2025
“Aiza no ahafahako mahazo fanantenana rehefa maty ny olona iray akaikin’ny foko?”
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


“Aiza no ahafahako mahazo fanantenana rehefa maty ny olona iray akaikin’ny foko?”

zatovolahy

Rehefa maty ny raiko dia ny finoako an’i Jesoa no zavatra nanampy ahy indrindra. Talohan’ny nidiran’ny fianakaviako ho mpikamban’ny Fiangonana dia Katôlika izahay. Tsy tiako ny nandeha nivavaka, fa ny reniko kosa anefa dia tena nahatoky. Taorian’ny nahafatesan’ny raiko dia tsaroako ny reniko nilaza fa tsy te hino intsony izy.

Nanana namana iray izay mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny reniko, dia nentiny tao an-tranonay ireo misiônera. Niaraka nianatra ireo lesona izahay ary nanomboka nandeha tany am-piangonana. Nanomboka nino an’i Jesoa sy Andriamanitra aho ary nanomboka nitombo ny finoako. Na dia maty aza ny raiko dia nino aho fa hahita azy indray izahay indray andro any. Afaka miara-miaina any an-danitra izahay noho i Jesoa Kristy.

Miaraka aminao eo foana i Jesoa Kristy. Rehefa mahatsapa ho malahelo, na manahy, na miaina tontolo andro ratsy ianao, dia afaka mitodika Aminy ianao satria tia anao Izy. Hiady ho anao Izy.

Simone C., 18 taona, Vilnius, Lituanie

Mankafy ny milalao water polo, volleyball, ary mitendry angorodao.