Aza mamoy izay mpamindra fo aminao
Afaka mahazo fanampiana sy fanasitranana avy any an-danitra avy hatrany ianao na dia eo aza ny fahalemena amin’ny maha-olombelona anao.
Nampianatra ny mpampianatra iray indray mandeha fa na dia lehibe aza ny trozona dia tsy mahatelina olona, satria kely ny tendan’izy ireny. Nisy ankizivavy iray nanohitra hoe: “Kanefa i Jona dia natelina trozona.” Namaly ilay mpampianatra hoe: “Tsy mahavita an’izany ireny.” Tsy mbola resy lahatra anefa ilay tovovavy ka nanao hoe: “Eny ary, rehefa tonga any an-danitra aho dia hanontany azy.” Naneso ilay mpampianatra: “Ahoana raha toa ka mpanota i Jona ka tsy nahazo ny lanitra?” Namaly ilay ankizivavy hoe: “Raha izany dia ianao no hanontany azy.”
Mihomehy isika, saingy tsy tokony hohadinointsika ny hery atolotry ny tantaran’i Jona ho an’ny “mpikatsaka fiadanana mietry tena” tsirairay, indrindra fa ireo izay misedra olana.
Andriamanitra dia nandidy an’i Jona “handeha any Ninive” mba hanambara fibebahana. Saingy fahavalo mahatsiravin’ny Isiraely fahiny anefa i Ninive—hany ka nandeha sambo nifanohitra mihitsy amin’izany nankany Tarsisy avy hatrany i Jona. Rehefa nandeha sambo nanalavitra ny antsony izy, dia nisy tafio-drivotra manimba sambo niforona. Noho ny fahazoany antoka fa ny tsy fankatoavany no nahatonga izany dia nanolo-tena hatsipy an-dranomasina i Jona. Izany dia nampitony ny ranomasina nisamboaravoara, ka naha avotra an’ireo namany tao anaty sambo.
Mahagaga anefa fa tsy maty i Jona rehefa nitelina azy ny “hazandrano lehibe” iray “nomanin’ny” Tompo. Saingy tavela tao amin’ilay toerana maizin-kitroka sy tena maharikoriko izy nandritra ny telo andro mandra-pamoahana azy tamin’ny tany maina. Nanaiky ny antsony ho any Niniva izy avy eo. Kanefa, rehefa nibebaka ilay tanàna ka tsy ho ringanina, dia tezitra i Jona noho ny famindram-po naseho ho an’ireo fahavalony. Nampianatra tamim-paharetana an’i Jona Andriamanitra fa tia sy mikatsaka ny hamonjy ny zanany rehetra Izy.
Nanao fahadisoana mihoatra ny indray mandeha teo amin’ny andraikiny i Jona, ka nanome fijoroana ho vavolombelona mazava tsara fa eto amin’ny fiainana an-tany dia “lavo ny rehetra”. Tsy miresaka matetika momba ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Fahalavoana isika. Saingy fitahiana lehibe ny fananana fahatakarana ara-potopampianarana sy vavolombelona ara-panahy mikasika ny antony ananan’ny tsirairay avy amintsika fanamby ara-pitondrantena sy ara-batana ary ara-trangam-piainana manokana. Ahitana zavatra ratsy sy mampivarahontsana ny eto an-tany, ary ny rehetra dia “tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.” Saingy izao fiainana an-tany izao—izay vokatry ny safidy nataon’i Adama sy i Eva—dia tena manan-danja amin’ny antom-pisiantsika: “mba hahazo[antsika] fifaliana”! Araka ny nianaran’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia amin’ny fanandramana ny mangidy sy ny fahatsapana ny fanaintainan’ny tontolo lavo ihany no hahafahantsika mahatakatra, na koa hisitraka ny tena fahasambarana.
Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahalavoana dia tsy manamaivana ny fahotana na ny fanaovana tsirambina ny andraikitra eo amin’ny fiainana, izay mitaky fahazotoana sy hatsaran-toetra ary fandraisana andraikitra hatrany. Tokony hampitony ny fahasorenantsika anefa izany rehefa misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, na rehefa mahita fitondran-tena tsy mety eo amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpitarika. Matetika loatra ny zavatra toy izao no mahatonga antsika hilentika ao anaty fanakianana misy fifandirana na lonilony izay mandrava ny finoantsika. Saingy ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny Fahalavoana dia afaka manampy antsika hitovy bebe kokoa amin’Andriamanitra araka izay nofaritan’i Jona hoe “mamindra fo, mahari-po sady [manana hatsaram-panahy lehibe]” amin’ny rehetra—anisan’izany ny tenantsika—amin’ny toetrantsika tsy lavorary izay tsy azo ihodivirana.
Mihoatra noho ny fanehoana ny vokatry ny Fahalavoana aza, ny tantaran’i Jona dia mitarika antsika amin-kery ho any Aminy izay afaka manafaka antsika amin’ireo vokatra ireo. Tena mitovy amin’ny toetran’i Kristy tokoa ny fahafoizan-tena nataon’i Jona mba hamonjena ny mpiray sambo taminy. Ary in-telo i Jesoa rehefa nangatahana famantarana mahagaga ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia nilaza mafy fa “tsy hisy famantarana homena … afa-tsy famantarana ny amin’i Jona”, izay nanambara fa tahaka ny “nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” I Jona izay tandindon’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny fitsanganana amin’ny maty feno voninahitra, dia mety nanana fahalemena. Saingy izany koa anefa no mahatonga ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananany sy ny fanoloran-tenany amin’i Jesoa Kristy, izay natolotra tao an-kibon’ilay trozona, ho tena manohina sy manentana.
