Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mihavàna amin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


10:22

Mihavàna amin’ Andriamanitra

Mitondra ho amin’ny finoana tsy azo hozongozonina ny fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Teo am-pandalinana soratra masina aho no tojo teny izay tena nanaitra ahy tokoa, indrindra indrindra noho ny dikany manokana ananan’izy ireo ho ahy, avy tamin’ireo traikefako teo amin’ny fiainako. Mpanamarim-bola no asa nataoko hatrizay. Mifandray amin’izany dia nanaitra ny saiko ilay teny hoe mihavàna izay novakiako tao amin’ny soratra masina. Ny asako dia ny mampitovy ireo lelavola atao tatitra sy ireo firaketana ara-bola amin’ny alalan’ny fampiasana fahaizana eo amin’ny sehatry ny fitànana vola sy ny fanamarinam-bola ary ny fanaovana fitsirihana. Izany hoe, ny tanjoko dia ny manamarina ireo tatitra ara-bola amin’ireo antontan-taratasy ara-bola mifandray amin’izany mba hiantohana fa marina ary manan-kery izy ireo. Nanao ezaka mafy aho hamahana ireo tsy fitoviana, ary nahazatra izany hoe mandany fotoana betsaka tamin’ny famahana olana na dia tsy fitoviana kely monja aza.

Nitalaho tamin’ireo vahoaka tao Korinto i Paoly mba “hihavana amin’ Andriamanitra”. Ny hoe mihavana amin’ Andriamanitra dia midika hoe miverina mifandray amin’ Andriamanitra, na mamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’ Andriamanitra izay tapaka na simba noho ireo fahotana sy zavatra nataontsika. Raha tsorina, ny hoe mihavana amin’ Andriamanitra dia midika hoe mampifanaraka ny sitrapontsika sy ny zavatra ataontsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, araka ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson hoe mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.

Araka ny ampianarina ao amin’ny soratra masina hoe malalaka isika ny hanao zavatra ho an’ny tenantsika, “na hifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay”. Kanefa rehefa tsy maneho fahavitrihana isika dia mety hitarika mankany amin’ny fahaverezan’ny fampifanarahana amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izany fahalalahana hanao zavatra ho an’ny tenantsika izany.

Nampianatra ny mpaminany Jakôba fa rehefa hitantsika hoe tsy mirindra na tsy mifanaraka amin’ Andriamanitra ny tenantsika, ny hany lalana hanatrarantsika ny fihavanana dia ny “[mihavana] amin’ [Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy”. Tokony ho fantatsika fa ny fihavanana dia miankina amin’ny famindram-po, midika izany fa ny asa feno fahasoavan’ny sorompanavotana no mahatonga ny fihavanana ho azo tanterahina.

Rehefa mandinika ny fiainanao manokana ianao dia eritrereto ny fotoana iray izay mety nahatsapanao fa lavitra ny Ray any An-danitra ianao noho ianao niala Taminy. Ohatra hoe, angamba lasa tsy dia nazoto nivavaka Taminy ianao na tsy nazoto nitandrina ny didiny. Tsy misy hafa amin’ny hifidianantsika hanalavitra ny tenantsika amin’ Andriamanitra no tsy maintsy hifidianantsika ny hanokana ezaka hihavanana. Nanantitrantitra ny andraikitsika ny Tompo rehefa niteny hoe: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo”.

Ahoana no fomba anampian’ny Mpamonjy antsika hamerina amin’ny laoniny sy hihavana amin’izany fifandraisana manan-danja izany? Ho ahy dia manao fivoarana lehibe aho eo amin’ny diako hihavana amin’ Andriamanitra rehefa manaraka ny torohevitra nampianarin’ny Filoha Nelson sy mibebaka isanandro. Ny antony dia satria ny fihavanana dia midika ho famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana izay rava, indrindra eo amin’ Andriamanitra sy ny olona, amin’ny alalan’ny fanesorana ilay sakana noho ny fahotana.

Ny ao amin’ny Enôsa no iray amin’ireo fihavanana lehibe indrindra vakintsika ao amin’ny soratra masina. Nisy zavatra tsy nifanaraka tamin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Naneho ohatra ny amin’ny fianteherana amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy mba hihavanana amin’ Andriamanitra. Nohazavainy ny faniriany hibebaka, ny fanetrentenany sy ny fifantohany ary ny fahavononany. Nohamafisina izany fihavanany tamin’ Andriamanitra izany rehefa nisy feo tonga taminy nilaza hoe: “Ry Enôsa, voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao”. Takatr’i Enôsa ny vokatry ny fibebahana sy ny fihavanana teo aminy rehefa nilaza izy hoe: “Ary izaho Enôsa dia mahafantatra fa tsy afaka mandainga Andriamanitra; noho izany, dia nofafana ny hadisoako”.

Tsy fanamaivanana ny fahatsapana ho meloka ihany no entin’ny fihavanana fa fiadanam-po ao anatintsika sy manoloana ny hafa ihany koa. Manasitrana ireo fifandraisana izany, mampitony ireo fo, mampiorina ny maha mpianatry ny Tompo antsika ary mampitombo fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny zavatra mitondra fanantenana sy fahatokian-tena lehibe ho ahy dia ny vokatra hafan’ny fihavanana nosoritsoritan’i Enôsa rehefa niteny izy hoe: “Ary rehefa nandre ireo teny ireo izaho Enôsa dia nanomboka ho tsy azo hozongozonina ny finoako ny Tompo”.

Fony aho zazalahy kely dia nanana sahana serizy lehibe ny raibeko avy amin’ny reniko. Nanana fahafahana aho niasa tamin’ilay saha, indrindra amin’ny fahavaratra mandritra ny taom-piotazana ireo serizy. Satria aho mbola kely, ny anjara asako noho izany dia tolorana siny, ary ampiakarina ambony hazo hioty ireo serizy.

