2025
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Feo iray mitondra fifaliana
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Feo iray mitondra fifaliana

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manome tanjona sy fifaliana ho anao eo amin’ny dianao mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Jesoa Kristy

Light of Hope [Fahazavan’ny fanantenana], nataon’i Simon Dewey

Fony aho mpitarika teo anivon’ny misiôna tany Japon taona maro lasa izay, dia nanao tafa sy dinika tamin’ny lehilahy iray izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana herintaona talohan’izany aho, izay nikatsaka ny handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Nandritra ny resaka nifanaovanay dia nanoritsoritra ny halehiben’ny fankasitrahany noho ireo fitahiana noraisiny nandritra ilay taona taorian’ny batisany izy. Ho ahy dia nampiseho fahatokiana tamin’ny fanekempihavanana izy vokatry ny fahatakarany ny filazantsara, izay niorim-paka lalina tao aminy. Mpianatr’i Jesoa Kristy niova fo izay niaina fiovana mahery vaika tao am-po izy (jereo ny Môzià 5:2).

Taorian’ny tafa sy dinika dia nolazaiko tamin’ny filohan’ny distrika fa tena variana aho tamin’ny nahitan’ireo misiônera sy mpikambana sy namahanan’izy ireo ara-panahy lehilahy miavaka toy izany izay manana hery anaty toy izany.

Gaga aho rehefa nahafantatra fa fony nanomboka nihaona tamin’ny misiônera sy nandeha tany am-piangonana io lehilahy io dia tsy nanan-kialofana sy tao anatin’ny toe-javatra saika nampamoy fo. Ny fandalinan’ity rahalahy ity ny filazantsara sy ny fiovam-pony tao anatin’ny volana maro dia nitarika tany amin’ilay fiovany mahagaga ka nametraka azy teo amin’ny lalana mitondra any amin’ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana sy fifaliana.

Nomen’ny filazantsara sary mazava mampiseho ny tanjon’ny fiainany ity rahalahy ity. Nanome azy ireo valin’ireo fanontaniana manan-danja eto amin’ny fiainana an-tany ireo fahamarinan’ny filazantsara tsotra sy sarobidy. Ny fitahiana toy izany dia afaka ny ho azonao sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra koa amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

Ny tanjon’ny fiainana

Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona farany nataony teo anatrehan’ny Fiangonana, ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023), izay Filoha mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany, dia nilaza hoe:

“Fantatsika hoe iza Andriamanitra, fantatsika hoe iza ny Mpamonjy, noho ny fananantsika an’i Joseph. …

“… Tena voatahy isika noho ny fahafantarana ny zavatra fantatsika mikasika ny tanjontsika eo amin’ny fiainana, sy ny antony maha eto antsika, sy ny zavatra tokony hoezahantsika hatao sy hotanterahina eo amin’ny fiainantsika andavanandro.”

Ho an’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izany fahalalana izany dia ahitana ny fahatakarana ny “drafitra tonga lafatry” ny famonjen’ Andriamanitra, izay fantatra koa amin’ny hoe “drafitra lehiben’ny fahasambarana,” “ny drafitry ny fanavotana,” ary “ny drafitry ny famindram-po” (Almà 42:8, 11, 15). Ny drafitr’ Andriamanitra dia “manaisotra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavintsika.” Ny tena manan-danja sy ny zava-dehibe eo amin’izany drafitra izany sy ny tanjon’ny fiainana dia ny “fotopampianaran’i Kristy.”

Fantatsika amin’ny alalan’ny filazantsara fa zanak’ Andriamanitra isika, sy nalefa tety an-tany mba hozahan-toetra sy homanina mba hitsangana amin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39). Isika dia mahafantatra ireo didy sy ampianarina mba hahafantatra ny “tsara amin’ny ratsy” (2 Nefia 2:5). Isika dia mahafantatra fa tonga eto mba hitia sy hanompo ary ny Mpamonjy dia niantso antsika mba handresy izao tontolo izao sy hanampy ny hafa hanao torak’izany koa (jereo ny Jaona 16:33).