Ny fitalahoan’i Jona dia ny fitalahoan’ny lehilahy iray tsara fanahy ao anatin’ny krizy, izay vokatry ny nataony manokana. Ho an’ny olomasina iray, rehefa misy loza ateraky ny fahazarana na fanehoan-kevitra na fanapahan-kevitra mitondra nenina, na dia eo aza ny fikasana tsara maro hafa sy ny fiezahana hanao ny marina amin-kitsimpo, dia mety hampivarahontsana indrindra izany ary hamela fahatsapana ho nilaozana. Saingy na inona na inona antony na halehiben’ny loza atrehantsika, dia misy foana ny tany maina hahazoana fanantenana sy fanasitranana ary fahasambarana. Henoy i Jona:
“Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho … ; tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako. …
“Fa efa natsipinao tao anatin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina. …
“[Ary] dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
“Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, ny lalina namefy ahy manodidina, ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
“Tafalatsaka tany amin’ny fanambanian’ny tendrombohitra aho; … nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao. …
“Raha reraka tato anatiko ny fanahiko … dia nahatsiaro an’i Jehovah aho: ka tonga tao aminao ny fivavako … dia tao amin’ny tempolinao masina.
“Izay mivavaka amin’ny sampy dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy.
“Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho anao; ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’i Jehovah ny famonjena.”
Na dia taona maro lasa aza izay, dia afaka milaza aminareo marina aho hoe taiza no nipetrahako, ary inona marina no tsapako, rehefa, tao anatin’ny kibon’ny helo manokana iray aho, ka nahitako an’io soratra masina io. Ho an’izay rehetra manana fahatsapana toy ny zavatra tsapako tamin’izany andro izany—hoe natsipy ianao, nilentika tao anaty rano lalina indrindra, nisy ahi-dratsy nanodidina ny lohanao ary nisy ranomasina misamboaravoara manonja manodidina anao—ny fitalahoako, nentanin’i Jona, dia izao: aza mamoy izay mpamindra fo aminao. Afaka mahazo fanampiana sy fanasitranana avy any an-danitra avy hatrany ianao na dia eo aza ny fahalemena amin’ny maha-olombelona anao. Io famindram-po mahatalanjona io dia tonga avy amin’ny sy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Satria mahafantatra sy tia anao tanteraka Izy, dia atolony anao ho toy ny “anao manokana” izany, izay midika fa mety tsara aminao izany, natao mba hanamaivanana ny fangirifirianao manokana sy hanasitranana ny fanaintainanao manokana. Noho izany, ho tombontsoan’ny lanitra sy ho anao, dia aza omena lamosina izany. Raiso izany. Atombohy amin’ny fandavana ny fihainoana ireo “sampy [feno laingan’]” ilay fahavalo izay haka fanahy anao hieritreritra fa ny fahamaivanana dia hita amin’ny fivoizana manalavitra ny andraikitrao ara-panahy. Araho eo amin’ny toeran’izany ny fitarihan’i Jona nibebaka. Mitalahoa amin’ Andriamanitra. Mitodiha amin’ny tempoly. Mifikira amin’ny fanekempihavanana nataonao. Manompoa ny Tompo sy ny Fiangonany ary ny hafa amin’ny fahafoizan-tena sy amim-pisaorana.
Ny fanaovana ireo zavatra ireo dia mitondra fahitana ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ao anaty fanekempihavanana manokana ho anao— izay antsoin’ny Baiboly Hebreo hoe hesed.” Hahita sy hahatsapa ny herin’ny “halehiben’ny famindram-pon’ ny Tompo” tsy mivadika sy tsy mety sasatra ary tsy mety lany izay afaka hahatonga anao “[hahery]… hatrany amin’ny … fanafahana” amin’izay mety ho fahotana na fihemorana. Mety hanarona izany fahitana izany amin’ny voalohany ny fisavorovoroana aloha sy mafy loatra. Saingy rehefa manohy “manefa izay nivoadia[nao]” ianao, dia hamirapiratra hatrany ao amin’ny fanahinao ny fahitana toy izany. Ary miaraka amin’izany fahitana izany dia tsy hahita fanantenana sy fahasitranana fotsiny ihany ianao fa, amin’ny fomba mahagaga, dia hahita fifaliana, na dia eo anivon’ny fisedrana aza. Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M Nelson tsara hoe: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.” Tonga avy Aminy sy noho Izy ny fifaliana.”
Na dia miatrika loza lalina sahala amin’ny an’i Jona aza isika, na ny fanamby isan’andro eo amin’ny tontolontsika tsy lavorary, dia mitovy ny fanasana: aza mamoy Izay Mpamindra fo aminao. Jereo ny famantarana ny amin’i Jona, ilay Kristy velona, Ilay nitsangana avy tao amin’ny fasany naharitra hateloana rehefa nandresy ny zava-drehetra—ho anao. Mitodiha any Aminy. Minoa Azy. Manompoa Azy. Mitsikia. Fa ao Aminy ary Izy irery ihany no hahitana ny fanasitranana feno sy mahafaly avy amin’ny Fahalavoana, ny fanasitranana no ilaintsika rehetra maika sy katsahintsika amim-panetren-tena. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.