Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilay fanambarana momba ny fianakaviana—Teny avy amin’ Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


13:58

Ilay fanambarana momba ny fianakaviana—Teny avy amin’ Andriamanitra

Masina ny fiavian’ilay fanambarana, ka noho izany dia tokony anehoantsika fanajana mitovy amin’ireo teny avy amin’ Andriamanitra izany.

Ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025 ity dia manamarika ny tsingerintaona faha-30 taona nanambarana ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”. Noho ny fikasana masina, io fanambarana navoaka io mbamin’ireo teny mifono fanambarana ao aminy, dia nosoratana mba “hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina”.

Samy ao anatina fianakaviana avokoa ny olon-drehetra, na ianao reny, ray, zanakavavy, zanakalahy, zafikely, raiamandreny be, nenitoa, dadatoa, rahalahy, rahavavy, na zanaky ny mpiray tampo. Fa indrindra indrindra, isika tsirairay avy, araka ny voalazan’ilay fanambarana, dia “zanakalahy sy zanakavavy ara-panahy sy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra … [manana] toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra”.

Rehefa nantsoina ho amin’ny kôlejy masin’ny apôstôly aho tamin’ny 2015 dia notoroina hevitra hoe: “Anao amin’izay izao ity fanambarana ity. Misoratra eto [manondro ny teny hoe -Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo- eo amin’ny lohateny] ny anaranao. Takaro sy ampianaro tahaka ny hoe anao manokana izany.”

Tiako ilay fanambarana momba ny fianakaviana. Nijoroako ho vavolombelona manerana izao tontolo izao avy any Afrika ka hatrany Aostralia ary n’aiza n’aiza toerana nalehako ny anjara asan’ny fianakaviana ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra. Masina ny fiavian’ilay fanambarana, ka noho izany dia tokony raisintsika amin’ny fanajana natokana ho an’ireo teny avy amin’ Andriamanitra izany.

Tsarovy ry rahalahy sy ranabavy, araka ny efa nolazaiko teto amin’ity polipitra ity nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tany aloha fa “manan-danja ny teny”.

Mamelà ahy ianareo hizara ny mombamomba an’io fanambarana io izay hafatra fototry ny finoantsika.

Tamin’ny 1994, herintaona talohan’ny nanolorana ilay fanambarana, dia nifanakalo hevitra ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fisintahan’ny fiarahamonina sy ireo fitondram-panjakana tamin’ireo lalàn’ Andriamanitra momba ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary ny maha-lahy sy ny maha-vavy. “Fa tsy izany ihany akory no hitanay”, hoy ny fanazavan’ny Filoha Russell M. Nelson taty aoriana. “Tsapanay ny ezaka izay ataon’ireo fiarahamonina maro samihafa izay miezaka ny hanaisotra ireo lamina sy fetra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Hitanay ny fisavoritahana amin’ny resaka maha-lahy na maha-vavy. Hitanay ny fahatongavan’izany rehetra izany.”

Tapa-kevitra ny Roambinifololahy hanomana lahatsoratra iray, fanambarana ôfisialy, izay hamintina ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny fianakaviana. Tamin’io taona io, ireo Apôstôly ireo, izay mpahita voantson’ Andriamanitra, dia nanomana fanambarana iray mahakasika ny fianakaviana. Tsaroan’ny Filoha Dallin H. Oaks fa nitodika am-bavaka tamin’ny Tompo izy ireo mba hahafantarana “izay tokony holazain’[izy ireo] sy ny fomba hilazan’izy ireo] izany”. Natolotr’izy ireo ny Fiadidiana Voalohany izany, dia ny Filoha Howard W. Hunter, Filoha Gordon B. Hinckley, ary Filoha Thomas S. Monson, mba hodinihan’izy ireo.

Volana vitsivitsy monja taty aoriana tamin’ny martsa 1995, dia nodimandry ny Filoha Hunter ary lasa Filohan’ny Fiangonana faha-15 ny Filoha Hinckley. Lasa teo am-pelatanany izany izao ilay fanambarana. Oviana no ho fotoana mety hamoahana io fanambarana io ho an’ny Fiangonana? Enim-bolana taty aoriana no tonga izany fotoana izany.

Andro maromaro talohan’ny 23 septambra izay fivoriamben’ny fikambanana ifanampiana nialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia nihaona tamin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany mba hanao filankevitra ny Filoha Hinckley. Niasa saina mafy momba ireo olana mikasika ny vehivavy sy ny fianakaviana toa an’ireo Apôstôly ireo rahavavy. Nampifantohan’izy ireo tamin’ny fianakaviana ilay fivoriambe hataon’izy ireo manaraka.

