Ny raikipohin’ny vaovao mahafaly
Toy ny ahoana ary izany misy an’i Jesoa Kristy bebe kokoa eo amin’ny fiainanao izany?
Raha efa nitsidika ny faritanin’i Louisiane ianao, izay fiaviako, dia azo inoana fa mahalala tsara ireo sakafo matsiro maro avy any aminay: ny gumbo, ny jambalaya, ny étouffée, sy ny maro hafa tsy ho voatanisa.
Misy fotoana aho hitako hoe sahy mikarakara ny iray amin’ireo raikipohin’ny nahandro matsiro ireo. Ny dingana farany izay tsy voalaza ao rehefa avy manafangaro ireo laro rehetra sy manaraka ireo toromarika amin’ny antsipiriany dia ny fanandraman-tsiro farany ka hijery raha misy zavatra tsy ampy. Amin’io fotoana io aho dia toa mahare ireo mpahandro sakafo Kreôla fanta-daza mibitsika ao an-tsofiko hoe: “Ampio Tony’s misimisy kokoa.” Ny Tony’s dia zava-manitra kreôla vita any Opelousas, Louisiane, tanàna niaviako. Io no matetika ampiasaina ho “kanonkanona tsiambaratelo” hanarenana ny zavatra tsy nety tamin’ny fanarahana ny raikipohin’ny nahandro.
Voninahitra ho ahy sy i Michelle ny nanompo ho mpitarika ny misiôna tany Louisiane. Fomba mahazatra anay ny mampianatra an’ireo misiônera ny raikipohin’ny fahandroana jambalaya nandritra ny alin’izy ireo farany tao amin’ny tranon’ny misiôna talohan’ny niverenan’izy ireo tany amin’ny fianakaviany. Ankoatra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny dia mandao ny misiôna amin’ny fankasitrahana ireo raikipohin’ny nahandro ny misiôneranay.
Volana vitsivitsy lasa izay dia nitety ny fitahirizana ireo haino vaky jerin’ny Fiangonana aho ary nahita rohy mankany amina angona horonan-tsary fohy antsoina hoe Restoration Conversations with President Russell M. Nelson [Resadresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny iarahana amin’ny Filoha Russell M. Nelson]. Nahasarika ny saiko ny lohatenin’ny iray tamin’ireo horonan-tsary fohy tao amin’ilay lisitra ary nampitsiky ahy. Toy izao ilay lohateny: “Scriptures Are God’s Recipes for Happy Living [Ny soratra masina no raikipohy omen’ Andriamanitra hahazoana fiainana sambatra]”. Nokitihiko avy hatrany io horonan-tsary roa minitra io ka nijery ny Filoha Nelson nampianatra hafatra tsotra sy mahery vaika momba ny fomba mahasambatra tamina andiana ankizy tao amin’ny Kilonga aho. Nampianatra izy hoe: “Rehefa manamboatra mofomamy ianao dia manaraka ireo torolalana, sa tsy izany? Dia tsara foana ny vokatra azonao amin’izany, sa tsy izany?”
Dia notohizany avy eo ary niresaka momba ny fahatratrarany 95 taona tsy ho ela izy: “Milaza ny olona hoe: Inona no haninao? Inona no tsiambaratelonao?” Dia namaly izy hoe: “Antsoina hoe ny soratra masina ilay tsiambaratelo. Afaka mamaky sy manandrana azy ireny ianareo”.
Dia izay ilay izy. Ny tsiambaratelo tsotra hahazoana fiainana sambatra dia ny manaraka fotsiny ny raikipohy omen’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina. Antsoiko hoe: “Raikipohin’ny vaovao mahafaly” izany.
Inona no ataonao raha misy zavatra tsy mety eo amin’ny fanarahana ilay raikipohy? Ao anatin’ilay Raikipohin’ny vaovao mahafaly dia misy “kanonkanona tsiambaratelo” izay manome antoka fa vitanao tsara foana izany amin’ny farany. I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny.
Mino aho fa misy fotoana isika rehetra mahatsapa hoe tsy dia tsara loatra ireo kanonkanona ampiasaintsika, na sahirana isika manaraka ireo torolalana, na mety manao zavatra tsy araka ny filaharany isika, na misy zavatra mitranga izay tsy voafehintsika, sy ny sisa.
Inona no fanafodiny? Dia ny manampy misimisy kokoa izay zavatra manasa an’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika fotsiny.
Toy ny ahoana ary izany misy an’i Jesoa Kristy bebe kokoa eo amin’ny fiainanao izany?
Fony aho filohan’ny misiôna dia nahafaly ahy ny nihaona manokana tamin’ireo misiônera tanoranay tsirairay isaky ny enina herinandro. Mandritra ilay fihaonana mivantana dia mahazatra an’ireo misiônera ny mikatsaka fitarihana amin’ny fomba hanatsarana ny fahombiazany amin’ny fiarahana amin’ny mpiara-mitory.
