika no hahatonga antsika ho vahoakany satria tena ataontsika ho Andriamanitsika Izy. Tena te ho Mpanjakantsika sy Mpiandry antsika ary Andrian’ny Fiadanantsika i Jesoa, ary afaka misafidy ny hanao Azy ho tahaka izany ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika isika.

Fiandohana vaovao momba ny fahitantsika ny fibebahana

Ny fibebahana dia manokatra ny varavarana ho an’ny fiandohantsika vaovao sy ny fanombohana vaovao ary ny fahafahana mamerina indray. Nanitsy ny fahadisoam-pijerintsika mikasika ny fanomezana masin’ny fibebahana ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika, ary mino aho fa manomboka mahatakatra izany isika ankehitriny.

Mampientanentana ny mandre ireo zatovontsika manoritsoritra ny dikan’ny fibebahana ho azy ireo. Vao tsy ela aho no naheno zatovovavy iray niteny tam-pitsikiana nanao hoe: “Rehefa mieritreritra momba ny fibebahana aho, ny fibebahana isan’andro, dia mahatsapa fifaliana sy fanantenana mahatalanjona. Mahatsapa ny fitiavana sy ny fifalian’ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy ahy aho. Tsy matahotra ny hanatona ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka aho ary mangataka ny fanampiany amin’izay rehetra manahirana ahy. Fantatro fa tsy miezaka ny hanatratra ahy hanao zavatra ratsy Izy Ireo. Misokatra malalaka ny sandrin’Izy Ireo. Izany no atao hoe fibebahana amiko”, hoy izy. Takatr’io zatovovavy io fa noho i Jesoa Kristy dia afaka manana fiandohana vaovao izy!

Fiandohana vaovao ho an’ny olona rehetra, amin’ny fotoana rehetra

Mila fiandohana vaovao va ianao? Afaka manao fanombohana vaovao ve ianao, na ianao aza? Eritrereto ireo olona izay notompoin’ny Mpamonjy—ireo olona nampianariny, nositraniny, natsangany tamin’ny maty, navelany heloka ary naveriny tamin’ny laoniny. Moa ve Izy nisafidy azy ireo noho ny saranga ara-toekarena na fiaviana iray manokana? Nanavaka ny olo-marina sy ny mpanota ve Izy? Moa ve izy nanindraindra olona satria mendrika kokoa na tiana kokoa izy ireo? Tsia.

Ny sasany tamin’ireo dia nanatona Azy tamim-pinoana lehibe, nino ny heriny izay manasitrana, toy ilay vehivavy nanana olana tamin’ny fandehanan’ny rà, ilay kapiteny Romana izay nanana mpanompo teo andalam-pahafatesana, ilay boka, i Jairo, na i Bartimeo ilay jamba. Samy nitsapa ny finoana nananany avy izy ireo, ary nanantena fa hanova ny fiainan’izy ireo sy ny fijeriny ny hoaviny ny hatsaram-po sy ny herin’ilay raby avy any Nazareta. Ary nataony tokoa izany. Nampiasainy tamin-kahalalahana ny heriny manasitrana.

Fa nitahy ireo izay nihozongozom-pinoana koa i Jesoa, tahaka ny rain’ilay zaza marary izay niantsoantso, mety tahaka ny nataonao hoe: “[Tompo ô,] mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.” Ary naneho fangorahana tamin-kahalalahana tamin’ireo izay tsy nikatsaka Azy mihitsy aza Izy, tahaka ilay vehivavy tratra nijangajanga, ilay mpitondratena tao Naina, ilay lehilahy sembana teo amin’ny farihin’ny Betesda, ary ilay lehilahy teraka jamba. Efa nahatsapa Azy nandehandeha nanao soa teo amin’ny fiainanao ve ianao na dia tsy nikatsaka Azy na nanaraka Azy aza?

Ho an’ny tsirairay amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo sy ho an’ireo rehetra izay nihaino sy namaly, dia nanome fiandohana vaovao Izy, na fiainana vaovao voavela tamin’ny fahotana izany, na fiainana vaovao nositranina tamin’ny rofy, na fiainana vaovao natsangana tamin’ny fahafatesana.

Midika inona izany ho anao sy ho ahy? Tsy misy fetra ny hatsarany sy ny famindrampony ary ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Ny fiandohana vaovao dia ivon’ny drafitry ny Ray! Fanombohana vaovao no asa nanirahana ny Zanaka! Maraim-baovao sy takelaka vaovao ary fahafahana mamerina vaovao no ivo fototry ny vaovao mahafaly ao amin’ny filazantsara!