Ilay nantsoin’i Joseph Smith hoe “ilay feon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo izay mitondra fifaliana” dia hampatanjaka antsika mandritra ireo fotoan-tsarotra sy hitondra fananana lanja sy zava-kendrena ho antsika sy ho an’ny hafa.

Fankatoavana sy fitahiana

Nomen’ Andriamanitra safidim-pitondran-tena isika mba hahatonga antsika ho tompon’andraikitra amin’ireo safidy ataontsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78; jereo koa ny 2 Nefia 2:16). Anisan’ny mandrafitra ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11) ny famelana an’i Satana haka fanahy antsika mba tsy hampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy.

Amin’izao androntsika izao dia niantso ny Mpaminany Joseph Smith i Jesoa Kristy Tompo ka “niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17). Manohy manambara ny didiny sy ny sitrapony amin’ireo mpaminaniny ny Tompo ankehitriny satria maniry ny hitarika antsika ho any amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy ho any amin’ny voninahitra selestialy any amin’ny fiainana ho avy Izy.

I Benjamina Mpanjaka mampianatra

King Benjamin Preaches to the Nephites [Mitory teny amin’ireo Nefita i Benjamina Mpanjaka], nataon’i Gary L. Kapp

mpaminany mampianatra

Teaching True Doctrine [Mampianatra fotopampianarana marina], nataon’i Michael T. Malm

I Joseph Smith mampianatra

Joseph Smith Preaching [I Joseph Smith mitory teny], nataon’i Sam Lawlor

I Russell M. Nelson mampianatra

Ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia tokony ho tonga avy amin’ny fanolorantenantsika Aminy sy ny fitiavantsika Azy. Nanambara i Jesoa Kristy Tompo hoe: “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Ny vokany lehibe indrindra avy amin’ny fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny dia fitahiana izay mitondra fahasambarana sy fifaliana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21).

Miaraka amin’ny fomba fijery mazava ny maha-avy amin’ Andriamanitra antsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra, dia fantatsika fa “ireo zavatra izay hahatonga ny fiainan[tsika] eto an-tany ho tsara indrindra araka izay azony hahatongavana ihany no ireo zavatra izay hahatonga ny fiainan[tsika] mandritra ny mandrakizay ho tsara indrindra araka izay azony hahatongavana!”

zatovolahy

Fifaliana mandritra ny dianao

Ilay mpikambana vaovao feno fifaliana izay nihaona tamiko taona maro lasa tany Japon dia nahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny fahavitrihany sy ny fahavitrihan’ireo misiônera sy mpikambana. Hitany ny tanjony ary nampivelatra ny fahitany ny drafitra lehiben’ny fahasambarana, izay nitondra fitahiana sy fifaliana ho azy, izay nampivoatra azy ara-batana sy ara-panahy.

Nampianatra ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Noho ilay drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, ary noho ilay fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanavotana nanirahana Azy, dia afaka ny, ary tokony mihitsy aza, ho vahoaka feno fifaliana indrindra eto an-tany isika! Na dia mifofofofo eo amintsika aza ny tafiotry ny fiainana ao amin’ity tontolo mikorontana matetika ity, dia afaka mamboly fahatsapana fifaliana sy fiadanana anaty mitombo hatrany sy mitoetra isika noho ny fanantenantsika ao amin’i Kristy sy ny fahatakarantsika ny toerantsika manokana ao amin’ilay drafitry ny fahasambarana mahafinaritra.”

Manolotra ny fankasitrahako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ny drafitra lehiben’ny fahasambarana aho ary manolotra ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba izany. Manasa anareo aho mba haka anjara amin’ny vokatry ny filazantsara ka hahatsapa fifaliana bebe kokoa eo amin’ny dianareo mankany amin’ny fiainana mandrakizay.