Indray mandeha dia nisy misiônera iray tonga hanao ilay dinika sy tafa manokana ary nipetraka. Hitako tamin’ny fihetsiny fa misy zavatra mavesatra mitambesatra ao an-tsainy. Nanontany aho hoe: “Elder, inona no tianao horesahina androany?” Dia nanazava ireo zava-tsarotra sasany lalovany amin’ny mpiara-mitory aminy izy sy ny fiantraikan’izany amin’ny fahafahan’izy ireo manao ny asa fitoriana. Latsa-dranomaso izy no nijery ahy ary nanontany hoe: “Filoha, inona no tokony hataoko?”
Tamin’izay fotoana izay dia tsoriko fa tsy haiko izay navaly. Afaka fotoana fohy dia nanontaniako izy raha mety aminy ny hiarahanay mandohalika hivavaka mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy. Nanaiky izy dia niara-nandohalika izahay ka nivavaka nangataka fitaomam-panahy.
Taorian’ilay vavaka dia nanohy nandohalika izahay tao anatin’ny fotoana fohy ary avy eo dia nipetraka teo amin’ny sezanay sady nifanatrika. Nangataka aho raha afaka mamaky soratra masina miaraka izahay. Rehefa nanokatra ny soratra masinay izahay dia niato aho ary nilaza taminy hoe: “Elder, eo am-pamakiantsika ity soratra masina ity dia mba apetraho amin’ny tenanao izao fanontaniana manaraka izao: Raha iainako ireo toetra ireo, moa ve izany hanatsara ny fiaraha-miasanay sy ny asa fitorianay?”
Avy eo dia nosokafanay ny Môrônia 7:45 ary novakianay mafy: “Ary ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra”.
Nijery ahy avy eo ilay elder sady latsa-dranomaso no nilaza hoe: “Eny filoha, saingy sarotra tanterahina izany”. Nanaiky aho ary nampahatsiahy azy fa zanak’ Andriamanitra izy, manana ny hery avy amin’ Andriamanitra hanao izany miaraka amin’ny Tompo.
Avy eo dia niresaka fohy mahakasika ilay fanoharana momba ny solampy izay nampianarin’ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy izahay, izay mampahatsiahy antsika fa mila manomboka eo amin’izay misy antsika isika, ary mandroso hatrany miaraka amin’ny Tompo mankany amin’ny lalana mahasoa. Azoko lazaina fa mbola nahatsapa ho sahirana kely ihany izy tamin’ireo dingana manaraka, ka nasaiko nanazava ny fahatakarany an’ilay soratra masina manao hoe: “amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe”. Dia nohazavainy avy eo ilay foto-kevitra hoe amin’ny alalan’ny fanaovana zava-madinika sy tsotra no hitrangan’ny zavatra lehibe. Nangatahiko izy haka fotoana kely hamantatra zavatra madinika sy tsotra azony atao mba ho tsara fanahy amin’ny mpiara-mitory aminy.
Afaka fotoana vitsy dia nizara ny heviny izy. Avy eo dia nangatahiko izy haka fotoana kely hamantatra zavatra madinika sy tsotra azony atao mba hananany faharetana amin’ny mpiara-mitory aminy. Saika teo no ho eo ihany dia nozarainy ny hevitra roa tao an-tsainy. Niharihary fa efa nisaintsaina izany izy talohan’ny fihaonanay. Nasaiko izy mba hitondra am-bavaka ireo zavatra vitsivitsy ireo amin’ Andriamanitra ary hangataka fanamafisana sy fitarihana ary fitaomam-panahy amin’ny fomba hanatanterahana amin’ny tena finiavana ny drafiny. Nanaiky izy. Teo am-pamarananay dia nangatahiko izy hanome vaovao fohy ao amin’ny taratasiny isan-kerinandro.
Rehefa nandeha ny herinandro vitsivitsy manaraka dia tsapako tao amin’ireo taratasiny isan-kerinandro fa nihatsara ilay toe-javatra. Saingy tsy tao amin’ny taratasiny isan-kerinandro ihany no nahitako izany fivoarana izany fa hitako tao amin’ny taratasy isan-kerinandro alefan’ilay mpiara-mitory aminy koa. Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovanay mivantana manaraka dia nahita fiovana tanteraka teny amin’ny tavany sy ny fanahiny aho. Nanontaniako izy hoe: “Marina ve ry Elder fa -ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay-”? Novaliany tamin’ny tsiky lehibe hoe: “Eny, ary amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe”.
Rehefa manaraka ny Raikipohin’ny vaovao mahafaly hahazoana fiainana sambatra ianao dia tsarovy ny fampianaran’ny Filoha Nelson manao hoe: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!”
Rehefa te “hihaino Azy” sy hahalala ny fomba hanasana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao ianao dia araho ireo dingana ampianarin’ny Filoha Nelson antsika momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana:
“Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana.
“Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia -hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana-”.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. “Nanatanteraka ny zavatra rehetra ilaintsika Izy mba hahafahantsika miverina any amin’ny [Raintsika] any An-danitra”. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.