Niova tanteraka ny fiotazana serizy rehefa nividy milina atao hoe fanozongozonana serizy ny raibeko. Io milina io dia mamikitra ny vatan-kazo ary manozongozona izany ka mampihintsana ireo serizy avy eny ambony hazo ho ao anaty harato izay ampiasaina hitatazana ireo serizy. Tsikaritro fa rehefa manomboka manozongozona ny hazo ilay milina, ao anatin’ny segôndra vitsy dia saika nihintsana avokoa ireo serizy. Tsikaritro koa fa tsy mampiova na inona na inona na 10 segôndra na iray minitra feno no hanozongozonana an’ilay hazo, fa misy serizy sasantsasany tsy mihintsana mihitsy. Tena tsy azo hozongozonina marina izy ireo.

Azo notanterahina tsara ny fanozongozonana ireo serizy hiala amin’ny hazo noho ny fivoahan’ny éthylène. Io tsirimpanentana io no mahatonga ilay soson-tsela mampisaraka ny tahon’ilay serizy sy ilay hazo hihamalemy. Noho izany dia mora miendaka kokoa amin’ilay hazo ny tahona serizy masaka noho ilay fifandraisana nihanalemy.

Mianatra isika ao amin’ireo soratra masina fa ny fototr’i Jese dia sarioahatra maneho ny Mesia, i Jesoa Kristy, izay naminaniana fa ho tonga amin’ny alalan’ny taranak’i Jese, ny rain’i Davida Mpanjaka. Tsy misy hafa amin’ilay éthylène izay mampalemy ny fifandraisan’ny tahona serizy masaka, ny tsy fankatoavana sy ny ahiahy ary ny tahotra dia mety hampalemy ny fifandraisantsika amin’ny fototr’i Jese, na i Jesoa Kristy, ka hahatonga antsika ho azo hozongozonina mora foana sy ho tafasaraka Aminy. Na dia mety ho mahatoky aza isika dia tsy maintsy mitandrina eo anatrehan’izay mety hampalemy ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy.

Na dia ny olona mahatoky aza dia nahazo fampitandremana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Saingy mety ho lavo hiala amin’ny fahasoavana ny olona ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona”. Notohizan’ny Tompo hoe: “Eny, … aoka ireo izay efa nohamasinina hiambina ihany koa”. Mba hialana amin’ny fahalavoana dia manome torohevitra ny Tompo: “Koa aoka ny fiangonana hiambina sy hivavaka mandrakariva fandrao ho lavo ao amin’ny fakam-panahy”.

Ilay toetra hoe azo hozongozonina mora foana dia azo oharina amin’ilay fariparitan’ny soratra masina hoe masaka ho amin’ny famongorana miaraka amin’ireo voka-dratsin’ny asa atao. Azo ampiasaina amin’ny fomba mivelatra kokoa ilay andian-teny entina hilazana ny toetran’ny fahalavoana na fahasimbana na fihemorana izay mahatonga ny zavatra iray malemilemy ka mora rodana na simba.

Inona no asehon’io fahamasahana io? Midika ve izany fa mety ho tonga amin’ny hoe tsy afaka ny hiova intsony isika? Tsia, midika izany araka ny hevitro fa afaka ny ho tonga eo amin’ilay sehatra tsy ahavonona antsika hiova intsony isika. Ny fanefitry ny fahamasahana ho amin’ny famongorana dia ny fanaovana ireo zavatra izay hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy. Araka ny voalaza dia nitondra an’i Enôsa teo amin’ilay sehatry ny finoana tsy azo hozongozonina ny fibebahana. Misy hery ao amin’ny fibebahana; fibebahana tsy tapaka, fibebahana eo no ho eo ary fibebahana matetika. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson antsika hoe: “Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa ao amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isanandro”.

Ankoatra ny fibebahana dia nampianatra ny mpaminany Jakôba fa ny fanekena ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ny fikatsahana sy fandraisana fanambarana, ary ny fihainoana an’ Andriamanitra rehefa miteny Izy, ireo no manampy antsika tsy ho voahozongozona. Nampianatra ihany koa i Jakôba hoe: “Koa manadihady ny mpaminany ary manana fanambarana maro sy ny fanahin’ny faminaniana izahay; ary satria manana ireo vavolombelona rehetra ireo izahay dia manjary mahazo fanantenana, ary ny finoanay dia tsy voahozongozona”. Ny fihainoana ny teny sy ny fanasan’ireo mpaminany sy apôstôly sy ny fanatanterahana azy ireny dia afaka manome fanantenana, fahatokian-tena ary tanjaka ho antsika, izay mahatonga ny finoantsika tsy ho azo hozongozonina

Nianatra aho fa ny faniriana hihavana amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy ampiarahana amin’ny faniriana hibebaka. Mitondra antsika amin’ny finoana tsy azo hozongozonina ny fibebahana sy ny fiainana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny finoana tsy azo hozongozonina dia mitondra mankamin’ny faniriana hihavana amin’ Andriamanitra lalandava. Hodina mitamberimberina izany.

Ry rahalahy sy anabavy, manasa anareo aho hihavana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanaovana fanekempihavana sy ny fitandremana izany dia mampatanjaka ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy ka misoroka ny fahamasahana ho amin’ny famongorona. Mijoro ho vavolombelona aho fa ity fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ity dia mitondra antsika amin’ny finoana tsy azo hozongozonina.

Fantatro fa tia ahy sy ianao ny Ray any An-danitra, nalefany ny Zanakalahiny malala, i Jesoa Kristy, mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary ilay Mpampihavana lehibe. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho, ary ataoko izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.