Voalahatra hitondra lahateny ho an’ny vehivavy mandritra io fivoriana io ny Filoha Hinckley. Nisaintsaina ny lafiny tokony hifantohan’ny lahateniny izy. Rehefa nizotra ny fifanakalozan-kevitra, dia noteneniny ny lohateny hiantsoana ilay “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” izay vao noforonina saingy tsy mbola navoaka ampahibemaso. Moa ve io fivoriamben’ny vehivavy io no sehatra mety hamoahana ilay fanambarana mifono fanapahan-kevitra momba ny fianakaviana?

Nanazava ny Filoha Elaine Jack, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany taty aoriana: “Tsy fantatray hoe inona ilay Fanambarana momba ny fianakaviana tamin’io fotoana io. Hitanay taratra tamin’ilay lohateniny ihany izany, saingy nahatsapa izahay fa na inona na inona momba ny fianakaviana … dia ho zavatra tsara foana izany. … Tena velom-bolo izaitsizy aho fa nanana mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifilolahy nandray fanambarana isika ”.

Nanan-tantara tokoa ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’io sabotsy io. Nampahafantatra ny fanambarana momba ny fianakaviana ny filoha Hinckley tamin’ny fampiasana ireto teny manan-danja ireto; “Manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakam-panahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao, dia mahatsapa ny hampitandrina sy hampitandrina mialoha izahay … ny amin’ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa nambaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ity Fiangonana ity ombieny ombieny nandritra ny tantarany”.

Avy eo dia novakiany feno ilay fanambarana. Araka ny nambaran’ny Tompo hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany”.

Milaza ilay fanambarana fa “ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra”. Tiako loatra fa mazava be io fehezan-teny io. Antso avo ho antsika mponin’ny fiainana an-tany izany, kanefa sady mahatsiaro hatrany ny fiaviana masina ao anatintsika, ary ny ho avy mandrakizay izay miandry antsika. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Tena zanak’ Andriamanitra ara-panahy ara-bakiteny ianareo. … Aza diso hevitra momba izany: Ny hery anaty anananao dia araka an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fikatsahanao amim-pahazotoana dia homen’ Andriamanitra fahafahana hahita kely an’izay mety haha-izy anao ianao.”

Rehefa natolotra ilay fanambarana, dia tsy nifanaraka tamin’ny fomba fijerin’ny maro teto amin’izao tontolo izao izany. Na tamin’izany fotoana izany. Na amin’izao fotoana izao. Misy ireo izay manana olana amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana, ny fanambadiana, ary ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Misy indray ireo izay mandroso hevitra fa tokony hofoanana na hasiam-panitsiana na tsy raharahiana mihitsy ilay fanambarana.

Ity fanambarana momba ny fianakaviana ity, araka ny nolazain’ny Filoha Hinckley, dia fotopampianarana, ry rahalahy sy ranabavy. Tsy hoe maningana ireo fitsipika, fa tena mifanaraka tsara tanteraka amin’ny fomban’ny Tompo sy ny lalan’ny fanekempihavanana napetrany. I Jesoa Kristy Tompontsika no nanambara tamin’ny Apôstôliny taloha sy ankehitriny ny fampianaran’ilay fanambarana. Fiangonany ity; Izy no nametraka ireo fahamarinana rehetra iainantsika.

Mety misy aminareo mandinika ny momba ilay fanambarana dia hilaza hoe: “Tsy mety amiko izany”. “Toa tsy miraharaha olona izany ilay izy”. “Tsy toa izany mihitsy ny fianakaviako”. “Tsy natao ho ahy izany”.

Ho an’ireo izay sahiran-tsaina, dia fantaro fa zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra ianareo, isan’ny fianakavian’ny Rainareo any An-danitra. Tsy misy mahalala sy miraharaha anareo lalina kokoa noho Izy. Mitodiha Aminy, aborahy Aminy ny ao am-ponareo, matokia Azy sy ireo fampanantenany. Manana fianakaviana ianareo ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjinareo, izay tia anareo. Tonga tety an-tany Izy mba hanao sorona ho fanavotana antsika amin’ny fahotantsika ary hizaka ny vesatry ny fahadisoantsika sy ireo andro tena ratsy lalovantsika. Mahatakatra tsara ny manjo anao sy ny zavatra tsapanao Izy. Mitodiha Aminy, matokia fa Izy dia handefa ny Fanahy Masina hiaraka aminao sy hankahery anao ary hitari-dalana anao. Aoka ho tsapanao ny fitiavan’ Izy Ireo izay “miely patrana any am-pon’ny zanak’olombelona … dia io no mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra … ary io no mampiravoravo indrindra ny fanahy”.

