“Moa tia Ahy va ianao?”
Raha toa ka te haneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika, dia tokony hahatakatra ny fomba hamantarany ny fitiavantsika.
Ao amin’ilay fanoharana momba ilay zanaka adala, dia sarotra tamin’ilay zokilahy tamin’ny voalohany ny hankalaza ny fiverenan’ny rahalahiny nody indray taorian’ny fotoana nanaovany safidy tsy dia tsara sy “nandan[iany] ny fananany tamin’ny fiveloman-dratsy”. Nanakana ilay zokilahy tsy hianoka ny fifaliana entin’ny fodiana feno fibebahana nataon’ny rahalahiny ny avonavony sy ny fiheverany ny tenany ho marina. Isika koa dia mety hamotsitra ireo fahafahana hampiseho fitiavana rehefa tsy mamela ireo olona akaikin’ny fontsika hahafantatra, amin’ny alalan’ny tenintsika sy ny fihetsika ataontsika, ny amin’ny fitiavantsika marina azy ireo.
Ahitana ohatra mahery vaika maro momba ny fitiavana tena marina nozaraina sy noraisina ao amin’ny soratra masina: Naomy sy Rota, Amôna sy Lamônia Mpanjaka, ilay zanaka adala sy ny rainy, ny Mpamonjy sy ireo mpianany.
Rehefa omena maimaimpoana sy raisina amin-kitsim-po ny fitiavana dia lasa misy hodina mahasoa vokatr’izany, miaraka amin’ny fitomboan’ny fitiavana, eo amin’ilay mpanolotra sy ilay omena.
Tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra, mandrakizay, maharitra, ary “tena mamy”. Mameno ny fanahy amin’ny “fifaliana mitafotafo tokoa” izany. Na dia eo aza izany, indraindray dia mety ho sarotra amintsika ny mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Kanefa ny Raintsika any An-danitra be fitiavana izay tonga lafatra dia maniry lalina tokoa ny hahatsapantsika ny fitiavany izay “[teneniny] amin[tsika] araka ny … [fahatakarantsika izany]”. Haneho amintsika ny fitiavany antsika Izy amin’ny fomba izay hahafahantsika tsirairay avy mahafantatra izany. Mety hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra antsika isika rehefa mandinika ny hakanton’ny zava-boahary, na mandray valim-bavaka, na misy eritreritra tonga ao an-tsaintsika amin’ny fotoana tena ilantsika izany, na miaina fotoam-pahasambarana tena mamy. Ny porofom-pitiavana lehibe indrindra avy amin’ny Ray any an-danitra antsika izay manenika ny saina sy ny fo dia ny namelany ny Zanakalahy malalany hanolotra ny Tenany ho ilay sorona.
Toa ny zokin’ilay zanaka adala, dia matetika isika no mifantoka amin’ny tenantsika ihany. Somokotra loatra isika hitady porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika ka lasa sorena rehefa tsy mahita izany. Saingy ny zavatra toa tsy mitombina mihitsy kanefa tena mahavariana dia ny hoe arakaraka ny hifantohantsika amin’ny fanehoana fitiavana ho an’ Andriamanitra, no hahamora kokoa ny hahatsapantsika ny fitiavany antsika. Izany angamba no antony namalian’ny Mpamonjy an’ilay fanontaniana hoe “Inona no didy lehibe indrindra?” tamin’ity fanasana tsotra sy manan-danja ity: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”
Indraindray ny fomba anehoantsika ny fitiavantsika ireo olona tena akaikin’ny fontsika dia tsy voatery ho ilay fomba hahatsapan’izy ireo fitiavana. Mety hahasorena izany na ho an’ny mpanome na ho an’ny mpandray. Mety hanampy ny manontany ireo olona tiantsika ny fomba hahatsapan’izy ireo fa misy ny fanehoam-pitiavana. Torak’izany koa, raha toa ka te haneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika, dia tokony hahatakatra ny fomba hamantarany ny fitiavantsika. Soa ihany fa efa nosoritany mazava ao amin’ny soratra masina ny fomba vitsivitsy hahafahantsika maneho ny fitiavantsika Azy.
Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?
