Mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy
Arakaraka ny hahatsapantsika ho mitovy toetra amin’i Jesoa Kristy sy ny hahatsiarovantsika Azy no hananantsika faniriana bebe kokoa ny ho toa Azy.
Tamin’ny taona 2018, tao amin’ny Oniversite an’i Utah, dia nisy famoronana anjara toerana manokana ho an’ny prôfesora izay nantsoina hoe “Toerana ambony amin’ny maha-mpisahana fandidiana fo sy taova ao amin’ny tratra izay mitondra ny anaran’ny Dokotera Russell M. Nelson sy i Dantzel W. Nelson”. Izany dia nanomezana voninahitra ny asa manan-danja nosahanin’ny Filoha Nelson tamin’ny naha-mpandidy fo azy sy ny fanohanana azony avy tamin’i Dantzel vadiny izay efa nodimandry. Io anjara toerana ho an’ny prôfesora io dia niantohana tamin’ny alalan’ny vatsim-bola iray natao haharitra any aoriana. Ny olona voadify hihazona ny karazana anjara toerana ambony ho an’ny prôfesora toy izany dia mandray mari-pankasitrahana sy karama fanohanana ary vatsim-bola hanaovana fikarohana.
Ny mpandidy voalohany voafidy hihazona izany anjara toerana ho an’ny prôfesora izany dia i Dokotera Craig H. Selzman, izay mpandidy fo tena mahay ary tsy mpikambana ato amin’ny fiangonantsika. Nandritra ny lanonana nanolorana izany anjara toerana ho an’ny prôfesora tamin’i Dokotera Selzman izany, dia vahiny manan-kaja maro no nanatrika ka anisan’izany ny Filoha Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson vadiny. Nandritra izany fivoriana izany dia niresaka tamim-panetrentena mikasika ny asany tamin’ny naha-mpisava lalana azy teo amin’ny fandidiana ny Filoha Nelson.
Avy eo i Dokotera Selzman dia nizara ny dikan’ny fanendrena azy hihazona izany anjara toerana ho an’ny prôfesora izany raha ho azy. Nitantara izy fa efatra andro talohan’ity fotoana ity, taorian’ny indray andro maninjitra tao amin’ny efitrano fandidiana, dia hitany fa nisy iray tamin’ireo marary sahaniny nilaina naverina didina. Reraka sy kivy izy noho ny fahafantarana fa tsy maintsy hijanona mandritra ny alina iray hafa any amin’ny hôpitaly indray.
Tamin’io hariva io dia niresaka tamin’ny tenany i Dokotera Selzman izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainany. Tamin’izany fotoana izany dia nieritreritra izy hoe: “Hotendrena hihazona anjara toerana ho an’ny prôfesora izay mitondra ny anaran’i Dokotera Nelson aho amin’ny zoma. Fantatra amin’ny maha-olona mahafehy ny fihetseham-pony sy manaja ny rehetra ary tsy mba maneho hatezerana velively izy hatrizay. Amin’izao anarako hampifandraisina amin’ny azy izao dia mila miezaka ny hitovy kokoa aminy aho.” I Dokotera Selzman dia efa mpandidy manana ny lazany. Saingy te ho lasa tsaratsara kokoa izy.
Taloha dia mety nahita ny faharerahany sy ny fahasorenany ny ekipa mpiara-mandidy aminy satria mety navelany hiseho amin’ny alalan’ny fihetsiny sy ny feony izany. Saingy tamin’io alina io tao amin’ny efitrano fandidiana, dia niezaka tamim-pitandremana tsara i Dokotera Selzman mba haneho fanohanana sy fahatakarana an-tsaina manokana ny ekipany. Tsapany fa nanova zavatra izany ary nanapa-kevitra ny hanohy ny fiezahana mba hitovy kokoa amin’ny Dokotera Nelson izy.
Dimy taona taty aoriana dia natolotry ny Filoha Nelson ho fanomezana ho an’ny Oniversite an’i Utah ny antontan-taratasy mifono lahatsoratra mamintina ny asany. Tonga mba haneho fisaorana tamin’ny fomba ôfisialy ny Filoha Nelson ireo olo-manan-kaja avy ao amin’ny oniversite. Nandray fitenenana indray i Dokotera Selzman nandritra izany fotoana izany. Raha ny niresaka momba ny voalohan-tarehintsoratr’ireo anaran’ny Filoha Nelson izy, izay RMN, dia nilaza hoe: “Misy fitsipi-pitondrantena -RMN- izay manenika ny Sampana misahana ny fandidiana fo sy taova ao amin’ny tratra ato amin’ny Oniversite an’i Utah amin’izao fotoana izao.”