Noho izany, efa nisintaka ela loatra, niala ny fanekempihavanana nataonao ve ianao ka tsy ho afaka handray fiandohana vaovao? Tsia. Efa nanao an’izao sy izao imbetsaka loatra ve ianao ka tsy afaka ny omena fahafahana hanarina iray hafa intsony? Tsia. Efa nanalavitra loatra an’i Kristy ve ianao ka tsy afaka hanampy anao hanoratra tantara vaovao indray Izy manomboka eto? Tsia. Ny fahavalo irery ihany no hany mahazo tombontsoa avy amin’ilay fieritreretana hoe resy tanteraka ianao. Tsy resy ianao.

Ary ny fiandohana vaovao dia tsy noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika fotsiny ihany fa mbola mihoatra lavitra noho izany. Amin’ny alalan’ny hatsarana sy ny fahasoavan’ilay Mpamonjy dia afaka manana fanombohana vaovao indray isika; fanombohana izay mitondra fiovana amin’ny fomba fisainana taloha, ny fahazaran-dratsy, ny fahatezeran-dava, ny fitondran-tena ratsy, ny fahatsapana ho tsy afa-manao na inona na inona, ary ny fironana hanome tsiny ny hafa sy hiala ny andraikitry ny tena manokana. Tena afaka manova zavatra momba ny tenanao izay nikiky anao an-taonany maro ianao. Afaka manomboka indray ianao amin’ny alalan’ny tanjaky ny Tompon’ny fiandohana vaovao. Tsy reraka mihitsy Izy manome fiandohana vaovao ho antsika.

Ho an’ireo izay sahirana amin’ny fahotana iray na tsy fahombiazana iray izay miverimberina foana dia aoka hanohy hiady hatrany. Tsy nametraka sakana teo anoloanao Izy. Tsy nametraka fetra tamin’ny fahafahanao mamerina indray Izy. Aoka ianao handroso hatrany. Aoka ianao hilofo hatrany. Aoka ianao hitady fanampiana amin’ireo manodidina anao. Ary aoka ianao hatoky ny fiandohana vaovao izay ho eo foana ho anao isaky ny mitodika any amin’ny Rainao amin-kitsimpo ianao. Avelao any ivohonao, izay toerana mendrika izany, ny fahotana iniana atao sy ireo fahotana miverimberina noho ny tsy fahampian’ezaka mba hiova, ary ny fikomiana feno avonavona. Tsy voatery hitovy aminao taloha ianao. Ekeo ny fanombohanao vaovao sy ny fahafahana mamerina fanindroany na fanintelony na faninefany, na faninjatony atolotra anao amin’ny alalan’ny ran’ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy.

Tsy hay faritana ny fankasitrahako noho ireo fiandohana vaovao nomena ahy sy ireo izay mbola hatolotra ahy.

Teny famaranana

Ny Mpamonjintsika dia niteny fanalefahana lanjan-kevitra iray farany, izay raha tsy nisy dia tsy ho nisy antony hananana fanantenana na fifaliana ankehitriny. Taorian’ny fahoriany tao Getsemane sy ny fiafaran’ny fampijaliana Azy teo amin’ny hazofijaliana dia niteny tsotra fotsiny Izy hoe: “Vita.” Tanteraka ny faminaniana momba ny Mesia, voaloa tanteraka ny trosan’ny heloky ny olombelona, ary voaefa ny fijaliany. Nanambara Izy fa “vita” ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony. Tsy ho feno anefa ny Sorompanavotana nataony raha tsy efa niaina fiainana vaovao mihitsy Izy Tenany tamin’ny andro fahatelo, ilay fiandohana vaovao amin’ny maha voary feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty Azy, tamin’ny alalan’ny herin’ny Ray.

Satria nanao ireo zavatra izay nahafaly ny Rainy hatrany Izy, ary satria “niaritra ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra” Izy, dia afaka manana fiandohana vaovao izaho sy ianao. Miangavy anao aho handray ny fiandohanao vaovao, androany, izao dieny izao. I Jesoa Kristy no Tompo sy Mpanefa ny finoantsika ary manoratra takelaka vaovao tsy tambo isaina miaraka amintsika Izy. Izy no Fiandohana sy Fiafarana, dia ny fiafaran’ny fahamenarana sy ny fijaliantsika, ary ny fiandohan’ny fiainana vaovao ao Aminy, izay mamela antsika handray ny fahasoavany, hamela ny lasa any aoriana ary hanomboka indray miaraka amin’ny maraim-baovao na impiry na impiry no ilantsika izany. Homba antsika amin’ny andro rehetra hiainantsika tokoa anie ny “fahasoavan[y] sy ny famindrampo[ny]”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Asan’ny Apostoly 10:38; jereo koa ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly”, Médiathèque de l’Évangile.