Tao amin’ny resadresaka mifono fampianarana nataon’i Petera tamin’ny Tompo efa nintsangana tamin’ny maty teo amin’ny Ranomasina Tiberiasy, dia mianatra fomba hahafahantsika maneho ny fitiavantsika ho an’ny Tompo isika.
“Hoy Jesoa tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; fantatrao fa tia Anao aho”.
Ny fanontaniana manan-danja eto amin’ity fanontaniana napetraky ny Tompo ity dia ny hoe “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” Mampiseho ny fitiavantsika ho an’ny Tompo isika rehefa mametraka Azy ho ambonin’ireo “ireto,” ary ny hoe “ireto” dia mety ho olona, na zavatra atao, na izay rehetra manaisotra Azy ho tsy ilay hery mitarika manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika.
Tsy ho ampy na oviana na oviana ny fotoana ao anatin’ny andro iray, herinandro iray, volana iray, na taona iray hahavitana ny zavatra rehetra tiantsika na ilaintsika vitaina. Isan’ny fitsapan’ny fiainana an-tany ny fampiasana ny fotoana izay fananana sarobidy ho antsika, amin’ireo zavatra manan-danja indrindra ho an’ny mandrakizaintsika ary ny mandao ireo zavatra izay tsy dia manan-danja firy.
Hoy ny Filoha Russell M. Nelson: “Mitovy … ny fanontaniana ho antsika tsirairay,. … Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve havelanao ho lohalaharana amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hampandefitra ny sitraponao eo anoloan’ny sitrapony?” Mampiseho ny maha mpianatry ny Tompo sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika rehefa mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika.
Fahano ny ondriko
Ao amin’ny andininy manaraka amin’ilay resadresaka nifanaovan’i Petera tamin’ny Mpamonjy io ihany, dia mianatra fomba iray hafa hamantaran’ny Tompo ny fanehoam-pitiavantsika isika: “Hoy indray [ny Tompo] taminy fanindroany, Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy Izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko”.
Mampiseho ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra isika rehefa manolotra asa fanompoana, mihaino, mitia, na manompo ireo zanany. Mety ho faran’izay tsotra izany toa ny hoe tena mijery ny hafa amin’ny fomba tsy misy fitsaratsarana. Ao amin’ny fizarana 76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia mahazo santionany amin’ny toetran’ireo izay handova voninahitra selestialy isika: “Mahita izy ireo tahaka ny ahitana azy ireo, ary mahafantatra izy ireo tahaka ny ahafantarana azy ireo”. Mahita ny hafa tahaka ny ahitan’ Andriamanitra ny hafa izy ireo, ary Izy dia mahita ny mety hahatongavan’izy ireo, dia ny fananan’izy ireo fahafahana masina sy feno voninahitra ho tonga tahaka an’ Andriamanitra izany.
Rehefa nody aho taorian’ny asa fitoriana ny filazantsara, dia nandray an-tanana ny orinasa fikolokoloana bozaka izay natsangako niaraka tamin’ny rahalahiko fony izahay zatovo. Nameno ny fotoanako ihany koa ny fianarana nataoko tany amin’ny anjerimanontolo . Indray herinandro izay tamin’ny vanim-potoana lohataona, dia tototra tanteraka aho ary taraiky tamin’ny asa fikolokoloana bozaka noho ny orana nikija sy ny fanadinana farany izay efa nananotanona.
Nisava ny lanitra teny antenantenan’ny herinandro, ary nikasa hamita ireo asa fikolokoloana bozaka aho aorian’ny fotoam-pianarana. Saingy rehefa tonga tany an-trano aho dia tsy teo intsony ny fiarako sy ny fitaovako. Liana sy gaga aho ka nitsidika ireo zaridaina noeritreretina hokarakaraina; samy efa voahety tsara avokoa ny tsirairay avy tamin’izy ireo. Rehefa tonga teo amin’ilay tokontany farany indrindra tokony hokarakaraina aho, dia nahatazana ny zandriko lahy teo ambadik’ilay milina fanetezam-bozaka. Hitany aho, nitsiky izy, ary nikopakopa-tanana. Heniky ny fankasitrahana aho, namihina azy ary nisaotra azy. Ny asa fanompoana tena nahasoa sy nilaina nataony dia nampatanjaka lalina ny fitiavako sy ny fahatokiako azy. Ny fifanompoana dia fomba miharihary iray anehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahy Malalany.
