Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahatsorana ao amin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2025


11:18

Fahatsorana ao amin’i Kristy

Ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tsotra sy feno fifantohana dia hanampy antsika hahita fifaliana eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

1. Teny fanolorana

Telo amby telopolo taona lasa izay no nahazoako ny antsoko hanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Ogden, any Utah. Mazava ho azy fa noho izaho avy any Eorôpa dia somary hafahafa tamiko ny fomba fahandro any an-toerana, any Utah, toy ny “gélatine maitso miaraka amin’ny karaoty” sy ny “ovy fihinana rehefa misy fahoriana”

Na teo aza izany dia nahatalanjona ahy ny fanoloran-tena sy ny toetra maha mpianatry ny Tompo nasehon’ny Olomasina maro, sy ny habetsaky ny olona mamonjy ny fivoriam-piangonana ary ny lentan’ireo fandaharan’asa ataon’ny Fiangonana izay mizotra tsara avokoa. Rehefa tapitra ny asa fitoriana nataoko, dia te haka antoka aho ny mba hahazoan’ny fianakaviako any aoriana ilay fifaliana tsapako sy ny hery ara-panahy ary ny fahamatorana izay hitako tany. Nanam-pahavononana aho ny hiverina haingana ary hiaina eo amin’ny “alokalok’ireo havoana maharitra mandrakizay”.

Nanana drafitra hafa anefa ny Tompo. Ny alahady voalohany taorian’ny fodiako, dia niantso ahy ny evekanay izay feno fahendrena mba ho filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasinay. Teo am-panompoana ireo vondrona zatovolahy mahafinaritra ireo no nianarako faingana fa ny fifaliana izay azo avy amin’ny maha mpianatr’i Kristy dia tsy miankina amin’ny haben’ny olona manatrika ny fivoriam-piangonana na ny lentan’ireo fandaharan’asa.

Noho izany rehefa nivady izaho sy i Margret vadiko tsara tarehy, dia nanapa-kevitra tamim-pifaliana izahay ny hijanona any Eorôpa sy hanorina ny ankohonanay any Alemana izay tany niavianay. Niarahanay nahita ny zavatra nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson taona maro lasa izay manao hoe: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika saingy tena mifandray kosa amin’izay ifantohantsika eo amin’ny fiainantsika izany”. Rehefa mifantoka amin’i Kristy sy ny hafatry ny filazantsarany ny fiainantsika, dia afaka miaina ireo fitahiana feno amin’ny maha mpianatry ny Tompo antsika isika na aiza na aiza toerana ipetrahantsika.

2. Ny fahatsorana izay ao amin’i Kristy

Saingy ao anatin’ny tontolo izay mihamanalavitra ny fivavahana sy mikorontana ary mampisavorovoro, ary ahitana hafatra sy fangatahana samy hafa izay matetika mifanohitra, dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika misoroka ny fahajamban’ny masontsika sy ny fahamafisan’ny fontsika ka hifantohantsika hatrany amin’ireo “zavatra tsotra sy sarobidy” ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nandritra ny vanim-potoana feno korontana ny Apôstôly Paoly dia nanome torohevitra tena tsara ho an’ireo Olomasina tao Korinto tamin’ny fampahatsiahivana azy ireo ny mba hifantoka amin’ny “fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy”.

Ny fotopampianaran’i Kristy sy ny lalàn’ny filazantsara dia tena tsotra hany ka na ny zaza madinika aza dia afaka mahatakatra azy. Afaka mahazo ny hery manavotra avy amin’i Jesoa Kristy isika sy mandray ireo fitahiana ara-panahy rehetra izay nomanin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, amin’ny fibebahana, amin’ny firosoana ho amin’ny batisa, amin’ny fanamasinana ny tenantsika amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary amin’ny faharetana hatramin’ny farany. Tamin’ny fomba kanto no nilazalazan’ny Filoha Nelson an’io lalan-kizorana io hoe ny “lalan’ny fanekempihavanana” sy dingana arahina mba ho lasa “mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena”.