  2. Jereo ny Môrônia 7:12–13.

  3. Jereo ny Eksodosy 34:5–7.

  4. Jaona 21:25.

  5. Marka 2:5.

  6. Marka 5:41.

  7. Matio 8:3.

  8. Jaona 8:11.

  9. Lioka 8:48.

  10. Jereo ny Shayne M. Bowen, “Satria Velona Aho, dia ho Velona Koa Ianareo”, Liahona, nôv. 2012, 15–17.

  11. Jaona 3:3; Môzià 27:25.

  12. Romana 6:4.

  13. Môrônia 6:8.

  14. 2 Korintiana 5:17.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19.

  16. Jereo ny Ezekiela 36:26–28.

  17. “Ny finoantsika an’i Kristy sy ny fitiavantsika Azy dia mitarika antsika hibebaka na hanova ny eritrerintsika, sy ny finoantsika ary ny fitondrantenantsika izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapony. Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanana fijery vaovao momba an’ Andriamanitra sy ny tenantsika ary izao tontolo izao” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2004], 62).

    “Ny fotopampianaran’ny fibebahana dia mivelatra kokoa mihoatra noho ny famaritana ao amin’ny rakibolana. Rehefa nilaza i Jesoa hoe -mibebaha- dia noraketin’ireo mpianany tamin’ny fampiasana ny matoanteny tamin’ny fiteny Grika hoe metanoeo izany didy izany. Misy dikany lehibe tokoa io teny manan-danja io. Ao amin’io teny io, ny tovona meta dia midika hoe -fiovana-. Mifandray amin’ny teny Grika efatra manan-danja ilay tovona: nous, izay midika hoe -ny saina-; gnosis, izay midika hoe -fahalalana-; pneuma, izay midika hoe -fanahy-; ary pnoe, izay midika hoe -fofonaina-” (Russell M. Nelson, “Fibebahana sy fiovam-po”, Liahona, mey 2007, 103).

    “Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

    “… Iaino ilay hery mampatanjaka avy amin’ny fibebahana isan’andro, ka hanao sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro.

    Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy!” (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika”, Liahona, mey 2019, 67).

    “Iaino ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro.

    “Manan-danja toy ny ahoana ny fibebahana? Nampianatra i Almà fa isika dia tokony -tsy [hitory] afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo- [Mozià 18:20]. Takina amin’ny olona tompon’andraikitra tsirairay izay maniry voninahitra mandrakizay ny fibebahana. Tsy hanavahana an’iza na iza izany. …

    “Ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, miaraka amin’ny fibebahana isan’andro dia mampitombo ny fahavitrihana ara-panahy amin’ny tsara” (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy”, Liahona, mey 2022, 98–99).

  18. Jereo ny Marka 5:25–34.

  19. Jereo ny Matio 8:5–13.

  20. Jereo ny Matio 8:1–4.

  21. Jereo ny Marka 5:22–43.

  22. Jereo ny Marka 10:46–52.

  23. Jereo ny Marka 9:17–27.

  24. Jereo ny Jaona 8:3–11.

  25. Jereo ny Lioka 7:12–15.

  26. Jereo ny Jaona 5:1–9.

  27. Jereo ny Jaona 9:1–7.

  28. Jaona 19:30.

  29. Jereo ny Almà 34:14–16.

    “Rehefa niteny hoe: “vita” ny Mpamonjy dia niresaka momba ny fiainany an-tany Izy satria ny famantsihana Azy dia dingana iray fotsiny amin’ny fitomboan’ny heriny izay tsy manam-pitsaharana” (Spencer W. Kimball, in Conference Report, Apr. 1946, 49).

    “Tsy tapitra tamin’ny Izy niala aina teo amin’ny hazofijaliana ny asan’ny Mpamonjy rehefa niantso mafy Izy hoe -vita-. Rehefa nampiasa io teny io Izy dia tsy niresaka momba ilay iraka lehibe izay nanirahana Azy tety an-tany, fa momba ny fanaintainana niaretany fotsiny ihany” (Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, ed. faha dimy [1939], 449–50).

  30. Jereo ny Jaona 8:29.

  31. 3 Nefia 11:11.

  32. Salamo 23:6.