Miaiky ny tanany amin’ny zavatra rehetra
Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra koa isika amin’ny alalan’ny fananana fo mahay mankasitraka. Hoy ny Tompo, “Ary tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafitohina an’ Andriamanitra, … afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tanany amin’ny zava-drehetra”. Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika amin’ny fanekena Azy ho ny loharanon’ny zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainantsika.
Raha vao nanangana orinasa aho, dia mivavaka amin-kitsim-po izaho sy ny mpiara-miombon’antoka amiko mialoha ireo fivoriana manan-danja, angataka ny fanampian’ny Ray any An-danitra. Namaly ombieny ombieny ny vavakay Andriamanitra, ary nizotra tsara ny fivorianay. Taorian’ny fivoriana iray dia nohamarinin’ilay mpiara-miombon’antoka amiko fa mailaka ery izahay hangataka fanampiana saingy miadana loatra raha hanolotra fisaorana. Nanomboka tamin’izay dia nataonay fahazarana ny manolotra vavaka amin-kitsim-po fanehoana fankasitrahana, miaiky ny tanan’ny Tompo noho ny fahombiazanay. Mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra miaraka amin’ny “fihetsika mankasitraka” isika.
Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko
Fomba iray hafa hampisehoantsika ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny Malala ny misafidy ny hankatò Azy Ireo. Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko”. Io karazana fankatoavana io dia sady tsy hoentina an-jambany no tsy raisina an-teriterena fa fanehoam-pitiavana tena marina sy amin-kitsim-po kosa. Tian’ny Ray any An-danitra isika haniry ny ho mpankatò. Antsoin’ny Rahavavy Tamara W. Runia hoe “[m]ankatò [a]mim-pitiavana” izany. Hoy izy, “Na dia tsy lavorary aza ny fankatoavantsika ankehitriny, dia miezaka mankatò amim-pitiavana isika ankehitriny, misafidy ny hijanona, ombieny ombieny, satria tiantsika Izy”.
Nomen’ny Ray any An-danitra fahafahana misafidy isika hanentanana antsika haniry ny hisafidy Azy. Ny asa sy voninahiny dia tsy ny hanatanteraka ny fiainana mandrakizaintsika fotsiny ihany fa tafiditra ao anatin’izany koa ny fanantenany ny mba haniriantsika lehibe tokoa hiverina any Aminy indray. Tsy hanery antsika velively anefa Izy mba hankatò. Ao amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Sachez que chacun peut choisir” dia mihira isika hoe:
Fony izaho sy i Christina vadiko mpitarika misiôna, dia misiônera marobe no nanentana ny fanahinay raha nisafidy ny hankatò izy ireo, tsy hoe noho ny fenitra arahin’ny misiônera fotsiny ihany, fa noho izy ireo naniry ny hampiseho ny fitiavan’izy ireo ny Tompo ihany koa amin’ny alalan’ny fisafidianana amim-panetrentena ny hisolo tena Azy.
Nilaza ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Raha izay hahatonga antsika hankatò fotsiny no tiany, dia ho nampiasa valisoa sy sazy mihatra eo no ho eo Izy mba hanovana ny fihetsitsika”. Mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika rehefa misafidy ny hankatò sy hanaraka Azy.
Mahatsapa ny fanehoam-pitiavantsika Azy Ireo ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika rehefa mametraka Azy Ireo ho lohalarana eo amin’ny fiainantsika isika, mifanompo, miaiky amim-pankasitrahana ny fitahiana tsirairay avy avy amin’ Izy Ireo, ary misafidy ny hankatò sy hanaraka Azy Ireo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa isika tsirairay avy dia zanak’ Andriamanitra tokoa ary tia antsika tanteraka Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa mangetaheta ny hiainantsika ny fitiavany amin’ny fomba tsapantsika sy takatsika Izy. Ary ny zavatra roa mifanipaka kanefa toa miaraka amin’ny fomba kanto dia ny hoe vao mainka aza isika hahatsapa lalina kokoa ny fitiavany antsika rehefa maneho ny fitiavantsika Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.