2025
Manana fanapahan-kevitra goavana maro tokony horaisina aho. Ahoana no handraisako fanambarana ho an’ny tena manokana?
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Fanontaniana sy Valiny

“Manana fanapahan-kevitra goavana maro tokony horaisina aho. Ahoana no handraisako fanambarana ho an’ny tena manokana?”

zatovovavy

“Diniho ny lafy tsara sy ny lafy ratsiny dia safidio ny zavatra izay hanampy anao hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tadidio ny mivavaka mialoha sy mandritra ary aorian’ny nandraisanao fanapahan-kevitra. Hanamafy aminao izay mety ny Fanahy.”

Laneah S., 16 taona, Utah, Etazonia

zatovolahy

“Hanampy 100% ny fivavahana sy ny famakiana soratra masina. Hoy ny soratra masina: -Mangataha dia hahazo hianareo.- Noho izany dia mangataha! Dia manaova ezaka hahazoana izay ilainao avy eo. Tsarovy fa hanome mandrakariva ny Tompo!”

Parker B., 16 taona, Californie, Etazonia

zatovolahy

“Mangataha amin’ny Ray any An-danitra dia vakio ny teniny. Diniho amin’ny alalan’ny fanoratana ireo bitsika isan’andro ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao, dia ho afaka ny hahita lamina mikasika ny fomba hahazoanao fanambarana ho an’ny tena manokana ianao.”

Caleb A., 18 taona, Caroline du Nord, Etazonia

zatovolahy

“Isan’ireo fitaovana tsara indrindra handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mianatra avy amin’ny ohatra nasehon’ireo mpaminany fahiny isika.”

João C., 19 taona, São Paulo, Brésil

zatovovavy

“Indraindray dia tsy ho tonga avy hatrany ny valiny andrasanao, ary indraindray dia ho tonga avy hatrany izany. Indraindray dia amin’ny alalan’ny fahatsapana tena miavaka na hira iray renao ao am-piangonana no hahatongavan’ny valiny andrasanao. Afaka manome torohevitra tsara ihany koa ny fianakaviana sy ireo namana azo itokisana.”

Anabel V., 12 taona, Utah, Etazonia