Tianao fatratra tokoa ny Apôstôlin’ny Tompo rehetra. Mivavaka ho anareo izahay ary mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ho anareo. Mijanòna miaraka aminay. Miaina ao anaty vanim-potoana sarotra izay ikatsahan’ny fahavalo hambabo anareo ianareo. Aza misintaka. Ary raha nisintaka ianareo dia miverena. Manolo-tanana anareo izahay, ary tahaka ireo olona izay tia anareo koa.

Hoy ilay fanambarana, “Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana”. Manome vavolombelona faharoa ny amin’izany fahamarinana izany ny Bokin’i Môrmôna. Ao amin’ny andininy voalohany ao amin’ny toko voalohany, dia mamaky isika hoe, “Izaho Nefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo”. Firy amintsika no namaky ny Bokin’i Môrmôna, dia namerina namaky ombieny ombieny, ka lasa nahay tsianjery an’ireo teny ireo? Ampidiro ao am-po ireo.

Iray amin’ny fehezanteny tiako indrindra ao amin’ny fanambarana ny hoe: “Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i … Jesoa Kristy.”

Iza moa no tsy te ho sambatra?

Ary inona moa ireo fampianaran’i Jesoa Kristy? Toy izao koa ny voasoratra ao anaty fanambarana: “ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy.”

Fiainan’iza no tsy ho tsara kokoa raha mampihatra ireo fitsipika fototra ireo? Tsy misy amintsika ho tonga lafatra amin’ny fanaovana izany; saingy manaraka ny teny mifono fahendrena nolazain’ny Filoha Hinckley isika hoe: “Ataovy ny tsara indrindra vitanao”.

Mamaky isika ao amin’ilay fanambarana hoe: “Ny ray no tokony hitarika… amim-pitiavana sy amim-pahamarinana,” ary “ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany”. Ny hoe hitarika dia tsy midika hoe manindry ary ny fitaizana dia tsy midika hoe anjara asa ambany kokoa. Nomen’ Andriamanitra anjara asa samy hafa nefa mitovy lenta sy manan-danja izay mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy.

Mamelà ahy hizara ny tantaranay manokana.

Nianatra nifanaraka tsara kokoa amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta izaho sy ny vadiko taorian’ny andro iray izay nanapahako hevitra ny handray fanapahan-kevitra manan-danja iray kanefa tsy nihera taminy. Nahagaga azy ny zavatra nataoko, hafahafa taminy izany, ary nahatonga azy ho amina toe-javatra tena sarotra. Taorian’izay dia napetrany teo amin’ny soroko ny tanany ary nilaza tamin’ny fomba hentitra izy hoe: “Ron a, miangavy anao aho, aza atao toa izany intsony aho”. Nanomboka tamin’izay dia mitovy tadin-dokanga foana izahay.

Hitantsika ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ihany koa ny hoe: “ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo”

Ny hoe mitovy lenta dia andian-teny manan-danja. Nandritra ireo taona nifandimby, raha niara-niasa ho amin’ilay fariparitan’ilay fanambarana hoe “andraikitra masina[y]” izaho sy Ranabavy Rasband, dia namolavola fanambadiana izay iarahana mikolokolo amin’ny fomba mitovy lenta izahay. Koa satria efa samy manambady izao ny zanakay tsirairay avy, dia nanohy nanoro hevitra azy ireo sy ny vadiny avy izaho sy Ranabavy Rasband ny amin’ny fomba hahafahana ho mpiara-miasa mitovy lenta.

Rehefa manana fiainana tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika dia mifanaja sy mifanohana. Ireo lamina masin’ny fahamarinana ireo dia mitarika ho amin’ny filaminana eo amin’ny fiainan’ny tenantsika manokana, ny fianakaviantsika, ary eo amin’ny fiarahamonina.

Nomen’ny Raintsika any An-danitra ilay fanambarana momba ny fianakaviana mba hanampiana antsika ho voatarika hiverina any Aminy indray, hanampiana antsika hianatra sy ho heniky ny fitiavana, tanjaka, tanjona, ary fahatakarana ireo zavatry ny mandrakizay. Miangavy anareo amin’ny fanahiko manontolo aho mba hiaina eo akaikiny sy eo akaikin’ilay Zanakalahy malalany ianareo. Mampanantena anareo aho fa rehefa manao izany ianareo dia hanentana ny fanahinareo ny Fanahy ary hitarika sy hanampy anareo hahatsapa ao am-ponareo ny fiadanan’ Izy Ireo izay “mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”, Médiathèque de l’Évangile.

  2. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  3. Jereo ny Ronald A. Rasband, “Manan-danja ny teny,” Liahona, mey 2024, 70, 75–76.