Raha tsotra toy izany ary io hafatra io, nahoana no matetika toa sarotra ny miaina ny lalàn’i Kristy sy manaraka ny ohatra nasehony? Angamba mety ho raisintsika ho zavatra mora tanterahana sy tsy mila ezaka na fahazotoana ny atao hoe fahatsorana. Ny manara-dia an’i Kristy dia mitaky ezaka tsy tapaka sy fiovana tsy an-kiato. Mila isika “[manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo [antsika] sy tonga tahaka ny ankizy [madinika]”. Tafiditra ao anatin’izany ny “[matoky] an’i Jehovah” sy mamela amin’izao izay zava-tsarotra, tahaka ny ataon’ny ankizy madinika. Ny fampiharana ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tsotra sy feno fifantohana dia hanampy antsika hahita fifaliana amin’ny fiainantsika andavanandro, hanome torolalana antsika amin’ny antsontsika, hamaly ireo fanontaniana sasany izay sarotra indrindra eo amin’ny fiainantsika, ary hanome hery hiatrehana ireo olana lehibe indrindra.

Amin’ny fomba ahoana anefa no hampidirantsika izany hoe fahatsorana izany amin’ny fomba mahomby eo amin’ny diantsika mandritra ny androm-piainana amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika? Nampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson mba hifantoka amin’ny “fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio” rehefa mikatsaka ny hanara-dia ny Mpamonjy isika. Ny fametrahana matetika ny hoe, “Inona no tian’i Jesoa Kristy Tompo ataoko?” dia mitondra fanambarana ny amin’ny lalan-kizorana. Ny fanarahana ny ohatra nasehony dia manome lalana voaro hamakivakiana ireo zavatra tsy azo antoka eo amin’ny fiainana sy tanana feno fitiavana ary fitarihana hofihinina isan’andro isan’andro. Izy no Andrian’ny Fiadanana sy Mpiandry ondry tsara. Izy no Mpampionona sy Mpanavotra antsika. Izy no Vatolampy sy Fiarovana ho antsika. Namana Izy—namanao sy namako! Manasa antsika rehetra Izy hitia an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny ary hitia ny namantsika.

Rehefa misafidy ny hanaraka ny ohatra nasehony isika sy mandroso am- pinoana ao amin’i Kristy, ka mandray feno ny herin’ny Sorompanavotany, ary mahatsiaro ireo fanekempihavanana nataontsika, dia manenika ny fontsika ny fitiavana, mitaiza ny fanahintsika ny fanantenana sy fahasitranana, ary ny alahelo sy ny fanaintainana dia ho soloina fankasitrahana sy ny faharetana hiandrasana ireo fitahiana nampanantenaina. Misy fotoana isika mety mila mihataka amin’ny toe-javatra izay manimba, na mikatsaka fanampiana avy amina matihanina. Kanefa amin’ny tranga rehetra, dia hanampy antsika hamakivaky ireo olan’ny fiainana amin’ny fomban’ny Tompo ny fampiharana ireo fitsipika tsotran’ny filazantsara.

Indraindray ambaniantsika ny hery azontsika avy amin’ny fihetsika tsotra toy ny vavaka, fifadian-kanina, fandalinana ny soratra masina, fibebahana isan’andro, fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary fankanesana tsy tapaka any amin’ny tempoly. Kanefa rehefa ekentsika hoe tsy mila “[manao] zavatra lehibe” isika, ary mifantoka amin’ny fampiharana fotopampianarana madio sy tsotra, dia manomboka ho hitantsika ny fomba “[hitondran’ny filazantsara] soa” ho antsika, eny fa na ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra indrindra aza. Mahita hery sy “fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra”, isika, eny fa na dia rehefa mahatsapa ratram-po aza. Imbetsaka ny Loholona M. Russell Ballard no nampahatsiahy antsika fa: “Ao anatin’izany fahatsorana izany no hahita[ntsika] ny fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana”.