Ao anatin’ireo toe-javatra mahasorena hoy i Dokotera Selzman nanazava, “dia manao ity zavatra ity izay ampianarinay an’ireo mpiofana ato aminay mba hataon’izy ireo aho amin’izao fotoana izao: mifantoha, aza kivy, ary ataovy izay tsara indrindra vitanao. Miaina ao anatinay isan’andro izany fitsipi-pitondrantena izany. Omenay mari-pamantarana miendri-paingotra ny mpikambana rehetra ato amin’ny sampana sy ny mpiofana vaovao tsirairay. Ahitana ireo tarehintsoratra -RMN- eny amin’ny faran’ilay mari-pamantarana miendri-paingotra. Fototra iorenan’ny fanofanana atolotray ny fitsipi-pitondrantena RMN ka ampianarinay ny olona rehetra izany.” Novain’i Dokotera Selzman an-tsitrapo ny toetrany sy ny hetahetany teo aloha satria nifandray tamin’ny anaran’ny Filoha Nelson amin’izay ny anarany.
Izany fifanesen-javatra niseho tamin’i Dokotera Selzman izany dia nanosika ahy hanontany tena hoe “Aiza ho aiza ny fiovako hatramin’izay nampifandraisako ny anarako amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izay? Moa ve aho nampihatra fitsipi-pitondrantena iray tahaka ny an’i Kristy vokatr’izany? Moa ve aho niezaka tamin-kitsimpo ny ho lasa tsara kokoa sy ho tonga tahaka Azy kokoa?
Afaka mahita zavatra dimy izay mirazotra amin’ireo dingana arahina mba hitondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika ao anatin’ny zavatra niainan’i Dokotera Selzman. Na dia manomboka amin’ny batisa aza izany dingana arahina izany dia tsy feno izany raha tsy madio kokoa sy masina kokoa ary lasa tonga tahaka Azy kokoa isika.
Ny zavatra mirazotra voalohany dia ny fahatsapana fitovian-toetra. Novain’i Dokotera Selzman hihazona ilay anjara toerana ho an’ny prôfesora izay mitondra ny anarana Nelson dia nampifandray ny anarany tamin’ny Filoha Nelson, ka nanomboka nahatsapa ho nitovy toetra tamin’ny Filoha Nelson izy. Rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika dia mampifandray ny anarantsika amin’ny Azy. Mahatsapa ho mitovy toetra Aminy isika. Lasa fantatra ho Kristianina amim-pifaliana isika. Manaiky ny Mpamonjy isika ary mijoro tsy amin-tahotra sy henatra fa anisan’ny Azy.
Ny zavatra mirazotra iray hafa izay mifandray akaiky amin’ny fahatsapana fitovian-toetra dia ny fahatsiarovana. Rehefa miditra ny biraony i Dokotera Selzman dia voasarika eny amin’ilay medaly noraisiny tamin’ny fotoana nanendrena azy hihazona ny anjara toerana ho an’ny prôfesora izay mitondra ny anarana Nelson ny masony. Mampahatsiahy azy isan’andro an’ilay fitsipi-pitondrantena RMN izany medaly izany. Ho antsika, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandritra ny herinandro. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao izany mba hahatsiarovana ny sarany nefainy mba hanavotana antsika. Manao fanekempihavanana indray isika mba hahatsiaro Azy sy hiaiky ny fahalehibeazany ary hankasitraka ny hatsarany. Mamerimberina manaiky isika fa ao amin’ny fahasoavany sy amin’ny alalan’ny fahasoavany ihany no ahafahana mamonjy antsika avy amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy.
Ny hoe fahatsiarovana dia midika fa manaraka ny torohevitra nomen’i Almà mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika. “Avelantsika mba ho an’ny Tompo ny ataon[tsika] rehetra, ary na aiza na aiza [alehantsika dia avelantsika] mba ho ao amin’ny Tompo izany; … avelan[tsika] ny eritreri[tsika] rehetra hifantoka amin’ny Tompo; … [ary avelantsika] ny fitiavan’ny [fontsika] mba hapetraka amin’ny Tompo mandrakizay.” Na dia rempotra amin’ny zavatra hafa aza isika, dia mahatsiaro manokana Azy lalandava, toy ny ahatsiarovantsika ny anarantsika na inona na inona zavatra hafa ifantohantsika.
Ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia miteraka zavatra mirazotra fahatelo, dia ny fakana tahaka izany. Nanomboka naka tahaka ny Filoha Nelson sy ny fitsipi-pitondrantena RMN i Dokotera Selzman. Mino aho fa ny fitsipi-pitondrantena narahin’ny Filoha Nelson dia fanehoana tsotra fotsiny ny naha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy nandritra ny androm-piainany. Ho antsika, arakaraka ny hahatsapantsika ho mitovy toetra amin’i Jesoa Kristy sy ny hahatsiarovantsika Azy no hananantsika faniriana ny ho toa Azy. Amin’ny maha-mpianany antsika dia miova ho tsara kokoa isika rehefa mifantoka Aminy mihoatra noho ny fifantohantsika amin’ny tenantsika. Miezaka ny ho tonga tahaka Azy isika ary mikatsaka ny hanana ireo toetrany. Mivavaka mafy isika mba ho feno fiantrana, dia ilay fitiavana madion’i Kristy.