  4. Jereo ny Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (2019), 208.

  5. Tsy io no ilay fanambarana ôfisialy voalohany navoakan’ny Fiangonana. Talohan’ilay “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” tamin’ny 1995 dia efa nisy fanambarana navoaka teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tamin’ny 1841, 1845, 1865, ary 1980. Ny fanambarana farany dia nomena tamin’ny 2020: “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” (Jereo ny Emma Benson, “What We Learn from the Proclamations of the Restoration” [lahatsoratra amin’ny endrika nomerika ihany], Liahona, des. 2021, Médiathèque de l’évangile.)

  6. Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra sy ilay fanambarana”, Ensign, nôv. 2017, 30.

  7. Jereo ny Dew, Insights from a Prophet’s Life (Lesona manan-danja avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany), 209–10.

  8. Jereo ny Barbara Morgan Gardner and Olivia Osguthorpe, “Delivering the Family Proclamation: Insights from Former Relief Society President Elaine L. Jack,” Religious Educator, vol. 24, no. 2 (2023), 164.

  9. Jereo Gardner and Osguthorpe, “Delivering the Family Proclamation,” 162–65; jereo koa Elaine L. Jack, “Relief Society: A Balm in Gilead,” Ensign, Nov. 1995, 92. Nampianatra ny Filoha Jack tao amin’ny lahateniny hoe: “Ny fianakaviana no manome antsika ny fifaliantsika lehibe indrindra ary ny ratram-po maharary indrindra koa indraindray. Manolotra tontolo hahafahana mianatra ny fianakaviana, sehatra fianarana izay tsy hifindrantsika kilasy na oviana na oviana kanefa hahafahantsika mianatra foana foana. Ao amin’ny fianakaviantsika isika no mianatra mankafy ny fiadanana ara-panahy izay azo avy amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fiantrana, ny faharetana, ny fizarana fahitsiam-po, ny hatsaram-panahy, ny fahalalahan-tanana, ny fifehezan-tena, ary ny asa fanompoana. Ry rahavavy, mihoatra noho ny hasina ijoroan’ny fianakaviana ireo ; ary ireo no fomba fiainana araka ny Tompo”.

    Ny Loholona Dallin H. Oaks, izay filohan’ny filankevitry ny Fisoronana mpanatanteraka tamin’izany fotoana izany, no sady nanatrika ny fivoriana (jereo Gardner and Osguthorpe, “Delivering the Family Proclamation,” 167).

  10. Jereo Gardner and Osguthorpe, “Delivering the Family Proclamation,” 165.

  11. “Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao” no ho fanambarana ôfisialy voalohany havoakan’ny Fiangonana hatramin’ny 6 aprily 1980. Hatramin’io fotoana io dia fanambarana ôfisialy efatra ihany no navoakan’ny Fiangonana, izay niompana tamin’ny lafiny ara-potopampianarana, finoana, tantara, fampitandremana, fanasana, ary fampahafantarana ny fitomboana sy ny fivoaran’ny Fiangonana.(jereo Encyclopedia of Mormonism [1992], “Proclamations of the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” 3:1151–57).

  12. Elaine L. Jack, ao amin’ny Gardner and Osguthorpe, “Delivering the Family Proclamation,” 166.

  13. Gordon B. Hinckley, “Restez fortes contre les séductions du monde,” Ensign, Nov. 1995, 100 Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 1976, ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanonona mpanoratra Amerikanina iray izay nahadinika fa “Tao anatin’ny tantara dia tafavoaka velona hatrany ireo firenena teo anatrehan’ireo aretina, fanafihana, mosary, horohoron-tany, valan’aretina, fahaketrahana, saingy tsy mbola tafavoaka mihitsy izy ireo raha ny mahakasika ny fanapotehana ny fianakaviana” (ao amin’ny “A Report and a Challenge,” Ensign, Nov. 1976, 7–8).

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.

  15. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  16. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile.

  17. Jereo Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” 100

  18. Jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  19. 1 Nefia 11:22–23.

  20. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Médiathèque de l’Évangile.

  21. 1 Nefia 1:1.

  22. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Médiathèque de l’Évangile.

  23. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Médiathèque de l’Évangile.

  24. Gordon B. Hinckley,“Women of the Church,” Ensign, Nov. 1996, 69.

  25. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,”Médiathèque de l’Évangile. “Raha tsy misy ray ao an-tokantrano dia ny reny no miahy ny fianakaviana.” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 2.1.3, Mediathèque de l’Évangile).

  26. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  27. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  28. Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Médiathèque de l’Évangile.

  29. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 1991, dia nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley fa i Adama sy i Eva dia “niara-nijoro tao amin’ilay saha. Niara-voaraoka avy tao amin’ny saha izy ireo, ary niara-niasa akaiky tamin’ny fahazoana ny mofon’izy ireo tamin’ny alalan’ny hatsembohan’ny tavany” (“Our Solemn Responsibilities,” Ensign, Nov. 1991, 51).

  30. Filipiana 4:7.