Ny fampiharana ny fahatsorana izay ao amin’i Kristy no mahatonga antsika hanao ho lohalaharana ny olona fa tsy ny dingana arahana ary ny fifandraisana mandrakizay fa tsy ny fitondran-tena mandalo kely fotsiny. Mifantoka amin’ “izay zavatra manan-danja indrindra” ao amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy fisandratana isika, fa tsy revo fotsiny amin’ny fitantanana ny asa fanompoantsika. Ataontsika izay hahatonga antsika ho afaka hanao lohalaharana ny zavatra izay azontsika atao fa tsy vesaran’ireo zavatra izay tsy azontsika atao. Nampahatsiahy antsika ny Tompo hoe: “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe”. Tena famporisihana hiasa amim-pahatsorana sy amim-panetrentena izany, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy antsika.

3. Oma Cziesla

I Marta Cziesla renibeko dia ohatra mahatalanjona amin’ny fanaovana “zava-madinika sy tsotra” mba hahatanteraka zavatra lehibe. Oma Cziesla no fiantsoanay azy tamim-pitiavana. Nandray ny filazantsara i Oma tao amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Selbongen any Prusse Atsinanana, niaraka tamin’ny reniny, tamin’ny 30 mey 1926.

Ny reniben’i Loholona Cziesla (eo ankavanana)

I Marta Cziesla (eo ankavanana) tamin’ny andron’ny batisany.

Tia ny Tompo sy ny filazantsarany izy ary nanam-pahavononana ny hitandrina ireo fanekempihavanana izay nataony. Tamin’ny taona 1930 izy no nanambady ny raibeko, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Nanomboka teo dia lasa tsy afaka nanatrika ireo fivoriam-piangonana i Oma satria tena lavitra, niala avy teo amin’ilay toeram-piompian’ny raibeko ny fiangonana akaiky indrindra. Saingy nifantoka tamin’izay zavatra azony natao izy. Nanohy nivavaka, namaky ny soratra masina sy nihira ireo hiran’i Ziona i Oma.

Misy olona sasany mety nieritreritra hoe tsy nazoto intsony izy tao amin’ny finoany, kanefa tsy izany mihitsy no nitranga. Tamin’ny raiko sy ny anabavin-draiko teraka, dia tsy nisy mpihazona ny fisoronana tao an-tokantrano ary tsy nisy fivoriam-piangonana na fahafahana nanatanteraka ôrdônansy teo amin’ny manodidina; nefa dia mbola nanao izay azony natao ihany izy, ary nifantoka tamin’ny fampianarana ireo zanany ny “hivavaka sy ny handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo”. Namaky soratra masina tamin’izy ireo izy, nihira ireo hiran’i Ziona niaraka tamin’izy ireo izy, ary mazava ho azy fa nivavaka niaraka tamin’izy ireo izy, isan’andro. Tena fiainana zato isan-jato ilay hoe Fiangonana mifototra amin’ny ao an-tokantrano izany.

Tamin’ny taona 1945 dia nanompo nandritra ny ady lehibe ny raibeko, lavitry ny fonenany. Rehefa nanakaiky ny toeram-piompian’izy ireo ny fahavalo, dia nentin’i Oma ireo zanany kely roa ary nilaozany ilay toeram-piompiana mba hitadiavany fialofana any amin’ny toerana azo antoka kokoa. Rehefa avy nandia fotoan-tsarotra sy nieren-doza izy ireo dia nahita fialofana tany Alemana Avaratra tamin’ny mey 1945. Tsy nanana na inona na inona intsony izy ireo afa-tsy ny akanjo teny an-kodiny. Nanohy nanao izay azony natao hatrany anefa i Oma: nivavaka niaraka tamin’ireo zanany izy—isan’andro. Ary nohirainy niaraka tamin’izy ireo ny hiran’i Ziona izay nianarany tsianjery—isan’andro.