Nampianatra ny Filoha Nelson tamin’ny volana aprily hoe: “Rehefa tafiditra ao amin’ny toetrantsika ny fiantrana dia tsy hanana faniriana hanambany ny hafa intsony isika. Tsy hitsaratsara ny hafa intsony isika. Hanana fiantrana ny olona avy amin’ny lafim-piainana rehetra isika. Zava-dehibe amin’ny fivoarantsika ny fiantrana ny olon-drehetra. Ny fiantrana no fototry ny toetra maha-andriamanitra.” Miaraka amin’izany fiantrana izany dia mikatsaka, mba hampiroborobo … ary hampivelatra” ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy avy amin’ny Mpamonjy koa isika ka tafiditra ao anatin’izany ny hatsaran-toetra, ny fahitsian-toetra, ny faharetana, ny fanetrentena, ary fahavitrihana.
Ny fakana tahaka an’i Jesoa Kristy dia mitondra antsika any amin’ilay zavatra mirazotra fahaefatra, dia ny fampifanarahana ny tanjontsika amin’ny Azy. Mirotsaka miaraka Aminy manao ny asany isika. Amin’ny maha-mpandidy azy, i Dokotera Nelson dia fantatra tamin’ny naha mpampianatra sy mpanasitrana ary mpikaroka azy. Ilay mari-pamantarana miendri-paingotra ampiasaina ao amin’ny sampana misy an’i Dokotera Selzman dia manamafy ireo ezaka ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe mampianatra, sy manasitrana, ary mikaroka. Ho antsika, dia ampahany mandrafitra ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy ny fampifanarahana amim-pahavononana, sy an-tsitrapo ary amim-pientanentanana ny tanjontsika amin’ny Azy. Miara-mirotsaka Aminy manao ny asany isika rehefa “mitia, sy mizara, ary manasa.” Miara-mirotsaka Aminy manao ny asany isika rehefa manompo ny hafa, indrindra ireo osa sy ireo izay voaratra, na ketraka na trotraka noho ny zavatra niainan’izy ireo teto an-tany.
Mitondra feno kokoa eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fahatsapana fitovian-toetra, fahatsiarovana, fakana tahaka ary fampifanarahana tanjona. Ny fanaovana ireo zavatra anankiefatra ireo dia mitondra antsika any amin’ilay zavatra mirazotra fahadimy dia ny fanomezana hery izany. Afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra sy ireo fitahiana avy Aminy isika eto an-tany. Ny anjara toerana ho an’ny prôfesora izay mitondra ny anarana Nelson dia nanolotra mari-pankasitrahana ho an’i Dokotera Selzman sy vatsim-bola fanohanana izay ampiasainy mba hanovana ny kolontsaina ao amin’ny sampana misy azy. Ampihariny izany “fanomezana hery” izany mba hanampiana ny hafa. Torak’izany koa rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’ny Mpamonjy isika, dia omen’ny Raintsika any An-danitra ny heriny isika mba hanampiana antsika eo amin’ny fanatanterahana ny asa nanirahana antsika eto an-tany.
Rehefa manao fanekempihavanana fanampiny amin’ Andriamanitra isika dia mitondra feno kokoa eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Vokatr’izany dia omen’ Andriamanitra ny heriny isika. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly, ka mitandrina izany, dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. … Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika.”
Lasa mandray zavatra ara-panahy kokoa isika. Manana herim-po kokoa hiatrehana ireo toe-javatra izay toy ny tsy ho azo tanterahina isika. Mahazo hery kokoa isika ao anatin’ny fahatapahan-kevitra hanaraka an’i Jesoa Kristy. Mibebaka haingana kokoa isika ary miverina Aminy rehefa mandika lalàna. Lasa mahay kokoa eo amin’ny fizarana ny filazantsarany isika miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany. Manampy ireo izay sahirana isika rehefa tsy mitsaratsara na tsy mitsara mihitsy. Mitana ny famelana ny fahotantsika isika. Manana fiadana kokoa sy be herim-po kokoa isika satria afaka mifaly mandrakariva. Ny voninahiny dia hanodidina antsika, ary ny anjeliny dia hikarakara antsika.
Manasa antsika ny Mpamonjy mba “[h]anatona ny Ray amin’ny anarako ary [h]andray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany.” Mamporisika anao aho hanao izany. Manatòna ny Raintsika any An-danitra. Ento eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy. Mitovia toetra Aminy. Tsarovy mandrakariva Izy. Miezaha ny ho toa Azy. Mirotsaha miaraka Aminy mba hanao ny asany. Raiso eo amin’ny fiainanao ny heriny sy ireo fitahiana avy Aminy. Soraty ao am-ponao amim-pahavononana sy an-tsitrapo ny anarany. Izany dia manome anao “toerana mendrika” eo anatrehan’ Andriamanitra sy manome fahafahana anao hanana ny Mpamonjy ho mpisolovavanao. Ho lasa mpandova nasandratra ao amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra ianao, sy mpiray lova amin’ilay Voalohan-teraka, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra malalantsika.
Velona Izy. Fantatro tanteraka izany. Tiany ianao. Nanolotra ny ainy ho anao Izy. Mitalaho aminao Izy mba hanatona ny Ray amin’ny alalany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.