Tena mafy ny fiainana tamin’izany ary nandritra ny taona maro dia ny mba hananana sakafo hohanina no hany nifantohana. Saingy tamin’ny 1955 ny raiko, izay 17 taona tamin’izany, dia nianatra tao amin’ny sekoly fianarana ny momba ny varotra iray tany amin’ny tanànan’i Rendsburg. Nandalo teo amin’ny trano iray izy ary nahita takelaka kely teo ivelany izay misy soratra hoe “Kirche Jesu Christi der Heiligen der Letzten Tage”—“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany”. Hoy izy nieritreritra: “Mahaliana fa ity ny fiangonan’i Neny”. Noho izany, rehefa tafody izy, dia nilaza tamin’i Oma fa hitany ny fiangonany.

Azonareo an-tsaina ny mety ho fahatsapan’i Oma rehefa tsy nisy fifandraisana tamin’ny Fiangonana efa ho nandritra ny 25 taona. Tapa-kevitra izy ny hanatrika ny fivoriam-bavaka ny alahady taorian’io ary nandresy lahatra ny raiko mba hiaraka aminy. 32 kilaometatra mahery niala teo amin’ilay tanàna kely nonenan’izy ireo no misy an’i Rendsburg. Kanefa tsy nisakana an’i Oma hankany am-piangonana izany. Ny alahady taorian’io dia nitaingina ny bisikiletiny izy sy ny raiko nandeha nankany am-piangonana.

Rehefa nanomboka ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia nipetraka tamin’ny dabilio farany aoriana ny raiko, sady tsy andriny izay hahavitan’ilay fivoriana. Fiangonan’i Oma io fa tsy azy. Tsy nahasarika loatra ny zavatra hitany: vehivavy efa zokiolona vitsivitsy no nanatrika teo sy misiônera tanora izay nanantontosa ny zava-drehetra hanatanterahana ny fivoriana. Saingy nanomboka nihira izy ireo avy eo, ary nihira ireo hiran’i Ziona izay ren’ny raiko hatramin’ny fahazazany: “Ndao ry Olomasina”, “Ô ry Ray”, “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah”. Nampihetsi-po azy fatratra ny fandrenesana ireo olona vitsy ireo nihira ireo hira izay fantany hatramin’ny fahazazany, ary fantany avy hatrany tsy am-pisalasalana fa marina ny Fiangonana.

Tamin’ilay fivoriana fanasan’ny Tompo voalohany natrehan’ny renibeko tao anatin’ny 25 taona no nandraisan’ny raiko fanamafisana manokana ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Natao batisa izy telo herinandro tatỳ aoriana tamin’ny 25 septambra 1955, niaraka tamin’ny raibeko sy ny nenitoako.

Efa 70 taona mahery izay no nitrangan’io fivoriana fanasan’ny Tompo tao Rendsburg io. Mieritreritra momba an’i Oma matetika aho, hoe inona no tsapany nandritra ireo alina natrehany samirery, nanaovany ireo zavatra madinika sy tsotra izay azony natao, toy ny mivavaka, mamaky sy mihira. Eto am-pijoroako eto anio ato amin’ny fihaonambe maneran-tany, miresaka momba ny Oma, dia heniky ny fanetrentena sy fankasitrahana ny foko noho ny fahavononany nitandrina ireo fanekempihavanana nataony sy natoky ny Tompo na teo aza ireo olana. Ary tsy noho izy ihany izany fa noho ireo Olomasina mahatalanjona maro manerana izao tontolo izao izay mifantoka amin’ny fahatsorana ao amin’i Kristy ao anatin’ireo toe-javatra manahirana misy azy ireo, angamba kely ny fiovàna hitan’izy ireo kanefa matoky izy ireo fa hisy zavatra goavana hitranga indray andro any,any aoriana any.

4. Zavatra madinika sy tsotra

Nianarako tamin’ny zavatra niainako manokana fa ireo zavatra madinika sy tsotra ao amin’ny filazantsara sy fifantohana am-pahatokiana amin’i Kristy dia mitondra antsika mankany amin’ny tena fifaliana marina, sy miteraka fahagagana lehibe, ary manome antsika fahatokiana fa ireo fitahiana rehetra nampanantenaina dia hitranga. Marina izany ho anareo sy ho ahy. Araka ny tenin’ny Filoha Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo”. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany ihany koa aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.